Toko 80—Tao amin’ ny fasan’ i Josefa
Tonga tao amin’ ny fitsaharany Jesosy nony farany. Tapitra ilay andro lavabe feno fahafaham-baraka sy fampahoriana. Nandry fahizay tao am-pasan’ i Josefa Ilay Zanak’ Andriamanitra tamin’ ny fotoana nanondroan’ ny tana-masoandro milentika fa tonga ny Sabata. Feno sy tanteraka ny asany ; ny tanany mikambana (teo amin’ ny tratrany) tamim-piadanana, raha nitsahatra nandritra ireo ora masin’ ny andro Sabata Izy.IFM 827.1
Tamin’ ny voalohany dia efa nitsahatra tamin’ ny Sabata ny Ray sy ny Zanaka taorian’ ny asa famoronana. Raha «vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy», dia niravoravo ny Mpamorona sy ny mponina rehetra tany an-danitra nijery sy nankalaza ilay fisehoan-javatra be voninahitra». «Niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra». Ankehitriny dia nitsahatra tamin’ ny asa fanavotana Jesosy ; ary na dia nalahelo aza ireo izay tia Azy teto an-tany, dia nisy fifaliana kosa tany an-danitra. Be voninahitra ny fampanantenana ny ho avy teo imason’ ireo mponina tany an-danitra. Famoronana tafaverina indray, taranaka voavotra, izay naharesy ny fahotana ka tsy ho lavo intsony, — izany no vokatra azo avy tamin’ ny asa nataon’ i Kristy ka hitan’ Andriamanitra sy ny anjely. Mifamatotra mandrakizay amin’ io toe-javatra io ny andro nitsaharan’ i Jesosy. . . Fa «tanteraka ny asany, ary izay rehetra ataon’ Andriamanitra dia haharitra mandrakizay». «Rehefa hisy fampodiana ny zavatra rehetra, izay nampi- lazain’ Andriamanitra ny mpaminany masina hatramin’ ny voalohany indrindra» , dia mbola ho andro fitsaharana sy firavoravoana ihany ny Sabatan’ ny famoronana, dia ilay andro izay nitsaharan’ i Kristy tao amin’ ny fasan’ i Josefa. Hiray amin’ ny fiderana ny lanitra sy ny tany, rehefa ho avy «isan-tSabata isan-tSabata» ny firenen’ ny voavonjy hiankohoka amim-pifaliana hanompo an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry.IFM 827.2
Ireo toe-javatra farany tamin’ ny andro nanomboana teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nisy porofo vaovao nomena ny amin’ ny fahatanterahan’ ny faminaniana, sy vavolombelona vaovao ny amin’ ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy. Rehefa niala tsy ho eo amin’ ny hazo fijaliana ny haizina, ka niantso farany ny Mpamonjy efa ho faty, dia nisy feo hafa re avy hatrany nanao hoe : «Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io».IFM 828.1
Notononina tamin’ ny feo mahery ireo teny ireo. Nitodika ny maso rehetra nijery izay niaviany. Iza no niteny ? Ilay Kapiteny, miaramila Romana. Ny faharetan’ Andriamanitra teo amin’ ny Mpamonjy, sy ny fahafatesany tampoka nialohavan’ ny antsoantsompandresena teo amin’ ny molony, dia latsaka lalina tao am-pon’ ity jentilisa ity. Hitan’ ilay kapiteny teo amin’ ilay tena torotoro, sy vakivaky nihantona teo amin’ ny hazo fijaliana ny endriky ny Zanak’ Andriamanitra. Tsy afaka ny tsy hiaiky ny finoany izy. Porofo nomena indray izany fa hahita ny asan’ ny fanahiny ny Mpanavotra antsika. Tamin’ ny andro nahafatesany indrindra dia nisy olona telo, izay samihafa tanteraka, nanambara ny finoany, — ilay nibaiko ny mpiambina Romana, ilay nitondra ny hazo fijalian’ ny Mpamonjy, ary ilay maty teo amin’ ny hazo fijaliana teo anilany.IFM 828.2
Nony hariva ny andro, dia nisy fahatoniana tsy fahita eto an-tany nambomba an’ i Kalvary. Niparitaka ny vahoaka, ary betsaka no niverina nankany Jerosalema sady niova hevitra be dia be noho izay tsapany tamin’ ny maraina. Betsaka no nitangorona teo amin’ ny hazo fijaliana, liana ta-hahalala zavatra, fa tsy noho ny fankahalany an’ i Kristy. Mbola ninoany ny fiampangan’ ny mpisorona, ka olon-dratsy no fijeriny an’ i Kristy. Niray tamin’ ny besinimaro izy ireo nanaraby an’ i Kristy raha notairin-javatra tsy dia fahita mandrakariva. Nefa nony hitany fa rakotry ny haizina mikitroka ny tany ka nijoro voampangan’ ny feon’ ny fieritreretan’ ny tenany ihany izy, dia nahatsapa fa meloka noho ny ratsy lehibe nataony. Tsy misy fanarabiana na hehy maneso re tao anatin’ io haizina nampihoron-koditra io; ary rehefa nisinda izany, dia nizotra nody tany an-tranony izy ireo tao anatin’ ny fanginana tena mampieritreritra. Resy lahatra izy fa diso ny fiampangan’ ny mpisorona, fa tsy mpihambo na mpamitaka Jesosy tsy akory ; ary herinandro vitsy manaraka izao, raha nitory teny i Petera tamin’ ny andro Pentekosta, dia anisan’ ireo an’ arivony niova fo ho an’ i Kristy izy ireo.IFM 828.3
Ny mpitarika jiosy kosa tsy mba voaovan’ ny toe-javatra izay natrehiny maso. Tsy lefy ny fankahalany an’ i Jesosy. Tsy nikitroka toy ny haizina mbola nanarona ny sain’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ny haizina nandrakotra ny tany. Nahafantatra an’ i Kristy ny kintana fony Izy teraka , ka nitarika ny magy ho eo amin’ ny fihinanam-bilona izay nisy Azy. Nahafantatra Azy ny tafiky ny lanitra ka nanao hira fiderana Azy teo ambonin’ ny tany lemak’ i Betlehema. Nahafantatra ny feony ny ranomasina ka nankatò ny baikony. Nanaiky ny fahefany ny aretina sy ny fahafatesana ka nandefa ny hazany ho Azy. Nahafantatra Azy ny masoandro, ka nanafina ny tavany feno hazavana, raha nanatrika azy nitebiteby teo am-pialan’ aina. Nahafantatra Azy ny vatolampy ka nihovitrovitra sy vakivaky rehefa niantsoantso Izy. Nahafantatra an’ i Kristy ny zavaboary tsy manan’ aina ka nijoro ho vavolombelon’ ny mahaAndriamanitra Azy. Ny mpisorona sy ny mpanapaka ao Isiraely kosa tsy nahalala ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 829.1
Tsy nitsahatra anefa ny mpisorona sy ny mpanapaka. Nahatanteraka ny fikasany izy tamin’ ny namonoany an’ i Kristy ho faty, tsy tsapany anefa ny fandresena izay nantenainy. Na dia tamin’ ny ora toa nahazoany ny fandresena aza, dia nampitebiteby azy ny fisalasalana ny amin’ izay hitranga manaraka. Reny ny antsoantso hoe : «Vita». «Raiko ò, eo an-tànanao no atolotro ny Fanahiko» . Hitany ny vatolampy nitriatriatra, ary tsapany ny horohorontany mafy ka tsy nahita fiadanana izy sady tsy azony ny ainy.IFM 829.2
Fony velona Kristy dia nialona ny heriny niasa mangina tamin’ ny vahoaka izy ireo, nialona azy na dia hatreo amin’ ny fahafatesana aza. Nampihorohoro azy be kokoa, eny be lavitra, Kristy maty, mihoatra noho ny fahatahorany an’ i Kristy velona hatramin’ izay. Nihorohoro izy sao voatarika bebe kokoa amin’ ny toe-javatra mikasika ny nanomboana Azy ny sain’ ny vahoaka. Natahotra izay ho vokatry ny asa nataony tamin’ iny andro iny izy. Na toy inona na toy inona dia tsy ho avelany eo amin’ ny hazo fijaliana mandritra ny Sabata ny fatiny. Efa manatona izao ny Sabata, ka ho fandikana ny fahamasinany ny faty mihantona eo amin’ ny hazo fijaliana. Noho izany dia nampiasainy io anton-javatra io ka nangataka tamin’ i Pilato ny lohandohan’ ny Jiosy ny ahazoany manafaingana ny fahafatesan’ ireo olona teo am-pelatanany, sy ny hanesorana ny faty alohan’ ny filentehan’ ny masoandro.IFM 829.3
Tahaka azy ireo koa i Pilato ka tsy nankasitraka ny ijanonan’ ny fatin’ i Jesosy eo amin’ ny hazo fijaliana. Rehefa azon’ izy ireo ny alalana, dia notapahina ny ranjon’ ireo jiolahy roalahy mba hanafaingana ny fahafatesany ; Jesosy kosa anefa dia hita fa efa maty. Nampahalefaka ireo miaramila henjana ireo izay reny sy hitany tamin’ i Kristy, koa voatana tsy hanapaka ny ranjony izy. Tamin’ izay dia tanteraka ny lalàn’ ny Paska tamin’ ny fanolorana ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. «Aza avela hasiany sisa ho tramaraina, ary aza avela hotapahiny ny taolany, araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy».IFM 830.1
Gaga ny mpisorona sy ny mpanapaka nahita fa efa maty Kristy. Fomba fahafatesana miadana ny hazo fijaliana ; sarotra ny mahafantatra ny fotoana hahataperan’ ny aina. Zavatra tsy fandre izany olona maty ao anatin’ ny ora enina nanomboana azy tamin’ ny hazo fijaliana. Nirin’ ny mpisorona ny ahazo antoka ny fahafatesan’ i Jesosy, ka notoroiny hevitra ny miaramila hanatrobaka ny lanivoan’ ny Mpamonjy tamin’ ny lefona. Avy teo amin’ ilay ratra natao toy izany no niboiboika sady niavaka tsara ny ra sy ny rano. Voamariky ny mpijery rehetra izany ary i Jaona dia nitatitra izany mazava tsara. Hoy izy : «Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’ izay dia nisy ra sy rano nandeha. Ary Ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany ; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe :IFM 830.2
«Tsy hisy hotapahina daholo ny taolany». Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ ny Soratra Masina: «Hijery Izay nolefoniny izy».IFM 830.3
Taorian’ ny fitsanganana tamin’ ny maty dia naelin’ ny mpisorona ny filazana fa tsy maty Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana, fa safotra fotsiny, ka niverina ny ainy rehefa avy eo. Nisy tatitra iray koa nanamafy fa tsy tena nofo sy taolana akory no napetraka tao amin’ ny fasana, fa endriky ny tena. Manaporofo ny mahadiso izany ny zavatra nataon’ ireo miaramila Romana. Tsy notapahiny ny ranjony satria efa maty Izy. Mba hanomezana fahafaham-po ny mpisorona, dia nolefoniny ny lanivoany. Raha tsy mbola afaka ny ainy, dia ho nahafaty Azy avy hatrany io ratra io.IFM 830.4
Tsy ny lefona nitrabaka Azy, na ny fijaliana teo amin’ ny hazo fijaliana anefa no nahafaty an’ i Jesosy. Ilay antsoantso «tamin’ ny feo mahery», tamin’ ny fotoana nahafatesany, ny ra sy ny rano niboiboika avy tao amin’ ilay lanivoany, dia manambara fa ny fony vaky no nahafaty Azy. Vaky ny fony noho ny tebitebin-tsaina. Ny fahotan’ izao tontolo izao no namono Azy.IFM 831.1
Levona niaraka tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny fanantenan’ ny mpianatra. Nijery ny masony nikimpy izy sy ny lohany nitolefika, ny ra niraikitra amin’ ny vclony, ny tanany sy ny tongony nofantsihina, ary dia tsy hay notantaraina ny tebiteby nahazo azy. Hatramin’ ny farany dia tsy nino izy ireo fa ho faty Izy ; sarotra taminy ny nino fa tena maty tokoa Izy. Resin’ ny alahelo izy ka tsy nahatsiaro ny tenin’ i Jesosy nilaza mialoha io toe-javatra io indrindra. Tsy nisy na inona na inona nolazainy tamin’ izay, ka nampahery azy ankehitriny. Tsy nahita afa-tsy ny hazo fijaliana sy ilay olona babony nivoa-dra izy. Toa maizin’ ny fahakiviana ny ho avy. Levona ny finoany an’ i Jesosy ; nefa tsy mbola tia ny Tompony tahaka ny tamin’ izao mihitsy izy. Tsy mbola nahatsapa ny fahamendrehany toy izao izy, sy ny maha-ilany ny fanatrehany.IFM 831.2
Na dia tao amin’ ny fahafatesana aza dia sarobidy indrindra tamin’ ny mpianany ny tenin’ i Kristy. Niriny ny handevina Azy amin’ ny fomba mendrika, nefa tsy fantany izay fomba hanatanterahany izany. Navadiky ny fanjakana Romana ho heloka bevava no nanamelohana an’ i Jesosy, ary ny olona novonoina noho izany antony izany dia nalevina tany amin’ ny toeram-pandevenana voatokana ho an’ ny mpanao heloka bevava toy izany. Nijanona teo amin’ ny hazo fijaliana i Jaona mpianatra sy ireo vehivavy avy tany Galilia. Tsy azony atao ny namela ho eo am-pelatanan’ ireto miaramila mafy fo ny fatin’ ny Tompony ka alevina ao amin’ ny fasana manala baraka. Tsy azony sakanana anefa izany. Tsy misy tombom-pitia mety ho azony anefa amin’ ny fahefana Jiosy, ary tsy nanana hery na fahefana afaka hiasa koa eo amin’ i Pilato izy.IFM 831.3
Teo amin’ io toe-javatra sarotra io dia tonga nanampy ny mpianatra i Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy. Samy anisan’ ny Synedriona ireo lehilahy ireo ka nifandray tamin’ i Pilato. Samy lehilahy nanan-karena sy nanan-kery miasa mangina izy ireo. Nanapa-kevitra izy fa tokony halevina amin’ ny fomba mendrikaja ny fatin’ i Jesosy.IFM 832.1
Nandeha tamin-kasahiana tany amin’ i Pilato i Josefa, ka nangataka ny fatin’ i Jesosy taminy. Voalohany izao no nandrenesan’ i Pilato fa tena maty tokoa Jesosy. Tatitra nifanipaka no tonga tany aminy mikasika ny toe-javatra teo amin’ ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, saingy niniana nafenina taminy ny momba ny nahafatesan’ i Kristy. Nampitandrina an’ i Pilato ny mpisorona sy ny mpanapaka sao voafitaky ny mpianatr’ i Kristy izy mikasika ny fatiny. Rehefa nandre ny fangatahan’ i Josefa izy anefa, dia nampaka ny kapiteny niandraikitra ny teo amin’ ny hazo fijaliana, ka reny fa azo antoka ny nahafatesan’ i Jesosy. Nanontany azy koa ny amin’ izay niseho teo Kalvary izy, ka nanamafy ny teny vavolombelona nataon’ i Josefa.IFM 832.2
Nekena ny fangatahan’ i Josefa. Raha mbola very hevitra ny amin’ ny handevenana ny Tompony i Jaona, dia niverina i Josefa nitondra ny baikon’ i Pilato mikasika ny fatin’ i Kristy ; Nikodemosy kosa nitondra miora sy zava-manitra sarobidy nifangaro, tokony ho zato livatra ny lanjany hanosorana Azy. Tsy hahita fanajana noho izany ny be voninahitra indrindra manerana an’ i Jerosalema eo amin’ ny fandevenana azy. Gaga ny mpianatra nahita ireto mpanapaka mpanankarena nandray ny fandevenana ny Tompony ho zava-dehibe tahaka ny nataon’ izy ireo.IFM 832.3
Na i Josefa na i Nikodemosy dia tsy nanaiky ny Mpamonjy ampahibemaso fony fahavelony. Fantany fa nety nahavoaroaka azy tsy ho ao amin’ ny Synedriona ny fihetsika toy izany, nefa nanantena izy fa afaka hiaro Azy amin’ ny alalan’ ny heriny miasa mangina amin’ ny filan-kevitra. Nisy fotoana toa nahombiazan’ izy ireo ; hitan’ ireto mpisorona fetsilahy anefa ny fankasitrahany an’ i Kristy, ka nosakanany ny drafitra nataon’ izy ireo. Tamin’ ny tsy naha-teo azy ireo no nanamelohana sy nanomboana an’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana. Maty Izy izao, tsy misy antony tokony hanafenany ny fitiavany azy. Raha natahotra ny hiseho ampahibemaso ho mpanaraka Azy ny mpianatra, Josefa sy Nikodemosy kosa tonga nanampy Azy tamin-kasahiana. Ny fanampian’ ireo lehilahy manan-karena sy manan-kaja ireo dia nilaina tokoa tamin’ io fotoana io. Afaka nanao ho an’ ny Tompo izay tsy azon’ ireto mpianatra mahantra ireto natao izy taorianan’ ny nahafatesany, ary niaro Azy tamin’ ny lafiny maro tokoa ny harenany sy ny hery miasa mangina avy taminy, mba tsy ho tratran’ ny haratsiam-panahin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka.IFM 832.4
Ny tanan’ izy ireo mihitsy no nampidina moramora sy tamimpanajana ny fatin’ i Jesosy avy eo amin’ ny hazo fijaliana. Nikoriana ny ranomasony noho ny fangorahany nijery ity tenany torotoro sy rotidrotika. Nanana fasana vaovao i Josefa, izay nolavahana tao amin’ ny vatolampy. Natokany ho an’ ny tenany izy io, ary akaiky an’ i Kalvary ka namboariny ho an’ i Jesosy. Nofonosina tamimpitandremana tamin’ ny lamba rongony ny faty niaraka tamin’ ny zava-manitra tany amin’ i Nikodemosy, dia nentina tany am-pasana ny Mpanavotra. Tao ny mpianatra telo lahy no nanatsotra ny tongony rotidrotika, sy namoritra ny tanany torotoro teo amin’ ny tratrany tsy mitepo. Tonga nijery izay rehetra efa vita ny amin’ izay tokony hatao ho an’ ny vatana nialan’ ny ain’ ny Mpampianatra Malalany ireo vehivavy Galiliana. Rehefa izany dia hitany ilay vato lehibe nakodia teo am-baravaram-pasana, ary navela hitsahatra ny Mpamonjy. Ny vehivavy no farany teo amin’ ny hazo fijaliana, ary izy ireo koa no farany teo amin’ ny fasan’ i Kristy. Rehefa hariva ny andro ka nitangorona ho haizina ny aloka, dia mbola nitaredretra teo amin’ ny toerana nitsaharan’ ny Tompony i Maria Magdalena sy ireo Maria hafa, nandrotsa-dranomaso noho ny alahelony ny amin’ ny nanjo Ilay tiany. «Ary niverina ireo ... ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna» .IFM 833.1
Tsy hohadinoina na oviana na oviana, na ho an’ ny mpianatra ory dia ory, na ho an’ ny mpisorona, na ho an’ ny mpanapaka, na ho an’ ny mpanora-dalàna, sy ny vahoaka iny Sabata iny. Raha nilentika ny masoandro ny harivan’ ny andro fiomanana dia naneno ny trompetra, nilaza fa nanomboka ny Sabata. Notandremana tahaka ny natao nandritra ny taonjato maro ny Paska, nefa Ilay notondroin’ izany dia efa novonoin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy ka nandry tao amin’ ny fasan’ i Josefa. Ny Sabata dia feno mpivavaka ny kianjan’ ny tempoly. Tao ilay mpisoronabe izay tany Gologota, nihaingo fatratra nanao ny fitafiany maha-mpisorona azy. Nisomebiseby ny mpisorona manao fehiloha fotsy, nanatanteraka ny adidiny. Nisy kosa anefa tamin’ izay nanatrika teo no tsy nandry saina raha natolotra noho ny ota ny ran’ ny ombilahy sy ny ran’ ny osilahy. Tsy tsapany fa nihaona tamin’ ny tena izy ny tandindona, ary nisy sorona tsy manam-petra natao ho an’ ny fahotan’ izao tontolo izao. Tsy fantany fa tsy nisy vidiny intsony ny fanatanterahana ny fanompoampivavahana fanao. Tsy mbola nisy anefa hatramin’ izao fanompoampivavahana natrehiny tamin’ ny fihetseham-po nifanipaka toy izao. Toy ny mahazatra dia mafy sady nazava ny feon’ ny trompetra sy ny zava-maneno ary ny feon’ ny mpihira. Nisy zavatra hafahafa anefa tsapa nameno ny zavatra rehetra. Nifampanontany ny tsirairay momba ny toe-javatra hafahafa vao nitranga. Hatrizay dia voaro tsara tsy azo nidirana ny fitoerana masina indrindra. Nefa izao dia miharihary amin’ ny maso rehetra izany. Triatra hatrany an-tampony ka hatramin’ ny farany ilay lamba karipetra matevina, rongony fotsy madio sy voahaingo tamin’ ny peta-kofehy volamena, sy mena ary volomparasy. Ny toerana izay nihaonan’ i Jehovah tamin’ ny mpisoronabe, nanehoany ny voninahiny, ny toerana izay efitra voatokana fandraisan’ Andriamanitra olona dia nihanjahanja teo amin’ ny maso rehetra, — toerana izay toa tsy neken’ i Jehovah intsony. Eritreritra manjombona momba ny ho avy no tao amin’ ny mpisorona raha nanao asa fanompoana teo anoloan’ ny alitara izy. Ny fanesorana sarona ny zava-miafina masina tao amin’ ny fitoerana masina indrindra dia nameno azy tahotra ny amin’ ny zava-doza mahatsiravina niety hitranga.IFM 833.2
Maro ny olona sahiran-tsaina noho ny eritreritra nateraky ny toe-javatra tao Kalvary. Hatreo amin’ ny fanomboana Azy teo amin’ ny hazo fijaliana ka hatramin’ ny fitsanganany tamin’ ny maty dia marobe ny tsy natory ary tsy nitsahatra mihitsy nandinika ny faminaniana; tao ny nianatra ny tena dikan’ ny andro firavoravoana izay nankalazainy tamin’ izay, tao ny nitady porofo mazava fa tsy izy araka izay nolazainy ny amin’ ny tenany Jesosy ; ary ny hafa kosa tamin’ ny fo feno alahelo dia nitady porofo fa Izy no tena Mesia. Na dia samy hafa aza ny zava-nokendrena sy nobanjinina, dia samy resy lahatra ny amin’ ny fahamarinana iray izy rehetra, — dia ny fahatanterahan’ ny faminaniana teo amin’ ireo toe-javatra niseho andro vitsivitsy lasa izay, sy ny maha-Mpanavotra an’ izao tontolo izao an’ Ilay Nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana. Maro tamin’ ireo nandray anjara tamin’ ny fanompoam-pivavahana no tsy nankalaza intsony ny fombam-pivavahana fanao amin’ ny Paska. Maro na dia tamin’ ny mpisorona aza no resy lahatra ny amin’ ny tena toetra amam-panahin’ i Jesosy. Tsy very maina ny nandinihany ny faminaniana, fa rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy dia nekeny ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy.IFM 834.1
Nikodemosy kosa, rehefa nahita an’ i Jesosy nasandratra teo amin’ ny hazo fijaliana, dia nahatsiaro ny teny nataony indray alina teo amin’ ny tendrombohitra Oliva : «Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy». Nandritra ny Sabata naha-tao am-pasana an’ i Kristy, dia nanana fotoana hieritreretana i Nikodemosy. Nisy fahazavana namirapiratra tokoa nanazava ny sainy, ka tsy zava-miafina intsony ny teny izay nataon’ i Jesosy taminy. Tsapany fa matiantoka tokoa izy tamin’ ny tsy nifandraisany mivantana tamin’ ny Mpamonjy nandritra ny fiainany. Tsaroany ankehitriny ny toe-javatra tao Kalvary. Ny vavaka nataon’ i Kristy ho an’ ny mpamono Azy, sy ny namaliany ny fangatahan’ ilay jiolahy efa ho faty dia niteny tamin’ ny fon’ ilay mpanolotsaina avara-pianarana. Hitany indray tao an-tsainy ny Mpamonjy teo am-pialan’ aina ; reny indray ilay antso farany manao hoe : «Vita» izay nanakoako toy ny an’ ny mpandresy iray. Hitany indray ny tany nivembena, ny lanitra nohamaizinina, ny lamba triatra, ny vatolampy vakivaky, koa dia tafaorina ho mandrakizay ny finoany. Ny toe-javatra izay nandevona indrindra ny fanantenan’ ny mpianatra no nandresy lahatra an’ i Josefa sy Nikodemosy ny amin’ ny maha-Andriamanitra an’ i Jesosy. Resin’ ny herim-po avy amin’ ny finoana mafy orina sy tsy azo hozongozonina ny tahotra tao aminy.IFM 835.1
Tsy mbola nisintona ny sain’ ny vahoaka marobe toy izao Izy mandry ao am-pasana izao Kristy. Araka ny fanaony, dia nentin’ ny vahoaka ho eo amin’ ny kianjan’ ny tempoly ny marary sy ny mijaly, ka nanontany izy ireo hoe : «Iza no afaka hilaza aminay ny misy an’ i Jesosy avy any Nazareta ? Maro no tonga avy lavitra nitady an’ Ilay nanasitrana ny marary sy nanangana ny maty. Re hatraiza hatraiza ny antsoantso hoe : Mila an’ i Kristy mpanasitrana izahay. Tamin’ izay fotoana izay dia nodinihin’ ny mpisorona izay noheverina fa nisy fambaran’ ny habokana. Maro no tsy maintsy nandre ny fanambarana fa boka ny vadiny, na ny zanany ka nidiran-doza hiala ny fialofan’ ny tokantranony sy ny fikarakaran’ ny havana amantsakaiza, ary handeha hampitandrina ny olon-kafa amin’ ny antsoantso mahonena hoe: «Maloto, maloto!» Ilay tanan’ i Jesosy, toy ny tanan’ ny sakaiza izay tsy nandà na oviana na oviana hikasika ny boka maharikoriko mba hanasitranana azy, dia nikambana teo amin’ ny tratrany. Ny molotra izay namaly ny fangatahany tamin’ ny teny fampaherezana hoe: «Mety Aho; madiova hianao», ankehitriny dia nangina. Maro no nanatona ny mpisorona lehibe sy ny mpanapaka nitady fangorahana sy fanasitranana, nefa herim-po very maina. Toa tapa-kevitra tokoa izy ireo hanana an’ i Kristy velona eo aminy indray. Nitaky Azy tamim-pikirizana fatratra izy ireo ary tsy nety hahodina hiala teo mihitsy ; noroahina hiala ny kianjan’ ny tempoly izy, ary nisy miaramila nijanona nanosika ny vahoaka izay nangataka ny hiditra, nitondra ny olona marary sy ireo efa ho faty.IFM 835.2
Nilofika tao amin’ ny fahadisoam-panantenana ireo olona nijaly tonga hositranin’ ny Mpamonjy. Feno fitarainana ny arabe. Efa ho faty ny marary noho ny faniriany hokasihin’ i Jesosy mba ho sitrana. Tsy nisy vokany ny fanantenany dokotera; tsy nisy nanam-pahaizana toy Ilay nandry ao am-pasan’ i Josefa.IFM 836.1
Ny antsoantso sy ny fitarainan’ ireo mijaly dia nitondra faharesen-dahatra tao an-tsain’ olona an’ arivony fa nisy fahazavana lehibe niala teto amin’ izao tontolo izao. Raha tsy eo Kristy, dia haizina sy fahamaizinana ny tany. Maro tamin’ ireo olona nanampy ny antsoantso hoe : Homboy ! Homboy ', ! ankehitriny no nahatsapa ny antambo izay niantonta taminy, ka ho niantso tamin-kafanam-po raha mbola velona teo Izy hoe : «Omeo anay Jesosy».IFM 836.2
Rehefa ren’ ny vahoaka fa novonoin’ ny mpisorona ho faty Jesosy, dia nandeha ny fanadihadiana mikasika ny nahafatesany. Nafenina araka izay azo natao ny toe-javatra manokana izay nitranga teo amin’ ny fitsarany, nefa nandritra ny fotoana naha-tao amin’ ny fasana Azy, dia tsy afaka teo am-bavan’ ny olona an’ arivony ny anarany, ka niely hatraiza hatraiza ny tatitra momba ny fitsarana an-kosoka natao taminy, sy ny toetra tsy mendrik’ olombelona nasehon’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Nantsoin’ ny olona avara-pianarana ireo mpisorona sy mpanapaka mba hanazava aminy ny faminaniana ao amin’ ny Testamenta Taloha mikasika ny Mesia, ary raha niezaka ny handrafitra lainga ho valin’ izany izy ireo, dia nanjary toy ny olona adala. Tsy hainy nohazavaina ny faminaniana izay nanondro ny fijalian’ i Kristy sy ny fahafatesany, ka maro ny mpandinika no resy lahatra fa tanteraka ny Soratra Masina.IFM 836.3
Nangidy tamin’ ny mpisorona sahady ny valifaty izay noheveriny ho mamy dia mamy. Fantany fa nisetra ny faniniana mafy ataon’ ny vahoaka izy, fantany fa ireo niasany mangina hanohitra an’ i Jesosy no tsiravina ankehitriny, tamin’ ny asa mahamenatra nataon’ ny tenany. Niezaka ireo mpisorona ireo hino fa mpamitaka Jesosy ; very maina anefa izany. Nisy tamin’ izy ireo nijoro teo amin’ ny fasan’ i Lazarosy, ary nahita ny maty velona indray. Nampangovitra azy ny tahotra sao Kristy mihitsy no mitsangana amin’ ny maty ka hiseho eo anatrehany indray. Reny nanambara Izy fa manana fahefana hametraka ny ainy sy haka azy indray. Tsaroany fa niteny hoe Izy : «Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray». Efa nambaran’ i Jodasy taminy ny teny izay nolazainy tamin’ ny mpianany nandritra ny diany farany ho any Jerosalema : «Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa mba hataony fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ ny hazo fijaliana; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy». Rehefa nandre ireo teny ireo izy, dia nihomehezany sy nataony vazivavy. Tsaroany anefa ankehitriny fa tena tanteraka tokoa ny teny nambaran’ i Kristy mialoha. Nilaza Izy fa hitsangana indray amin’ ny andro fahatelo, ary iza no afaka hilaza fa tsy hitranga koa izany ? Niriny mafy ny handroaka izany eritreritra izany, nefa tsy nety. Tahaka ny devoly izay rainy, dia nino izy ka nangovitra.IFM 836.4
Rehefa nitsahatra ny tabataba vokatry ny hatairana teo, dia nitamberina tao an-tsainy ny sarin’ i Kristy. Hitany Izy mijoro manoloana ny fahavalony, tony dia tony sady tsy mitaraina, mijaly nefa tsy mimonomonona miaritra ny fanarabiana sy ny herisetra. Niverina tao an-tsainy ny toe-javatra rehetra nandritra ny fitsarana sy ny fanomboana teo amin’ ny hazo fijaliana ary tamin-kery mandresy lahatra no ninoany ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy. Tsapany fa afaka hijoro eo anatrehan’ izy ireo amin’ ny fotoana rehetra Izy, dia hanjary hiampanga Ilay voampanga, hanameloka Ilay nomelohina, hitaky ny fahamarinana ao amin’ ny ho fahafatesan’ ny mpamono Azy Ilay novonoina.IFM 837.1
Tsy afaka nitsahatra kely akory izy tamin’ ny Sabata. Na dia tsy tiany aza ny handingana ny tokonam-baravaran’ ny jentilisa sao mandoto azy izany, dia nampivory ny filan-kevitra mikasika ny fatin’ i Kristy izy. Tsy maintsy hazonin’ ny fahafatesana sy ny fasana Ilay nohomboany. «Nivory nankeo amin’ i Pilato ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ka nanao hoe : Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe : Raha afaka hateloana dia hitsangana Aho. Koa asaovy hambenana mafy ny fasana mandra-panatongan’ ny andro fahatelo, fandrao ny mpianany ka mangalatra Azy, dia hilaza amin’ ny olona hoe : Efa nantsangana tamin’ ny maty Izy ; ka dia ho ratsy ny fitaka farany noho ny voalohany. Hoy i Pilato taminy : Makà mpiambina ka mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana».IFM 837.2
Nanome baiko mba hiambenana ny fasana ny mpisorona. Nisy vato lehibe napetraka teo am-baravarana. Nasiany tady teo amin’ io vato io, izay nafatotra tsara tamin’ ny vatolampy mafy ny lohany ; ary nasiany ny tombo-kasen’ ny Romana izany. Tsy azo esorina ny vato raha tsy vakiana ny tombon-kase. Napetraka manodidina ny fasana ny miaramila mpiambina miisa zato lahy mba hisakanana ny fitapitaka momba izany. Nanao izay rehetra azony natao ny mpisorona mba hitazonana ny fatin’ i Kristy eo amin’ izay nametrahana Azy. Nohidian’ ny tombo-kase tao am-pasana tahaka ny hijanona ao mandrakizay Izy.IFM 838.1
Toy izany ny toro-hevitra sy ny drafitra nataon’ ny olombelona malemy. Tsy tsapan’ ireto mpamono olona firy ny maha-tsy misy antony ny ezaka nataony. Nomem-boninahitra anefa Andriamanitra tamin’ ireo asa nataony ireo. Ny fiezahana indrindra nataony mba hisakanana ny fitsanganan’ i Kristy tamin’ ny maty no porofo mandresy lahatra indrindra ny fahamarinan’ izany. Arakaraka ny maha-be isa ny miaramila napetraka manodidina ny fasana no mahamafy orina kokoa ny vavolombelona fa natsangana Izy. An-jato taona talohan’ ny nahafatesan’ i Kristy dia efa niteny tamin’ ny alalan’ ny mpanao Salamo ny Fanahy Masina hoe : «Ireo mpanjakan’ ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’ i Jehovah sy ny Mesiany . . . Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo». Tsy manan-kery ny miaramila Romana sy ny mpiambina ary ny fiadiana Romana hihazona ny Tompon’ ny aina ao amin’ ny fasana. Akaiky izao ny ora fanafahana Azy.IFM 838.2