Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 49—Tamin’ ny andro firavoravoana

    In telo isan-taona ny Jiosy no nasaina nivory tany Jerosalema noho ny antony ara-pívavahana. Nisarona tao amin’ ny andry rahona, Ilay Mpitarika an’ Isiraely tsy hita maso, raha nanome ny toro-marika mikasíka ireo fivoriana ireo. Nandritra ny fahababoan’ ny Jiosy, dia tsy voatandrina ireo ; nefa rehefa tafaverina teo amin’ ny taniny ny vahoaka, dia nanomboka indray ny fanarahana ireo fahatsiarovana ireo. Fikasan’ Andriamanitra ireo tsingerin-taona ireo hampahatsiahy Azy amin’ ny sain’ ny vahoaka. Nefa very tsy teo imason’ ny mpisorona sy ny mpitarika ny zava-kendren’ izany, afa-tsy ho an’ ny olom-bitsy sasantsasany. Ilay nibaiko ireo fivoriam-be ataon’ ny firenena ireo ka nahalala ny dikany, dia nanatri-maso ny famadihana an’ ireny.IFM 477.1

    Ny andro firavoravoana 1Mifototra amin’ny Joana 7 : 1-15, 37-39 no fivoriana namarana ny taona. Ny fikasan’ Andriamanitra tamin’ io fotoana io dia ny hitarafan’ ny vahoaka ny fahalemem-panahiny sy ny famindrampony. Teo ambanin’ ny fitarihany ny tany manontolo, nandray ny fitahiany. Nitohy andro aman’ alina ny fikarakarany. Nampahavokatra ny tany ny masoandro sy ny ranonorana. Voangona ny vokatra avy amin’ ny lohasaha sy ny tanety midadasika manerana an’ i Palestina. Efa notohazana ny voan’ oliva, ary notehirizina tao anatin’ ny tavoahangy ny menaka sarobidy. Efa nameno ny fitehirizana azy ny hazo palma. Efa nohitsakitsahina tao amin’ ny famiazam-boaloboka ny sampahon’ ny voaloboka mena.IFM 477.2

    Nitohy nandritra ny hafitoana ny lanonana, ary mba hankalazana izany dia nandao ny tokantranony ka nankany Jerosalema ny mponin’ i Palestina, niaraka tamin’ ny olona maro avy tamin’ ny tany hafa. Tonga avy lavitra sy akaiky ny olona, nitondra maripifaliana teny an-tanany. Ny antitra sy ny tanora, ny manan-karena sy ny mahantra, dia samy nitondra fanomezana avy ho fanatipisaorana ho an’ Ilay namarana ny taona tamim-boninahitra tamin’ ny hatsarany, ka nahatonga ny lalany ikorianan’ ny matavy. Izay rehetra mety mahafinaritra ny maso, ka haneho fifaliana ho an’ ny rehetra, dia nentina avy tany an’ ala ; naka ny endriky ny ala tsara tarehy ny tanàna.IFM 478.1

    Tsy fisaorana fotsiny noho ny vokatra io andro firavoravoana io, fa fahatsiarovana koa ny fiarovana sy ny fikarakaran’ Andriamanitra an’ Isiraely tany an-efitra. Ho fahatsiarovana ny fiainana tao an-day, dia nitoetra tao amin’ ny trano heva na tao amin’ ny tabernakely natao tamin’ ny rantsan-kazo maitso ny Zanak’ Isiraely. Natsangana teny amin’ ny arabe ireny, teny amin’ ny kianjan’ ny tempoly, na teny an-tampon-trano. Ny havoana sy ny lohasaha manodidina an’ i Jerosalema koa dia nisy ireny toerana ipetrahana natao tamin’ ny ravin-kazo ireny tetsy sy teroa, ka toa manan’ aina sy feno olona.IFM 478.2

    Hira masina sy hiram-pisaorana no nentin’ ny mpivavaka mankalaza izany. Fotoana kely talohan’ ny andro firavoravoana ny androm-panavotana, izay nanambarana fa vita fihavanana amin’ ny lanitra ny vahoaka rehefa niaiky ny fahotany. Tamin’ izay dia voaomana ny lalana hisian’ ny fifaliana amin’ ny andro firavoravoana. «Miderà an’ i Jehovah fa tsara Izy ; fa mandrakizay ny famindrampony»2Sal. 106 : 1. Izany no nisandratra tamim-boninahitra, ary ny zavamaneno isan-karazany, niaraka tamin’ ny antsoantson’ ny hosana, no nanaraka ny hira rodobe. Ny tempoly no foiben’ ny fifalian’ izao rehetra izao. Teo ny firamaraman’ ireo fanompoam-pivavahana fanatitra. Teo, ny antokom-pihiran’ ny Levita no nitarika ny fanompoam-pivavahana an-kira nilahatra andaniny sy ankilan’ ny tohatohatra vatososa fotsy teo amin’ ny tempoly masina. Ny sarambaben’ ny mpivavaka kosa, nanofahofa sampan-drofia sy rantsankazo maitso mandavan-taona, nanaraka ny hira, ary nampanakoaka ny isan’ andininy ; ary nifamalivaly ny feo akaiky sy lavitra, mandrapahatonga ny havoana manodidina ho rakotry ny feo sy ny fiderana.IFM 478.3

    Tamin’ ny alina dia namirapiratry ny fahazavana namboarina ny tempoly sy ny kianjany. Ny feon-java-maneno, ny sampandrofia nihofahofa, ny hosanam-pifaliana, ny vahoaka marobe tafavory, izay nitosahan’ ny fahazavana avy tamin’ ny jiro nahantonkantona, ny haingon’ ny mpisorona, sy ny voninahitry ny fanompoampivavahana, ireo rehetra ireo tafaray dia nahatonga io toe-javatra io ho tafalatsaka lalina ao am-pon’ ny mpijery. Nefa ny fanompoampivavahana manaitra indrindra tamin’ ny andro firavoravoana, izay nitondra ny fifaliana lehibe indrindra, dia ny fahatsiarovana ny toe-javatra nandritra izay nitoerana tany an-efitra.IFM 479.1

    Raha vao miposaka ny masoandro, dia mampaneno akora lava sy mafy ny mpisorona amin’ ny trompetra volamenany, ary ny setrin’ ny trompetra sy ny horakora-pifaliana ataon’ ny vahoaka any anaty trano heva, nanakoako nanérana ny havoana sy ny lohasaha, no niarahabana io androm-piravoravoana io. Manaraka izany dia maka rano eran’ ny siny avy tao amin’ ny reniranon’ i Kedrona ny mpisorona, ka nasandrany ambony, ary raha naneno ny trompetra, dia niakatra ireo tohatra nidadasiky ny tempoly izy, nanaraka ny ban-kiran’ ny zava-maneno niadana sy nirindra, ary nihira tsindraindray hoe : «Ny tongotray efa mijoro eo anatin’ ny vavahadinao, ry Jerosalema ô» 3Sal. 122 : 2.IFM 479.2

    Nentiny ny siny teo am-povoan’ ny alitara, izay teo afovoan’ ny kianjan’ ny mpisorona no nisy azy. Nisy tavy volafotsy roa teo, ary nisy mpisorona nijoro teo an-daniny sy teo an-kilany. Narotsaka tao amin’ ny anankiray ny rano tao amin’ ny siny, ary divay eran’ ny siny tao amin’ ny anankiray ; dia nikoriana tao amin’ ny lalan-drano nifandray amin’ ny Kedrona ny tao anatin’ ireo tavy roa ireo, ary notarihina ho any amin’ ny Ranomasina Maty. Io fampisehoana momba ny rano natokana io dia tandindon’ ny rano izay niboiboika avy tamin’ ny vatolampy, rehefa nibaiko Andriamanitra, mba hampitony ny hetahetan’ ny Zanak’ Isiraely. Nikarantsana tamin’ izay ny feon-kiram-piravoravoana, nanao hoe : «Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako», «koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena» 4Isa.12 : 2, 3.IFM 479.3

    Raha niomana hanatrika ny Androm-piravoravoana ny zanak’ i Josefa, dia tsikariny fa tsy nisy fihetsika nataon’ i Kristy manambara fa nikasa hanatrika an’ izany Izy. Nitebiteby izy ireo nanara- Azy. Hatramin’ ny fanasitranana tany Betesda dia tsy nanatrika fivoriam-pirenena Izy: Mba hialany amin’ ny fifanoherana tsy misy vokany amin’ ny mpitarika tany Jerosalema, dia noferany tany Galilia ny asany. Nahavery hevitra ny olona manodidina Azy, ny toa fanaovana an-tsirambina ny fivoriam-pivavahana lehibe sy ny fandrafiana nasehon’ ny mpisorona sy ny raby taminy, ary na dia ny mpianany sy ny havany aza dia very hevitra tamin’ izany. Ny fampianarany dia nanantitranterany ny fitahiana avy amin’ ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, nefa ny tenany toa tsy niraika tamin’ ny fanompoam-pivavahana izay naorin’ Andriamanitra. Ny fifangaroany tamin’ ny mpamory hetra sy ny olona ratsy laza anefa, ny tsy fiheverany ny fitsipika nomen’ ny raby, sy ny fahafahana noraisiny nanalany ireo fitakian’ ny lovan-tsofina mikasika ny Sabata, izany rehetra izany dia toa nametraka Azy ho mpanohitra ny fahefana ara-pivavahana, ka nahatonga fanontaniana betsaka. Noheverin’ ny rahalahiny fa diso Izy tsy nifanaraka tamin’ ny olona ambony sy manam-pahefana tao amin’ ny firenena. Tsapany fa tsy maintsy ho manana ny marina ireny olona ireny, ary Jesosy no diso mametraka ny Tenany eo amin’ izay hanoherany azy. Efa nahita maso ny toetrany tsy misy tsiny anefa izy ireo ary na dia tsy nampilahatra ny tenany tamin’ ny mpianany aza Izy, dia latsaka lalina tao ampony ny asany. Nitondra fahafaham-po ho an’ ny hambom-pon’ izy ireo ny fitiavan’ ny olona Azy tany Galilia ; mbola nanantena izy ireo fa hanome porofo mazava ny amin’ ny heriny Izy izay hitarika ny Fariseo hahita fa tena araka izay lazainy tokoa Izy. Koa raha Izy moa no Mesia, Ilay Andrian’ Isiraely dia nampirehareha Azy ary nanome fahafaham-po Azy io fisainana nankamamiany io.IFM 479.4

    Nitebiteby indrindra izy momba izany, hany ka namporisihany Kristy ho any Jerosalema : «Miala eto, hoy izy, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatra ao koa izay asa ataonao ; fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary ; raha manao izany zavatra izany Ianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao». Ny hoe «raha» dia mitory fisalasalana sy tsy finoana. Nolazainy fa kanosa sy malemy Izy. Raha fantany fa Izy no Mesia, nahoana izao fitokatokanana hafahafa sy izao tsy fihetsehana izao ? Raha tena manana hery toy izany marina Izy, nahoana no tsy mandeha an-kasahiana ho any Jerosalema, ka manamafy ny fitakiany ? Nahoana no tsy tanterahiny any Jerosalema ny asa mahagaga nolazaina fa nataony tany Galilia ? Aza miafina any amin’ ny faritany mitokatokana hoy izy ireo, ary aza atao ho tombon-tsoan’ ny tantsaha sy ny mpanarato badolahy ny asa mahery ataonao. Misehoa any an-drenivohitra, ataovy izay ahazoanao ny fanohanan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, ka ampiraiso ny firenena amin’ ny fananganana ny fanjakana vaovao.IFM 480.1

    Ny fomba fihevitr’ ireo rahalahin’ i Jesosy ireo dia nomban’ ny fitiavan tena araka izay hita matetika ao am-pon’ ireo be hambompo sy tia fisehosehoana. Io teo-tsaina io no toe-tsaina mifehy an’ izao tontolo izao. Tafintohina izy satria tsy nitady seza fiandrianana araka izao tontolo izao Kristy, fa nanambara ny tenany ho mofon’ aina. Diso fanantenana be izy ireo rehefa be dia be toy izany ny mpianany nandao Azy..Izy ireo koa aza niala taminy mba handosirany ny hazo fijaliana noho ny fanekeny izay nambaran’ ny teniny - dia hoe Izy no Ilay nirahin’ Andriamanitra.IFM 481.1

    «Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako ; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava. Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao ; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany. Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo ; fa Izaho tsy mbola miakatra ao amin’ ity andro firavoravoana ity ; satria tsy mbola tonga ny fotoako. Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany». Nanao teny mitory fahefana taminy ny rahalahiny, ka nanamarina ny lalan’a tokony hodiaviny. Naveriny taminy ny fanomezan-tsiny, ka tsy nalahany tamin’ ireo mpianany nandà-tena izy, fa tamin’ izao tontolo izao. «Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao, hoy Izy, fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany». Tsy mankahala an’ izay mitovy toe-tsaina aminy izao tontolo izao, tiany tahaka ny azy ny toy izany.IFM 481.2

    Tsy toerana hiadanana sy hampitomboana ny fahalehibeazan’ ny tena izao tontolo izao ho an’ i Kristy. Tsy niandry fotoana mety Izy hakany ny voninahiny sy ny fahefany. Tsy nanana izany vidiny izany izao tontolo izao taminy. Toerana nanirahan’ ny Rainy Azy izany. Nomena ho fiainan’ izao tontolo izao Izy, hahatontosa ny drafitra lehiben’ ny fanavotana. Nanatanteraka ny asany lehibe ho an’ ny taranaka lavo Izy, nefa tsy tokony hirehareha foana, tsy tokony hirotoroto hiditra amin’ ny loza, tsy tokony hanafaingana ny zava-tsarotra. Samy manana ny ora voatondro ho amin’ izany avy ny toe-javatra rehetra eo amin’ ny asany. Tsy maintsy miandry amimpaharetana Izy. Fantany fa handray ny fankahalan’ izao tontolo izao Izy ; fantany fa fahafatesana no ho vokatry ny asany ; nefa tsy sitrapon’ ny rainy ny hanatonany ny loza alohan’ ny fotoana.IFM 481.3

    Hatreo Jerosalema dia niely tamin’ ny toerana rehetra niparitahan’ ny Jiosy ny tatitra momba ny fahagagana nataon’ i Kristy ; ary na dia efa am-bolana maro aza no tsy nanatrehany ny andro firavoravoana, dia tsy nihena ny fahalianana ny Aminy. Betsaka ny olona avy tamin’ ny faritra rehetra amin’ izao tontolo izao no niakatra tamin’ ny andro firavoravoana ny amin’ ny Tabemakely satria nanantena ny hahita Azy. Raha nanomboka ny andro firavoravoana dia betsaka ny fanontaniana ny Aminy. Nanampo Azy ho avy ny Fariseo sy ny mpanapaka, ka nanantena fa hisy fotoana mety hanamelohana Azy. Nitebiteby izy ireo nanontany hoe : «Aiza Izy?» Tsy nisy nahalala anefa. Ny fieritreretana azy no ambony indrindra tao amin’ ny saina rehetra. Noho ny tahotra ny mpisorona sy ny mpanapaka, dia tsy nisy sahy ho nanaiky Azy ho Mesia, nefa hatraiza hatraiza dia nisy adi-hevitra mangina nefa nafana momba Azy. Betsaka no niaro Azy ho Ilay nirahin’ Andriamanitra, fa ny hafa kosa niampanga Azy ho mpamita-bahoaka.IFM 482.1

    Nandritra izany fotoana izany dia tonga mangina tany Jerosalema Jesosy. Lalana tsy nahazatra no nofidiny mba hialany amin’ ny mpandeha izay efa ho ao an-tanàna avy tamin’ ny faritra rehetra. Raha niaraka tamin’ ny mpanao andiany hiakatra ho any amin’ ny andro firavoravoana Izy, dia ho voatarika ho eo Aminy ny sain’ ny besinimaro raha niditra tao an-tanàna Izy, ka hanangana ny manampahefana hanohitra Azy izay fanehoan’ ny vahoaka ny fanohanany Azy. Mba hialana amin’ izany no nifidianany ny hanao ny diany samirery.IFM 482.2

    Teo afovoan’ ny andro firavoravoana, rehefa nafana dia nafana ny fahalianan’ ny olona momba ny Aminy, dia niditra tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly Izy teo anatrehan’ ny vahoaka marobe. Noho Izy tsy hita tamin’ ny andro firavoravoana, dia nohantitranterina fa tsy sahy mametraka ny tenany eo amin’ ny fahefan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka Izy. Zendana ny olona rehetra noho ny fanatrehany. Nangina ny feo rehetra. Nampitolagaga azy rehetra ny fahamendrehany sy ny herim-po hita teo amin’ ny fihetsiny teo anivon’ ireto fahavalo mahery izay nangetaheta ny handatsak’ aina Azy.IFM 482.3

    Raha nijoro toy izany Jeosy, ka nanintona ny sain’ ny vahoaka nifanizina, dia niteny taminy Izy tahaka izay tsy mbola nisy niteny toy izany. Hita teo amin’ ny teniny fa nahalala ny lalàna sy ny fitsipika teo amin’ Isiraely Izy, nahalala ny fanompoam-pivavahana araka ny fanatitra sy ny fampianaran’ ny mpaminany mihoatra lavitra noho ny mpisorona sy ny raby. Narodany ny fefy natsangan’ ny fombafomba ivelany sy ny lovan-tsofina. Toa nivelatra teo anatrehany ny toe-javatra amin’ ny fiainana ho avy. Tahaka Ilay mahita ny tsy hita Izy, raha niteny tamin’ ny fahefana mazava ny amin’ ny eto an-tany sy ny any an-danitra, ny momba ny olombelona sy ny momba an’ Andriamanitra. Faran’ izay nazava sy nampiaiky ny teniny ; ary tahaka ny tany Kapernaomy, dia gaga indray ny vahoaka tamin’ ny fampianarany : «Satria nisy fahefana ny teniny»5Lio. 4 : 32. Nasehony tamin’ ny fomba samihafa sady nampitandrina ny mpihaino Azy ny amin’ ny antambo hanjo izay rehetra manda ny fitahiana tonga nentiny ho azy Izy. Efa nomeny azy ny famantarana rehetra azo nomena ny maha-avy amin’ Andriamanitra Azy, ka nataony ny ezaka rehetra azo atao hitondrana azy ho eo amin’ ny fibebahana. Tsy ny fireneny no handà sy hamono Azy raha azony atao ny hamonjy azy amin’ ny fanamelohan’ ny asa toy izany.IFM 482.4

    Gaga ny rehetra tamin’ ny fahaizany ny lalàna sy ny mpaminany ; ary nifanontany izy ireo hoe : «Ahoana no nahaizan’ Ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy ?» Tsy nisy olona noheverina ho afaka ho tonga mpampianatra ara-pivavahana raha tsy efa nianatra tao amin’ ny sekolin’ ny raby, koa noheverina fa tsy nanam-pahalalana Jesosy sy Jaona Mpanao batisa satria tsy nandalo io fanazarana io. Zendana izay nihaino azy ireo noho ny fahalalany ny Soratra Masina, nefa «tsy nianatra mihitsy». Tsy nianatra tamin’ olombelona izy ireo, marina izany ; fa ny Andriamanitry ny lanitra no nampianatra azy, ary avy taminy no nandraisany ny fahendrena ambony karazana indrindra.IFM 483.1

    Raha niteny tao amin’ ny kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia liana tsy nahateny ny vahoaka. Ny olona izay nasiaka indrindra taminy no nahatsapa fa tsy nanan-kery hanisy ratsy Azy. Tamin’ io fotoana io, dia hadino avokoa ny tombon-tsoa rehetra.IFM 483.2

    Isan’ andro isan’ andro, dia nampianatra ny vahoaka Izy, hatramin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny «andro firavoravoana». Tamin’ ny marainan’ io andro io, dia sasatry ny lanonana naharitra ela ny olona. Nanandratra ny feony tampoka Jesosy izay nikarantsana nameno ny kianjan’ ny tempoly ka nanao hoe : «Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony». Ny toe-javatra nisy teo amin’ ny vahoaka dia nahatonga io antso io hanan-kery. Zavatra marevaka hatrany sy lanonana no natrehiny, jambenan’ ny fahazavana sy ny loko ny masony, ary naharevo ny sofiny ny feon-java-maneno kanto indrindra ; nefa tsy nisy na inona na inona tao amin’ izany fanompoam-pivavahana nifandimby izany izay namaly ny fanirian’ ny fo, sy nanome fahafaham-po ny fanahy mangetaheta ny zavatra maharitra mandrakizay. Niantso azy Jesosy hanatona ka hisotro amin’ ny loharanon’ aina, izay mety ho onin’ ny rano velona ao aminy, miboiboika ho amin’ ny fiainana mandrakizay.IFM 483.3

    Iny maraina iny ny mpisorona dia nanao fanompoam-pivavahana izay fahatsiarovana ny nikapohana ny vatolampy tany an-efitra. Tandindon’ Ilay hampikoriana onin’ ny famonjena mitondra aina ho an’ izay rehetra mangetaheta io vatolampy io. Ny tenin’ i Kristy no ranon’ aina. Teo anatrehan’ ny vahoaka tafavory marobe no nitokanany mba hokapohina ka ho afaka hikoriana ho an’ izao tontolo izao ny ranon’ aina. Raha nikapoka an’ i Kristy i Satana, dia nihevitra izy fa handringana ny Andrianan’ ny fiainana ; avy tamin’ ilay vatolampy nokapohina anefa no indro nikoriana ny ranovelona. Raha niteny toy izany tamin’ ny vahoaka Jesosy, dia nangitakitaka feno fanajana miharo tahotra tsy nahazatra ny fony, ka betsaka no vonona hiloa-bava niaraka tamin’ ilay vehivavy Samaritana hoe : «Omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta intsony».IFM 484.1

    Fantatr’ i Jesosy ny fanirian’ ny fanahy. Ny rendrarendra, ny harena sy ny voninahitra dia tsy mety mahafa-po ny fanirian’ ny fo. «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy». Ny manankarena, ny mahantra, ny ambony, ny ambany, dia samy raisiny tsara avokoa. Mampanantena ny hanamaivana ny saina mitondra entana mavesatra Izy, ny hampionona ny malahelo, sy hanome fanantenana ny kivy. Betsaka tamin’ ireo izay nandre an’ i Jesosy no nitomany noho ny fahadisoam-panantenany, betsaka no namelona alahelo miafina, betsaka no niezaka hanome fahafaham-po ny faniriany tsy mety lefy ny zavatra eo amin’ izao tontolo izao sy ny fideran’ ny olona ; rehefa azony anefa ny zavatra rehetra, dia hitany fa niasa mafy izy mba hahatongavany fotsiny eo amin’ ny lavaka famoriandrano triatriatra izay tsy mahatony ny hetahetany. Mitoetra eo ampovoan’ ny famirapiratana sy ny fifaliana izy, tsy afa-po sady malahelo. Nanaitra azy avy tamin’ ny fandinihany tena mampahory ilay antso tampoka manao hoe: «Raha misy mangetaheta», ary raha nihaino ny teny manaraka izy, dia nitsiry tao an-tsainy ny fanantenana vaovao. Nasehon’ ny Fanahy Masina teo anatrehany ny tandindona mandra-pahitany teo amin’ izany ny fanomezana tsy azo vidim-bola na amin-karena ny famonjena atolotra azy.IFM 484.2

    Mbola mitohy ny antson’ i Kristy ho an’ ny fanahy mangetaheta, ary miangavy antsika amin-kery lehibe kokoa mihoatra noho ny tamin’ ny fotoana nandrenesana izany tao amin’ ny tempoly tamin’ ny andro farany tamin’ ilay fety. Mivoha ho an’ ny rehetra ny loharano. Tolorana ny higoka ny fiainana mandrakizay mamelombelona ny reraka sy sasatra. Mbola miantso Jesosy hoe : «Raha misy mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro». «Aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ ny ranon’ aina».IFM 485.1

    «Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay»6Apok. 22 : 17 ; jao.4 : 14 .IFM 485.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents