Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 73—Aza malahelo ny fonareo

    Nijery ny mpianany tamin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy tamin’ ny firaisam-po mamy indrindra Kristy ka nanao hoe : «Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’ olona ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy»1Mifototra amin’ny Joa. 13 : 31-38 ; 14-1. Efa niala ny efitrano ambony i Jodasy, ka Kristy irery sisa teo sy ny mpianany iraika ambin’ ny folo lahy. Andeha hilaza ny amin’ ny fotoana fisarahany aminy efa manakaiky Izy ; nefa alohan’ izany dia nambarany ny zava-dehibe kendren’ ny asa nanirahana Azy. Io no teo imasony mandrakariva. Fifaliana ho Azy ny hanomezan’ ny fietreny sy ny fijaliany rehetra voninahitra ny anaran’ ny Ray. Nafantony tamin’ izany aloha ny sain’ ny mpianany.IFM 715.1

    Manarak’ izany dia niteny taminy tamin’ ny teny feno fitiavana lalina Izy : «Anaka, hoy Izy, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy hianareo. ary araka ny voalazako tamin’ ny Jiosy hoe : Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny».IFM 715.2

    Tsy afaka nifaly ny mpianatra rehefa nandre izany. Raiki-tahotra izy. Nifanety nanodidina ny Mpamonjy izy. Amin’ izy ireo dia mamy noho ny aina Ilay Tompo sy Andriamaniny, Ilay Mpampianatra sy Sakaizany malala. Izy no nanantenany fanampiana tamin’ ny zava-manahirana azy rehetra ; nanantenany fampiononana tamin’ ny alahelony sy ny fahadisoam-panantenany. Izao dia handao azy Izy, ary hamela azy ireo ho antokon’ olona manirery, malemilemy. Maizina ny eritreritra naneloelo nameno ny fony.IFM 715.3

    Feno fanantenana ho azy anefa ny tenin’ ny Mpamonjy. Fantany fa nanafika azy ny fahavalo, ary mandaitra kokoa amin’ izay kivin’ ny zava-tsarotra ny hafetsen’ i Satana. Noho izany, dia naviliny ny sainy tsy ho eo amin’ ny «zavatra hita» fa ho eo amin’ ny «tsy hita» 22 Kor. 4 : 18. Nalainy tsy ho eo amin’ ny sesi-tany eto amin’ izao tontolo izao ny sainy ka natodiny ho amin’ ilay tokantrano any an-danitra.IFM 716.1

    «Aza malahelo ny fonareo ; hoy Izy, minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro ; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho ; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’ izay halehako». Ho anareo no nahatongavako teto amin’ izao tontolo izao. Miasa ho anareo Aho. Rehefa handeha Aho, dia mbola hiasa mafy ho anareo. Tonga teto amin’ izao tontolo izao Aho mba haneho ny tenako taminareo, mba hinoanareo. Andeha ho any amin’ ny Ray Aho hiara-miasa Aminy ho anareo. Ny antony nandehanan’ i Kristy dia nifanohitra tamin’ izay natahoran’ ny mpianatra. Tsy nidika ho fisarahana farany izany. Handeha hanamboatra fitoerana ho azy Izy, mba hahazoany miverina indray, ka handraisany azy ho eo Aminy. Raha manorina trano ho azy Izy. izy ireo kosa hanorina toetra amam-panahy manam-pitoviana amin’ Andriamanitra.IFM 716.2

    Mbola very hevitra ny mpianatra. Tomasy, izay voakotaban’ ny fisalasalana mandrakariva, dia nanontany hoe: «Tompoko, tsy fantatray izay alehanao ; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana ? Hoy Jesosy taminy : Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako. Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa ; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy».IFM 716.3

    Tsy misy lalana maro mankany an-danitra. Tsy afaka samy mifidy ny lalany ny tsirairay. Hoy Kristy : «Izaho no lalana . . . Tsy misy olona mankany amin’ ny Ray afa-tsy amin’ ny alalako». Hatramin’ ny nitoriana ny toriteny voalohany momba ny filazantsara, fony nambara tany Edena fa hanorotoro ny lohan’ ny menarana ny taranaky ny vehivavy, dia efa lalana sy fahamarinana ary fiainana Kristy. Izy no lalana fony fahavelon’ i Adama, fony Abela nitondra ny ran’ ny zanak’ ondry novonoina teo amin’ Andriamanitra, izay nampiseho ny ran’ Ilay Mpanavotra. Kristy no lalana izay namonjena ny patriarka sy ny mpaminany. Izy no lalana izay hany ahazoantsika manatona an’ Andriamanitra.IFM 716.4

    «Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa ; hoy Kristy, ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy». Tsy mbola azon’ ny mpianatra anefa izany. «Tompoko. asehoy anay ny Ray, hoy i Filipo niloa-bava, dia ampy ho anay izay».IFM 717.1

    Zendana Kristy tamin’ ny fahavotsan’ ny sainy hahataka-javatra, ka nalahelo sady gaga Izy nanontany hoe : «Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho ry Filipo ?» Ahoana no fomba tsy ahitanao ny Ray eo amin’ ny asa notanterahiny tamin’ ny alalako ? Mino ve hianao fa tonga Aho ho vavolombelon’ ny Ray? «Ahoana no anaovanao hoe: Asehoy anay ny Ray ? . . . Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray». Tsy nijanona tsy ho Andriamanitra Kristy raha tonga olona. Na dia nanetry ny tenany aza Izy ka tonga olombelona, mbola taminy ihany ny mahaAndriamanitra Azy. Kristy irery no afaka nampiseho ny Ray tamin’ ny taranak’ olombelona, ary nanana tombon-tsoa ny mpianatra nijery izany fanehoana izany nandritra ny telo taona.IFM 717.2

    «Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko ; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza». Afaka mitoetra ho azo antoka eo amin’ ny fanehoana mazava nomena eo amin’ ny asan’ i Kristy ny finoany, dia asa izay tsy mbola nisy mihitsy olona nanao izany, na ho afaka hanao izany na oviana na oviana amin’ ny alalan’ ny tenany. Vavolombelon’ ny maha-Andriamanitra Azy ny asan’ i Kristy. Tamin’ ny alalany no efa nanehoana ny Ray.IFM 717.3

    Raha nino io firaisana mitondra aina misy amin’ ny Ray sy ny Zanaka io ny mpianatra, dia tsy ho nandao azy ny finoany rehefa nahita ny fijalian’ i Kristy sy ny fahafatesany hamonjy an’ izao tontolo izao ho very. Niezaka ny hitarika azy hiala amin’ ny toerana ambany misy ny finoany Kristy ho eo amin’ ny fanandramana mety ho azony raha mahatsapa marina ny maha-Izy an’ i Kristy izy - dia Andriamanitra amin’ ny nofon’ olombelona. Tiany ny hahitan’ izy ireo fa tsy maintsy hotarihina hiakatra ho amin’ Andriamanitra ny finoany, ka ho voafatotry ny vatofantsika eo. Tamin’ ny hafanampo sy ny fikirizana manao ahoana no niezahan’ Ilay Mpamonjintsika be famindrampo nanomana ny mpianany amin’ ny tafio-drivotry ny fakam-panahy izay efa hamely azy tsy ho ela. Tiany ny hiafenan’ izy ireo miaraka Aminy ao amin’ Andriamanitra.IFM 717.4

    Raha nanao ireo teny ireo Kristy, dia namirapiratra teo amin’ ny endriny ny voninahitr’ Andriamanitra, fa fanajana feno fahamasinana no tsapan’ izay rehetra nanatrika raha liana sy tretrika izy nihaino ny teniny. Voasarika mazava kokoa ho eo Aminy ny fony ; ary raha voatarika ho eo amin’ i Kristy tamin’ ny fitiavana lehibe kokoa izy, dia voatarika hifanatona izy samy izy. Tsapany fa akaiky dia akaiky ny lanitra, ary tsapany fa hafatra ho azy avy any amin’ ny Rainy izay any an-danitra ny teny izay norenesiny.IFM 718.1

    «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, hoy Jesosy, izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa». Nampitebiteby fatratra ny Mpamonjy ny hahazoan’ ny mpianany ny antony mampiray ny maha-Andriamanitra amin’ ny maha-olombelona. Tonga teto amin’ izao tontolo izao Izy mba hampiharihary ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hahazoana manandratra ny olona amin’ ny alalan’ ny heriny manavao. Naseho teo Aminy Andriamanitra mba hahazoana maneho Azy eo amin’ izy ireo. Tsy naneho toetra Jesosy, ary tsy nampiasa hery Izy, izay tsy mety ho azon’ ny olona amin’ ny alalan’ ny finoana Azy. Ny fahatanterahany eo amin’ ny mahaolombelona no tokony hananan’ ny mpanaraka Azy rehetra. raha milefitra amin’ Andriamanitra tahaka ny nataony izy.IFM 718.2

    «Ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray». Tsy tian’ i Kristy nolazaina tamin’ izany fa hampientanentana «noho ny asa nataony ny asa hataon’ ny mpianatra. fa hanana velarana lehibe kokoa. Tsy milaza ny amin’ ny fanaovana fahagagana fotsiny izy, fa ny amin’ izay rehetra atao eo ambanin’ ny asan’ ny Fanahy Masina.IFM 718.3

    Rehefa niakatra ho any an-danitra ny Tompo, dia tsapan’ ny mpianatra ny fahatanterahan’ ny teny fikasany. Tena zava-misy velona tokoa tamin’ izy ireo ny toe-javatra niseho tamin’ ny fanomboana teo amin’ ny hazo fijaliana, sy ny fitsanganana tamin’ ny maty, ary ny niakaran’ i Kristy tany an-danitra. Hitany fa tanteraka ara-bakiteny ny faminaniana. Nandinika ny Soratra Masina izy, ka nanaiky ny fampianarany tamin’ ny finoana. sy ny toky izay tsy fantany talohan izao. Fantany fa Ilay Andriamanitra mpampianatra dia araka izay rehetra nilazany ny tenany. Raha nanambara ny fanandramana nataony izy ireo, ka nanandratra ny fitiavan’ Andriamanitra, dia nalefaka sy nilefitra ny fon’ ny olona, ka vahoaka maro no nino an’ i Jesosy.IFM 718.4

    Teny fikasana ho an’ ny fiangonany taty amin’ ny andro farany ny teny fikasana nataon’ ny Mpamonjy tamin’ ny mpianany. Tsy nokasain’ Andriamanitra hifarana amin’ ny vokatra tsy misy dikany firy fotsiny ny drafitra mahagaga nataony hanavotana ny olona. Izay rehetra handeha hiasa, ka tsy mitoky amin’ izay azon’ ny tenany samirery atao, fa amin’ izay azon’ Andriamanitra hatao ho azy sy amin’ ny alalany, dia azo antoka fa hahatsapa ny fahatanterahan’ ny teny fikasany. «Hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray», hoy ny nambarany.IFM 719.1

    Nefa satria tsy mbola nifankazatra tamin’ ny herin’ ny Mpamonjy sy ny fahefany tsy voafetra ny mpianatra, dia hoy Izy taminy : «Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako hianareo»3Jao. 16 : 24. Nohazavainy taminy fa ny tsiambaratelon’ ny fahombiazany dia ny fangatahana hery sy fahasoavana amin’ ny anarany. Ho eo anatrehan’ ny Ray Izy mba hangataka ho azy ireo. Asehony ho toy ny fanirian’ ny tenany hamonjena fanahy ny fivavahan’ io olona mitalaho feno fanetren-tena io. Re any an-danitra ny fivavahana rehetra atao amin’ ny fo. Mety tsy hikoriana ny filazana izany ; nefa raha ao ny fo, dia hiakatra ho eo amin’ ny fitoerana masina izay anaovan’ i Jesosy fisoronana izany, ka hasehony eo amin» ny Ray amin’ ny teny tsy miambakavaka, tsy miakanakana, amin’ ny teny kanto sy mameroveron’ ny hanitry ny fahatanterahan’ ny tenany.IFM 719.2

    Tsy lalana afaka amin’ ny fanakatsakanana tsy akory ny lalana ho an’ ny manana fo madio’ sy marina, fa ny zava-tsarotra rehetra dia tokony hahitantsika fiantsoana hivavaka. Tsy misy manan’ aina na dia iray aza manana hery izay tsy noraisina tamin’ Andriamanitra. ary ny loharano niavian’ izany dia midanadana ho an’ ny olombelona malemy indrindra. «Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, hoy Jesosy. dia hataoko izany. mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako hianareo, dia hataoko izany»IFM 719.3

    «Amin’ ny anarako», no nibaikoin’ i Kristy ny mpianany raha nivavaka izy. Amin’ ny anaran’ i Kristy no tokony hijoroan’ ny mpanaraka Azy eo anatrehan’ Andriamanitra. Noho ny tombambidin’ ny sorona natao ho azy. dia misy tombambidiny koa izy eo imason’ ny Tompo. Ny fahamarinan’ i Kristy isaina no andraisana azy ho sarobidy. Noho ny amin’ i Kristy, dia mamela heloka ireo izay matahotra Azy ny Tompo. Tsy ny faharatsian’ ny mpanota no hitany eo aminy. fa ny fitovizany amin’ ny Zanany, Izay inoany no hitany eo amin’ izy ireo.IFM 720.1

    Diso fanantenana ny Tompo rehefa ambany fihevitra ny tenany ny vahoakany. Tiany raha manombana ny tenany araka ny vidiny nataony taminy ireo lova nofidiny. Irin’ Andriamanitra izy ireo, raha tsy izany dia tsy nalefany ny Zanany hanao iraka nandany be toy izany hanavotana azy ireo. Manana ny hampiasany azy Izy, koa mahafaly Azy ny hanaovan’ izy ireo fangatahana ambony indrindra Aminy, mba hanomezany voninahitra ny anarany. Mahazo manantena zava-dehibe izy raha mino ny teny fikasany.IFM 720.2

    Midika zavatra betsaka anefa izany mivavaka amin’ ny anaran’ i Kristy izany. Midika izany fa tokony hanaiky ny toetra amam-panahiny isika, haneho ny toe-tsainy. ary hanatanteraka ny asany. Misy fepetra ny fanatanterahana ny teny fikasan’ ny Mpamonjy. «Raha tia Ahy hianareo, hoy Izy, dia hitandrina ny didiko». Tsy mamonjy ny olona ao amin’ ny fahotana Izy, fa ho afaka amin» ny fahotana ; ary izay tia Azy dia hampiseho ny fitiavany amin’ ny alalan» ny fankatoavana.IFM 720.3

    Avy amin’ ny fo ny tena fankatoavana marina rehetra. Asan’ ny fo miaraka amin’ i Kristy izany. Ary raha manaiky isika, dia hataony mitovy indrindra amin’ ny tenany ny eritreritsika sy ny zava-kendrentsika, ny fontsika sy ny saintsika hampitoviany indrindra amin’ ny sitrapony. hany ka rehefa mankato Azy isika dia tsy manao afa-tsy ny manatanteraka ny fironana ao amintsika ihany. Ny sitrapo voadio sy nohamasinina, dia hahita ny fifaliany ambony indrindra eo amin’ ny fanaovana fanompoana Azy. Rehefa mahafantatra an’ Andriamanitra, satria tombon-tsoa ho antsika ny mahafantatra Azy, dia hanjary fiainam-pankatoavana mitohy ny fiainantsika. Ny fankafizana ny toetra amam-panahin’ i Kristy, ny firaisana amin’ Andriamanitra. dia hahatonga ny fahotana ho maharikoriko antsika.IFM 720.4

    Tahaka ny niveloman’ i Kristy teo amin’ ny maha-olombelona toy izany koa no mety ataontsika raha mamikitra marina tokoa amin’ Ilay Mahery isika hahazoana hery. Nefa tsy tokony hapetra- tsika amin’ ny hafa ny andraikitra ny amin’ ny adidintsika. ka hiandry azy ireo hilaza izay hatao. Tsy afaka hiankina amin’ olombelona isika mba hitadiavana toro-hevitra. Ny Tompo no hampianatra antsika ny adidintsika ary sitrany ny hanao izany toy ny nampianarany ny olon-kafa koa. Raha manatona Azy amin’ ny finoana isika, dia hambarany amin’ ny tenantsika manokana ny zava-miafina ao Aminy. Matetika no hiredareda ao anatintsika ny fontsika rehefa manatona akaiky hiray fo amintsika Ilay Anankiray toy ny nataony tamin’ i Enoka. Izay manapa-kevitra tsy hanao na inona na inona na amin’ ny lafiny inona na amin’ ny lafiny inona, izay hampalahelo an’ Andriamanitra, dia hahafantatra izay tena lalana tokony nizorana, rehefa mampiseho ny zava-manahirana eo anatrehany. Tsy fahendrena ihany no horaisiny, fa tanjaka koa. Hery hoentimankato, hoenti-manompo no hozaraina aminy, araka ny nampanantenain’ i Kristy. Na inona na inona nomena an’ i Kristy, — ny «zavatra rehetra» izay ilain’ ny olombelona lavo, — dia nomena Ilay loha sy solontenan’ ny taranak’ olombelona : «Ary na inona na inona no angatahintsika, dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika»41 Jao. 3 : 22.IFM 720.5

    Talohan’ ny nanolorany ny tenany ho fanatitra atao sorona, dia nitady ny fanomezana feno indrindra sy ilaina indrindra Kristy homena ny mpanaraka Azy, dia fanomezana izay ahazoany mahatratra ireo loharanom-pahasoavana tsy misy fetrany. «Izaho hangataka amin’ ny Ray, hoy Izy, ary Izy, hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay. dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina. satria tsy hitany na fantany ; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy. ary ho ao anatinareo. Tsy hamela anareo ho kamboty Aho, hankaty aminareo Aho».IFM 721.1

    Efa teo amin’ izao tontolo izao ny Fanahy talohan’ izao ; hatramin’ ny nanombohana mihitsy ny asan’ ny fanavotana dia efa nampihetsika ny fon’ ny olona Izy. Nefa raha teto an-tany i Kristy, dia tsy naniry ny hanana mpanampy hafa ny mpianatra. Tsy hotsapany ny ilany ny Fanahy raha tsy efa nalana taminy ny fanatrehan’ i Kristy, koa dia ho avy ny Fanahy amin’ izay.IFM 721.2

    Solontenan’ i Kristy ny Fanahy Masina, nefa tsy mitafy ny endriky ny maha-olombelona, ary noho izany tsy miankina aminy Voasembatsemban’ ny maha-olombelona Kristy, ka tsy afaka ho eo amin’ ny toerana rehetra ny tenany. Noho izany dia tombontsoa ho Azy ireo ny handehanany ho any amin’ ny Ray, ka handefasany ny Fanahy Masina ho mpandimby Azy eto an-tany. Amin’ izay dia tsy hisy hahazo tombon-tsoa noho ny toerana misy azy na noho ny fifandraisany manokana amin’ i Kristy. Azon’ ny rehetra atonina ny Mpamonjy amin’ ny alalan’ ny Fanahy. Amin» io lafiny io dia ho akaiky azy kokoa Izy noho ny raha tsy niakatra ho any an-danitra.IFM 721.3

    «Ary izay tia Ahy no tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy». Namaky ny ho avin’ ny fiainan’ ny mpianany Jesosy. Hitany ny iray entina eo amin’ ny lampihazo famonoana olona, ny iray entina ho eo amin’ ny hazo fijaliana, ny iray entina hatao sesi-tany eny amin’ ny harambato mangina any an-dranomasina. ny hafa enjehina sy vonoina. Nampahery azy tamin’ ny teny fikasana Izy fa hiaraka aminy amin’ ny fitsapana rehetra. Tsy misy very ny herin’ io teny fikasana io. Fantatry ny Tompo avokoa izay rehetra mikasika ny mpanompony mahatoky izay mandry any an-trano maizina noho ny anarany, na natao sesi-tany any amin’ ny nosy manirery. Mampahery azy amin’ ny fanatrehan’ ny tenany Izy Rehefa mijoro manoloana ny fitsaran’ ny ratsy fanahy ny mpino noho ny fahamarinana, dia mijoro eo anilany Kristy. Ny fanomezantsiny rehetra mianjady aminy, dia mianjady amin’ i Kristy. Melohina indray Kristy ao amin’ ny tenan’ ny mpianany. Rehefa misy ahiboka ao anatin’ ny rindrin’ ny tranomaizina, dia mampiravoravo ny fo amin’ ny fitiavany Kristy. Rehefa misy miaritra ny fahafatesana noho ny Aminy. dia hoy Kristy : «Izaho . . . Ilay velona ; efa maty Aho. nefa indro. velona mandrakizay mandrakizay, sady manana ny fanalahidin’ ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita»5Apok.1 : 18. Ny fiainana izay atao sorona ho Ahy dia voatahiry ho amin’ ny voninahitra mandrakizay.IFM 722.1

    Amin’ ny fotoana rehetra, sy amin’ ny toerana rehetra, amin’ ny alahelo rehetra sy ny fahoriana rehetra, rehefa toa maizina ny fanombatombanana ny ampitso ka mahavery hevitra ny ho avy, ary rehefa mahatsapa ho malemy sy irery isika. dia halefa ny Mpananatra ho valin’ ny fivavahan’ ny finoana. Mety mampisaraka antsika amin’ ny sakaiza rehetra eto an-tany ny toe-javatra. nefa tsy misy elanelan-tany, afaka mampisaraka antsika amin’ Ilay Mpanavotra avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, dia eo ankavanantsika mandrakariva Izy hanampy. hanohana. hihazona sy hamalifaly.IFM 722.2

    Mbola tsy azon’ ny mpianatra ny dikan’ ny tenin’ i Kristy amin’ ny lafiny ara-panahy, koa nohazavainy indray ny dikany. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy hoy Izy no hisehoan’ Izy tenany aminy. «Fa ny Mpananatra. dia ny Fanahy Masina. Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra». Tsy hiteny intsony hianareo hoe : Tsy azoko. Tsy hijery intsony amin’ ny fitaratra ianareo ka hahita maizimaizina. «Ho hainareo mbamin’ ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony. sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’ i Kristy, izay mihoatra ny fahalalana»6Efes. 3 : 18, 19.IFM 723.1

    Tokony hijoro ho vavolombelon’ ny fiainana sy ny asan’ i Kristy ny mpianatra. Amin’ ny alalan’ ny teniny dia tokony hiteny amin’ ny olona rehetra eo amin’ ny vohon’ ny tany izy. Hizaka fitsapana sy fahadisoam-panantenana be anefa izy amin’ ny fietrena sy ny fahafatesan’ i Kristy. Mba ho marina ny teniny aorian» io fanandramana io. dia mampanantena Jesosy fa hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo «ny Mpananatra».IFM 723.2

    «Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho. hoy Izy nanohy. nefa tsy zakanareo ankehitriny. Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra. fa tsy hiteny ho Azy Izy. fa izay ho reny dia holazainy avokoa : ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. Izy hankalaza Ahy ; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo». Faritra midadasiky ny fahamarinana no efa novelarin’ i Jesosy teo imason’ ny mpianany. Sarotra tamin’ izy ireo indrindra anefa ny hampiavaka tsara hatrany ny lesony amin’ ny lovantsofina sy ny ohabolan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Efa nobeazina izy ireo hanaiky ny fampianaran’ ny raby ho toy ny feon’ Andriamanitra, ka mbola nanan-kery tamin’ ny sainy, sy namolavola ny toe-pony izany. Ny hevitra araka izao tontolo izao, ny zavatra ara-nofo, dia mbola nanana toerana lehibe teo amin’ ny sainy. Tsy azony ny maha-ara-panahy ny fanjakan’ i Kristy na dia efa nohazavainy matetika taminy aza. Nanjary nikorontana ny sainy. Tsy azony ny tombambidin’ ny Soratra Masina nasehon’ i Kristy. Betsaka ny lesona nataony toa very foana taminy. Hitan’ i Jesosy fa tsy namikitra tamin’ ny tena dikan’ ny teniny marina izy. Tamim-pangorahana no nampanantenainy fa hamerina ireny teny ireny ao an-tsainy ny Fanahy Masina. Ary betsaka no zavatra navelany tsy ho voalaza izay tsy mety ho azon’ ny mpianatra. Ireny koa dia hovelarin’ ny Fanahy eo anatrehany. Hampahazava ny sainy ny Fanahy, mba hahazoany mahafantatra ny zavatra mikasika ny lanitra. «Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, hoy Jesosy, dia Izy no hitaridalana anareo ho amin’ ny marina rehetra».IFM 723.3

    Antsoina hoe «Fanahin’ ny fahamarinana» ny Mpananatra. Mampiorina sy mihazona ny fahamarinana no asany. Mitoetra ao am-po amin’ ny maha-Fanahin’ ny fahamarinana Azy Izy aloha, ary amin’ izay dia manjary Mpananatra Mpampionona. Misy fampiononana sy fiadanana ao amin’ ny fahamarinana, fa tsy misy tena fiadanana na fampiononana marina mety ho hita ao amin’ ny lainga. Hevitra sy lovan-tsofina diso no nentin’ i Satana ahazoany ny fahefany amin’ ny saina. Notarihiny ho amin’ ny tarigetra diso ny olona ka nosimbany ny endriky ny toetra amam-panahiny. Miteny amin’ ny saina ka mandatsaka lalina ny fahamarinana ao am-po ny Fanahy Masina amin’ ny alalan’ ny Soratra Masina. Amin’ izany dia mampiharihary ny hevi-diso Izy, ka mandroaka izany tsy ho ao amin’ ny fanahy. Amin’ ny alalan’ ny Fanahin’ ny fahamarinana, izay miasa amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra, no ampileferan’ i Kristy ny vahoaka nofidiny ho amin’ ny tenany.IFM 724.1

    Raha nilazalaza tamin’ ny mpaminany ny asan’ ny Fanahy Masina Jesosy, dia niezaka Izy hampiseho taminy ny fifaliana sy ny fanantenana izay nameno ny fony. Naharavoravo azy ny fanampiana be dia be efa nomaniny ho an’ ny fiangonany. Ny Fanahy Masina no ambony indrindra amin’ ny fanomezana rehetra azony nangatahina tamin’ ny Rainy ho fanandratana ny vahoakany. Homena ny Fanahiny Masina hiasa ho famelombelomana, ary raha tsy Izy dia tsy hisy vokany ny sorona nataon’ i Kristy. Efa nitombo hery nandritra ny taonjato maro ny herin’ ny ratsy, ary nahagaga ny fileferan’ ny olona tamin’ ny famaboana nataon’ i Satana. Tsy azo toherina sy resena ny fahotana raha tsy amin’ ny alalan’ ny fiasa maherin’ Ilay persona fahatelo amin’ ny firaisan’ Andriamanitra, Izay tsy ovana ny heriny raha ho avy Izy. fa amin’ ny fahafenoan’ ny herin’ Andriamanitra no hiaviany. Ny Fanahy no mampisy vokany izay efa notanterahin’ ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao. Ny Fanahy no mampadio ny fo. Amin’ ny alalan’ ny Fanahy dia manjary mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra ny mpino. Nomen’ i Kristy ny Fanahiny amin’ ny maha-herin’ Andriamanitra azy hoentimandresy ny fironana rehetra ho amin’ ny ratsy nolovaina sy nokolokoloina. sy handatsaka lalina ny toetra amam-panahiny amin’ ny fiangonany.IFM 724.2

    «Izy hankalaza Ahy» hoy Kristy momba ny Fanahy. Tonga hankalaza ny Ray ny Mpamonjy tamin’ ny fanehoany ny fitiavany ; toy izany koa ny Fanahy hankalaza an’ i Kristy amin’ ny fanehoana ny fahasoavany amin’ izao tontolo izao. Ny endrik’ Andriamanitra indrindra dia tokony hifindra eo amin’ ny taranak’ olombelona. Voafaoka ao amin’ ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahin’ ny vahoakany ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny voninahitr’ i Kristy.IFM 725.1

    «Ary raha tonga Izy (ny Fanahin’ ny fahamarinana), dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy n.y fahamarinana ary ny fitsarana». Tsy hisy vokany ny fitoriana ny teny raha tsy misy ny fanatrehana sy ny fanampiana mitohin’ ny Fanahy Masina. Io ihany no mpampianatra mahomby ny amin’ ny fahamarinan’ Andriamanitra. Rehefa arahin’ ny Fanahy ao am-po ihany ny fahamarinana vao hamelombelona ny feon’ ny fieritreretana na hanova ny fiainana. Misy mety afaka hampiseho ny tenin’ Andriamanitra amin’ ny maha-soratra azy, mety hifankazatra amin’ ny didiny sy ny teny fikasany rehetra ; nefa raha tsy mampitoetra ny fahamarinana ny Fanahy Masina, dia tsy hisy fanahy hiantoraka eo amin’ Ilay Vatolampy ka ho torotoro. Tsy misy fanabeazana, na tombon-tsoa miavosa, na be toy inona aza, mahavita fantsona tokana mitondra hazavana raha tsy misy fiaraha-miasa amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Tsy hisy fahombiazana ny famafazana ny voan’ ny Filazantsara raha tsy velomin’ ny andon’ ny lanitra hanan’ aina ny voa. Raha tsy mbola nisy bokin’ ny Testamenta Vaovao nosoratana, raha tsy mbola nisy toriteny iray momba ny filazantsara natao taorian’ ny niakaran’ i Kristy tany an-danitra, dia nidina teo amin’ ny apostoly teo am-pivavahana ny Fanahy Masina. Dia izao no vavolombelona nataon’ ny fahavalony : «Efa nofenoinareo ny fampianaranareo Jerosalema»7Asa 5 : 28.IFM 725.2

    Nampanantena ny fanomezan’ ny Fanahy Masina ho an’ ny Fiangonany Kristy, ary ho antsika tahaka ny an’ ny mpianatra voalohany ny teny fikasana. Tahaka ny teny fikasana rehetra anefa, dia misy fepetra ny hanomezana izany. Betsaka ny mino sy milaza ho mitaky ny teny fikasan’ i Jehovah ; miresaka ny amin’ i Kristy sy ny amin’ ny Fanahy Masina izy, nefa tsy mandray tombon-tsoa. Tsy mampilefitra ny fanahy hotarihin’ ireo fiasan’ Andriamanitra sy hofeheziny izy. Tsy azontsika ampiasaina ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no tokony hampiasa antsika. Miasa ao amin’ ny vahoakany Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny Fanahy «na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony»8Fil. 2 : 13. Betsaka anefa no tsy hilefitra amin’ izany. Maniry ny hitondra ny tenany izy. Izany no antony tsy andraisany ny fanomezana avy any an-danitra. Izay miandry an’ Andriamanitra amim-panetren-tena ihany. izay miambina mba handray ny fitarihany sy ny fahasoavany, no omena ny Fanahy. Miandry ny fangatahany sy ny fandraisan’ izy ireo azy ny herin’ Andriamanitra. Io fitahiana nampanantenaina io, rehefa takiana amin’ ny finoana. dia mitarika ny fitahiana hafa rehetra manaraka azy. Omena araka ny haren’ ny fahasoavan’ i Kristy izany, ary vonona Izy hanome izay ilain’ ny fanahy rehetra araka ny fahazoan’ izy ireo mandray.IFM 725.3

    Raha nandaha-teny tamin’ ny mpianatra Jesosy, dia tsy nilaza zavatra mampalahelo momba ny fijalian’ ny tenany sy ny fahafatesany Izy. Ny teny farany nataony dia fanolorana lova mitondra fiadanana. Hoy Izy : «Fiadanana no avelako ho anareo. ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo».IFM 726.1

    Talohan’ ny nialany tao amin’ ny efitra ambony, dia nitarika ny mpianany ny Mpamonjy hanao hira fiderana. Ny feony izay re, dia tsy nihira feon-kira mitaraina sy malahelohelo, fa hira haleloia fanao amin’ ny Paska mitory fifaliana :IFM 726.2

    «Miderà an’ i Jehovah ry firenena rehetra
    Midera Azy, ry olona rehetra
    Fa lehibe ny famindrampony amintsika
    Ary mandrakizay ny fahamarinan’ i Jehovah»9Sal. 117.
    Haleloia.
    IFM 726.3

    Rehefa vita ny hira, dia nivoaka izy ireo. Teny amin’ ny arabe feno olona no lalany nivoaka ny vavahadin’ ny tanàna ho any amin’ ny Tendrombohitra Oliva. Nandeha miadana izy, samy sahirana tamin’ ny eritreriny avy. Raha nanomboka nidina ho any amin’ ny tendrombohitra izy, dia hoy Jesosy tamin’ alahelo lalina indrindra : «Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina, fa voasoratra hoe : Hamely ny mpiandry ondry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana»10Mat. 26 : 31. Nalahelo sy gaga ny mpianatra nihaino. Tsaroany ny nahatafintohina ny maro, sy ny nialany tamin’ i Jesosy tao amin’ ny synagoga tany Kapernaomy, fony Kristy nilaza ny tenany ho mofon’ aina. Tsy niseho ho tsy mahatoky anefa ny roa ambin’ ny folo lahy. Raha niteny ho an’ ny rahalahiny Petera. dia nanambara ny fahatokiany an’ i Kristy. Nilaza ny Mpamonjy tamin’ izay hoe : «Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo dia devoly»11Jao. 6 : 70. Tao amin’ ny efitrano ambony Jesosy dia nilaza fa hamadika Azy ny anankiray amin’ ny roa ambin’ ny folo lahy, ary i Petera dia handà Azy. Izao anefa dia mahafaoka azy rehetra ny teniny.IFM 726.4

    Ankehitriny dia re ny feon’ i Petera manohitra mafy hoe : «Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina». Izao no efa nambarany tao amin’ ny efitrano ambony : «Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny Aminao». Efa nampitandrina azy Jesosy fa iny alina iny indrindra dia handà ny Mpamonjiny izy. Naverin’ i Kristy indray izao ny fampitandremana : «Lazaiko aminao marina tokoa : Anio. dia amin’ ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Nefa «vao mainka niteny mafy dia mafy i Petera hoe : Na dia hiara-maty Aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ izy rehetra»12Mar.14 : 29-31. Noho ny fahatokian-tenan’ izy ireo, dia nolaviny ny fanambarana naverin’ Ilay mahalala. Tsy vonona ho amin’ ny fisedrana izy ; rehefa hamely azy ny fakam-panahy. dia izay vao ho fantany ny fahalemen’ ny tenany.IFM 727.1

    Raha niteny i Petera fa hanaraka ny Tompony ho any an-tranomaizina sy ho any amin’ ny fahafatesana izy, dia izany tokoa no tiany hambara, araka ny teny tsirairay amin’ izany ; saingy ny tenany no tsy fantany. Niafina tao am-pony tao, nisy tsirin’ ny ratsy izay hikopak’ elatra hanan’ aina noho ny toe-javatra. Raha tsy natao tsapany ny loza mananontanona azy, dia ho hita fa hitondra fahafatesana mandrakizay ho azy izany. Fitiavana ny «izaho» sy fahatokisana izay handresy na dia ny fitiavany an’ i Kristy aza no hitan’ ny Mpamonjy teo aminy. Betsaka ny kilema, ny fahotana tsy nalahelovana, ny toe-tsaina tsy rototra, ny toetra tsy masina, ny fanaovana mosalahy eo amin’ ny fidirana amin’ ny fakam-panahy, izay efa niseho teo amin’ ny fanandramana nataony. Antso mba handinihiny ny fony ny fampitandremana miezinezina nataon’ i Kristy. Nilain’ i Petera ny tsy hatoky ny tenany sy ny hanana finoana lalindalina kokoa an’ i Kristy. Raha nekeny tamim-panetren-tena ny fampitandremana, dia ho niantso Ilay Mpiandry ny andian’ ondry izy hiandry ny ondriny. Rehefa saiky hilentika izy teo amin’ ny Ranomasin’ i Galilia, dia niantsoantso izy hoe : «Tompo ô, vonjeo aho»13Mat. 14 : 30. Dia nitsotra ny tanan’ i Kristy hamikitra ny tanany. Toy izany koa ankehitriny raha niantso an’ i Jesosy izy hoe : Vonjeo ny amin’ ny tenako aho, dia ho voaaro izy. Tsapan’ i Petera anefa fa tsy nitokisany izy ary noheveriny fa halozana izany. Tafintohina sahady izy, ka vao mainka nanamafy ny fahatokisan’ ny tenany izany.IFM 727.2

    Nangoraka Jesosy nijery ireto mpianany. Tsy afaka namonjy azy tamin’ ny fitsapana Izy, nefa tsy navelany tsy hanana fampiononana koa. Nomeny toky izy fa hanapaka ny fatoran’ ny fasana, ary tsy ho levona ny fitiavany azy ireo. «Fa rehefa atsangana Aho, hoy Izy, dia hialoha anareo ho any Galilia»14Mat. 26 : 32. Talohan’ ny namadihany Azy, dia efa nahazo toky ny amin’ ny famelan-keloka izy ireo. Taorian’ ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ ny maty, dia fantany fa voavela heloka izy, ary mamy tamin’ ny fon’ i Kristy koa.IFM 728.1

    Teo an-dalana ho any Getsemane Jesosy sy ny mpianatra, teo ambodin’ ny tendrombohitra Oliva, toerana mangingina izay efa nalehany matetika handinihan-tena sy hivavahana. Efa nohazavain’ ny Mpamonjy tamin’ ny mpianany ny iraka nampanaovina azy tamin’ izao tontolo izao, sy ny firaisany ara-panahy taminy izay tokony notohanany. Ankehitriny dia manazava ny lesona Izy. Mazava mamirapiratra ny volana ka naneho foto-boaloboka mandrobona. Nitarika ny sain’ ny mpianatra tamin’ izany Izy, ka nampiasainy ho tandindona izany.IFM 728.2

    «Izaho no tena voaloboka», hoy Izy. Tsy ny rofia tsara bika, na ny sedera mijoalajoala, na ny hazo ôka matanjaka, no nofidin’ i Jesosy mba hanehoana ny tenany. fa ny voaloboka sy ny tangolobahiny hamikirany. Mijoro samirery ny rofia. ny sedera sy ny hazo ôka; tsy mitaky mpanohana. Fa misarangotra amin’ ny talantalana kosa ny voaloboka, ary amin’ izany dia mandady manondro ny lanitra izy. Toy izany koa Kristy Izay niankina tamin’ ny herin’ Andriamanitra teo amin’ ny maha-olombelona Azy. «Raha Izaho ihany, hoy ny nambarany, dia tsy mahay manao na inona na inona»15Jao. 5 : 30.IFM 728.3

    «Izaho no tena voaloboka». Noheverin’ ny Jiosy hatrany ho zava-maniry mendrika indrindra ny voaloboka ary tandindon’ izay rehetra mahery. tsara indrindra, sy mahavokatra. Efa naseho ho toy ny voaloboka izay efa nambolen’ Andriamanitra tao amin’ ny tany nampanantenaina i Isiraely. Naorin’ ny Jiosy teo amin’ ny fifandraisany tamin’ Isiraely ny fanantenany famonjena. Nefa hoy Jesosy, «Izaho no tena voaloboka». Aza mihevitra fa ny fifandraisanareo amin’ Isiraely dia mety ahatonga anareo ho mpiray amin’ ny fiainan’ Andriamanitra. sy ho mpandova ny teny fikasany. Amin’ ny alalako ihany no andraisana ny fiainana ara-panahy.IFM 728.4

    «Izaho no tena voaloboka. ary ny Raiko no mpamboatra». Teo amin’ ireo havoan’ i Palestjna no efa nambolen’ ny Raintsika izay any an-danitra io Voaloboka mahafinaritra io, ary Izy mihitsy no mpamboatra. Betsaka no voasariky ny hatsaran-tarehin’ io Voaloboka io, ka nanambara ny maha-avy any an-danitra azy. Nefa teo imason’ ny mpitarika tao Isiraely, dia toa faka avy ao amin’ ny tany maina izy izany. Noraisiny ilay zava-maniry, ka notapatapahiny ary nohitsakitsahin’ ny tongony tsy masina. Nihevitra ny hamongotra azy ho mandrakizay izy. Nefa tsy very teo imason’ ilay mpamboatra avy any an-danitra na oviana na oviana io Voaloboka maniry io. Rehefa noheverin’ ny olona fa maty izany, dia noraisiny, ka namboleny indray teo amin’ ny ilan» ny tamboho iray. Tsy ho hitan’ ny maso intsony ny foto-boaloboka. Nafenina tsy ho azon’ ny fanafihana masiaka ataon’ ny olona izany. Nihantona teo amin’ ny tamboho anefa ny sampan’ ny voaloboka. Mampiseho ny voaloboka ireo. Nahazoana voany izany. Nisy vokatra izay azon’ ny mpandalo notoazana.IFM 729.1

    «Izaho no tena voaloboka, ary hianareo no sampany», hoy Kristy tamin’ ny mpianany. Na dia efa hoesorina tsy ho eo aminy aza Izy, dia tsy niova ny firaisana ara-panahy Aminy. Ny fikambanan’ ny sampana amin’ ny voaloboka hoy Izy, dia mampiseho ny firaisana tokony hotohizanareo Amiko. Atsofoka ao amin’ ny voaloboka velona ny mason-kazo, toy ny manao grefy ka mitombo ao amin’ ny foto-boaloboka izany, ny hoza-kazo mifandray amin’ ny hozakazo, ny lalan-dranokazo mifandray amin’ ny lalan-dranokazo. Ny ain’ ny voaloboka no manjary ain’ ny sampana. Toy izany no andraisan’ ny fanahy matin’ ny fahadisoana sy ny fahotana ny aina amin’ ny alalan’ ny fifandraisana amin’ i Kristy. Tanteraka ny firaisana amin’ ny alalan’ ny finoana Azy ho Mpamonjin’ ny tena manokana. Ampiraisin’ ny mpanota amin’ ny herin’ i Kristy ny fahalemeny, amin’ ny fahafenoan’ i Kristy ny fahabangany, ny herin’ i Kristy maharitra amin’ ny toetrany marefo. Amin’ izany dia manana ny sain’ i Kristy izy. Nahakasika ny maha-olombelona antsika ny maha-olombelona an’ i Kristy, ary nanendry ny maha-Andriamanitra Azy ny maha-olombelona antsika. Amin’ izay. amin’ ny alalan’ ny fiasan’ ny Fanahy Masina dia manjary mpiray amin’ ny toetran’ Andriamanitra ny olombelona. Ekena ao amin’ ny Malala izy.IFM 729.2

    Rehefa niforona io firaisana amin’ i Kristy io. dia tsy maintsy hazonina Hoy Kristy : «Tomoera Amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo raha tsy miray Amiko». Tsy fiendrena sendrasendra izany na firaisana tapatapaka. Manjary tenan’ ny voaloboka velona ny sampana. Ny fampitohizana ny aina, ny hery sy ny fahavokarana avy amin’ ny faka ho amin’ ny sampana, dia tsy voasakantsakana ary mitohy. Raha tafasaraka amin’ ny voaloboka ny sampana, dia tsy afaka ho velona. Ianareo koa, hoy Jesosy, tsy afaka ho velona raha misaraka Amiko. Ny fiainana izay noraisinareo tamiko dia tsy voaaro raha tsy misy firaisana mitohy. Raha tsy Izaho, dia tsy afaka mandresy fahotana iray ianareo, na mahatohitra fakam-panahy iray akory.IFM 730.1

    «Mitoera Amiko, ary Izaho aminareo. Ny mitoetra ao amin’ i Kristy dia midika fandraisana mitohy ny Fanahiny, fiainana milefitra tsy misy fepetra ho amin’ ny fanompoana Azy. Tsy maintsy mivoha mandrakariva ny fantsona mampitohy ny olona amin’ Andriamaniny. Toy ny sampam-boaloboka misintona mandrakariva ny tsiron-kazo avy amin’ ny voaloboka velona. dia toy izany koa no tokony hamikirantsika an’ i Jesosy, sy handraisana avy Aminy, amin’ ny alalan’ ny finoana. ny hery sy ny fahatanterahan’ ny toetra amam-panahiny.IFM 730.2

    Mandefa ny famelomana avy aminy ny faka. mamakivaky ny sampana ka tonga hatrany amin’ ny taho any an-tendrony indrindra. Toy izany koa Kristy izay mandefa ny heriny ara-panahy hikoriana ho an’ ny mpino rehetra. Raha mbola miray amin’ i Kristy ny fanahy, dia tsy misy atahorana ny hampahalazo na hahasimba azy.IFM 730.3

    Hiseho amin’ ny alalan’ ny voankazo manitra eny amin’ ny sampana ny voaloboka. «Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa hianareo. dia tsy mahay manao na inona na inona». Rehefa mivelona amin’ ny alalan’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra isika, dia ho hita eo amin’ ny fiainantsika ny vokatry ny Fanahy. tsy misy ho banga na iray aza.IFM 730.4

    «Ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny». Raha ivelambelany ny firaisan’ ny grefy amin’ ny voaloboka, dia tsy mety hisy fifandraisana mitondra aina. Koa tsy hisy fitomboana na fahavokarana. Toy izany koa mety hisy fifandraisana ivelambelany amin’ i Kristy, tsy misy tena firaisana marina Aminy amin’ ny alalan’ ny finoana. Raha tsy mitondra vokatra izy, dia sampana sandoka. Ny fisarahany amin’ i Kristy dia midika fahafonganana tanteraka tahaka izay asehon’ ny sampana maty. «Raha misy tsy miray amiko. hoy Kristy, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may».IFM 730.5

    «Fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, dioviny mba hamoa bebe kokoa. «Tamin’ izy roa ambin’ ny folo lahy voafidy izay efa nanaraka an’ i Jesosy. dia nisy anankiray toy ny sampany malazo ka efa hoesorina. ny sisa dia handalo eo amin’ ny fanetezam-boaloboky ny fitsapana mangidy. Nohazavain’ i Jesosy tamin’ ny fomba manetriketrika sy tamim-pitiavana ny zava-kendren’ ilay mpamboatra. Hitondra fanaintainana ny fanetezana. nefa ny Ray no mampiasa ny antsy. Tsy tanana mivatravatra na fo tsy miraika no ampiasainy. Misy sampany mirefarefa amin’ ny tany ; tsy maintsy tapahina sy vahana ny fatorany amin’ izay iankinany amin’ ny tany ka hamikiran’ ny tangolobahiny. Tokony hanakatra ny lanitra izy ka hahita izay iankinany ao amin’ Andriamanitra. Ny raviny be loatra izay mitarika ny aina tsy ikoriana amin’ ny voany, dia tsy maintsy rantsanana. Tsy maintsy hesorina ny miroborobo loatra, mba hanome toerana ny tana-masoandron’ ny Fahamarinana izay mahasitrana. Rantsanan’ ny Mpamboatra ny sampana izay manimba ny fitomboany, mba ho sarobidy kokoa sy ho be kokoa ny voa.IFM 731.1

    «Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be» hoy Jesosy. Tian’ Andriamanitra ny hampiseho amin’ ny alalan’ ny mpianatra ny fahamasinana, ny hatsaram-panahy, ny fangorahana izay toetra amam-panahin’ ny tenany. Tsy mibaiko ny mpianatra anefa Jesosy hiasa mafy mba hitondra voa. Asainy mitoetra ao Aminy izy. «Raha miray Amiko hianareo. hoy Izy, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany». Amin’ ny alalan’ ny teny no itoeran’ i Kristy ao amin’ ny mpanaraka Azy. Io ihany ilay firaisana mitondra aina izay asehon’ ny fihinanana ny nofony sy fisotroana ny rany. Ny tenin’ i Kristy dia fanahy sy aina. Raha mandray ireo ianao, dia mandray ny ain’ Ilay voaloboka. Mivelona amin’ ny alalan’ ny «teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra» 16Mat. 4 : 4 ianao. Mahatonga ny vokatra izay tao amin’ i Kristy ihany ny fiainan’ i Kristy ao aminao. Raha mivelona ao amin’ i Kristy ianao, miraikitra Aminy, raha tohanany, raha misintona famelomana avy Aminy, dia mitondra vokatra manam-pitoviana amin’ i Kristy.IFM 731.2

    Tamin’ io fihaonany farany tamin’ ny mpianany io, ny zavadehibe nirarian’ i Kristy ho azy dia ny ahazoany mifankatia tahaka ny efa nitiavany azy. Naverimberiny hatrany ny amin’ izany. «Izany zavatra izany no andidiako anareo, hoy ny naverimberiny, mba hifankatiavanareo». Ny baikony voalohany indrindra rehefa irery Izy sy ny mpianany tao amin’ ny efitra ambony. dia ny hoe : «Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo, eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa». Vaovao io didy io ho an’ ny mpianatra, satria tsy nifankatia tahaka ny nitiavan’ i Kristy azy izy. Hitan’ i Kristy fa tsy maintsy misy hevitra sy fihetseham-po vaovao mifehy azy ; hitany fa tsy maintsy foto-kevitra vaovao no hampihariny ; handray hevitra vaovao amin’ ny alalan’ ny fitiavana izy amin’ ny alalan’ ny fiainany sy ny fahafatesany. Nisy dikany vaovao ny didy nampifankatia azy teo amin’ ny fahazavan’ ny nanaovany sorona ny tenany. Asa fanompoana mitohy eo amin’ ny fitiavana, eo amin’ ny ezaka fandavan-tena, fanaovana sorona ny tena, ny asan’ ny fahasoavana manontolo. Nandritra ny ora rehetra nandalovan’ i Kristy teto an-tany, dia nitosaka avy taminy tamin’ ny riaka tsy azo notohaina. ny fitiavan’ Andriamanitra. Izay rehetra vonton’ ny Fanahiny dia ho tia tahaka ny nitiavany. Ny foto-kevitra mihitsy izay nanetsika an’ i Kristy no hanetsika azy amin’ ny fifampikasohan’ izy samy izy.IFM 732.1

    Io fitiavana io no porofo mazava ny maha-mpianatra azy. «Izany no hahafantaran’ ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia», hoy Jesosy. Rehefa mifamatotra ny olona, tsy amin’ ny alalan’ ny hery na ny tombon-tsoan’ ny tenany, fa amin’ ny alalan’ ny fitiavana, dia mampiseho ny asan’ ny hery izay ambonin’ ny herin’ olombelona rehetra miasa mangina. Rehefa misy io firaisana io, dia mazava fa tafaverina eo amin’ ny maha-olombelona ny endrik’ Andriamanitra, fa misy foto-kevitra vaovao eo amin’ ny fiainana tafaorina. Mampiseho izany fa misy hery eo amin’ ny mahaAndriamanitra izay mahatohitra ny anjelin’ ny ratsy manan-kery hafa noho ny an’ ny olombelona, ary mampilefitra ny fitiavan-tena miraiky tapisaka amin’ ny fo ara-nofo ny fahasoavan’ Andriamanitra.IFM 732.2

    Io fitiavana io, izay miseho ao amin’ ny fiangonana. dia azo antoka fa hamoha ny fahatezeran’ i Satana. Tsy nanipika lalana mora ho an’ ny mpianany Kristy. «Raha halan’ izao tontolo izao hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo. Raha naman’ izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao ; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin» izao tontolo izao. dia halan’ izao tontolo izao hianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe : Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy. dia hanenjika anareo koa ; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy». Ady sy tolona mafy no tsy maintsy hitondrana ny filazantsara ao anivon’ ny fanoherana ny loza mananontanona. ny fatiantoka sy ny fijaliana. Nefa izay manao izany dia tsy manao afa-tsy ny manaraka ny dian’ ny Tompony.IFM 732.3

    Amin’ ny maha-Mpanavotra an’ izao tontolo izao Azy, dia nifanehatra mandrakariva tamin» ny toa tsy fahombiazana Kristy. Izy, Izay mpitondra hafatry ny famindrampo ho an’ izao tontolo izao misy antsika, dia toa tsy nanao afa-tsy kely ny amin’ ny asa niriny mafy hatao hanandratana sy hamonjena ny olona. Nisy hery miasa mangina avy amin» i Satana izay nanohitra mandrakariva ny lalany. Nefa tsy tokony ho kivy Izy. Hoy ny ambarany amin’ ny alalan’ ny faminanian’ Isaia : «Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko ; kanefa ao amin’ i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ ny asako dia ao amin’ Andriamanitro ... Fa mahazo voninahitra eo imason’ i Jehovah Aho, ary Andriamanitro no heriko». Kristy no nomena ny teny fikasana manao hoe: «Izao no lazain’ i Jehovah Mpanavotra an’ Isiraely. dia ny Iray Masina, amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena . . . izao no lazain’ i Jehovah . . . Hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an’ ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava ka hanao amin’ ny mpifatotra hoe : Mivoaha, ary amin’ izay ao amin’ ny maizina hoe : Misehoa . . . Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro ; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin’ ny loharano miboiboika no hitondrany azy»17Isa. 49 : 4, 5, 7-10.IFM 733.1

    Niankina tamin’ io teny io Jesosy, ary tsy nanome tombony ho an’ i Satana Izy. Rehefa handeha amin’ ny dingana faran’ ny fanetren-tena Kristy, rehefa nanery nanodidina ny fanahiny ny alahelo lalina indrindra. dia hoy Izy tamin’ ny mpianany : «Fa avy ny andrianan’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy». «Ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara». «Ankehitriny izy dia horoahina»18Jao. 14 : 30 : 16 : 11 ; 12 : 31. Maso mahita ny ho avy no nentin’ i Kristy nanoritra ny toe-javatra hitranga amin’ ny ady farany lehibe. Fantany fa rehefa hiantso Izy hoe : «Vita», dia handresy ny lanitra manontolo. Ren’ ny sofiny ny feon-java-maneno any lavitra any sy ny antsom-pandresena any amin’ ny lapan’ ny lanitra. Fantany fa haneno amin’ izay ny lakolosim-patin’ ny fanjakan’ i Satana, ary hantsoina mafy hanakoako avy amin’ izao tontolo izao iray ho amin’ ny anankiray hanerana an’ izao rehetra izao ny anaran’ i Kristy.IFM 733.2

    Niravoravo Kristy fa azony atao ny hanao ho an’ ny mpanaraka Azy mihoatra noho izay azony angatahina sy heverina aza. Niteny tamim-pahatokiana Izy, fantany fa nisy didy manana ny hery rehetra efa nomena talohan’ ny nanaovana an’ izao tontolo izao. Fantany fa handresy eo amin’ ny ady ifanaovana amin’ ny ratsy ny fahamarinana izay tafin’ ny hery tsitohan’ ny Fanahy Masina. ary fantany fa ilay faneva voapentin-drà dia hikopakopaka amim-pandresena eo amin’ ny mpanaraka Azy. Fantany fa ho tahaka ny Azy ny fiainan’ ireo mpianany mahatoky, dia ho fandresena sesilany. mety tsy hisy toy izany eto an-tany fa any amin’ ny mandrakizay.IFM 734.1

    «Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Aty amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana. nefa matokia ; Izaho efa naharesy izao tontolo izao». Tsy diso Kristy, na kivy, koa tokony haneho finoana maharitra toy izany koa ny mpanaraka Azy. Tokony hivelona tahaka ny naha-velomany izy, hiasa tahaka ny niasany, satria miankina Amin’ Ilay Tompon’ ny mpiasa lehibe. Tsy maintsy manana herim-po. faherezana sy fikirizana izy. Na dia toa misy zavatra tsy azo ihoarana aza manakana ny lalany. dia tokony handroso izy noho ny fahasoavany. Tsy tokony hitaraina ny amin’ ny zava-tsarotra izy, fa antsoy Izy handresy izany. Tsy misy tokony hampamoifo azy, ary tokony hanantena ny zavatra rehetra izy. Ny rojo volamenan’ ny fitiavany tsy misy toa azy, no hamatoran’ i Kristy azy amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Zava-kendreny. ny hahatonga ho azy ireo ny hery ambony indrindra miasa mangina amin’ izao rehetra izao izay avy amin’ ny loharanon’ ny hery rehetra. Tokony hanana hery hoenti-manohitra ny ratsy izy, hery izay tsy azon’ ny tany na ny fahafatesana, na ny helo anjakana. hery izay hahatonga azy handresy tahaka ny nandresen’ i Kristy koa.IFM 734.2

    Kendren’ i Kristy haseho ao amin’ ny fiangonany eto an-tany ny filaminan’ ny lanitra, ny drafi-pitondram-panjakan’ ny lanitra, ny firindran’ Andriamanitra any an-danitra. Amin’ izay dia omemboninahitra Izy ao amin’ ny fiangonany. Amin’ ny alalan’ izy ireo dia hamirapiratra amin’ ny famirapiratana tsy mihavasoka eo amin’ izao tonolo izao ny Masoandron’ ny Fahamarinana. Nanome fomba maro hanamorana ny asa ho an’ ny fiangonany Kristy, mba hahazoany mandray tombony betsaka amin’ ny voninahitra avy amin’ ny fananany navotany sy novidiny. Narotsany tamin’ ny vahoakany ny fahaizana sy ny fitahiana mba hahazoany maneho ny fahampian’ i Kristy. Ny fiangonana, izay nomeny ny fahamarinan’ i Kristy no toerana nametrahany ny hareny, ka ao no tokony hiseho amin’ ny fahafenoany sy hivelatra tanteraka ny haren’ ny famindrampony, ny fahasoavany sy ny fitiavany. Mijery ny vahoakany ao amin’ ny fahadiovany sy ny fahatanterahany Kristy, Ilay Foibe lehibe izay ielezan’ ny voninahitra rehetra.IFM 735.1

    Teny feno hery sy fanantenana no namaranan’ ny Mpamonjy ny toro-heviny. Dia naborany tamin’ ny fivavahana ho an’ ny mpianany ny enta-mavesatry ny fanahiny. Nanandratra ny masony ho any an-danitra Izy, ka nanao hoe : «Ray ô. tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao. mba hankalazan’ ny Zanakao Anao. araka ny nanomezanao Azy fahefana amin’ ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an’ izay rehetra nomena Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao. Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao».IFM 735.2

    Nahavita ny asa izay nomena ataony Kristy. Nanome voninahitra an’ Andriamanitra teto an-tany Izy. Efa naneho ny anaran’ ny Ray Izy. Efa nanangona ireo izay hanohy ny asany eo anivon’ ny olona Izy. Ary hoy Izy : «Efa ankalazaina eo aminy Aho. Ary tsy ho eto amin’ izao tontolo izao, fa izy ireto no ho eto amin’ izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina Ò, tehirizo ireo amin’ ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny maha-iray Antsika». «Nefa tsy ho an’ ireto ihany no angatahiko, fa ho an’ izay mino Ahy koa noho ny teniny, mba ho iray ihany izy rehetra . . . Izaho ao aminy, ary Ianao ato amiko. mba ho tanteraka ho iray izy. mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa Ianao no efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy».IFM 735.3

    Tamin’ izany fitenin’ ny olona manana ny fahefan’ Andriamanitra izany no nametrahan’ i Kristy ny fiangonana nofidiny teo ampelatanan’ ny Ray. Amin’ ny maha-mpisoronabe voatokana Azy no anaovany fanelanelanana ho an’ ny vahoakany. Amin’ ny mahampiandry ondry mahatoky Azy dia manangona ny andian’ ondry eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha Izy, eo amin’ ny fialofana mafy sy azo antoka. Ho azy kosa dia miandry ny ady farany atao amin’ i Satana Izy ary nivoaka hisetra izany.IFM 736.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents