Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 24—Tsy Ilehity va Ilay Zanaky ny mpandrafitra ?

    Nandritra ireo andro mamirapiratra tamin’ ny asan’ i Kristy tany Galilia, dia nisy aloka iray nampanjombona Azy. Nitsipaka Azy ny mponin’ i Nazareta. «Tsy Ilehity va Ilay zanaky ny mpandrafitra» 1Mifototra amin’ Matio 13 : 54, 55 ; Lioka 4 : 16-30 ity toko ity. ny Jaona 5 ity toko ity hoy izy.IFM 237.1

    Nandritra ny fahazazany sy ny fahatanorany, dia efa nivavaka niaraka tamin’ ny rahalahiny tao amin’ ny synagoga tany Nazareta Jesosy. Hatramin’ ny niantombohan’ ny asany dia tsy teo amin’ izy ireo Izy, nefa tsy hoe tsy fantany tsy akory izay zavatra nanjo Azy. Rehefa niseho teo aminy indray Izy, dia tonga teo amin’ ny faratampony ny fahalianany sy ny fanantenany. Tao ireo endrika sy tava nahazatran’ ireo olom-pantany hatramin’ ny fahazazany. Tao ny reniny, ny rahalahiny sy ny anabaviny, ary nitodika taminy ny maso rehetra raha niditra ny synagoga Izy tamin’ ny andro Sabata, ka naka ny toerany teo amin’ ny mpivavaka.IFM 237.2

    Teo amin’ ny fanompoam-pivavahana ara-dalàna ho amin’ io andro io, dia mamaky teny avy amin’ ny mpaminany ny loholona ka mamporisika ny olona mbola hanantena Ilay ho avy, Izay hitondra fanjakana be voninahitra, sy hanafoana ny fampahoriana rehetra. Niezaka ny hampahery ny mpihaino azy izy amin’ ny fandrenesana indray ny porofo mazava fa efa akaiky ny fiavian’ ny Mesia. Tantarainy ny voninahitry ny fiaviany, ka hasongadiny ao an-tsaina fa ho avy Izy mitarika tafika hanafaka an’ Isiraely. IFM 237.3

    Rehefa nisy raby tao amin’ ny synagoga, dia nantenaina fa hanao ny toriteny izy, ary azon’ ny Isiraelita rehetra atao ny mamaky ny teny avy amin’ ny mpaminany. Tamin’ io Sabata io dia nangatahina handray anjara tamin’ ny fanompoam-pivavahana Jesosy. «Nitsangana hamaky teny Izy. Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany». Ny teny Izay novakiny dia fantatra fa mikasika ny Mesia :IFM 238.1

    «Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko,
    Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy ;
    Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy,
    Sy fampahiratana amin’ ny jamba,
    Hanafaka izay nampahoriana,
    Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah» 2Lio. 4 : 18,19.
    IFM 238.2

    «Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha dia nipetraka Izy ;. .. ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga. . . Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany».IFM 238.3

    Nijoro teo anoloan’ ny vahoaka toy ny mpanazava velona ireo faminaniana mikasika ny tenany Jesosy. Nohazavainy ny teny vao novakiny, dia ny amin’ ny Mesia izay hanampy ny sahirana, hanafaka ny mpifatotra, hanasitrana ny tra-pahoriana, hamerina ny jamba hahita indray, ary hanambara ny fahazavan’ ny fahamarinana amin’ izao tontolo izao. Nampangitakitaka ny mpihaino tamin’ ny hery izay tsy mbola tsapany mihitsy teo aloha ny fihetsiny latsaka lalina tao am-pony sy ny maha-zava-dehibe sy mahagaga ny teniny. Nandrava ny fefy rehetra ny fisamontan’ ny hery miasa mangina avy amin’ Andriamanitra ; tahaka an’ i Mosesy nibanjina Ilay tsy hita izy ireo. Raha nohetsehin’ ny Fanahy Masina ny fony, dia namaly tamin’ ny «Amena» mafana izy ka nidera ny Tompo.IFM 238.4

    Nefa kosa rehefa nanambara Jesosy hoe : «Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany» dia tsaroany tampoka ny hihevitra ny tenany sy ny filazan’ Ilay niteny taminy. Izy, Isiraelita, zanak’ i Abrahama, no nasehony toy ny ao amin’ ny fanandevozana. Niteny taminy toy ny tamin’ ny mpifatotra izay hafahana amin’ ny herin’ ny ratsy izy, tahaka izay ao anatin’ ny haizina, ka mila ny fahazavan’ ny fahamarinana. Voatohina ny hambom-pony, nifoha ny tahotra tao aminy. Nambaran’ ny tenin’ i Jesosy fa tena ho samihafa amin’ izay niriny ny asa ataon’ i Kristy ho azy. Mety ho voahadihady akaiky loatra ny asany. Na dia aradalàna aza ireo fanompoam-pivavahana etý ivelany nataon’ izy ireo, dia nihemotra kosa izy teo anatrehan’ ny fandinihana ataon’ ireto maso mahita mazava sy manadihady.IFM 238.5

    Iza ity Jesosy ity ? hoy ny fanontaniana. Ilay nitaky ny voninahitry ny Mesia ho an’ ny tenany ve tsy zanak’ i Josefa mpandrafitra, ary efa niara-niasa taminy ? Efa nahita Azy niasa niakatra sy nidina teo amin’ ireo havoana ny olona, ary fantany tsara ny fiainany sy ny asany ary ireo rahalahiny sy anabaviny. Nahita ny fitomboany hatramin’ ny fahazazany ka hatramin’ ny fahatanorany izy, ary hatramin’ ny fahatanorany ka hatramin’ ny nahalehilahy lehibe Azy. Na dia tsy nisy pentina aza ny fiainany, dia tsy te-hino izy fa Izy no Ilay nampanantenaina.IFM 239.1

    Manao ahoana ny fahasamihafan’ ny fampianarany mikasika ny fanjakana vaovao sy izay efa reny tamin’ ireo loholona ! Tsy misy na inona na inona nolazain’ i Jesosy momba ny fanafahana amin’ ny Romana. Efa reny ny fahagagana nataony, ary nanantena izy fa hampiasainy hahitan’ izy ireo tombon-tsoa ny heriny, nefa tsy nisy fanambarana ny fikasana toy izay efa hitany.IFM 239.2

    Raha nanokatra varavarana hidiran’ ny fisalasalana izy, dia nanjary mafy indrindra ny fony rehefa nolefahana vetivety. Tsy sitrak’ i Satana raha ny jamba no ampahiratina amin’ io andro io, na hisy fanahy afahana amin’ ny fanandevozana. Koa dia nampiasainy ny heriny rehetra mba hangeja azy ireo ao amin’ ny tsy finoana. Tsy noraharahainy ny famantarana efa nomena, rehefa nanohina azy ny faharesen-dahatra fa Ilay Mpanavotra azy no niteny taminy.IFM 239.3

    Izao anefa Jesosy dia nanome porofo mazava ny amin’ ny mahaAndriamanitra Azy tamin’ ny fanambarany ny eritreritra miafina tao an-tsain’ izy ireo. Hoy Izy taminy : «Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao; izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ ny taninao koa. Ary hoy koa Izy : Lazaiko aminareo marina tokoa : Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny. Fa lazaiko aminareo marina tokoa : maro ny mpitondratena amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enimbolana, ka nisy mosary mafy tamin’ ny tany rehetra; nefa tsy mba nirahina ho any amin’ ny anankiray tamin’ ireo i Elia, fa ho any Zarefata any amin’ ny tany Sidona ihany, dia any amin’ izay vehivavy mpitondratena. Ary maro no boka teo amin’ Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza, fa Namana Syriana ihany».IFM 239.4

    Ny fitantarana ny toe-javatra teo amin’ ny fiainan’ ireo mpaminany ireo no nentin’ i Jesosy namaly ny fanontaniana tao amin’ ireto mihaino Azy. Ny mpanompo izay nofidin’ Andriamanitra amin’ ny asa manokana, dia tsy navela hiasa amin’ ny vahoaka mafy fo sy tsy mino. Fa ireo izay manana fo afaka hahatsapa ny finoana hoenti-mino dia nomena tombon-tsoa manokana tamin’ ny porofon’ ny heriny tamin’ ny alalan’ ny mpaminany. Tamin’ ny andron’ i Elia, dia niala tamin’ Andriamanitra Isiraely. Nifikitra tamin’ ny fahotany izy, ka nitsipaka ny fampitandremana avy tamin’ ny Fanahy tamin’ ny alalan’ ny mpitondra hafatra nalefan’ ny Tompo. Tamin’ izany dia nanentsina ny fantsona izay mety ahatongavan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra aminy izy. Nodinganin’ i Jehovah ireo tokantrano tao Isiraely ka nahita fialofana ho an’ ny mpanompony tany amin’ ny tany jentilisa izy, dia tao an-tranon’ ny vehivavy izay tsy anisan’ ny vahoaka voafidy. Nomena izany tombon-tsoa izany io vehivavy io satria efa nanaraka ny fahazavana noraisiny izy ka nivoha ny fony handray fahazavana lehibe kokoa izay nalefan’ Andriamanitra ho azy tamin’ ny alalan’ ny mpaminany.IFM 240.1

    , Noho ny antony toy izany ihany no nandaozana ny boka tao amin’ Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa, fa i Namana kosa, andriandahy jentilisa iray, dia efa natoky tamin’ izay noheveriny fa marina ary efa nahatsapa fa nila dia nila fanampiana, no nandray tombon-tsoa. Teo aminy izany ny fepetra hanomezana ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tsy sitrana tamin’ ny habokana fotsiny izy, fa nahazo fitahiana koa tamin’ ny fahalalana ny Andriamanitra marina.IFM 240.2

    Tsy miankina amin’ ny habetsahan’ ny fahazavana noraisintsika ny fijoroantsika eo anatrehan’ Andriamanitra fa amin’ ny fampiasantsika izany fahazavana izany. Noho izany, na dia ny jentilisa aza izay nifidy ny tsara araka izay farany ahazoany mahafantatra Azy, dia eo aminy ny toerana tsaratsara kokoa noho ireo izay efa nanana fahazavana lehibe, ka milaza ny tenany ho manompo an’ Andriamanitra, nefa manao jery vilana ny fahazavana sy manohitra izay lazainy eo amin’ ny fiainany andavanandro.IFM 240.3

    Ny tenin’ i Jesosy tamin’ ny mpihaino Azy tao amin’ ny synagoga dia nikapa ny fanamarinantenan’ izy ireo tany amin’ ny fakany, ka nampibosesika tao am-pony ilay fahamarinana mangidy nilaza fa efa niala tamin’ Andriamanitra izy, ary tsy nahatanteraka ny filazany ny tenany ho vahoakany. Tahaka ny antsy mandrasarasa ny teny rehetra rehefa naseho teo anatrehany ny tena toetrany. Nozimbazimbainy izao ny finoana izay nanaingan’ i Jesosy azy tamin’ ny voalohany. Amin-drizareo mantsy, dia tsy inona fa olon-tsotra ihany ny Lehilahy teraka tao amin’ ny fahantrana sy ny toerana ambany.IFM 240.4

    Niteraka fahasiahana ny tsy finoany. Satana no nifehy azy ary niantsoantso tamim-pahatezerana izy nanohitra ny Mpamonjy. Nitodika niala tamin’ Ilay nirahina sy hanasitrana hamerina azy amin’ ny laoniny izy ; ny toetr’ ilay mpandringana izao no nasehony.IFM 241.1

    Rehefa nilaza ny amin’ ny fitahiana nomena ny Jentilisa Jesosy, dia tohina ny fon’ ireo mpihaino Azy mba ho fiarovana ny hajampirenena ka tsy re intsony ny teniny fa safotry ny horakoraka. Nireharehan’ ireo olona ireo ny fitandremany ny lalàna. Ankehitriny anefa dia tafintohina teo amin’ ny hevitra nibahana tao an-tsainy izy, ka vonona ny hamono olona. Nirava ny fivoriana, ary nikasitanana an’ Jesosy izy ka nanosika azy hivoaka ny synagoga sy ny tanàna. Toa samy nifofo ny ainy izy rehetra. Natosiny teo amoron’ ny tevana iray Izy, nokasainy hazera tany ambany tany. Antsoantso sy fanozonana no nameno ny rivotra. Nisy nitorabato Azy, nefa tsy hita tampoka foana teo Izy. Ireo mpitondra hafatry ny lanitra izay teo anilany tao amin’ ny synagoga dia nisintona Azy teo afovoan’ ireo vahoaka romotra ireo. Nafeniny tsy ho hitan’ ny fahavalony Izy ka notarihiny ho any amin’ ny toerana azo antoka.IFM 241.2

    Toy izany no niarovan’ ny anjely an’ i Lota, ka nitondrany azy soamantsara niala tsy ho eo afovoan’ i Sodoma. Toy izany no niarovany an’ i Elisa tao amin’ ilay tanàna kely tany an-tendrombohitra. Rehefa feno soavaly sy kalesin’ ny mpanjakan’ i Syria, ary fenon’ ireo tafika maro sy miaramila mitam-piadiana ny vohitra manodidina, dia tazan’ i Elisa nitoby teo amin’ ny havoana nifanolotra aminy kosa ny miaramilan’ Andriamanitra, - dia soavaly sy kalesy afo nanodidina ny mpanompon’ i Jehovah.IFM 241.3

    Toy izany koa, tamin’ ny fotoana rehetra, no nisian’ ny anjely teo akaikin’ ny mpanaraka an’ i Kristy mahatoky. Mitambatra hamely izay rehetra ta-handresy ny andian-tafik’ ilay ratsy ; tian’ i Jesosy anefa ny hibanjinantsika ny tsy hita, dia ireo tafiky ny lanitra mitoby manodidina izay rehetra tia an’ Andriamanitra mba hanafaka azy. Inona avy no loza hita sy tsy hita, izay niarovana antsika tamin’ ny alalan’ ny fisalovanan’ ny anjely ? Tsy ho fantatsika mihitsy izany raha tsy ho hitantsika ny fitondran’ Andriamanitra eo amin’ ny fahazavan’ ny mandrakizay. Amin’ izay dia ho fantatsika fa mihevitra ny fianakaviana etý an-tany ny fianakaviana any an-danitra manontolo ary manaraka ny diantsika isan’ andro isan’ andro ny mpitondra hafatra avy eo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.IFM 241.4

    Rehefa namaky ny teny avy tao amin’ ny faminaniana Jesosy tao amin’ ny synagoga, dia najanony tsy novakina ny fanambarana farany mikasika ny Mesia. Rehefa novakiany ny hoe : «Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah», dia najanony ny hoe «sy andro famalian’ Andriamanitra»2Isa. 61 : 1, 2. Marina sahala amin’ ny faminaniana voalohany izany, ary tsy fandavana izany tsy akory ny fanginan’ i Jesosy momba izany. Io fehezanteny farany io dia nahafinaritra ny mpihaino Azy ny nanantitrantitra izany, ary io no niriny ho tanteraka. Nilaza fitsarana manameloka ny jentilisa izy ireo, nefa tsy hitany ny fahadisoan’ ny tenany izay lehibe noho ny an’ ny hafa. Izy ireo indrindra no tena nila ilay famindrampo izay nahavonona azy fatratra ny handavana izany ho an’ ny jentilisa. Io andro nijoroan’ i Jesosy teo anivon’ izy ireo tao amin’ ny synagoga io no fotoana mety hanekeny ny antson’ ny lanitra. Ilay «tia famindrampo»3Mika 7 : 18. dia ho namonjy an-tsitrapo amin’ ny fandringanana izay niantsoan’ ny fahotana azy.IFM 242.1

    Tsy azony nafoy ireo raha tsy nisy antso iray indray ho amin’ ny fibebahana. Rehefa nadiva hifarana ny asany tao Galilia dia notsidihany indray ny akanin’ ny fahazazany. Hatramin’ ny nandavana Azy tao, dia efa nameno ny tany ny lazan’ ny toriteniny sy ny fahagagana nataony. Tsy misy afaka mandà ankehitriny fa manana hery mihoatra noho ny an’ ny olombelona Izy. Fantatry ny mponin’ i Nazareta fa nandehandeha nanao soa Izy, sy nanasitrana izay rehetra nampahorian’ i Satana. Nanodidina azy ireo dia nisy tanàna iray manontolo tsy nandrenesana fitarainana noho ny aretina na dia trano iray aza, satria nandalo tao Jesosy ka nanasitrana ny aretina rehetra. Ny famindrampo nasehony teo amin’ ny fihetsika rehetra teo amin’ ny fiainany, dia vavolombelon’ ny hosotra avy amin’ Andriamanitra taminy.IFM 242.2

    Nohetsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra indray ireo mponina tao Nazareta raha nihaino ny teniny. Nefa na dia izao aza dia mbola tsy azony nekena ihany fa io lehilahy io, izay nitombo nihalehibe teo aminy, dia olon-kafa lehibe noho izy ireo. Mbola nahalotika ny fony ihany ny fahatsiarovana mangidy fa raha nilaza ny tenany ho Ilay Nampanantenaina Izy, dia tena nolaviny marina koa ny hananan’ izy ireo toerana ao Isiraely ; nasehony azy mantsy fa ambany noho ny an ny lehilahy sy vehivavy jentilisa ny fahamendrehany amin’ ny fankasitrahan Andriamanitra. Noho izany, na dia nifanontany aza izy hoe : «Avy taiza re no nahazoan’ Ilehity izany fahendrena sy asa lehibe izany». dia tsy noraisiny ho Kristin’ Andriamanitra Izy. Noho ny tsy finoany dia tsy afaka nanao fahagagana teo aminy ny Mpamonjy. Fo vitsy ihany no nisokatra handray ny fitahiany, ka lasa tamin’ alahelo Izy, tsy hiverina intsony.IFM 242.3

    Rehefa nankafiziny indray mandeha ny tsy finoana dia nitohy nifehy ny mponina tao Nazareta izany. Toy izany koa no nifehezany ny synedriona sy ny iray firenena. Ho an’ ny mpisorona sy ny vahoaka, ny fitsipahana voalohany ny fanehoana ny herin’ ny Fanahy Masina no fiafaran’ ny fiainana. Mba hanaporofoana fa marina ny fanoherana voalohany nataony, dia notohizany ihany ny fanarabiana ny tenin’ i Kristy. Niafara tao amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary sy teo amin’ ny nandravana ny tananany ary teo amin’ ny fanaparitahana ny fireneny tany amin’ ny vazantany rehetra ny fandavany ny Fanahy Masina.IFM 243.1

    Manao ahoana re ny nanirian’ i Kristy hanokatra ho an’ Isiraely ireo rakitra sarobidin’ ny fahamarinana ! Nefa mafy indrindra ny fahajambana ara-panahin’ izy ireo ka tsy azo natao ny nanambara ny fahamarinana mikasika ny fanjakany. Nifikitra tamin’ izay ninoany sy tamin’ ireo fanompoam-pivavahana tsy misy antony izy, nefa niandry azy hanaiky izany ireo fahamarinan’ ny lanitra. Nolaniany tamin’ ny mololo sy ampombo ny volany, nefa azon’ ny tanany noraisina ny mofon’ aina. Nahoana no tsy nankeo amin’ ny tenin’ Andriamanitra izy ka nandinika tamin-kafanam-po na diso izy na tsia ? Ny Teny ao amin’ ny Testamenta Taloha dia mampiseho mazava ny antsipiriany rehetra eo amin’ ny asa nanirahana an’ i Kristy, ary naverimberiny novakiana avy tamin’ ny mpaminany izany ka nambarany hoe : «Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany». Raha nandinika ny Soratra Masina tamin’ ny fo marina izy, ka nosedrainy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra ny hevitra nalahany, dia tsy ho nilain’ i Jesosy ny nitomany noho ny tsy fetezany nibebaka. Tsy ho nilainy ny hilaza hoe : «Indro, avela ho anareo ny tranonareo»4Lio. 13 : 35.. Nety nifankazatra tamin’ ny porofo mazava momba ny asany amin’ ny maha-Mesia Azy izy, ary ho voasakana ny loza sy ny antambo izay hanapotika ny tanànany be avonavona. Nefa efa nahatery ny sain’ ny Jiosy ny fitiavam-bavaka diso toerana sy tsy nisy fiheverana teo aminy. Nampiseho ny fahabangany izy ireo teo amin’ ny ara-panahy, ka nitaky fibebahana ireo lesona nataon’ i Kristy. Raha nanaiky ny fampianarany izy, dia tsy maintsy niova ny fomba fanaony, ary nialany ny fanantenana nankamamiany. Mba hanomezan’ ny lanitra voninahitra azy dia tsy maintsy mandà ny voninahitry ny olombelona izy. Raha mankatò ny tenin’ity Mpampianatra ity izy, dia tsy maintsy manohitra ny hevitr’ ireo mpandalina sy mpampianatra tamin’ izany andro izany.IFM 243.2

    Tsy mamim-bahoaka tahaka ny tamin’ ny andron’ i Kristy koa ny fahamarinana ankehitriny. Tsy mamim-bahoaka izany hatramin’ ny nanaovan’ i Satana izany ho mankaleo voalohany tamin’ ny nanehoany angano nitarika ho amin’ ny fanandratan-tena. Moa ve tsy mahita laha-kevitra sy fampianarana tsy manana fanorenana amin’ ny tenin’ Andriamanitra isika ankehitriny ? Mikiry mamikitra mafy amin’ ireny ny olona tahaka ny fifikiran’ ny Jiosy tamin’ ny Tovan-tsofina.IFM 244.1

    Feno avonavona ara-panahy ireo mpitarika Jiosy. Niseho na dia teo amin’ ny fanompoana teo amin’ ny Fitoerana masina aza ny faniriany hanome voninahitra ny tenany. Tiany ny toerana aloha teo amin’ ny synagoga. Tiany ny fiarahabana teny an-tsena, ary nahafaly azy ny fihainoana ny anaram-boninahiny notanisaina. Rehefa mihena ny tena fitiavam-bavaka marina, dia manjary mahasaro-piaro azy bebe kokoa ny lovan-tsofina sy ny fanompoampivavahana.IFM 244.2

    Satria ny sainy dia nohamaizinin’ ny hevitra feno fitiavan-tena nibahana tao, dia tsy azony natao ny nampirindra ny herin’ ny tenin’ i Kristy maharesy lahatra tamin’ ny fanetren-tena hita teo amin’ ny fiainany. Tsy tsapany fa tsy mila fisehoana ivelany ny tena fahalehibeazana. Toa tsy mifanaraka mihitsy amin’ ny fihamboany ho Mesia ny fahantran’ ity olona ity. Nanontany izy ireo, raha izay ihamboany fa izy Izy, nahoana Izy no tsy tia fisehosehoana toy izao ? Raha afa-po amin’ ny tsy fampiasana ny herin’ ny fiadiana Izy, inona no hanjo ny fireneny ? Fomba ahoana no hahatonga ny hery sy ny voninahitra efa nandrandraina ela, hampanaiky ny firenena an’ ilay tanànan’ ny Jiosy ? Moa ve ny mpisorona tsy nampianatra fa hifehy ny tany manontolo Isiraely ? ary mety ho diso ve ireo mpampianatra ngezalahy eo amin’ ny ara-pivavahana ?IFM 244.3

    Tsy ny tsy fisian’ ny voninahitra miseho ivelany fotsiny anefa no nitarika ny Jiosy hitsipaka an’ i Jesosy. Fanehoana ara-batana ny fahadiovana Izy, nefa izy ireo tsy nadio. Nitoetra teo amin’ ny olona Izy ho ohatry ny fahamarinan-toetra tsy misy pentina. Nampitosaka fahazavana teo amin’ ny fony ny fiainany tsy misy tsiny. Nanambara ny tsy fananany fo madio ny fo madio teo Aminy. Nampiharihary ny naha-poak’ aty ny fitiavam-bavaka feno fihamboana teo aminy izany, ka namelatra teo anatrehan’ izy ireo ny toetra maharikorikon’ ny fanaovan-dratsy. Tsy nankasitrahany ny fahazavana toy izany.IFM 245.1

    Raha nitarika ny saina ho eo amin’ ny Fariseo Kristy, ka nanandratra ny fahaizany sy ny fitiavany vavaka, dia ho noraisin’ izy ireo tamim-pifaliana. Nefa kosa rehefa nilaza Izy fa fanomezana famindrampo ny taranak’ olombelona manontolo ny fanjakan’ ny lanitra, dia lafiny iray eo amin’ ny fivavahana tsy zakan’ izy ireo no nasehony. Ny ohatra nomeny sy ny fampianarana nataony dia tsy nahatonga ny fanompoana an’ Andriamanitra ho mahate-ho tia mihitsy. Rehefa hitany fa nifikitra tamin’ izay nankahalainy ny sain’ i Jesosy, dia nifoha ny fironana ratsy indrindra tao amin’ ny fony be avona. Na dia teo aza ny fireharehany fa rehefa eo ambanin’ ny Liona avy amin’ ny firenen’ i Joda 5Apok. 5: 5. Isiraely, dia hasandratra ho lohany eo amin’ ny firenena rehetra, ary ho zakany kokoa ny fahadisoam-panantenany momba ireo hambom-pony ireo noho ity fanamelohan’ i Kristy ny fahotany, sy ny faniniana tsapany teo anatrehan’ ny fahadisoany.IFM 245.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents