Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 48—Iza no lehibe indrindra ?

    Raha niverina tany Kapernaomy Jesosy dia tsy nankany amin’ ny toerana fanta-daza izay nampianarany ny vahoaka, fa nandeha mangingina ho any amin’ ilay trano handalovany Izy sy ny mpianany. Nandritra ny fotoana sisa hijanonany any Galilia dia niezaka indray ny hampianatra ny mpianany no nokasainy mihoatra noho ny hiasa ho an’ ny vahoaka maro. 1Mifototra amin’ny Matio 17 : 22, 27 ; 18 : 1-20 ; Marka 9 : 30-50 ; Lioka 9 : 46-48 IFM 463.1

    Teny an-dalana ho any Galilia, dia niezaka indray Kristy hanomana ny sain’ ny mpianany ny amin’ ny toe-javatra manoloana Azy. Nambarany azy fa hiakatra any Jerosalema Izy ka hovonoina ary hitsangana indray. Ary nanampiny izany ny fanambarana hafahafa sy miezinezina milaza fa atolotra ho eo an-tanan’ ny fahavalony Izy. Tsy azon’ ny mpianatra akory ny teniny. Na dia nisy aloky ny alahelo mafy aza nianjady taminy, dia nahita toerana tao am-pony ny toe-tsaina mifandrafy. Niady hevitra izay ho lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakana izy. Noheveriny hafenina an’ i Jesosy io fifandirana io, ka tsy nifanery akaiky teo anilany araka ny fanaony izy, fa nitaredretra tany aoriana, hany ka nialohavan’ i Jesosy izy ireo raha niditra tao Kapernaomy. Namaky ny tao an-tsainy Jesosy, ka naniry mafy ny hanoro hevitra sy ny hampianatra azy. Nefa niandry fotoana tony ho amin’ izany Izy, mba hisokafan’ ny fon’ ireo handray ny teniny.IFM 463.2

    Fotoana fohy taorian’ ny nahatongavany tao an-tanàna, dia nanatona an’ i Petera ny mpanangona ny volan’ ny tempoly ka nanontany azy hoe : «Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa hetra?» Tsy hetram-panjakana io vola io, fa fandraisana anjara eo amin’ ny ara-pivavahana, izay nasaina naloan’ ny Jiosy isan-taona mba hanohanana ny tempoly. Ny fandavana ny handoa io hetra io dia noheverina ho toetra tsy mahatoky eo anatrehan’ ny tempoly, — izay fahotana ratsy indrindra araka ny fanombatombanan’ ny raby. Ny fihetsiky ny Mpamonjy momba ny lalàn’ ny raby sy ny fanomezany tsiny mazava izay miaro ny lovan-tsofina, dia noraisina ho antony hiampangana Azy fa nitady ny handrodana ny fanompoana tao amin’ ny tempoly Izy. Nahita fotoana mety izao ny fahavalony mba tsy hatokisana Azy. Nahita mpiray ady aminy vonona izy teo amin’ ny mpanangona vola hetra.IFM 463.3

    Hitan’ i Petera fa hevitra misisika mikasika ny toetra mahatoky amin’ ny tempoly eo amin’ i Kristy ny fanontanian’ ilay mpanangona vola hetra. Nafana fo izy raha ny momba ny voninahitry ny Tompony, ka namaly haingana na dia tsy nanontany Azy aza, fa mandoa io hetra io Jesosy.IFM 464.1

    Ampahany ihany anefa no azon’ i Petera ny amin’ ny fikasan’ ilay mpanontany azy. Nisy antokon’ olona sasany izay natao tsy handoa io hetra io. Tamin’ ny andron’ i Mosesy, rehefa natokana ho amin’ ny asa fanompoana ao amin’ ny fitoerana masina ny levita, dia tsy nomena anjara lova teo amin’ ny vahoaka izy. Hoy Jehovah hoe : «Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny : Jehovah no lovany» 2Deot. 10: 9. Tamin’ ny andron’ i Kristy dia mbola noheverina ho voatokana ho amin’ ny asan’ ny tempoly ny mpisorona sy ny levita, ka tsy notakiana taminy ny fandraisana isan-taona hanohanana ny tempoly. Afaka tamin’ ny fandoavana an’ izany koa ny mpaminany. Raha nangataka io hetra io tamin’ i Jesosy ny raby dia nahatany ny filazana an’ i Jesosy ho mpaminany na mpampianatra, ary tahaka ny olona tsotra no nifandraisany taminy. Ny fandavany handoa io hetra io dia hampiseho ny toetrany tsy mahatoky amin’ ny tempoly ; etsy an-daniny kosa anefa, ny fandoavana izany dia horaisina ho fanamarinana ny fandavana Azy tsy ho mpaminany.IFM 464.2

    Fotoana kely talohan’ izao, dia nanaiky an’ i Jesosy ho Zanak’ Andriamanitra i Petera ; nefa izao dia tsy nohararaotiny ny fotoana mety hanehoana ny toetra amam-panahin’ ny Tompony. Ny valinteniny tamin’ ilay mpanangona hetra izay milaza fa mandoa ihany Jesosy, dia manamafy sahady ny hevi-diso momba Azy, izay niezahan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka naparitaka. Rehefa niditra ny trano i Petera, dia tsy niteny ny amin’ izay vao nitranga Jesosy, fa nanontany Izy hoe : «Ahoana no hevitrao, ry Simona ? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana ary vola hetra ? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa ? Ary hoy Petera taminy : Avy ámin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy : Dia afaka ary ny Zanaka». Ny vahoakan’ ny tany iray dia mandoa hetra hihazonana ny mpanjakany, fa afaka kosa ny zanaky ny mpanjaka. Toy izany koa Isiraely, ilay vahoaka misora-tena fa an’ Andriamanitra, dia nasaina nikarakara ny fanompoana Azy ; fa Jesosy, Zanak’ Andriamanitra kosa, dia tsy nanana. izany adidy izany. Raha afaka ny mpisorona sy ny Levita noho ny fifandraisany tamin’ ny tempoly, manao ahoana kosa no tokony hahafaka Ilay nanana ny tempoly ho tranon’ ny Rainy ?IFM 464.3

    Raha naloan’ i Jesosy tsy nisy fandavana ny hetra, dia fanekeny sahady ny fahamarinan’ ny fitakiana izany, ary amin’ izany dia ho nandà ny maha-Andriamanitra Azy Izy. Nefa kosa ny fanehoany fa mety ny hanatanterahany ilay fangatahana, dia fandavana ny filazana iorenan’ izany. Nasehony ny porofo mazava ny mahaAndriamanitra Azy tamin’ ny nanomezany izay handoavana ny hetra. Hita miharihary fa Iray Izy sy Andriamanitra, ary noho izany, tsy voafehin’ ny hetra tahaka ny olon-tsotra ao amin’ ny fanjakana Izy.IFM 465.1

    «Mankanesa ao amin’ ny ranomasina hianao, hoy ny baikony tamin’ i Petera, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo hianao, dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy hianao».IFM 465.2

    Na dia notafiany ny maha-olombelona aza ny maha-Andriamanitra, dia nasehony tamin’ ity fahagagana ity ny voninahiny. Hita mazava fa Izy no nilaza tamin’ ny alalan’ i Davida hoe : «Fa Ahy ny biby rehetra any an-ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra; ary eto amiko ny zava-mihetsiketsika eny an-tsaha. Raha mba noana Aho, dia tsy hilaza aminao; fa Ahy izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy»3Salamo 50 : 10-12.IFM 465.3

    Raha nasehon’ i Jesosy mazava fa tsy voafehy handoa ny hetra Izy, dia tsy niditra hiady hevitra tamin’ ny Jiosy momba izany Izy : ho diso mantsy ny fandraisany ny teniny, ka hivadika hamely Azy. Mba tsy ho fanafintohinana ny fitazonany ny hetra, dia notanterahiny izay notakiana taminy tsy ara-drariny. Ho sarobidy ho an’ ny mpianany io lesona io. Hisy fiovana manokana ho hita tsy ho ela eo amin’ ny fifandraisan’ izy ireo amin’ ny fanompoana ao amin’ ny tempoly, ka hampianatra azy tsy ho eo amin’ ny toerana izay hanoherany tsy amin’ antony ny rafitra voalamina Kristy. Araka izay azo atao, dia tokony hialany izay ahazoana mandiso ny hevitry ny finoany. Tsy tokony hanao sorona ny anankiray amin’ ny fotokevitry ny fahamarinana ny kristiana, nefa tokony hialany koa ny adihevitra raha mbola azo atao koa ny manao izany.IFM 465.4

    Rehefa irery tao an-trano Kristy sy ny mpianatra, nony nandeha tany amoron-dranomasina i Petera, dia niantso ny sasany ho eo Aminy Izy, ka nanontany azy hoe : «Inona no niadianareo hevitra teny an-dàlana?» Ny fanatrehan’ i Jesosy sy ny fanontaniany dia nametraka ny toe-javatra teo amin’ ny fahazavana hafa tanteraka noho izay nisehoany tamin’ izy niady teny an-dalana. Nampangina azy ireo ny fahamenarana sy ny fanamelohan-tenany. Nilaza taminy Jesosy fa ho faty ho azy ireo Izy, koa nifanohitra tamin’ ny fomba mahonena tamin’ ny hambompon’ izy ireo feno fitiavan-tena ny fitiavany tsy mihevitra ny tena.IFM 466.1

    Rehefa nilaza taminy Jesosy fa hovonoina Izy ary hitsangana indray, dia niezaka Izy hitarika ny resaka ho amin’ ny fisedrana lehibe ny finoany. Raha vonona ny handray izay niriny hampahafantarina azy izy, dia ho voavonjy ho afaka tamin’ ny ngidin’ ny tebiteby sy ny famoizam-po izy ireo. Ho nitondra fampiononana teo amin’ ny oran’ ny fisaonana sy ny fahadisoam-panantenana ny teniny. Nefa na dia niteny mazava indrindra ny amin’ izay miandry Azy aza Izy, ny filazany fa efa handeha tsy ho ela any Jerosalema Izy dia namelona indray ny fanantenany, fa efa hatsangana ny fanjakany. Izany no nahatonga ny fanontaniana ny amin’. izay tokony handray ny toerana ambony indrindra. Rehefa niverina avy tany an-dranomasina i Petera dia nolazain’ ny mpianatra taminy ny fanontanian’ ny Mpamonjy, ary nony farany dia nisy sahy nilaza izay nanontanian’ i Jesosy : «Iza no lehibe indrindra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra ?»IFM 466.2

    Nangonin’ ny Mpamonjy manodidina Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy : «Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin’ izy rehetra sy ho mpanompon’ izy rehetra izy». Nambara tamin’ ny fomba manetriketrika sy nanaitra indrindra ireo teny ireo, nefa lavitra tamin’ ny mpianatra ny hahazo izany. Tsy hainy ny mahita izay hitan’ i Kristy mazava. Tsy azony ny toetry ny fanjakan’ i Kristy, ary ny tsy fahalalana izany no toa anton’ ny adynataony. Lalina noho izany anefa no nisy ny tena antony. Raha nanazava ny toetry ny fanjakany Kristy, dia nety ho nampangina vetivety ny adihevitra nataon’ izy ireo Izy ; nefa tsy ho voakasika tamin’ izany ny antony fototra. Na dia azony aza ny fahalalana feno, dia hamerina ny korontana hatrany izay rehetra mikasika ny fahamboniana. Avy tamin’ izany no ho nahatonga ao amin’ ny fiangonana ny loza rehefa lasa Kristy. Ny ady momba ny toerana ambony indrindra dia avy amin’ ilay toe-tsaina niandohan’ ilay ady lehibe tany amin’ izao tontolo izao tany ambony, ary nahatonga an’ i Kristy hidina avy any an-danitra mba ho faty. Nitsangana teo anatrehany ny fahitana an’ i Losifera, ilay «zanaky ny maraina», nanana voninahitra nihoatra ny anjely rehetra nanodidina ny seza fiandrianana, ary nifandray tamin’ ny fomba ety indrindra tamin’ ny Zanak’ Andriamanitra. Hoy i Losifera hoe : «Ho tahaka ny Avo Indrindra aho» 4Isaia 14 : 12-15 ary nitondra ady tany amin’ ny lapan’ ny lanitra ny faniriany hanandra-tena, ka nahavoaroaka marobe tamin’ ny tafik’ Andriamanitra. Raha nanam-paniriana marina tokoa ho tahaka ny Avo Indrindra i Losifera, dia tsy ho nilaozany mihitsy ny toerana notendrena ho azy tany an-danitra ; miseho amin’ ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena mantsy ny toetsain’ ny Avo Indrindra. Naniry ny fahefan’ Andriamanitra i Losifera fa tsy ny toetra amam-panahiny. Nitady ny toerana ambony indrindra ho an’ ny tenany izy, ary hanao izany koa izay rehetra hetsehin’ ny toe-tsainy. Amin’ izay dia tsy ho azo ialana ny fihafahafana, ny fifandirana sy ny adi-lahy. Manjary eo am-pelatanan’ ny Mahery Indrindra ny fanapahana. Fanjakan’ ny hery ny fanjakan’ i Satana ; ny tsirairay dia mihevitra ny hafa rehetra ho sakana eo amin’ ny lalana handrosoany, ka ho vato hiakarany ahazoany misondrotra amin’ ny toerana ambony kokoa.IFM 466.3

    Raha noheverin’ i Losifera ho zavatra tokony nofikirina ny hitovy amin’ Andriamanitra, Kristy, ilay Nasandratra kosa dia «nofoanany ny tenany tamin’ ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ ny olona; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ ny hazo fijaliana»5Fil. 2 : 7, 8. Mitsangana manoloana Azy ankehitriny ny hazo fijaliana; nefa nameno ny mpianany ny fitadiavana ny tombontsoan’ ny tenany — dia ilay tena foto-kevitry ny fanjakan’ i Satana indrindra — hany ka tsy afaka hiray fo tamin’ ny Tompony izy, na dia ny hahazo ny teniny aza. ary nilaza taminy ny amin’ ny fietreny ho azy Izy.IFM 467.1

    Tamim-pitiavana lehibe. nefa nantitranteriny tamin’ ny fomba manetriketrika, no niezahan’ i Jesosy nanitsy ny ratsy. Nasehony ny foto-kevitra izay nifehy ny fanjakan’ ny lanitra, sy ny atao hoe tena fahalehibeazana, araka izay fanombanana azy amin’ ny tarigetran’ ny lapa any ambony. Izay hetsehin’ ny avonavona sy ny fitiavana mari-pankasitrahana dia hihevitra ny tenany sy ny tombontsoa ho azony, mihoatra noho izay fomba hamerenany amin’ Andriamanitra ny fanomezana efa noraisiny. Tsy hanan-toerana any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra izy, satria hita fa miandany amin’ i Satana.IFM 468.1

    Mialoha ny voninahitra ny fanetren-tena. Mifidy mpiasa tahaka an’ i Jaona Mpanao batisa izay naka toerana ambany teo anatrehan’ Andriamanitra ny Lanitra, mba hitana toerana ambony eo anatrehan’ ny olona. Ny mpianatra mitovy amin’ ny zaza indrindra no mahomby kokoa amin’ ny asa ho an’ Andriamanitra. Afaka miara-miasa amin’ izay milady ny hamonjy fanahy, fa tsy ny hanandratra ny «izaho», ny hery sy ny sain’ ny lanitra rehetra. Na iza na iza no mahatsapa lalina ny filany ny fanampian’ Andriamanitra dia hangataka mba hahazo izany ; ary ny Fanahy Masina dia hanome azy topi-maso momba an’ i Jesosy, izay hampahatanjaka sy hanandratra ny fanahy. Ny firaisany amin’ i Kristy dia hampandeha azy hiasa ho an’ ireo izay ho faty ao amin’ ny fahotany. Nohosorana ho amin’ ny asa nanirahana azy izy, ka hahomby eo amin’ izay tsy nahavitan’ ny olon-kedry maro manam-pahaizana sy manan-tsaina.IFM 468.2

    Nefa kosa rehefa manandra-tena ny olona ka mahatsapa fa tena ilaina izy hampanjary ny drafitr’ asa lehiben’ Andriamanitra, dia asain’ ny Tompo esorina izy. Asehony mazava amin’ izany fa tsy miankina aminy Jehovah. Tsy mijanona ny asa noho izy nesorina, fa mandroso hatrany amin’ ny hery lehibe kokoa.IFM 468.3

    Tsy ampy ho an’ ny mpianatr’ i Jesosy ny ampianarina momba ny toetry ny fanjakany. Ny ilainy dia fiovam-po izay hahatonga azy hifandrindra amin’ ny foto-kevitry ny fanjakany. Niantso zazakely teo Aminy Jesosy ka napetrany teo avofoany ; nofihininy tamimpitiavana ilay zaza dia hoy Izy hoe : «Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra». Ny toetra tsotra, ny manadino ny tena, ny fitiavana feno fahatokisan’ ny zazakely : izany no misy vidiny eo anatrehan’ ny Lanitra. Ireo no toetra mampiavaka ny tena fahalehibeazana marina.IFM 468.4

    Nohazavain’ i Jesosy indray tamin’ ny mpianatra fa tsy mampiavaka ny fanjakany ny voninahitra sy ny fisehosehoana ara-nofo. Hadino avokoa ireny fahasamihafana rehetra ireny eo an-tongotr’ i Jesosy. Ny manan-karena sy ny mahantra, ny manam-pahaizana sy ny tsy manana dia tafaray, tsy misy eritreritra ny fahamboniana ara-pirazanana na araka izao tontolo izao. Amin’ ny maha-fanahy novidina tamin’ ny ra no hihaonan’ ny rehetra. samy miankina mitovy amin’ Ilay nanavotra azy tao amin’ Andriamanitra.IFM 469.1

    Sarobidy eo imason’ Andriamanitra ny fanahy tsotra sy torotoro. Apetrak’ Andriamanitra eo amin’ ny olona ny tombo-kaseny, tsy noho ny laharany, na ny harenany, na ny fahalehibeazany aratsaina, fa noho ny maha-iray azy amin’ i Kristy. Mahafa-po ny Tompon’ ny voninahitra ireo izay malemy fanahy sy tsy miavona am-po. «Omeonao ahy ny ampingan’ ny famonjenao, hoy Davida . . . ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy» 6Sal. 18 : 35 amin’ ny mahalafin-toetran’ olombelona an’ izany.IFM 469.2

    «Na zovy na zovy no handray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, hoy Jesosy, dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy» ; «Izao no lazain’ i Jehovah : Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoerantongotro ;. . . nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko» 7Isaia 66 : 1, 2.IFM 469.3

    Ny tenin’ ny Mpamonjy dia namohafoha fahatsapana ho tsy matoky tena ao amin’ ny mpianatra. Tsy misy na dia iray aza voatondro manokana teo amin’ ny valinteniny ; voatarika manokana anefa i Jaona hanontany raha nety ny nataony indray mandeha. Nentiny teo anatrehan’ i Jesosy tamin’ ny toe-tsain’ ny zaza izany : «Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika».IFM 469.4

    Noheverin’ i Jakoba sy Jaona fa nitsinjo ny voninahitry ny Tompony izy tamin’ ny nanakanany io olona io : nanjary hitany koa fa saro-piaro tamin’ ny voninahitry ny tenany izy. Nekeny ny fahadisoan-keviný sy ny fanomezan-tsiny nataon’ i Jesosy nanao hoe : «Aza mandrara azy ; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin’ ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety». Tsy mety ny mitsipaka izay miseho ho sakaizan’ i Kristy na amin’ ny fomba inona na amin’ ny fomba inona. Betsaka no voahetsika lalina tamin’ ny toetra amam-panahin’ i Kristy sy ny asany, ka nidanadana ho Azy amin’ ny finoana ny fony ; koa tsy maintsy mitandrina ny mpianatra izay tsy afaka hamaky ny antony manosika azy ao am-pony, sao manakivy ireny fanahy ireny. Rehefa tsy teo anivon’ izy ireo intsony ny tenan’ i Jesosy, ka napetraka teo am-pelatanan’ izy ireo ny asa, dia tsy tokony avelany hanaram-po ny toe-tsaina ety sy tsy miray apiin’ ny hafa, fa tsy maintsy io firaisam-po mahataka-davitra io ihany, izay efa hitany teo amin’ ny Tompony, no asehony.IFM 469.5

    Raha tsy mifanaraka tanteraka amin’ ny hevitra sy ny fisainan’ ny tenantsika ny ataon’ ny olona iray, dia tsy hanamarina ny ataontsika amin’ ny fandrarana azy tsy hiasa ho an’ Andriamanitra izany. Kristy no Mpampianatra lehibe ; tsy tokony hitsara na hibaiko isika, fa samy hipetraka amim-panetren-tena eo an-tongotr’ i Jesosy, ka hianatra Aminy. Ný fanahy rehetra izay nataon’ Andriamanitra hanana finiavana, dia fantsona izay hanehoan’ i Kristy ny fitiavany mamela heloka. Tokony hitandrina fatratra isika sao mahakivy ny anankiray amin’ ny mpitondra fahazavan’ Andriamanitra, ary amin’ izay dia hanakana ny tara-pahazavana izay tian’ Andriamanitra hanazava an’ izao tontolo izao.IFM 470.1

    Ny fahasiahana na ny fangatsiaham-po asehon’ ny mpianatra amin’ ny olona iray izay tarihin’ i Kristy, dia fihetsika toy ilay nataon’ i Jaona tamin’ ny fanakanany olona iray tsy hanao fahagagana amin’ ny anaran’ i Kristy. Ny mety ho vokatr’ izany dia fiodinany handeha eo amin’ ny lalan’ ny fahavalo, ka hahatonga ny fahaverezany. Na manao ahoana na manao ahoana dia tokony halavirina izany, fa izay mahatonga izany fahaverezana izany, hoy Jesosy, dia aleo «anatonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka hatsipy ao anaty ranomasina izy». Ary nampiany hoe : «Ary raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy ; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ ny fiainana noho ny manana tànana roa, nefa hariana any amin’ ny helo, dia any amin’ ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin’ ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin’ ny helo».IFM 470.2

    Inona no anton’ io teny mafana io, izay henjana tsy nisy toy izany ? — Satria «tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very» 8Lio. 19 : 10. Moa ve ny fiheveran’ ny mpianany ny mpiara-belona aminy ho latsa-danja noho izay nasehon’ Andriamanitry ny lanitra? Tsy misy fetra ny nividianana ny fanahy tsirairay, koa zava-doza manao ahoana ny fahotana amin’ ny fampidinana fanahy iray hiala amin’ i Kristy, ka ho very maina ho azy ny fitiavan’ ny Mpamonjy sy ny nanetreny tena ary ny ady mihatra aman’ aina natrehiny.IFM 471.1

    «Lozan’ izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana, fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’ izay olona mahatonga ny fahatafintohinana». Azo antoka fa hanohitra ny mpanaraka an’ i Kristy izao tontolo izao atosik’ i Satana, ka hitady izay hamonoana ny finoany; nefa loza ho an’ izay nandray ny anaran’ i Kristy sady manao io asa io. Afa-baraka ny Tompo noho ireo izay milaza fa manompo Azy, nefa mandiso ny toetra amampanahiny ; koa vahoaka be no voafitaka sy voatarika ho amin’ ny lalan-diso.IFM 471.2

    Na inona na inona fahazarana na fanao mety hitarika amin’ ny fahotana, ka mitondra henatra amin’ i Kristy, dia tsara ny manala azy, na toy inona na toy inona fahafoizan-tena amin’ izany. Tsy afaka hitondra tombon-tsoa ho an’ ny fanahy izay manala baraka an’ Andriamanitra. Tsy azo omena olona na iza na iza amin’ ny fandikany ny foto-kevitry ny marina mandrakizay ny fitahian’ ny lanitra. Ary ny fahotana iray ankafizina dia ampy hiasa hampitotongana ny toetra amam-panahy, ka handiso lalana ny hafa. Raha tokony hotapahina ny tongotra na ny tanana, ary na dia ny maso aza no tokony hoesorina mba hamonjena ny tena amin’ ny fahafatesana, dia tokony ho manao ahoana kokoa ny zotom-po hanalana ny fahotana izay mitondra fahafatesana ho an’ ny fanahy.IFM 471.3

    Teo amin’ ny fomba fanompoam-pivavahana dia nampiana sira ny fanatitra rehetra. Mampiseho izany, tahaka ny fanolorana ditinkazo manitra, fa ny fahamarinan’ i Kristy irery ihany no mahatonga ny fanompoana ho ankasitrahan’ Andriamanitra. Nahatsiaro io fomba io Jesosy ka nanao hoe : «Ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin’ ny fanasina». Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo». Izay rehetra hanolo-tena ho «fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra» 9Rom. 12 : 1, dia tsy maintsy mandray ny fanasina mamonjy, dia ny fahamarinan’ ny Mpamonjy antsika. Amin’ izay dia manjary «fanasin’ ny tany» 10Mat. 5 : 13 izy, izay mametra ny ratsy eo anivon’ ny olona, toy ny sira miaro amin’ ny fahalovana. Fa raha very ny tsiron’ ny fanasina, raha tsy misy afa-tsy ny filazana ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia tsy misy hery hanaovana ny tsara izany. Tsy afaka hanana hery miasa mangina hamonjy an’ izao tontolo izao ny fiainana. Ny herim-ponareo sy ny fahombiazanareo amin’ ny fananganana ny fanjakako, hoy Jesosy, dia miankina amin’ ny fandraisanareo ny Fanahiko. Tsy maintsy ho mpandray anjara amin’ ny fahasoavako ianareo, mba ho tonga hanitry ny fiainana ho amin’ ny fiainana. Amin’ izay dia tsy hisy fifaninanana, tsy hisy fitadiavana ny tombon-tsoan’ ny tena, tsy hisy faniriana ny toerana ambony indrindra. Hanana ilay fitiavana izay tsy mitady ny azy ianareo, fa mitady ny hampanankarena ny hafa.IFM 471.4

    Aoka hampifantoka ny masony amin’ ny «Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao» 11Jao. 1 : 29 ny mpanota mibebaka; ary amin’ ny fibanjinana Azy, dia manjary vaovao izy. Mivadika ho fifaliana ny tahony ary ho fanantenana ny fisalasalany. Miboiboika ny fankasitrahana. Torotoro ny fo vato. Hisondrotra ao amin’ ny fanahy ny fitiavana ka hanafotra azy. Loharano miboiboika ho amin’ ny fiainana mandrakizay ao aminy Kristy. Rehefa mahita an’ i Jesosy isika, Ilay Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, miasa mba hamonjy ny very, natao tsinontsinona, narabiana, natao fihomehezana, nitety tanàna mandra-pahavitan’ ny asa nanirahana Azy ; rehefa mibanjina Azy ao Getsemane isika, ra vaventy fitete no hatsembohany, sy eo amin’ ny hazo fijaliana maty tao amin’ ny ady mihatra aman’ aina, rehefa mahita izany isika, dia tsy hitaky ny hankasitrahana intsony ny «izaho». Raha mibanjina an’ i Jesosy isika dia ho menatra ny fangatsiahantsika, ny faharendremantsika, ny fitadiavantsika ny tombon-tsoantsika. Ho tiantsika ny ho tonga zava-bitika na ho tsinontsinona, mba hahazoantsika manao ny asa amin’ ny fontsika ho an’ ny Tompo. Hifaly isika hitondra ny hazo fijaliana manaraka an’ i Jesosy, hiaritra ny fitsapana, ny henatra, na ny fanenjehana ho an’ ny asany mamintsika.IFM 472.1

    «Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany» 12Rom. 15 : 1. Tsy misy fanahy izay mino an’ i Kristy azo hamaivanina ny fiheverana azy, na dia mety malemy aza ny finoany, ka mangozohozo toy ny an’ ny zazakely ny famindrany. Izay zavatra rehetra manome tombon-tsoa antsika amin’ ny hafa, — mety ho fanabeazana izany sy toetra amam-panahy kanto sy mendrika, fitaizana kristiana, fanandramana ara-pivavahana, — dia mampanan-trosa antsika amin’ izay kely tombon-tsoa kokoa noho isika, ary araka izay azontsika atao, dia tokony hanompo azy isika. Raha matanjaka isika dia tokony hanohana ny tanan’ ny malemy. Ny anjelin’ ny voninahitra, izay mahita mandrakariva ny tavan’ ny Ray any an-danitra, dia mifaly amin’ ny fanompoana ireny madinika ireny. Ny fanahy mangovitra, izay mety manana lafin-toetra maro azo kianina, no karakarainy manokana. Manatrika mandrakariva eo amin’ izay ilàna azy indrindra ny anjely, dia eo amin’ izay manana ny ady mafy indrindra hatao amin’ ny tenany, ary eo amin’ izay misy toe-javatra mahakivy indrindra manodidina azy. Koa hiara-miasa amin’ io fanompoana io ny tena mpanaraka an’ i Kristy marina.IFM 472.2

    Raha misy ratsy maharesy ny anankiray amin’ ireny madinika ireny ka hanaovany ny tsy mety aminao, dia anjaranao ny mitady izay hamerenana azy. Aza miandry azy hanao ny ezaka voalohany ho fampihavanana. «Ahoana no hevitrareo ? hoy Jesosy. Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray, moa tsy hamela ny sivy amby sivifolo any an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania ? Ary raha tahiny hitany izy, dia lazaiko aminareo marina tokoa fa mahafaly azy iny noho ny sivy amby sivifolo izay tsy nania. Ary tahaka izany, dia tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ ireny madinika ireny».IFM 473.1

    Mandehana mankany amin’ izay diso, amin’ ny toe-tsaina malemy fanahy, «mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaimpanahy ihany» 13Gal. 6 : 1, ka rehefa mitokana hianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany». Aza mampitondra henatra azy amin’ ny famelabelarana ny fahadisoany amin’ ny hafa na manala baraka an’ i Kristy amin’ ny fitondrana ampahibemaso ny fahotana na ny fahadisoan’ ny olona iray mitondra ny anarany. Matetika no tsy maintsy lazaina mazava amin’ ilay diso ny marina ; tsy maintsy tarihina izy hahita ny fahadisoany, mba hahazoany miova. Nefa tsy tokony hitsara na hanameloka ianao. Aza manandrana miezaka hanamarin-tena. Aoka ho amin’ ny fanasitranana ny fiezahanao rehetra. Mila fihetsika malefaka indrindra, fahazoana mahatsapa ny zava-madinika indrindra ny fitsaboana ny ratran’ ny fanahy. Ny fitiavana miboiboika avy amin’ Ilay Lehilahy orin’ i Kalvary ihany no mahomby eto. Fitiavana feno fangorahana no aoka hoentin’ ny rahalahy ifandraisana amin’ ny rahalahy, ka ho fantatrao fa raha mahomby ianao, dia «hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be» 14Jak. 5 : 20.IFM 473.2

    Nefa mety tsy hahomby na dia io ezaka io aza. Amin’ izay, hoy Jesosy, «dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa». Ny hery miasa mangina mitambatra avy aminy dia mety handresy eo amin’ izay tsy nahombiazan’ ilay voalohany. Tsy anisan’ ny hisehoan’ ny olana izy ireo ka azo heverina kokoa fa tsy hanao mizana tsindrian’ ila amin’ ny fihetsiny, ary hampavesa-danja kokoa ny toroheviny amin’ ilay nanao diso izany.IFM 474.1

    Raha tsy mihaino ireo izy, ary amin’ izany ihany, dia hoentina eo anatrehan’ ny fitambaran’ ny mpino rehetra ny toe-javatra. Aoka hiray amin’ ny fivavahana sy ny fitalahoana amim-pitiavana ny mambran’ ny fiangonana, amin’ ny maha-solontenan’ i Kristy azy, mba hotafaverina ilay nandika lalàna. Hiteny amin’ ny alalan’ ny mpanompony ny Fanahy Masina, ka hifona amin’ ilay nania hiverina amin’ Andriamanitra. Hoy i Paoly tamin’ ny alalan’ ny tsindrimandry : «toa an’ Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’ i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe : mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo» 152 Kor. 5 : 20. Izay mandà io fiangaviana iraisana io dia nanapaka ny fatorana izay mampiray azy amin’ i Kristy, ary noho izany dia mampisaraka ny tenany amin’ ny fiarahany amin’ ny fiangonana. Noho izany, hoy Jesosy, «dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy». Nefa tsy azo heverina ho tafasaraka amin’ ny famindrampon’ Andriamanitra izy. Aoka tsy hamavoin’ ireo rahalahiny taloha izy ka hataony an-tsirambina, fa hokarakaraina amim-pitiavana sy fangorahana, toy ny anankiray amin’ ny ondry very izay mbola tadiavin’ i Kristy hoentina ao amin’ ny valany.IFM 474.2

    Mamerina amin’ ny endrika manokana ny fampianarana nomena ny Isiraely tamin’ ny alalan’ i Mosesy ny torohevitr’ i Kristy momba izay hatao amin’ izay nanao diso : «Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao, mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy» 16Lev. 19 : 17. Izany hoe, raha misy manao an-tsirambina ny adidy nasain’ i Kristy nataony, amin’ ny fiezahana hamerina ireo izay ao anatin’ ny fahadisoana sy ny fahotana, dia manjary mpandray anjara amin’ ny fahotany izy. Ny ratsy izay tokony ho voasakantsika, dia ananantsika andraikitra tahaka ny isika mihitsy no nanao izany ka mahameloka antsika.IFM 474.3

    Nefa ilay nanao ratsy ihany no tokony hanehoantsika ny ratsy nataony. Tsy tokony hataontsika anton-dresaka sy faninitsiniana eo amintsika samy isika izany ; na dia aorian’ ny nilazana izany tamin’ ny fiangonana aza dia tsy azontsika atao ny mamerimberina izany amin’ ny hafa. Ho fanafintohinana fotsiny ho an’ izao tontolo izao tsy mino ny fahalalana ny fahadisoan’ ny kristiana ; ary amin’ ny fijanonana ela amin’ ireny zavatra ireny dia tsy afaka handray afa-tsy ratra ianao ; ny fibanjinana mantsy no manova antsika. Raha miezaka ny hanitsy ny fahadisoan’ ny rahalahy isika, dia hitarika antsika ny Fanahin’ Andriamanitra ka hiaro azy betsaka araka izay azo atao, amin’ ny faninitsiniana, eny, na dia ny avy amin’ ny rahalahin’ ny tenany aza, ary mihoatra lavitra noho izany amin’ ny fanomezan-tsinin’ izao tontolo izao tsy mino. Ny tenantsika koa mba diso, ka mila ny fangorahan’ i Kristy sy ny famelan-kelony, ary tahaka ny haniriantsika Azy hifandray amintsika, no hibaikoany ny fifandraisantsika samy isika.IFM 475.1

    «Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra, ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra». Amin’ ny mahaambasadaoron’ ny lanitra anao, dia ho amin’ ny mandrakizay ny vokatry ny asanao.IFM 475.2

    Tsy tokony hoentintsika samirery anefa io andraikitra lehibe io. Na aiza na aiza ankatoavana ny teniny amin’ ny fo madio, dia itoeran’ i Kristy. Tsy eo amin’ ny fihaonan’ ny fiangonana fotsiny no manatrika Izy, fa na aiza na aiza no ivorian’ ny mpianany amin’ ny anarany, na vitsy toy inona aza, dia ho ao koa Izy. Ary hoy Izy : «Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin’ ny Raiko Izay any an-danitra izany».IFM 475.3

    Hoy Jesosy : «Ny Raiko Izay any an-danitra», mampahatsiaro ny mpianany Izy amin’ izany fa raha mifamatotra amin’ izy ireo Izy amin’ ny maha-olombelona Azy, raha mandray anjara amin’ ny fitsapana mahazo azy Izy, ary miray fo miny eo amin’ ny fahoriany, amin’ ny maha-Andriamanitra Azy kosa dia mifandray amin’ ny seza fiandrianan’ ny Mandrakizay Izy. Toky mahagaga ! Miray amin’ ny olona ireo anjelin’ ny lanitra eo amin’ ny firaisam-po sy ny asa hamonjena izay very. Koa ny herin’ ny lanitra rehetra no entina mikambana amin’ ny fahaizan’ ny olona hisarika fanahy ho an’ i Kristy.IFM 475.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents