Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 75—Teo anatrehan’ i Anasy sy teo amin ‘ ny lapan’ i Kaiafa

    Nentina niampita ny ranon’ i Kidrona, namaky ny saha nisy hazo oliva, sy nitety ny arabe mangina tao amin’ ny tanàna sondriantory, Jesosy. Efa lasa ny tamin’ ny roa ambin’ ny folo alina, ary nanapaka tampoka ny fahanginana ny antsoantson’ ny vahoaka nanakora nanaraka Azy. Nifatotra sy tsara ambina ny Mpamonjy. ka nampijaly Azy ny mihetsika. Nefa maika sy dodona ireto nambabo Azy, nanohy ny diany miaraka Aminy ho any amin’ ny lapan’ i Anasy, 1Mifototra amin’ny Matio 26 : 57-75 ; 27; 1 ; Marka 14 : 53-72 ; 15 ; 1 ;Lioka 22 : 54-71 ; Jaona 18 : 13-27 ity toko ity. ilay mpisoronabe vao niala.IFM 749.1

    Anasy no lohan’ ny mpianakavin’ ny mpisorona teo amperin’ asa, ka noho ny taonany dia neken’ ny vahoaka ho mpisoronabe izy. Notadiavina ny toroheviny ary notanterahina ho toy ny feon’ Andriamanitra izany. Tsy maintsy izy no voalohany mahita an’ i Jesosy babon’ ny fahefan’ ny mpisorona. Tsy maintsy manatrika izy amin’ ny fandinihana ny momba Ilay mpigadra, satria tsy azony antoka i Kaiafa izay tsy ampy fanandramana noho izy, ahatanteraka ny zavatra izay nokendrena. Nilaina tokoa tamin’ izay ny nampiasana ny fahaizany, ny hafetsena feno hakingana fanaony mba hahazoana antoka ny fanamelohana an’ i Jesosy, na toy inona na toy inona toe-javatra.IFM 749.2

    Hodinihina ara-pomba eo anatrehan’ ny synedriona Kristy, nefa nampandalovina tamin’ ny fandinihana mialoha teo anatrehan’ i Anasy. Tsy afaka mampihatra fanamelohana ho faty ny Synedriona fa teo ambanin’ ny lalàna Romana izy. Mandinika ny momba ny mpifatotra fotsiny izy, sy mampandalo fitsarana, izay hohamafisin’ ny fahefana Romana. Noho izany dia nilaina ny mitondra fiampangana an’ i Kristy izay hiheveran’ ny Romana Azy ho nanao heloka bevava. Tsy maintsy ho hita izay fiampangana hanameloka Azy eo imason’ ny Jiosy. Tsy vitsy tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka no resy lahatra tamin’ ny fampianaran’ i Kristy, ary ny fahatahorany horoahina amin’ ny fivavahana fotsiny no nanakana azy ireo tsy hanaiky Azy. Tsaroan’ ny mpisorona tsara ny fanontanian’ i Nikodemosy hoe : «Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony ?»2Jao. 7 : 51 Nampisaraka ny filan-kevitra io fanontaniana io tamin’ izany fotoana izany, ka nandrava ny drafitra nataon’ izy ireo. Tsy hantsoina izao i Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy, fa tao kosa ny hafa izay mety ho sahy hiteny hiaro ny fahamarinana. Tsy maintsy atao izay hitarihana ny fitsarana mba hampiray ny mambran’ ny Syndriona hanohitra an’ i Kristy. Nisy fiampangana roa izay tian’ ny mpisorona notazonina. Raha azo porofoina fa miteny ratsy an’ Andriamanitra Jesosy, dia hanameloka Azy ny Jiosy. Raha miaiky Izy fa mitady hikomy, dia ho azo antoka ny fanamelohan’ ny Romana Azy. Ny fiampangana faharoa no niezahan’ i Anasy najoro aloha. Nanontany an’ i Jesosy mikasika ny mpianany sy ny fampianarany izy, nanantena izy fa hisy holazain’ ilay mpifatotra izay hanome azy fitaovana hoentiny miasa. Nihevitra izy fa hisy fanambarana hasongadiny izay hanaporofo fa nitady ny hanangana fikambanana miafina Kristy, ka nikasa hampijoro fanjakana vaovao. Amin’ izay dia ho azon’ ny mpisorona atao ny manolotra Azy amin’ ny Romana ho mpanakorontana ny fandriam-pahalemana sy mpitarika fikomiana.IFM 749.3

    Tahaka ny boky mivelatra no namakian’ i Kristy ny fikasan’ ny mpisorona. Rehefa namaky ny tao anatin’ ny fanahin’ ny mpanontany azy indrindra Izy, dia nandà fa tsy misy fifanarahana miafina namatotra Azy tamin’ ny mpanaraka Azy, na koa nampivory azy mangingina tao amin’ ny maizimaizina Izy mba hanafenany ny fikasany. Tsy manana tsiambaratelo Izy mikasika ny fikasany na ny fampianarany. «Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao, hoy ny navaliny ; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona».IFM 750.1

    Nasongadin’ ny Mpamonjy ny fahasamihafan’ ny fomba fiasan’ ny tenany tamin’ ny fomba fiasan’ ny mpiampanga Azy. Nandritra ny volana maro izy no efa nihaza Azy, niezaka ny hamandrika Azy sy hitondra Azy teo anatrehan’ ny fitsarana miafina, izay mety ahazoany amin’ ny alalan’ ny fiozonana izay tsy mety ho azony tamin’ ny alalan’ ny fomba madio. Eo am-panatanterahana ny fikasany izy izao. Ny fisamboran’ ny vahoaka romotra Azy amin’ ny misasak’ alina, ny fanarabiana sy ny fanaovana an-keriny talohan’ ny nanamelohana, na ny niampangana Azy akory aza dia fomba fiasandrizareo izany, fa tsy Azy. Fandikana ny lalàna ny zavatra nataon’ izy ireo. Ny lalàn’ izy ireo ihany no nanambara fa tokony ho toy ny tsy manan-tsiny no fitondra ny olona tsirairay mandra-panaporofo ny fahadisoany. Ny fitsipika teo aminy ihany no nampijoro ny mpisorona ho meloka.IFM 751.1

    Nitodika nankany amin’ ny mpanontany Azy Jesosy ka nanao hoe : «Nahoana no manontany Ahy hianareo ?» Moa ve tsy nandefa mpitsikilo hanara-maso ny fihetsiny ny mpisorona sy ny mpanapaka, ka nitatitra ny teniny rehetra ? Moa ve tsy nanatrika ny fivoriana rehetra teo amin’ ny vahoaka izy ireny, ka nitondra teo amin’ ny mpisorona ny amin’ izay rehetra nolazainy sy nataony? «Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy, hoy ny valintenin’ i Jesosy ; fa ireo no mahalala izay nolazaiko».IFM 751.2

    Nampangina an’ i Anasy ilay valinteny hentitra. Natahotra izy sao misy zavatra holazain’ i Kristy mikasika ny fomba fihetsiny izay aleony nosaronana, koa tsy niteny intsony taminy izy tamin’ io fotoana io. Nisy mpiandry raharaha anankiray, feno hatezerana raha nahita an’ i Anasy tsy nahateny, ka namely tahamaina ny tavan’ i Jesosy sady nanao hoe : «Izany va no famalinao ny mpisoronabe ?»IFM 751.3

    Tony Kristy namaly hoe.: «Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy ; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia namely Ahy hianao ?» Tsy nanao teny nirehidrehitry ny valifaty Izy. Avy amin’ ny fo tsy misy fahotana feno faharetana sy fahalemem-panahy izay tsy mety ho tezitra ny valinteny tony nataony.IFM 751.4

    Nampijaly sy nampangirifiry an’ i Kristy ny fanaovana an-keriny sy ny fitenenan-dratsy. Ny tanan’ ny olona izay noforoniny sy nanaovany fandavan-tena tsy misy fetra ankehitriny, no nandraisany ny zava-tsy mahamendrika rehetra. Koa nifamatra tamin’ ny faha- tanterahan’ ny fahamasinany sy ny fankahalany ny fahotana ny fijaliany. Fandavantena tsy misy farany taminy ny fitsaran’ ny olona manana fihetsiky ny demonia. Nanafintohina Azy mafy izany hodidinin’ ny olona eo ambanin’ ny fifehezan’ i Satana. Ary fantany fa azony atao amin’ ny fotoana fohy ny nampitsikasina ireto mpampijaly Azy lozabe ireto amin’ ny vovoka, raha mampanjelanjelatra ny herin’ ny maha-Andriamanitra Azy Izy. Izany dia vao mainka nahamafy indray ny fizakana ny fitsapana.IFM 751.5

    Niandry Mesia izay ambaran’ ny fisehoana ivelany ny Jiosy. Nanantena Azy hanova ny fizotry ny sain’ ny olona izy ireo amin’ ny fampiasany indray mitselatra ilay sitrapony manjaka amin’ ny rehetra, ka hanery ny olona hanaiky ny fahefany fara-tampony. Amin’ izay, hoy ny finoan’ izy ireo, dia ho azon’ ny Mesia antoka ny fanandratana ny tenany, ka hahazo fahafaham-po ny fanantenany sy ny hambom-pony. Noho izany rehefa notsiratsiraina Kristy dia nisy fakam-panahy nahery vaika tonga tao Aminy mba hampiseho ny toetra maha-Andriamanitra Azy. Teny iray, fijery iray, dia azony hanerena ny mpanenjika Azy hanaiky fa Izy no Tompo ambonin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ny mpisorona sy ny tempoly. Nefa izay no adidy sarotra tsy maintsy hotazoniny, dia ny ho iray amin’ ny taranak’ olombelona ary izay toerana izay no nofidiny.IFM 752.1

    Nanatri-maso ny fihetsika rehetra natao tamin’ Ilay Mpifehy azy malala ireo anjelin’ ny lanitra. Naniry mafy ny hanafaka an’ i Kristy izy ireo. Manana ny hery rehetra ny anjely eo ambanin’ ny fahefan’ Andriamanitra. Indray mandeha, ho fankatoavana ny baikon’ i Kristy, dia namono ny tafiky ny Asyriana izay niisa dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy lahy, tamin’ ny indray alina ihany izy ireo. Mora ho an’ ny anjely manao ahoana, izay nibanjina izao toe-javatra nahamenatra tamin’ ny fitsarana an’ i Kristy izao, ny naneho ny fahatezerany tamin’ ny fandevonana ny fahavalon’ Andriamanitra. Tsy nahazo baiko hanao izany anefa izy ireo. Ilay afaka handringana ny fahavalony tamin’ ny fahafatesana dia nizaka ny fahabibiany. Ny fitiavany ny Rainy, sy ny toky nomeny hatramin’ ny nanorenana an’ izao tontolo izao ho tonga Mpitondra fahotana, dia nitarika Azy hiaritra tsy nisy fitarainana ny fitondrana ratsy nataon’ ireto nahatongavany hovonjena. Anisan’ ireo iraka nanirahana Azy ny mizaka, eo amin’ ny maha-olombelona Azy, ny herisetra sy ny fanaovana an-keriny mety atontan’ ny olona Aminy. Io fileferan’ i Kristy tamin’ izay rehetra azony niaretana nataon’ ny tanana sy ny fon’ olombelona io no hany fanantenana ho an’ ny taranak’ olombelona.IFM 752.2

    Tsy misy na inona na inona nolazain’ i Kristy izay mety nahitan’ ny mpiampanga Azy tombony, nefa dia nifatotra Izy, nidika izany fa voaheloka Izy. Na dia izany aza, dia tsy maintsy misy endriky ny fahamarinana. Nilaina ny isian’ ny sarintsarin’ ny fitsarana aradalàna. Tapa-kevitra ny hanafaingana izany ny manam-pahefana. Fantany ny fiheveran’ ny vahoaka an’ i Jesosy, ka natahotra izy sao misy manandrana ny hanafaka Azy raha miparitaka ny vaovao momba ny nisamborana Azy. Ankoatran’ izany, raha ahemotra ny fitsarana sy ny famonoana Azy, dia hisy herinandro iandrasana noho ny fankalazana ny Paska. Mety handrava ny drafitra nataony izany. Mba hahazoany antoka ny fanamelohana an’ i Jesosy, dia niankina betsaka tamin’ ny antsoatson’ ny vahoaka mitabataba izy, izay faikan’ olona tao Jerosalema ny betsaka tamin’ ireo. Raha misy fanemorana herinandro dia hihena ny fahataitairana ary mety hisy koa fanoherana hiseho. Hitsangana hanohana an’ i Kristy ny ampahany tsara amin’ ny vahoaka betsaka, ary ho avy hitondra vavolombelona ho fiarovana Azy; ka hampiseho ny asa mahery efa nataony ho amin’ ny mazava. Hitarika ny fahatezeran’ ny vahoaka amin’ ny Synedriona izany. Ho voaheloka ny fomba nataony, ka hafahana Jesosy ary hankalazajn’ ny vahoaka marobe indray. Noho izany dia tapa-kevitra ny mpisorona sy ny mpanapaka fa tokony hatolotra eo am-pelatanan’ ny Romana Jesosy, dieny tsy mbola fantatra ny fikasan’ izy ireo.IFM 753.1

    Alohan’ ny zavatra rehetra anefa, dia tsy maintsy mahita fiampangana. Hatramin’ izao dia tsy nisy na inona na inona azony. Nanome baiko i Anasy hitondrana an’ i Jesosy any amin’ i Kaiafa. Sadoseo i Kaiafa ary nisy tamin’ izy ireo no fahavalon’ i Jesosy faran’ izay romotra indrindra. Ary izy io, na dia tsy nanana toetra amam-panahy nahery aza, dia tena masiaka, tsy nisy fo sady maty eritreritra tahaka an’ i Anasy. Tsy hisy fomba tsy hampiasainy hanapotehana an’ i Jesosy. Vao madiva haraina tamin’ izay ka mbola maizimbe; nitondra fanilo sy jiro ireto andian’ olona mirongo fiadiana miaraka amin’ Ilay nofatorany, mitanjozotra ho any amin’ ny lapan’ ny mpisoronabe. Tao i Anasy sy Kaiafa no nanontany indray an’ i Jesosy, nefa tsy nahomby, raha mbola niangona ny mambran’ ny Synedriona.IFM 753.2

    Rehefa tafavory tao amin’ ny efitra fitsarana ny filan-kevitra, dia nandray ny toerany amin’ ny maha-mpitari-draharaha azy i Kaiafa. Andaniny sy ankilany ny mpitsara, sy ireo izay liana tamin’ ny fitsarana amin’ ny fomba manokana. Nitoetra teo amin’ ny sehatra teo ambanin’ ny seza fiandrianana ny miaramila Romana. Teo am-pototry ny seza fiandrianana no nijoroan’ i Jesosy. Nifantoka taminy ny fijerin’ ny vahoaka rehetra. Fisamboaravoarana tsy nisy toy izany. Izy irery no tony sy miadan-tsaina tamin’ ny olona rehetra. Toa voahodidin’ ny hery masina miasa mangina ny rivompiainana nanodidina Azy.IFM 753.3

    Noraisin’ i Kaiafa toy ny rafilahy Jesosy. Ny hafanampon’ ny olona hihaino ny Mpamonjy, sy ny toa fahavononany hanaiky ny fampianarany, dia niteraka fialonana mangidy teo amin’ ny mpisoronabe. Fa rehefa nijery ilay mpigadra i Kaiafa, dia talanjona sy nidera Azy izy nahita ny fomba fihetsiny ambony sy mihaja.IFM 754.1

    Tonga resy lahatra izy fa misy fihavanana amin’ Andriamanitra io lehilahy io. Vetivety avy eo anefa dia noroahiny tamim-panesoana io eritreritra io. Niaraka tamin’ izay dia re ny feony manivaiva sy miavonavona, mangataka an’ i Jesosy hanao anankiray amin’ ny fahagagana lehibe eo anatrehan’ izy rehetra. Nefa tonga teo an-tsofin’ i Jesosy toy ny tsy reny akory ny teniny. Nampitahain’ ny vahoaka ny fihetsik’ i Anasy sy Kaiafa misamboaravoara sy nivonona ny hanao ratsy sy ny fihetsik’ i Jesosy tony sy miendrik’ Andriana. Na dia tao an-tsain’ ny olona mafy fo marobe aza dia nipetraka ihany ny fanontaniana hoe : Moa ve homelohina ho nanao heloka bevava ity Olona ahitana ny fanatrehan’ Andriamanitra ity ?IFM 754.2

    Tsapan’ i Kaiafa ny hery miasa mangina vokatr’ izany ka nohafainganiny ny fitsarana. Very hevitra aok’ izany ny fahavalon’ i Jesosy. Niezaka ny hahazo antoka ny fanamelohana Azy izy, nefa fomha ahoana no hahatanterahana izany, io no tsy fantany. Tamin’ ny Synedriona dia nisy Fariseo ary nisy koa Sadoseo. Nisy lolom-po sy adilahy mangidy tamin’ izy ireo ; nisy lafm-javatra niadian-kevitra sasany izay tsy sahiny noraisina sao mahatonga ady. Azon’ i Jesosy natao, tamin’ ny teny vitsy, ny nampisamboaravoara ny hevitra nibahana tao am-pon’ izy ireo ka nampiady azy, ary amin’ izay dia hiodina tsy ho eo Aminy ny hatezerany. Fantatr’ i Kaiafa izany, ary tiany hialana izay hitarika adi-hevitra. Betsaka ny vavolombelona hanaporofo teo fa niampanga ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna Kristy, fa nolazainy ho mpihatsaravelatsihy sy mpamono olona izy ; nefa tsy nahasoa ny hanehoana io vavolombelona io.IFM 754.3

    Efa nampiasa fiteny nitovy tamin’ izany ny Sadoseo tamin’ ny ady mafana nataony tamin’ ny Fariseo. Tsy hisy lanjany eo imason’ ny Romana koa ny vavolombelona toy Tzany, izay efa leo koa tamin’ ny hambom-pon’ ny Fariseo. Be dia be ny porofo manambara fa tsy nihevitra ny lovan-tsofin’ ny Jiosy Jesosy, ary nanao teny feno tsy fanajana ny betsaka tamin’ ny fitsipik’ izy ireo; nefa raha ny mikasika ny lovan-tsofina dia toy ny sakay sy maso ny Fariseo sy ny Sadoseo; ary tsy hisy lanja amin’ ny Romana koa izany porofo izany. Tsy sahy niampanga Azy ho mpandika ny Sabata ny fahavalon’ i Kristy, sao haneho ny toetran’ ny asany ny fandinihana izany. Raha entina eo amin’ ny mazava ny fahagagana nenti-nanasitrana, dia ho rava ny tena zava-kendren’ ny mpisorona.IFM 754.4

    Nisy vavolombelona mandainga efa nokarakaraina mba hiampanga an’ i Jesosy fa nitarika fikomiana ka mitady hanangana fanjakana manokana. Nefa hita fa manjavozavo sy mifanipaka ny vavolombelona nentiny. Rehefa nodinihina dia hita fa sandoka ny fanambarana nataony.IFM 755.1

    Tany amin’ ny fiandohan’ ny asany Kristy dia nilaza hoe : «Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy». Fitenin’ ny faminaniana mampiasa tandindona izany, ary nentiny nanambara mialoha ny fahafatesany sy ny hitsanganany amin’ ny maty. «Fa ny tenany no tempoly nolazainy»3Jao. 2 : 21. Noraisin’ ny Jiosy ho ara-bakiteny ireo teny ireo, ho nilaza ny amin’ ny tempoly tao Jerosalema. Ny amin’ izay rehetra nolazain’ i Kristy, dia tsy nisy hitan’ ny mpisorona hampiasaina hoenti-mamely Azy afa-tsy io. Nanantena ny hahazo tombony izy tamin’ ny fandisoana ireo teny ireo. Noraisin’ ny Romana ho raharaha ny manamboatra sy manatsara ny tempoly, ary nireharehany fatratra izany ; azo antoka fa hiteraka fahatezerana ny fanaovana tsinontsinona izany. Afaka mifanaraka eto ny Romana sy ny Jiosy, ny Fariseo sy ny Sadoseo; samy feno fanajana ny tempoly avokoa mantsy izy rehetra. Nisy vavolombelona roa hita mikasika izany ary tsy dia nifanipaka tahaka ny sasany ny vavolombelona nentiny. Ny anankiray amin’ ireo, izay notambatambazana mba hiampanga an’ i Jesosy, dia nanambara hoe : «Ilehity nanao hoe : Mahay mandrava ny tempolin’ Andriamanitra Aho sy manangana azy amin’ ny hateloana». Raha arak’ izay nilazany azy marina no namerenany azy, dia tsy nahazoana antoka ny fanamelohana Azy, eny, na dia tamin’ ny alalan’ ny Synedriona aza. Raha olon-tsotra Jesosy, araka izay nolazain’ ny Jiosy, dia tsy mampiseho afa-tsy saina tsy mahay mandanjalanja, sy feno rehareha ny teny nambarany, fa tsy tokony horaisina ho fitenenan-dratsy an’ Andriamanitra. Na dia nodisoan’ ireo vavolombelona mandainga aza ny teniny, dia tsy misy na inona na inona izay noheverin’ ny Romana ho heloka bevava mendrika ny fahafatesana.IFM 755.2

    Nohenoin’ i Jesosy tamim-paharetana ireo vavolombelona mandainga nifanipaka. Tsy nisy teny navoakany mba hiarovany tena. Farany dia nifanjevo nikorontana sy very saina ireto mpiampanga Azy. Tsy nisy lala-mazava hita nisoritra teo amin’ ny fitsarana; toa nandamoka ny tetika nataony. Kivy i Kaiafa. Zavatra iray sisa antenaina; tsy maintsy hoterena hiampanga tena Kristy. Nitsangana avy teo amin’ ny sezan’ ny mpitsara ny mpisoronabe, ny endriny vinitry ny hatezerana, ary hita teo amin’ ny feony sy ny fihetsiny fa raha azony natao, dia ho nakapony Ilay Mpifatotra teo anoloany : «Tsy mety mamaly akory va Hianao? hoy izy niantsoantso. Inona no iampangan’ ireto Anao ?»IFM 756.1

    Tony ihany Jesosy. «Nampahoriana Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ ny mpanety azy, eny, tsy niloa-bava Izy»4Isa. 53 : 7.IFM 756.2

    Farany, nanangana ny tanany ankavanana nanondro ny lanitra i Kaiafa, ka niteny tamin’ i Jesosy tamin’ ny endriky ny fianianana miezinezina hoe : «Ampianianiko amin’ Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra».IFM 756.3

    Tsy afaka nangina Kristy tamin’ io antso io. Misy fotoana hanginana, ary misy fotoana hitenenana. Tsy niteny Izy raha tsy nanontaniana mivantana. Fantany fa ny mamaly amin’ izao fotoana izao dia ahatonga ny fahafatesany ho azo antoka. Nefa ny manampahefana nekena ho ambony indrindra eo amin’ ny firenena no niantso ary tamin’ ny anaran’ ny Avo Indrindra. Tsy ho diso Kristy ka tsy hampiseho fanajana ny lalàna araka izay tokony ho izy. Ankoatr’ izany, nametrahana fanontaniana ny fifandraisan’ ny tenany amin’ ny Rainy. Tsy maintsy manambara mazava ny toetra sy ny asa nanirahana Azy Izy. Efa nilaza tamin’ ny mpianany Jesosy hoe:«Na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra»5Mat.10 : 32. Namerina ny lesona Izy izao tamin’ ny ohatra nomeny.IFM 756.4

    Nanongilan-tsofina ny rehetra, ary nifantoka tamin’ ny endriny ny maso rehetra, raha namaly Izy hoe : «Voalazanao». Toa nisy fahazavana avy any an-danitra nampahazava ny tavany hatsatra raha nampiany hoe : «Ary koa, lazaiko aminareo : Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tànana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra».IFM 756.5

    Nandritra ny fotoana fohy dia namirapiratra nivoaka ny saron’ ny maha-olombelona Azy ny maha-Andriamanitra an’ i Kristy. Nitakemotra tamin-tahotra ny mpisoronabe nanoloana ny mason’ ny Mpamonjy. izay nanagorobaka hatrany anaty fanahy. Toa mamaky ny eritreriny miafina io fijery io, ka nandoro tao am-pony. Tsy adinony mihitsy tatỳ aoriana io fijery mahita ny ao am-po tsy miloaky ny Zanak’ Andriamanitra nampahoriana io.IFM 757.1

    «Hatramin’ izao, hoy Jesosy, dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tànana ankavanan’ ny hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra». Nasehon’ i Kristy tamin’ ireo teny ireo ny fitsimbadihan’ ny toe-javatra hitranga amin’ izay fotoana izay. Izy, izay Tompon’ ny fiainana sy ny voninahitra, no hipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra. Izy no hitsara ny tany rehetra, ary tsy mety hisy fitsarana ambony ny amin’ ny fanapahan-kevitra horaisiny. Amin’ izay dia aseho eo amin’ ny fahazavan’ ny tavan’ Andriamanitra ny zava-miafina rehetra ary hihatra amin’ ny olona rehetra araka ny asany avy ny fitsarana.IFM 757.2

    Nanaitra ny mpisoronabe ny tenin’ i Kristy. Eritreritra mampaha raiki-tahotra an’ i Kaiafa ny hoe misy fitsanganana amin’ ny maty, rehefa hijoro eo amin’ ny fitsaran’ Andriamanitra ny rehetra, hovaliana araka ny asany avy. Tsy tiany ny hino fa handre didimpitsarana araka ny asany izy amin’ ny ho avy. Nibosesika tao an-tsainy toy ny atao indray mijery ireo toe-javatra amin’ ny Fitsarana farany. Nandritra ny fotoana fohy dia hitany ilay fisehoanjavatra mampahatahotra ny amin’ ny fasana mamoaka ny maty ao aminy, mitondra ireo tsiambaratelo izay nantenainy fa hafenina mandrakizay. Toa nahatsapa, nandritra ny fotoana fohy izy, fa nijoro nanoloana Ilay Mpitsara mandrakizay, Izay manana maso mahita ny zavatra rehetra, ka nanaiky ny teo amin’ ny fanahiny nitondra teo amin’ ny mazava ny zava-miafina izay noheverina fa niara-niafina tamin’ ny maty.IFM 757.3

    Niala teo amin’ ny fahitan’ ny mpisorona io fisehoan-javatra io. Nandratra azy, amin’ ny maha-Sadoseo azy ny tenin’ i Kristy. Nandà ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ ny maty, ny Fitsarana ary ny fiainana ho avy i Kaiafa. Nahalasa adala azy sy naharomotra azy izao i Satana. Ity lehilahy ity ve, mpifatotra manatrika azy, no hamely an-teri-setra ny fampianarana maminy indrindra. Norovitiny ny fitafiany, mba ahitan’ ny vahoaka izay lazainy fa nampaharikoriko azy, ka nangataka izy tsy hisy fanadihadiana intsony fa hohelohina ho miteny ratsy an’ Andriamanitra ny mpifatotra. «Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray ? hoy izy, indro, efa renareo izao fitenenan-dratsy izao. Ahoana no hevitrareo?» Dia nanameloka Azy izy rehetra.IFM 757.4

    Fandresen-dahatra niharo firehetam-po no nitarika an’ i Kaiafa hanao izay nataony. Romotra tamin’ ny tenany izy satria nino ny tenin’ i Kristy, ary tsy ny fony no notriatriariny rehefa nahatsapa lalina ny marina izy, ka niaiky fa Jesosy no Mesia, fa ny akanjo maha-mpisorona azy no notriariny tamin’ ny fanoherana hentitra lalina ny dikan’ io fihetsika io. Tsy tsapan’ i Kaiafa firy ny dikany. Nanameloka ny tenany ny mpisoronabe tamin’ io fihetsika io, izay nataony mba hiasa mangina amin’ ny mpitsara sy ahazoana antoka ny fanamelohana an’ i Kristy. Nanala azy tsy ho mendrika ny fisoronana ny lalàn’ Andriamanitra. Namoaka didy fanamelohana ho faty ho an’ ny tenany izy.IFM 758.1

    Tsy tokony handritra ny fitafiany ny mpisoronabe. Araka ny lalàn’ ny Levita, dia rarana izany ary mitarika fanamelohana ho faty. Tsy misy toe-javatra, na anton-javatra, ahazoan’ ny mpisorona mandriatra ny fitafiany. Fomba teo amin’ ny Jiosy ny mandriatra ny akanjo rehefa misy namana maty, fa tsy narahin’ ny mpisorona io fomba io. Nisy baiko mazava nomen’ i Kristy an’ i Mosesy mikasika izany.6Lev. 10 : 16IFM 758.2

    Izay rehetra nanaovan’ ny mpisorona dia tokony ho tanteraka sy tsy misy pentina. Nampiseho ny toetra amam-panahin’ Ilay tena izy lehibe, dia Jesosy Kristy ireo fitafiana kanto fanaovana fisoronana. Tsy misy afa-tsy ny fahatanterahana, eo amin’ ny fitafiana sy ny fihetsika, eo amin’ ny teny sy ny toe-tsaina no azon’ Andriamanitra ekena. Masina Izy, ary ny voninahirty sy ny fahatanterahany dia tsy maintsy asehon’ ny fanompoana ara-nofo. Tsy misy afa-tsy ny fahatanterahana no afaka hampiseho ny fahamarinan’ ny fanompoan’ ny lanitra. Azon’ ny olona voafetra atao ny mandriatra ny fony amin’ ny fanehoany toe-tsaina torotoro sy feno fanetren-tena. Hitan’ Andriamanitra mazava izany. Fa tsy azo asiana rovitra eo amin’ ny akanjon’ ny mpisorona, satria handoto ny fanehoana ny zavatra any an-danitra izany. Ny mpisoronabe izay sahy miseho eo amin’ ny fanompoana masina mitondra akanjo rovitra dia noheverina ho nampisaraka ny tenany tamin’ Andriamanitra. Izy no mandrovitra ny fitafiany dia manala ny tenany tsy hanana toetra maneho an’ Andriamanitra. Tsy neken’ Andriamanitra intsony ho mpisorona eo am-perin’ asa izy. Io fomba fihetsika io, araka izay nasehon’ i Kaiafa, dia maneho ny firehetam-pon’ olombelona, ny tsy fahatanterahan’ ny olombelona.IFM 758.3

    Raha nandritra ny fitafiany i Kaiafa dia tsy nampisy asany ny lalàn’ Andriamanitra izy ka nanaraka ny fomba amam-panaon’ ny olona. Nisy lalana nataon’ olombelona milaza fa azon’ ny mpisorona atao ny mandriatra ny fitafiany raha misy fitenenandratsy an’ Andriamanitra, noho ny faharikorikoany ny fahotana, nefa tsy ho diso izy amin’ izany. Toy izany dia nanao tsinontsinona ny lalàn’ Andriamanitra ny lalàn’ ny olona.IFM 759.1

    Liana dia liana ny vahoaka nanara-maso ny fihetsika rehetra nataon’ ny mpisoronabe, ka noheverin’ i Kaiafa izany fihetsika izany mba hampiderana ny fitiavam-bavaka tao aminy. Nefa tamin’ io fihetsika io, izay nataony mba hanamelohana an’ i Kristy, dia haniratsira Ilay nolazain’ Andriamanitra hoe : «Ny anarako no ao aminy» 7Eks. 23 : 21. izy. Izy tenany no niteny ratsy an’ Andriamanitra. Nijoro teo ambanin’ ny fanamelohan’ Andriamanitra izy, nefa namoaka didim-pitsarana amin’ i Kristy hoe mpiteny ratsy an’ Andriamanitra.IFM 759.2

    Raha nandriatra ny fitafiany i Kaiafa, dia nanambara ny toerana horaisin’ ny firenena Jiosy atỳ aoriana eo anatrehan’ Andriamanitra izy. Nisaraka tamin’ Andriamanitra ary vetivety dia nanjary vahoaka nolavin’ i Jehovah ilay vahoaka nahazo tombom-pitia tamin’ Andriamanitra. Raha niantso hoe «Vita» Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana ka triatra roa ny lamba tao amin’ ny tempoly, dia nambaran’ Ilay Masina manara-maso fa nandà Azy ny vahoaka Jiosy, dia Izy izay nasehon’ ny tandindona rehetra, ilay maha-izy ny aloka rehetra teo aminy. Nisaraka tsy ho an’ Andriamanitra intsony Isiraely. Mety raha nandriatra ny fitafiany maha-mpisorona azy i Kaiafa tamin’ izay, dia ireo fitafiana izay nidika fa nilaza ny tenany ho solontenan’ Ilay Mpisoronabe lehibe izy ; tsy hisy dikany ho azy sy ho an’ ny vahoaka tokoa intsony mantsy izany. Mety raha nandriatra ny fitafiany ny mpisoronabe noho ny faharikorikoany ny tenany sy ny fireneny.IFM 759.3

    Nambaran’ ny Synedriona fa mendrika ny ho faty Jesosy; nifanohitra tamin’ ny lalàna Jiosy anefa ny mitsara mpifatotra amin’ ny alina. Raha ny fanamelohana ara-dalàna dia tsy misy na inona na inona azo atao raha tsy amin’ ny fahazavan’ ny andro sy mandritra ny mahavory ny filan-kevitra manontolo. Na dia izany aza, dia natao toy ny mpanao heloka bevava Izy, ary nohelohina ka navela hiharan’ ny fampijaliana fanao amin’ ireo olona ambany sy ratsy indrindra amin’ ny taranak’ olombelona. Nanodidina tokotany malalaka izay nitangoronan’ ny miaramila sy ny vahoaka marobe ny lapan’ ny mpisoronabe. Namakivaky io tokotany io Jesosy ka nentina teo amin’ ny efitra fiandrasana, niatrika hatrany ny fanarabiana avy amin’ ny rehetra noho ny filazany ny tenany ho zanak’ Andria-manitra. Naverimberina sy natao fihomehezana ny teniny hoe : «mipetraka eo amin’ ny tànana ankavanana ny hery» sy ny hoe «avy amin’ ny rahon’ ny lanitra». Raha tao amin’ ny efitra fiandrasana Izy, niandry ny fitsarana Azy ara-dalàna, dia tsy noharovana. Ireo faikan’ olona marobe nifanjevo teo izay nahita ny habibiana natao taminy teo anatrehan’ ny Synedriona, dia nanararaotra izany mba hanehoana ny hery maha-Satana azy teo amin’ ny toetrany rehetra. Nandranitra azy ho romotra ny toetra ambonin’ i Kristy sy ny fihetsiny nanam-pitoviana tamin’ Andriamanitra. Ny fahalemem-panahiny, ny tsy fananany tsiny, ny faharetany miendrik’ andriana, dia nameno azy fankahalana avy amin’ i Satana. Nohitsakitsahin’ ireo ny famindrampo sy ny fahamarinana. Tsy mbola misy olo-meloka nanehoana fomba tsy mendrika ny olombelona tahaka ny natao tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra.IFM 760.1

    Nisy tebiteby nangirifiry kokoa nandrotika ny fon’ i Jesosy anefa; tsy tanam-pahavalo no afaka namely ny kapoka izay nahatonga fahoriana lalina indrindra. Raha niaritra ny fanarabiana Izy tamin’ ny nandinihana ny Aminy teo anatrehan’ i Kaiafa dia nisy anankiray tamin’ ny mpianany nandà Azy.IFM 760.2

    Rehefa nandositra niala tamin’ ny Tompony tao amin’ ny saha ny anankiroa tamin’ ny mpianany, dia nanandrana nanaraka teny lavidavitra teny ny vahoaka romotra izay nitana an’ i Jesosy. Petera sy Jaona ireo mpianatra ireo. Fantatry ny mpisorona fa mpianatr’ i Jesosy i Jaona, ka nampidiriny tao amin’ ny efitra fitsarana izy ; nanantena izy ireo tamin’ izany fa raha manatri-maso ny fampietrena ny Mpitarika azy izy, dia hanao tsinontsinona ny hevitra milaza fa olona toy izany no Zanak’ Andriamanitra. Niady ho an’ i Petera . Jaona, ka nahazo alalana idirany koa.IFM 760.3

    Nisy afo narehitra tao alatrano ; ora mangatsiaka indrindra tamin’ ny alina mantsy ny mialoha indrindra ny fiposahan’ ny masoandro. Nisy antokon’ olona nanodidina ny afo, ary nanao sahisahy i Petera ka naka toerana niaraka tamin’ ireo. Tsy tiany ho fantatra fa mpianatr’ i Jesosy izy. Nanantena izy, fa raha mifangaro amin’ ny vahoaka izy ka tsy miseho ho rototra, dia horaisina ho toy ny anankiray amin’ izay nitondra an’ i Jesosy teo amin’ ny fitsarana.IFM 761.1

    Nefa raha niantefa teo amin’ ny endrik’ i Petera ny fahazavana, dia nitopy teny aminy ny fijerin’ ilay vehivavy mpiandry varavarana ka nandinika azy. Tsikariny fa niaraka tamin’ i Jaona izy, hitany ny fahakiviana nisoritra teny amin’ ny endriny, ka noheveriny fa mety ho mpianatr’ i Jesosy izy. Anankiray amin’ ny mpanompo tao an-tranon’ i Kaiafa izy, ka te-hanamarina ny fanombatombanany. Hoy izy tamin’ i Petera : «Moa hianao mba isan’ ny mpianatr’ io lehilahy io ?» Taitra sy very hevitra i Petera ; nifantoka avy hatrany taminy ny mason’ ny olona. Nilaza izy fa tsy azony izay lazaindravehivavy; nanantitrantitra anefa io ka nilaza tamin’ ny manodidina azy fa niaraka tamin’ i Jesosy io lehilahy io. Nahatsapa ny tenany ho voatery namaly i Petera ka nilaza tamim-pahatezerana hoe : «Ravehivavy, tsy fantatro Izy». Izay no namadihany ny Tompo voalohany, ary avy hatrany dia naneno ny akoho.IFM 761.2

    Indrisy ry Petera ! dia vetivety toy izany dia menatra ny Tomponao ianao ? ary vetivety toy izany dia nolavinao ny Tomponao !IFM 761.3

    Raha niditra tao amin’ ny efitra fitsarana i Jaona, mpianatr’ i Jesosy, dia tsy niezaka ny nanafina fa mpanaraka an’ i Jesosy izy. Tsy nifangaro tamin’ ny olona mitratrevatreva izay nanaraby ny Tompony izy. Tsy nisy nanontany azy, satria tsy nampiseho toetra sandoka izy, ka niahiahiana. Nitady zoron-trano mangingina tsy hitan’ ny olona izy, nefa akaiky an’ i Jesosy araka izay azony natao. Teo izy afaka nahita sy nandre izay rehetra niseho tamin’ ny fitsarana ny Tompony.IFM 761.4

    Tsy nokasain’ i Petera ho fantatra ny tena toetra amam-panahiny marina. Nankeo amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy tamin’ ny nakany endriky ny olona tsy rototra, ka nanjary haza mora resy ho an’ ny fakam-panahy. Raha nantsoina hiady ho an’ ny Tompony izy, dia ho miaramila be herim-po; nefa rehefa nisy tanan’ ny mpaneso nanondro azy, dia hita fa kanosa izy ; betsaka no tsy mihemotra eo anatrehan’ ny ady mafy ho an’ ny Tompony, nefa rehefa tratran’ ny fanarabiana dia manda ny finoany. Ny firaisany amin’ izay tokony handosirany, dia fametrahany ny tenany eo amin’ ny lalan’ ny fakam-panahy. Miantso ny fahavalo haka fanahy azy izy, ka voatarika hilaza sy hanao izay tsy tokony hahameloka azy mihitsy amin’ ny toe-javatra hafa. Mandà ny Tompony tahaka ny nataon’ i Petera tao amin’ ny efitra fitsarana ny mpianatr’ i Kristy izay manafina ny finoany, amin’ izao androntsika izao, noho ny fahatahorany mafy ny fijaliana sy ny fanomezan-tsiny.IFM 761.5

    Niezaka i Petera tsy hiseho ho liana tamin’ ny fitsarana ny Tompony, nefa rotidrotiky ny alahelo ny fony raha nandre ny fanesoesoana feno habibiana izy, ka nahita ny herisetra nampijaliana Azy. Ankoatran’ izany dia gaga sy tezitra izy fa nampietry ny tenany sy ny mpanaraka Azy Jesosy tamin’ ny fileferany tamin’ ny fitondrana toy izany. Mba hanafenany ny tena fihetseham-pony, dia niezaka nanatona ny mpanenjika an’ i Jesosy izy nanao vazivazy tsy ara-potoana. Nefa namboamboarina ny fahitana ny fihetsiny. Lainga no nasehony, koa raha niezaka ny tsy ho rototra izy tamin’ ny resaka nataony, dia tsy azony natao kosa ny nisakana ny tsy haneho ny fahatezerana tamin’ ny herisetra niantonta teo amin’ ny Tompony.IFM 762.1

    Nifantoka taminy fanindroany indray ny saina, ka nampangaina indray ho mpanaraka an’ i Jesosy izy. Sady nianiana izy izao no nanambara hoe : «Tsy fantatro izany Lehilahy izany». Nisy fotoana mety hafa indray nomena azy. Lasa ny adiny iray, dia nisy anankiray amin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe, izay havana akaikin’ ilay lehilahy notapahin’ i Petera ny sofiny, nanontany azy hoe : «Tsy efa hitako teo aminy tao amin’ ny saha va hianao ?» «Naman’ ireo tokoa hianao; fa Galiliana hianao, ary ny fiteninao miampanga anao». Naharomotra an’ i Petera izany. Nampiavaka ny mpianatr’ i Jesosy ny fahadiovan’ ny fiteniny, koa mba hamitahana tanteraka ireo mpanontany azy sy hanamarinana ny toetra amam-panahy izay noraisiny ho azy, dia nandà ny Tompony izao i Petera sady niozona no nianiana. Naneno indray ny akoho. Ren’ i Petera izany tamin’ izay ka tsaroany ny tenin’ i Jesosy hoe : «Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo hianao»9Marka. 14 : 30.IFM 762.2

    Raha mbola teo amin’ ny molotr’ i Petera ny ozona manambany azy, ka mbola naneno tao an-tsofiny ny fikiririokan’ ny fanenon’ ny akoho, dia nitodika ny Mpamonjy, niala tamin’ ireo mpitsara miketrona handrina noho ny hatezerana, ny fijeriny ka nifantoka tanteraka teo amin’ ilay mpianany mahantra. Tamin’ izay fotoana izay kosa dia voatarika ho eo amin’ ny Tompony ny mason’ i Petera. Fangorahana sy alahelo lalina no hitany teo amin’ ilay endrika malemy fanahy, fa tsy nisy hatezerana.IFM 762.3

    Nanindrona ny fony toy ny zana-tsipika ny fahitany ity endrika hatsatra, nijaly, ireto molotra nipararetra, ity fijery feno fangorahana sy famelan-keloka. Nifoha ny feon’ ny fieritreretany. Velona ny fitadidiany. Tadidin’ i Petera ny fampanantenany ora vitsivitsy talohan’ izao fa hiaraka amin’ ny Tompony ho any an-tranomaizina sy ho amin’ ny fahafatesana izy. Tsaroany ny alahelo raha nilaza taminy ny Mpamonjy tao amin’ ny efitrano ambony, fa handà ny Tompony intelo izy tamin’ iny alina iny. Vao nanambara i Petera fa tsy fantany Jesosy, nefa tsapany izao tao amin’ ny ngidin’ ny alahelo, fa tena mahalala azy tsara ny Tompony, ary marina dia marina ny namakiany tao am-pony, ny toetra mandainga izay tsy fantatr’ izy tenany akory.IFM 763.1

    Nibosesika tao an-tsainy ny fahatsiarovana ny famindrampo feno fitiavana nasehon’ ny Mpamonjy, ny fahalemem-panahiny sy ny fahari-pony, ny hatsaram-panahy sy ny faharetana nasehony tamin’ ny mpianany nania, — tsaroany avokoa izany rehetra izany. Tadidiny ny fampitandremana hoe : «Ry Simona, ry Simona, indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao» 10Lioka 22 : 31, 32. Naharikoriko azy ny nitaratra ny tsy fahaizany mankasitraka, ny fitaka teo aminy, ny fianianana mandainga nataony. Nijery ny Tompony indray izy, ary hitany tanana mpanevateva natsangana namely ny tavany. Tsy zakan’ i Petera intsony izany fisehoan-javatra izany, ka torotoro ny fony, nihazakazaka nivoaka ny efitra.IFM 763.2

    Niriotra ho any amin’ izay maha-irery azy any amin’ ny maizina izy, tsy fantany ary tsy nampaninona azy na ho aiza na ho aiza. Farany dia hitany fa tany Getsemane izy. Nanjary nazava kokoa tao an-tsainy ny fisehoan-javatra ora vitsy talohan’ izao. Nitranga nanoloana azy ny endriky ny Tompony nitory fijaliana, nitetevan’ ny dinitra nanjary ra sy nifanintontsintona noho ny tebiteby. Tsaroany sady nahatonga nenina mangidy tao aminy izany Jesosy nivavaka tamin-dranomaso sy nanao tolona nihatra aman’ aina irery, nefa natory ireo izay’ tokony niaraka taminy tamin’ io ora mafy dia mafy io. Tsaroany ny fampitandremana miezinezina nataony hoe : «Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy» 11Mat.26 : 41. Natrehiny indray ny zavatra niseho tao amin’ ny efitra fitsarana. Nampahory sy nampanaintaina ny fony maratra ny nahalala fa nanampy trotraka ny entana mavesatra dia mavesatra nozakain’ ny Mpamonjy teo amin’ ny fietreny sy ny fahotany izy. Teo amin’ ny toerana indrindra namborahan’ i Jesosy ny fanahiny tamin’ ny Ray tao amin’ ny ady nihatra aman’ aina, no niantorahany, ny tavany teo amin’ ny tany, ka naniriany ho faty.IFM 763.3

    Natory izy raha nibaiko azy hivavaka Jesosy. Izany no nanomanan’ i Petera ny lalana ho amin’ ny fahotany lehibe. Samy nizaka fatiantoka be avokoa ny mpianatra rehetra tamin’ ny natoriany tamin’ iny ora sarotra dia sarotra iny. Fantatr’ i Kristy ny hamafin’ ny fitsapana mahamay izay handalovan’ izy ireo. Fantany ny fomba hiasan’ i Satana mba hahatorovana ny retsiny ka tsy hahavonona azy amin’ ny fisedrana. Noho izany antony izany no nampitandremany azy. Raha nolaniany tamin’ ny fiaretan-tory sy ny fivavahana ireo ora tao Getsemane, dia tsy ho navela hiankina tamin’ ny herin’ ny tenany marefo i Petera. Tsy ho nandà ny Tompony izy. Raha niari-tory niaraka tamin’ i Kristy ny mpianatra, teo amin’ ny ady mihatra aman’ aina natrehiny, dia ho voaomana izy hibanjina ny fahoriany teo amin’ ny hazo fijaliana. Nety nisy azony ny toetran’ ny tebiteby nanafotra Azy. Ho azony natao ny nahatsiaro ny teny nanambarany mialoha ny fijaliany, ny fahafatesany, ary ny fitsanganany tamin’ ny maty. Tao anatin’ ny aloky ny ora mafy indrindra dia ho nisy tarapahazavan’ ny fanantenana nanazava ny haizina ka nanohana ny finoany.IFM 764.1

    Raha vao maraina ny andro, dia nivory indray ny Synedriona, ka nentina tao amin’ ny efitry ny filan-kevitra indray Jesosy. Nilaza ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra Izy, ary nodisoan’ izy ireo ho tonga fanamelohana Azy ny teniny. Tsy azony natao anefa ny nanameloka Azy noho izany, satria betsaka tamin’ izy ireo no tsy nanatrika ny fivoriana tamin’ ny alina, ka tsy nandre ny teniny. Fantany fa tsy hahita na inona na inona tokony hanamelohana Azy ho faty ny fitsarana Romana. Fa raha ny molony mihitsy no mamerina ireo teny ireo ho ren’ ny rehetra, dia ho tratra ny zavakendreny. Azony hodisoina ho filazana fanakorontanana arapolitika ny filazan’ ny tenany ho Mesia.IFM 764.2

    «Raha Hianao no Kristy, hoy izy, dia lazao aminay». Nefa nangina Kristy. Dia mbola naverimberiny taminy ihany ny fanontaniana. Nony farany dia namaly tamin’ ny feo nampalahelo sy nahonena Izy hoe : «Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino hianareo. Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory hianareo, na hamela Ahy handeha». Nefa mba tsy hisian’ ny fialantsiny ho an’ ireo dia nampiany fampitandremana miezinezina hoe : «Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tànana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra»12Lio. 22 : 69.IFM 765.1

    «Zanak’ Andriamanitra ary va Hianao ?» hoy ny fanontaniana niraisan’ ny feo rehetra. Hoy Izy taminy : «Voalazanareo fa Izaho no Izy». Dia niantsoantso izy hoe : «Ka inona indray no ilantsika vavolombelona ? fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ ny vavany ?»IFM 765.2

    Fanintelon’ izao no nanamelohana an’ i Jesosy ho faty tamin’ ny alalan’ ny manam-pahefana Jiosy. Izay rehetra ilaina izao, hoy ny fiheviny, dia ny hanamafisan’ ny Romana ny fanamelohana Azy ho faty, ka hanolorany Azy ho eo am-pelatanan’ izy ireo.IFM 765.3

    Dia tonga indray ny fanaovana an-keriny sy ny faniratsirana fanintelony, mahatsiravina noho izay nataon’ ny faikan’ olona tsy nahalala na inona na inona. Teo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka mihitsy no nitrangan’ izany, ary nankasitrahan’ izy ireo. Niala tao am-pony ny fihetseham-po rehetra nitory firaisampo maha-olombelona. Raha kely ny fonjan-kevitra nentiny ka tsy afaka nampangina ny feony, dia nanana fiadiana hafa izy, izay nampiasaina tamin’ ny taonjato rehetra hoenti-mampangina ny «heretika» — dia ny fampahoriana, ny herisetra, ary ny fahafatesana.IFM 765.4

    Rehefa navoakan’ ny mpitsara ny fanamelohana an’ i Jesosy. dia nisy faharomotana avy amin’ i Satana nameno ny olona. Tahaka ny fihorakoraky ny bibidia ny fihorakorany. Nirohotra nankeo amin’ i Jesosy ny vahoaka marobe, ka niantsoantso hoe : Meloka Izy. vonoy Izy ho faty ! Raha tsy teo ny miaramila Romana dia tsy ho velona Jesosy ka ho azo homboana eo amin’ ny hazo fijaliana. Saika norotidrotehiny teo anatrehan’ ny mpitsara Izy, raha tsy nisalovana ny manam-pahefana Romana ka nampiasa ny heriny sy ny fiadiany mba hanakanana ny herisetran’ ny vahoaka romotra.IFM 765.5

    Nahatezitra ny jentilisa ny fihetsika feno herisetra natao amin’ ny olona izay tsy nanaporofoina na inona na inona. Nambaran’ ireo manam-pahefana Romana fa nandika ny fahefana Romana ny Jiosy tamin’ ny nanamelohany an’ i Jesosy, ary mifanohitra koa amin’ ny lalàna Jiosy ny manameloka olona ho faty noho ny teny vavolombelona nataon’ ny tenany ihany. Nampangina vetivety ny fandehanjavatra io fisalovanana io; nefa ireo filoha Jiosy dia tsy nanana fo antra ary tsy nahalala menatra akory.IFM 766.1

    Nanadino ny fahamendrehan’ ny asany ny mpisorona sy ny mpanapaka, nanao vava ratsy tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra, ka niantso Azy tamin’ ny teny maloto. Notsiratsirainy Izy noho ny fiaviany. Nambarany fa ny fihamboany amin’ ny filazan’ ny tenany ho Mesia no mahatonga Azy ho mendrika ny fahafatesana mahamenatra indrindra. Ny olona faran’ izay vetaveta no nanao herisetra mahamenatra tamin’ ny Mpamonjy. Nisy akanjo tonta natsofoka tamin’ ny lohany, dia nofelahin’ ny mpampijaly Azy Izy sady nataony hoe : «Maminania; iza moa no namely Anao ?» Rehefa nalana ilay fitafiana, dia nisy olona ratsy fanahy iray nandrora tamin’ ny tavany.IFM 766.2

    Nanaovan’ ny anjelin’ Andriamanitra tatitra mahatoky ny fijery, ny teny sy ny fihetsika rehetra naneso natao tamin’ Ilay Mpitarika azy malalany. Indray andro any dia hahita ny tavan’ i Kristy ao amin’ ny voninahiny, izay hamirapiratra noho ny masoandro, ireo olona ambany izay naneso sy nandrora Azy tamin’ ilay tava tony sy hatsatra.IFM 766.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents