Toko 37—Ireo evanjelista voalohany
Anisan’ ny fianakavian’ i Jesosy ny Apostoly ary efa niaraka taminy izy ireo raha nandeha an-tongotra nitety an’ i Galilia Izy. Efa niarahany nitondra. taminy ny asa mafy sy ny zava-tsarotra nianjady niarahana. Efa nihaino ny lahateny nataony izy, sy efa niara-nandeha tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra sy niresaka taminy, ary avy tamin’ ny fampianarana voarainy isan’ andro no efa nianarany ny fomba fiasa mba hanandratana ny taranak’ olombelona. Raha nanompo ny vahoaka marobe izay nanodidina Azy Jesosy, dia nitodihany manokana ny mpianany izay naniry hankato ny baikony sy hanamaivana ny asany. Nanampy Azy teo amin’ ny fandaminana ny vahoaka izy ireo, nitondra ny tra-pahoriana teo amin’ ny Mpamonjy, ary nanao izay hampifalifaly ny rehetra. Nijery izay mpihaino liana izy sy nanazava ny Soratra Masina taminy, ary niasa tamin’ ny fomba maro samihafa ho an’ ny tombon-tsoany ara-panahy. Nampianatra izay efa nianarany tamin’ i Jesosy izy, ary isan’ andro dia nahazo fanandramana sarobidy. Nilainy koa anefa ny hanao fanandramana sarobidy tamin’ ny asa ataony irery. Mbola nila torohevitra maro izy sy faharetana sy fitiavana lehibe. Ankehitriny, raha mbola niaraka taminy nivantana Jesosy, mba hampahalala azy ny fahadisoany, ka hanoro hevitra sy hanitsy ny tsy mety, dia naniraka azy ho solon-tenany ny Mpamonjy. IFM 367.1
Raha mbola teo aminy Jesosy, dia matetika ny mpianatra no sahirana tamin’ ny fampianaran’ ny mpisorona sy ny Fariseo, nefa nentiny teo Aminy ny fahasahiranany. Efa nasehony teo anatrehany ireo fahamarinan’ ny Soratra Masina mifanohitra amin’ ny lovan- tsofina. Tamin’ izay no nanamafisany ny fahatokiany ny tenin’ Andriamanitra ary nanafahany azy imbetsaka tamin’ ny fahatahorana ny raby, sy ny fanandevozan’ ny lovan-tsofina azy. Raha nanao fanazarana ny mpianatra, dia nisy vokany be lavitra noho ny fampianarana foto-pianarana ny ohatra hitany teo amin’ ny Mpamonjy. Rehefa tafasaraka taminy Izy, dia niverina tao an-tsainy ny fijery, ny feo sy ny teny rehetra. Matetika izy ireo no namerina ny teny nataony, rehefa nifanehatra tamin’ ny fahavalon’ ny filazantsara, ary rehefa hitany ny vokatr’ izany teo amin’ ny vahoaka, dia nifaly indrindra izy.IFM 367.2
Niantso ny roa ambin’ ny folo nanodidina Azy Jesosy ka naniraka azy handeha tsiroaroa hitety ny tanàna sy ny vohitra. Tsy nisy nalefany irery, fa ny rahalahy nampiarahany tamin’ ny rahalahy, ny mpinamana tamin’ ny namany. Tamin’ izany no nahazoany nifanampy sy nifampahery, nifanoro-hevitra sy nifampivavaka ; ny iray mameno ny fahalemen’ ny anankiray. Tamin’ ny fomba toy izany koa no nanirahany ny fitopolo lahy tatỳ aoriana. Fikasan’ ny Mpamonjy ny hampiarahana toy izany ny mpitory ny filazantsara. Amin’ izao androntsika izao dia hisy vokany be lavitra ny asa fitoriana ny filazantsara raha arahina akaiky kokoa io ohatra io.IFM 368.1
Ny hafatra nentin’ ny mpianatra dia ilay nentin’ i Jaona Mpanao batisa sy nentin’ i Kristy ihany : «Akaiky ny fanjakan’ ny lanitra». Tsy hifanditra amin’ ny olona izy ny amin’ ny maha-Mesia an’ i Jesosy avy any Nazareta na tsia ; fa amin’ ny anarany no hanaovany ny asam-pamindrampo efa nataony. Hoy ny baikony : «Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahay ny demonia ; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana».IFM 368.2
Nandritra ny asa nataony, dia nanokana fotoana bebe kokoa Jesosy tamin’ ny fanasitranana ny marary noho ny tamin’ ny fitorian-teny. Vavolombelon’ ny fahamarinan’ ny teniny ny fahagagana nataony, fa tsy tonga mba handringana Izy fa hamonjy. Ny fahamarinany no loha-lalany, ary ny voninahitr’ i Jehovah no vodilalany. Na taiza na taiza nalehany, dia nialoha Azy ny vaovao mahafaly momba ny famindrampo. Izay rehetra nandalovany, dia nifaly tao amin’ ny fahasalamana, novokisany famindrampo, ary notolorany hery hisedrany ny zava-tsarotra. Vahoaka betsaka no nivory nanodidina Azy nihaino avy amin’ ny vavany ny asa izay efa notanterahiny. Ny feony no feo ren’ ny maro voalohany ,tsy mbola fandreny hatramin’ izay, ny anarany no notonina voalohany ary ny endriny no nobanjininy voalohany. Nahoana ary izy no tsy ho tia an’ i Jesosy sy ‘ hampanakoako ny fiderana Azy? Raha nandalo ny vohitra sy ny tanàna Izy, dia tahaka ny herim-baratra velona, mizara aina sy fifaliana na taiza na taiza nalehany.IFM 368.3
Tokony hiasa tahaka ny nataony ny mpanaraka an’ i Kristy. Tokony hamahana ny noana isika, hanafy ny mitanjaka, ary hampahery ny mijaly sy ny trà-pahoriana. Tokony hanompo ny mamoy fo isika, ka hampitsiry fanantenana ao amin’ izay tsy manana fanantenana. Dia ho tanteraka amintsika koa ny teny fikasana manao hoe: «Ny fahamarinanao no ho loha-lalanao; ary ny voninahitr’ i Jehovah no ho vodi-lalanao». Ny fitiavan’ i Kristy, izay aseho eo amin’ ny asa fanompoana tsy misy fitiavan-tena, no hisy vokany bebe kokoa amin’ ny fanovana ny mpanao ratsy noho izay vitan’ ny sabatra na ny fitsarana. Ilaina ireo mba hampihorohoro ny mpandika lalàna, nefa kosa ny misionera be fitiavana dia mahavita be noho izany. Matetika no manamafy ny fo ny fanomezan-tsiny ; nefa hihamalefaka izany eo amin’ ny fitiavan’ i Kristy. Tsy ny aretina ara-nofo ihany no azon’ ny misionera sitranina, fa azony atao koa ny mitarika ny mpanota ho eo amin’ Ilay Dokotera lehibe, izay afaka manadio ny fanahy ho afaka amin’ ny fahabokan’ ny fahotana. Notendren’ i Kristy handre ny feony amin’ ny alalan’ ny mpanompony ny marary, ny mahantra, ny manana fanahy maloto. Amin’ ny alalan’ ny olombelona miasa amin’ ny anaran’ i Kristy ho Azy no iriny hahalalany Ilay Mpampionona izay tsy mbola fantatr’ izao tontolo izao hatramin’ izao.IFM 369.1
Tamin’ ny diany voalohany tamin’ ny maha-misionera azy dia nandeha ho any amin’ ny «ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely» ihany ny mpianatra. Raha hitory ny filazantsara tamin’ ny jentilisa dia ireo Samaritana kosa izy izao, dia ho very hatreo ny hery miasa mangina tamin’ ny Jiosy. Raha ohatra ka namohafoha ireo hevitra nibahana tao an-tsain’ ny Fariseo izy dia ho tafiditra tao amin’ ny adi-hevitra hitondra hahakiviana ho azy raha mbola vao teo ampiandohana fotsiny ny asany. Na dia ny apostoly aza dia niadampandray ny baiko hitory ny filazantsara any amin’ ny firenendrehetra. Raha tsy efa takatry ny sainy tsara io fahamarinana io, dia tsy ho vonona hiasa ho an’ ny jentilisa izy. Nokasain’ Andria-manitra hatao mpitondra hafatra tany amin’ ny jentilisa ny Jiosy raha tahiny nety handray ny filazantsara izy. Noho izany dia izy aloha no hampandrenesina ny hafatra.IFM 369.2
Teny amin’ ny saha rehetra niasan’ i Kristy no nahitana fanahy nifoha ka nahatsapa izay nilainy, ary noana sy nangetaheta ny fahamarinana. Tonga ny fotoana handefasana ny vaovao mahafaly momba ny fitiavany tamin’ ireo nanana fo naniry mafy ny hovonjena. Handeha ho any amin’ ireny rehetra ireny ny mpianatra ho solontenan’ i Kristy. Amin’ izay no ahazoany mitarika ny mpino hahafantatra fa izy ireo tokoa no mpampianatra notendren’ Andriamanitra ka rehefa nesorina tsy ho eo aminy intsony ny Mpamonjy, dia tsy havela tsy hanana mpampianatra izy.IFM 370.1
Tamin’ io diany voalohany io no nandeha tany amin’ izay efa nialohavan’ i Jesosy azy ny mpianatra, ka dia efa nisy sakaiza fantany sahady, ary nanomana indrindra ny fiomanany ho amin’ ny diany izany. Tsy misy na inona na inona navelany hampihataka ny sainy tamin’ ny asany lehibe, na hanetsika fanoherana azy tsy ahoan-tsy ahoana ka hanidy ny varavarana ho amin’ ny asany manaraka. Tsy tokony hitondra ny fitafian’ ireo mpampianatra ara-pivavahana izy, na hanao fitafy izay hampiavaka azy amin’ ny tantsaha tsotra. Tsy hiditra ao amin’ ny synagoga izy ka hiantso ny vahoaka hanatrika fanompoam-pivavahana ho an’ ny besinimaro ; ny ezaka izay hataony dia eo amin’ ny asa fitetezana tokantrano. Tsy handany fotoana amin’ ny fiarahabana tsy misy antony izy, na hitety tokantrano hiantranoana fotsiny. Fa amin’ ny toerana rehetra izay halehany no handraisan’ ny olona azy amin’ ny fony tokoa tahaka ny mampiantrano an’ i Kristy mihitsy. Hiditra ao an-tokantrano izy ary hitondra ny fiarahabana kanto hoe: «Fiadanana ho amin’ ity trano ity» . Handray fitahiana amin’ ny fivavahany sy amin’ ny hira fiderana hataony, ary amin’ ny fanokafany ny Soratra Masina eo amin’ ny fivorian’ ny fianakaviana io tokantrano io.IFM 370.2
Ho mpialoha lalana ny fahamarinana ireto mpianatra ireto, hanomana lalana hiavian’ ny Tompony. Ny tenin’ ny fiainana mandrakizay no hafatra hoentiny, ary niankina tamin’ ny fandraisan’ ny olona na ny fitsipahany izany ny ho anjarany. Mba ho latsaka lalina ao am-pon’ ny vahoaka ny maha-zava-dehibe izany, dia nibaiko ny mpianany Jesosy hoe : «Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo; raha miala amin’ izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ ny tongotrareo. Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma sy Gomora amin’ ny andro fitsarana noho ny ho amin’ izany tanàna izany.IFM 370.3
Nanagorobaka ny ho avy ny fijerin’ ny Mpamonjy ; mibanjina ny saha midadasika kokoa Izy, izay hijoroan’ ny mpianatra ho vavolombelona, aorian’ ny fahafatesany. Nataony indray mijery ara-paminaniana ny fanandramana handalovan’ ny mpanompony mandritra ny andro rehetra mandra-piaviny fanindroany. Nasehony tamin’ ny mpanaraka Azy ny tolona tsy maintsy hatrehiny; nambarany ny toetry ny ady sy ny fomba hisetrana izany. Novelabelariny teo anatrehany ny loza tsy maintsy hosetrainy, ny fandavantena hotakiana amin’ izany. Niriny ny hahatakaran’ ny sainy ny lanjan’ izany mba hahazoany miambina ka tsy ho tratry ny fahavalony. Tsy tolona atao amin’ ny nofo aman-drà no hatrehiny, fa «amin’ ny fanapahana sy amin’ ny fanjakana sy amin’ ny mpanjakan’ izao fahamaizinana izao, dia amin’ ny fanahy ratsy eny amin’ ny lanitra» . Hanohitra hery ambony noho ny an’ ny olombelona izy, efa azony antoka anefa ny fanampiana ambony noho ny an’ ny olombelona. Ao amin’ io tafika io ireo anjely rehetra any an-danitra. Ary tsy ny anjely ihany no miandany aminy, fa ao koa ny Fanahy Masina, solontenan’ Ilay kapitenin’ ny tafik’ i Jehovah, hiditra antsehatra hitarika ny ady. Mety ho betsaka ny fahalementsik ', ary mety havesatra loatra ny fahotana sy ny fahadisoantsika; nefa ho an’ izay rehetra mitady izany amin’ ny fo torotoro ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ny herin’ Ilay manana ny hery rehetra no avondrona ho an’ izay matoky an’ Andriamanitra.IFM 371.1
«Indro, Izaho hoy Jesosy, maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala». Tsy te hanafina ny tena marina Kristy, nefa tamim-pitiavana mandrakariva no nitenenany. Nampiasa ny fahaizana lehibe indrindra nifandray tamin’ ny olona Izy tamin’ ny fifampikasohany tamin’ ny vahoaka, ka nihevitra ny nikarakara azy ireo tamim-pitiavana. Tsy mba nivatravatra fiteny mihitsy Izy, na nanao teny henjana tsy amin’ ny antony, na koa nampalahelo be fahantany ny fanahy mora tohina. Tsy nanome tsiny ny fahalemen’ ny olombelona Izy fa nampangainy tsy amin-tahotra kosa ny fihatsarambelatsihy, ny tsy finoana, sy ny fanaovan-dratsy, nefa tamindranomaso no nitenenany raha nanao ireo faniniana nandratra fo Izy. Nitomany an’ i Jerosalema Izy, ilay tanàna malalany, izay nandà tsy handray Azy, dia Izy Izay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Nitsipaka Azy ho Mpamonjy ireo, nefa Izy kosa nijery azy tamimpitiavana feno fangorahana, ary lalina indrindra ny alahelony ka nahavaky ny fony. Sarobidy teo imasony avokoa ny fanahy tsirairay. Nitondra tena mandrakariva tamin’ ny fahamendrehan’ Andriamanitra Izy, nefa koa niondrika mba hijery amim-pitiavana lehibe indrindra ny mambra tsirairay ao amin’ ny fianakavian’ Andriamanitra. Fanahy lavo izay nanirahana Azy hovonjena no hitany teo amin’ ny olona rehetra.IFM 371.2
Tsy tokony hanatanteraka ny didy baikoin’ ny fo ara-nofo ny mpanompon’ i Kristy. Ilainy ny hanana firaisana ety amin’ Andriamanitra, sao, mitroatra ny «izaho», raha sendra misy fihaikana, ka migororoana avy ao ny teny tsy mety, tsy toy ny ando, na ny ranonorana malefaka mamelombelona ny zava-maniry efa maina. Izany no irin’ i Satana hataony ; izany mantsy no fomba fiasany. Ny dragona no tezitra; ny fanahin’ i Satana no miseho amin’ ny fahavinirana sy ny fiampangana tsy an-drariny. Fa ny mpanompon’ Andriamanitra kosa dia solontenan’ i Kristy. Iriny ny hifampiraharaha amin’ ny fampiasana mari-karenan’ ny lanitra ihany, dia ny fahamarinana izay nitondra ny endriny sy ny marika famantarana Azy. Ny hery izay hoentiny handresena ny ratsy dia ny herin’ i Kristy. Ny voninahitr’ i Kristy no heriny. Tokony hampifantoka ny masony amin’ ny toetrany mahate ho tia izy. Amin’ izay dia ho azony atao ny hampiseho ny filazantsara amin’ ny fahaizana mifandray amin’ olona sy ny fahalemem-panahin’ Andriamanitra. Koa ny fanahy izay mahatahiry halemem-panahy na dia misy fihaikana azy aza no hahay hampiaiky ny fahamarinana noho izay fonjan-kevitra manan-kery indrindra.IFM 372.1
Tsy ny olona ihany, fa Satana sy ny anjeliny koa no hifanehatra amin’ izay miroboka hanao adi-hevitra amin’ ny fahavalon’ ny fahamarinana. Aoka ho tsarovany ny tenin’ ny Mpamonjy manao hoe : «Indro Izaho maniraka anareo tahaka ny zanak’ ondry eo am-povoan’ ny amboadia» . Aoka izy hitoetra eo amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra, dia ho tony ny fanahiny, na dia ao anatin’ ny herisetra mihatra amin’ ny tenany aza. Hanafy azy amin’ ny fiadian’ Andriamanitra rehetra Jehovah. Hiasa mangina amin’ ny saina sy ny fo ny Fanahiny Masina, hany ka tsy ho toy ny fivovon’ ny amboadia ny feony.IFM 372.2
Raha nanohy ny torohevitra ho an’ ny mpianany Jesosy dia nanao hoe : «Ary mitandremana hianareo noho ny amin’ ny olona». Tsy tokony hametraka ny fahatokiana tsotra amin’ izay tsy mahalala an’ Andriamanitra izy, ka hamelatra aminy ny torohevitra noraisiny ; fa hanome tombony ny miasa ho an’ i Satana izay manao izany. Matetika no manohitra ny drafitr’ Andriamanitra ny zavatra foronin’ olombelona. Izay manorina ny tempolin’ i Jehovah, dia tokony hanorina araka ny ohatra naseho teo amin’ ny tendrombohitra, — dia ny fitoviana amin’ Andriamanitra izany. Fanalana baraka an’ Andriamanitra sy famadihana ny filazantsara ny fiankinan’ ny mpanompon’ Andriamanitra amin’ ny torohevitry ny olona izay tsy eo ambanin’ ny fitarihan’ ny Fanahy Masina. Fahadalana amin’ Andriamanitra ny fahendrena araka izao tontolo izao. Izay miankina amin’ izany, dia tsy maintsy ho diso lalana.IFM 372.3
«Hatolony ho amin’ ny Synedriona . . . eny eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka ianareo noho ny Amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ ny jentilisa. Vao mainka hampiely ny fahazavana ny fanenjehana. Ny mpanompon’ i Kristy dia hoentina eo anatrehan’ ny olona ambony eo amin’ izao tontolo izao, izay tsy handre mihitsy ny fahamarinana, raha tsy noho ny fanendrikendrehana hahatra amin’ ireny olona ireny. Fiampangana lainga no reny momba ny finoan’ ny mpianatr’ i Kristy. Matetika dia ny fijoroana ho vavolombelona hataon’ ireo nentina hotsaraina noho ny finoany no hany fomba ahafantarany ny tena toetran’ izany finoana izany. Eo am-pitsarana azy, dia asaina mamaly izy, ka hihaino ny teny vavolombelona hataony ny mpitsara. Homena ny mpanompony ny fahasoavan’ Andriamanitra izay hisetrany io zava-tsarotra io. «Fa homena anareo, amin’ izany ora izany, hoy Jesosy, izay holazainareo. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo». Manazava ny sain’ ny mpanompony ny Fanahin’ Andriamanitra, ka mampiseho ao aminy ny heriny avy amin’ Andriamanitra sy ny hasarobidin’ ny fahamarinana. Hijoro hiampanga sy hampahory ny mpianatra ireo izay mitsipaka ny fahamarinana. Nefa na dia eo aza ny fatiantoka sy ny fahoriana, eny na dia hatramin’ ny fahafatesana aza, dia hampiseho ny halemem-panahy nananan’ Ilay Andriamanitra Ohatra ho antsika ny zanak’ i Jehovah. Amin’ izay no hahitana ny fahasamihafan’ ny mpiasan’ i Satana sy ny solontenan’ i Kristy. Hasandratra eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny vahoaka ny Mpamonjy.IFM 373.1
Tsy nomena ny herim-po sy ny faherezan’ ny maritiora ny mpianatra raha tsy efa nilaina ny fahasoavana toy izany. Tamin’ izay no nahatanteraka ny teny fikasan’ ny Mpamonjy. Rehefa nijoro ho vavolombelona teo anatrehan’ ny filan-kevitry ny Synedriona i Petera sy Jaona, dia «gaga» ny olona; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’ i Jesosy izy roalahy». Izao no voasoratra ny amin’ i Stefana : «Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ ny Synedriona, raha nandinika an’ i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’ ny anjely». «Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany» , ny olona. Paoly kosa, raha nanoratra momba ny fitsarana azy tany Kaisaria, dia nanao hoe : «Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako, dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra . . . Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ ny nataoko ny fitorianteny, ary mba ho ren’ ny jentilisa rehetra izany ; ary izaho novonjena teo am-bavan’ ny liona» .IFM 373.2
Tsy tokony hanomana lahateny matipaika haseho rehefa tonga amin’ ny fitsarana ny mpanompon’ i Kristy. Tokony atao isan’ andro isan’ andro ny fiomanany amin’ ny fanangonana ho rakitra ho an’ ny tenany ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra, sy amin’ ny alalan’ ny fivavahana izay mampahatanjaka ny finoany. Rehefa nentina teo amin’ ny fitsarana izy ireo dia ny Fanahy Masina no hampahatsiaro ny fahamarinana izay ilaina indrindra.IFM 374.1
Ny fiezahana atao isan’ andro hahalalana an’ Andriamanitra sy Jesosy Kristy izay nirahiny, no hitondra hery sy fahombiazana ho an’ ny fanahy. Ny fahalalana azo tamin’ ny fandinihana feno fahazotoana ny Soratra Masina, no hamerina ao amin’ ny fitadidiany izay teny tokony hataony amin’ ny fotoana mety. Fa raha misy manao an-tsirambina ny fifankazarany amin’ ny tenin’ i Kristy, na tsy mbola nanandrana mihitsy ny herin’ ny fahasoavany eo amin’ ny fitsapana, dia tsy afaka hanantena fa hampahatsiaro ny teny tokony hataony ny Fanahy Masina. Tokony hanompo an’ Andriamanitra isan’ andro amim-pitiavana tsy mizarazara izy, ary hatoky Azy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra.IFM 374.2
Hangidy indrindra ny fandrafiana ny filazantsara hany ka na dia ny fatorana mamy indrindra eo amin’ ny ara-nofo aza dia hatao tsinontsinona. Ny ao amin’ ny ankohonan’ ny tenany ihany no hamadika ny mpianatra ka hitarika azy ho amin’ ny fahafatesana. «Ary ho halan’ ny olona rehetra ianareo noho ny anarako», ary nampiany hoe : «fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovon- jena» Nibaiko azy Izy anefa tsy hitono tena ho amin’ ny fanenjehana tsy ilaina. Matetika aza Izy no nandao ny saha niasany iray ka nankany amin’ ny toerana hafa mba handosirany ireo izay mitady ny ainy. Rehefa notsipahina Izy tany Nazareta, ka nitady hamono Azy ny iray tanàna Aminy, dia nidina nankany Kapernaomy Izy ary talanjona ny amin’ ny fampianarany ny olona tao: «satria nisy fahefana ny teniny» . Toy izany koa no tsy tokony hahakivy ny mpanompony noho ny fanenjehana, fa hitady ny toerana izay mbola ahazoany miasa ho amin’ ny famonjena ny fanahy.IFM 374.3
Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Nolazaina fa Belzeboba ny Andrianan’ ny lanitra, ary haseho amin’ ny fomba diso toy izany koa ny mpianany. Nefa na toy inona na toy inona loza mananontanona, dia tsy maintsy manambara ny foto-kevitra ijoroany ny mpanaraka an’ i Kristy. Tokony hialany ny fiafinafenana. Tsy afaka hijanona fotsiny izy ka tsy hiroboka eo amin’ ny ady mandra-pahazoany antoka fa voaaro izy amin’ ny fanambarana ny fahamarinana. Apetraka ho mpitily izy, hampitandrina ny olona ny amin’ ny loza mananontanona azy. Tsy maintsy zaraina amin’ ny olona rehetra amin’ ny fomba malalaka sy ampahibemaso ny fahamarinana noraisina tamin’ i Kristy. Hoy Jesosy hoe : «Izay lazaiko aminareo ao amin’ ny maizina, dia ambarao eo amin’ ny mazava ary izay ren’ ny sofinareo, dia torio eo ambonin’ ny tampon-trano».IFM 375.1
Tsy nitady hampandefitra ny rariny na oviana na oviana Jesosy mba hividianany fiadanana. Nitobaka tao am-pony ny fitiavana ny taranak’ olombelona manontolo, nefa tsy nandefitra mihitsy ny amin’ ny fahotany Izy. Sakaizany akaiky azy loatra ny olombelona ka tsy hangina Izy raha hitany fa mizatra amin’ ny lalana izay handringana ny fanahiny izy, — dia ireo fanahy izay efa novidiny tamin’ ny ran’ ny tenany. Niasa mafy Izy mba ho mahatoky amin’ ny tenany ny olona, ho mahatoky amin’ ny tombon-tsoany ambony kokoa sy mandrakizay. Antsoina hanao io asa io koa ny mpanompon’ i Kristy, ka tokony hitandrina izy, sao mampilefitra ny fahamarinana eo amin’ ny fitadiavany hisakana ny tsy fifanarahana. Tokony hiezaka hitady ny momba ny fiadanana» izy ; nefa tsy ho hita na oviana na oviana amin’ ny fampandeferana ny rariny, ary ara-poto-kevitra ny tena fiadanana. Ary tsy misy olona afaka hatoky amin’ ny foto-kevitra ka tsy hampifoha ny fanoherana. Hotoherin’ ny zanaky ny tsy fankatoavana ny fivavahana kristiana satria ara-panahy. Nibaiko ny mpianany anefa Jesosy hoe : «Aza matahotra izay mahay mamono ny fanahy». Tsy ilain’ izay matoky an’ Andriamanitra ny hatahotra ny fahefan’ ny olona na ny fandrafian’ i Satana. Ao amin’ i Kristy Jesosy no azo antoka ny fiainana mandrakizay. Ny hany tokony hatahorany dia ny hampandeferany ny fahamarinana, ka hamadika ny fahamarinana izay nanomezan’ Andriamanitra voninahitra azy.IFM 375.2
Asan’ i Satana ny mameno fisalasalana ny fon’ ny olona amin’ ny fisalasalana. Mitarika azy hijery an’ Andriamanitra toy ny mpitsara masiaka izy. Maka fanahy azy hanota izy, sy hihevitra avy eo fa ratsy loatra ny tenany ka tsy afaka hanatona ny Ray any an-danitra intsony na hampangoraka Azy. Fantatry ny Tompo izany rehetra izany. Manome toky ny mpianany Jesosy ny amin’ ny firaisampon’ Andriamanitra ho azy eo amin’ izay ilainy sy ny fahalemeny. Tsy misy sentom-po, na fahoriana tsapa, na alahelo mandratra ny fanahy ka tsy mipaka any amin’ ny fon’ ny Ray ny fiantraikan’ izany.IFM 376.1
Asehon’ ny Baiboly antsika ho eo amin’ ny toerana avo sy masina Andriamanitra, nefa tsy mitomoe-poana Izy, na mangina sy manirery, fa voahodidin’ ireo anjely manan-tsaina sy masina, alinalina sy arivoarivo, samy miandry ny hanao ny sitrapony avokoa. Miasa Izy amin’ ny fifandraisany amin’ ny faritra rehetra eo amin’ ny fanapahany amin’ ny alalan’ ny fantsona izay tsy haintsika fantarina. Nefa ity izao tontolo izao pcntina bitika kely ity, no ondry very izay nanomezany ny Zananilahy tokana mba hamonjy azy. Ireo no foibe mahaliana an» Andriamanitra sy mahaliana ny lanitra manontolo. Miondrika avy eo amin’ ny seza fiandrianany Andriamanitra hihaino ny fitarainan’ ny trà-pahoriana. Mamaly ny fiva-vahana marina rehetra Izy ka manao hoe : «Inty Aho». Manandratra ny ampahorina sy ny voahitsakitsaka Izy. Mahatsiaro mijaly noho ny fijaliantsika rehetra Izy. Manakaiky mba hanafaka amin’ ny fakampanahy sy ny fisedrana rehetra ny anjelin’ ny fanatrehany.IFM 376.2
Na dia tsintsina iray aza tsy milatsaka amin’ ny tany ka tsy hitan’ ny Ray. Ny fandrafian’ i Satana an’ Andriamanitra no mitarika azy hankahala izay rehetra karakarain’ ny Mpamonjy. Miezaka ny hanimba ny asan-tanan’ Andriamanitra izy; ka fahafinaretana ho azy ny mandringana na dia ny zava-boahary tsy afaka miteny aza. Ny fiarovan’ Andriamanitra sy ny fikarakarany no mahavoatahiry ny vorona mba hamalifaly antsika amin’ ny hiram-pifaliana ataony. Nefa tsy adinony na dia ny tsintsina aza. «Koa aza matahotra fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo»IFM 376.3
Notohizan’ i Jesosy hoe : «raha manaiky Ahy eo anatrehan’ ny olona ianareo, dia hanaiky anareo koa eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny anjely masina Aho. Ianareo no vavolombeloko ety an-tany, fantsona ahazoan’ ny fahasoavako mikoriana ho fanasitranana an’ izao tontolo izao. Izaho koa ho solontenanareo any an-danitra. Tsy mijery ny toetra amam-panahinao be kilema ny Ray, fa mahita anao kosa mitafy ny fahatanterahako. Izaho no Mpanelanelana Izay ahatongavan’ ny fitahian’ ny Lanitra rehetra aminao. Ary izay rehetra manaiky Ahy amin’ ny fizarana ny sorona nataoko ho an’ ny very, dia hekeko ho mpandray anjara amin’ ny voninahitra sy ny fifalian’ ny voavotra.IFM 377.1
Izay ta-hanaiky an’ i Kristy, dia tsy maintsy manana an’ i Kristy mitoetra ao aminy. Tsy afaka hizara izay tsy noraisiny izy. Mety ho kinga ny vavan’ ny mpianatra milaza ny amin’ ny foto-pinoana, mety hamerina ny tenin’ i Kristy mihitsy aza izy ; nefa raha tsy manana ny fahalemem-panahy sy ny fitiavana tahaka ny an’ i Kristy izy, dia tsy manaiky Azy. Ny toe-tsaina mifanohitra amin’ ny toetsain’ i Kristy no fandavana Azy, na toy inona na toy inona zavatra lazaina. Mety handà an’ i Kristy ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy, ny resaka adaladala, ny teny tsy mahatoky na masiaka. Mety handà Azy izy amin’ ny fanarahana an’ izao tontolo izao, amin’ ny fitondrantena tsy mendrika, amin’ ny fitiavana ny hevitry ny tenany, amin’ ny fanamarinan-tena, amin’ ny fankamamiana ny fisalasalana, amin’ ny famelomana korontana, sy amin’ ny fitoerana ao amin’ ny haizina. Izany rehetra izany dia hanambarany fa tsy ao aminy Kristy. Koa «na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ ny olona, hoy Izy, dia holaviko kosa eo anatrehan’ ny Raiko Izay any an-danitra».IFM 377.2
Nibaiko ny mpianany ny Mpamonjy tsy hanantena fa ho resin’ ny fandrafian’ izao tontolo izao ny filazantsara, ary hitsahatra ny fanoherany rehefa afaka fotoana kely. Hoy Izy: «Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra». Tsy asan’ ny filazantsara no mahatonga adi-lahy, fa vokatry ny fanoherana azy izany. Ny mafy indrindra ny mizaka azy amin’ ny fanenjehana rehetra, dia ny tsy fifanarahana ao an-tokantrano, ny fihafahan’ ny sakaiza mamy indrindra eto an-tany. Hoy anefa ny nambaran’ i Jesosy: «Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy, dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zanani-lahy na ny zanani-vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy, dia tsy miendrika ho Ahy. Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy».IFM 377.3
Ny iraka nampanaovin’ i Kristy ny mpanompony, dia voninahitra ambony sy asa masina napetraka taminy. «Izay mandray anareo hoy Izy, dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy». Tsy misy asam-pitiavana atao amin’ izy ireo noho ny anarany ka tsy hoekena sy hovaliana soa. Ary amin’ izany fanekena mamy izany dia ampidiriny ao ny fianakavian’ Andriamanitra osa indrindra sy malemy indrin ', dra. «Ary na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka na dia eran’ ny kapoaka ihany aza hosotroin’ ny anankiray amin’. ireo madinika ireo» - dia ireo tahaka ny zaza eo amin’ ny finoany sy ny fahalalany an’ i Kristy, «dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very na valim-pitiany».IFM 378.1
Toy izany no namaranan’ ny Mpamonjy ny torohevitra nomeny. Tamin’ ny anaran’ i Kristy no nandehanan’ izy roa ambin’ ny folo lahy voafidy, tahaka ny nandehanany koa «hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo, . . . hahasitrana ny torotoro fo, hitory fandeferana amin’ ny mpifatotra, sy fampahiratana amin’ ny jamba, hanafaka izay nampahorina, hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah» .IFM 378.2