Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 68—Tao amin’ ny kianja ivelany

    «Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana, ary izy ireo nankany amin’ i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe : Tompoko, mba ta-hahita an’ i Jesosy izahay. Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea ; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy»1Mifototra amin’ny Joa. 12 : 20-43.IFM 665.1

    Tamin’ io fotoana io dia toa niharan’ ny faharesena mavaivay ny asan’ i Kristy. Nandresy Izy tamin’ ny ady nifanaovany tamin’ ny mpisorona sy ny Fariseo, nefa koa mazava fa tsy horaisin’ ireo na oviana na oviana ho Mesia mihitsy Izy. Tonga teo amin’ ny tsontsory mamba nisarahana izy ireo. Teo imason’ ny mpianany dia toa tsy nisy antenaina intsony ny momba izany. Nanakaiky ny fahatanterahan’ ny asany anefa Jesosy. Efa hiseho izao ilay toejavatra lehibe izay tsy mikasika ny firenena Jiosy fotsiny, fa mikasika an’ izao tontolo izao manontolo. Rehefa ren’ i Kristy ilay fangatahana mandodona nanao hoe : «Te-hahita an’ i Jesosy izahay», izay toy ny akon’ ny antsoantson’ izao tontolo izao tra-doza, dia nazava ny endriny, ka hoy Izy : «Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona». Ny fangatahan’ ny Grika dia nahitany antoka ny amin’ ny ho vokatry ny sorona lehibe hataony.IFM 665.2

    Tonga avy tany andrefana ireo olona ireo mba hitady ny Mpamonjy teo amin’ ny fiafaran’ ny fiainany, toy ireo magy tonga avy tany atsinanana tamin’ ny fiandohan’ ny fiainany. Tamin’ ny fotoana nahaterahan’ i Kristy dia variana loatra tamin’ ny fitiavandaza ny Jiosy ka tsy nahafantatra ny fahatongavany. Ny magy avy tamin’ ny tany jentilisa dia tonga teo amin’ ny fihinanam-bilona nitondra ny fanomezany mba hiderany ny Mpamonjy. Toy izany koa ireto Grika, solontenan’ ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny olona rehetra eran’ izao tontolo izao, dia tonga mba hahita an’ i Jesosy. Toy izany koa ny olona amin’ ny tany rehetra sy ny taonjato mifandimby rehetra dia ho voatariky ny hazo fijalian’ ny Mpamonjy. Toy izany koa maro «ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra»2Mat. 8 : 11..IFM 665.3

    Efa nandre ny amin’ ny nidiran’ i Kristy toy ny mpandresy tao Jerosalema ireo Grika. Nisy nihevitra, ary nampiely ny vaovao fa noroahiny hivoaka ny tempoly ny mpisorona sy ny mpanapaka, fa haka ny seza fiandrianan’ i Davida rainy Izy, ka hanjaka amin’ Isiraely. Naniry mafy ny Grika hahalala ny fahamarinana mikasika ny asa nanirahana Azy. «Te-hahita an’ i Jesosy» izahay, hoy izy. Tanteraka ny faniriany. Rehefa nentina teo amin’ i Jesosy ny fangatahany, dia tao amin’ ny faritry ny tempoly izay tsy azon’ iza na iza idirana afa-tsy ny Jiosy Izy, nefa nivoaka ho any amin’ ny Grika tao amin’ ny kianja ivelany, ka niresaka manokana taminy.IFM 666.1

    Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra an’ i Kristy. Nijoro teo amin’ ny aloky ny hazo fijaliana Izy, ary ny nitadiavan’ ny Grika Azy dia nampiseho taminy fa hitondra zanakalahy sy zanakavavy maro eo amin’ Andriamanitra ny fanatitra hataony. Fantany fa kely sisa dia hahita Azy nohamavoina lavitra noho i Barabasy ilay mpangalatra sy mpamono olona, izay naleo nandefa azy toy izay ny Zanak’ Andriamanitra ireo Grika. Handre ny vahoaka hanao ny safidiny izy, vokatry ny tolo-tsaina nomen’ ny mpisorona sy ny mpanapaka. Ary ny fanontaniana manao hoe : «Koa ahoana kosa ary no hataoko ho an’ i Jesosy, Izay atao hoe Kristy ?», dia hovaliana hoe : «Aoka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana Izy»3Mat. 27 : 22. Ny nanaovany io fanavotana io ho an’ ny fahotan’ ny olona dia nahafantaran’ i Kristy fa ho tonga eo amin’ ny fahatanterahana ny fanjakany ka hihitatra manerana an’ izao tontolo izao. Hiasa amin’ ny maha-Mpamboatra ny rava Azy Izy, ary hanjaka ny Fanahiny. Nandritra ny fotoana fohy, dia nibanjina ny ho avy Izy ka nahare ny feo eran’ ny faritra rehetra eto an-tany nanambara hoe : «Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»4Jao. 1 : 29. Ireo vahiny ireo dia nahitany ny santatry ny vokatra lehibe, rehefa ho harodana ny efitra mampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa, ka handre ny hafatry ny famonjena ny firenena sy ny samihafa fiteny ary ny olombelona rehetra. Ny fiainana izany mialoha, ny fanatanterahana ny fanantenany, dia asehon’ ny teny hoe: «Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ ondry». Tsy niala tao an-tsain’ i Kristy mihitsy anefa ny fomba tsy maintsy hisehoan’ izany fankalazana izany. Hanarakaraka ny fahafatesany izay ho avy tsy ho ela intsony ny famoriana ny jentilisa. Ny fahafatesan’ ny Zanak’ olona ihany no ahazoan’ izao tontolo izao famonjena. Toy ny voambary, ny Zanak’ olona dia tsy maintsy hatao anaty tany ka maty, ary halevina Izy tsy ho hita maso ; nefa dia ho velona indray.IFM 666.2

    Nampiseho ny ho aviny Kristy, ka nazavainy tamin’ ny alalan’ ny zavaboary izany, mba ho azon’ ny mpianatra. Ny tena vokatra marina eo amin’ ny asany dia ho tratra amin’ ny alalan’ ny fahafatesana. «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Raha tsy latsaka eo amin’ ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitoetra foana izy ; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be». Rehefa milatsaka eo amin’ ny tany ny voam-bary ka maty, dia mitsiry izany ka mitondra vokatra. Toy izany koa ny fahafatesan’ i Kristy, dia hitondra vokatra ho amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Araka ny lalàn’ ny zava-maniry, dia ho vokatry ny fahafatesany ny fiainana.IFM 667.1

    Izay miasa tany dia mahita io fahazavana io eo imasony mandrakariva. Isan-taona isan-taona dia mitahiry ny voa izay ilainy amin’ ny fanariana ny ampahany tsara indrindra ny fijery azy ny olona. Mandritra ny fotoana kely dia tsy maintsy hafenina ao anatin’ ny tany nosoritsoritana izany, mba hambenan’ ny Tompo. Dia miseho ny raviny, dia ny salohy, dia voany ao amin’ ny salohy. Tsy mety hisy anefa io fitomboana io raha tsy halevina tsy ho hitan’ ny maso, hafenina, ary toa hariana aza, ny fijery ny vary.IFM 667.2

    Ny voa izay nalevina tao amin’ ny tany dia mitondra voany, ary io indray no ambolena. Izany no mampitombo ny vokatra. Toy izany koa ny fahafatesan’ i Kristy eo amin’ ny hazo fijalian’ i Kalvary, dia hitondra voany ho amin’ ny fiainana mandrakizay. Ny fibanjinana an’ io fanatitra io dia ho voninahitr’ ireo izay, ho velona mandritra ny taona mifandimby mandrakizay, amin’ ny maha-voan’ izany azy.IFM 667.3

    Ny voam-bary izay miaro ny tenany, dia tsy afaka mitondra voany. Mitoetra irery izy. Azon’ i Kristy natao, raha nifidy izany Izy, ny namonjy ny tenany ho afaka amin’ ny fahafatesana. Fa raha manao izany Izy, dia tsy maintsy mitoetra irery. Tsy hitondra zanakalahy sy zanakavavy ho amin’ Andriamanitra Izy. Ny namoizany ny ainy ihany no nahazoany nizara aina ho an’ ny taranak’ olombelona. Ny nahalatsahany ao amin’ ny tany ho faty ihany no nahazoany ho tonga voa mitondra vokatra lehibe, dia ny olona marobe avy amin’ ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena ary ny samihafa fiteny sy ny olona rehetra, izay ho an’ Andriamanitra.IFM 668.1

    Ampifandraisin’ i Kristy amin’ io fahamarinana io ny leson’ ny fandavan-tena izay tokony hianaran’ ny rehetra : «Izay tia ny ainy no mahavery izany ; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay». Izay rehetra te-hitondra vokatra amin’ ny maha-mpiara-miasa azy amin’ i Kristy dia tsy maintsy latsaka ao amin’ ny tany aloha ka maty. Tsy maintsy hatao amin’ ny tany voasa asehon’ izay ilain’ ny olombelona ny fiainana. Tsy maintsy levona ny fitiavan-tena, sy ny tombon-tsoan’ ny tena. Ary ny lalàn’ ny fandavan-tena no lalàn’ ny fiarovan-tena. Mitahiry ny voany ny mpamboly amin’ ny famafazany azy. Toy izany koa eo amin’ ny fiainan’ ny olombelona. Ny manome no mivelona. Ny fiainana izay ho voatahiry dia ny fiainana izay omena malalaka an’ Andriamanitra sy ny olona. Izay manao sorona ny ainy eto amin’ ity izao tontolo izao ity ho an’ i Kristy, dia hitahiry izany amin’ ny fiainana mandrakizay.IFM 668.2

    Ny fiainana lany ho an’ ny tena dia toy ny voa izay nohanina. Tsy ho hita izany, ary tsy hitombo koa. Mety manangona izay rehetra azony atao ho an’ ny tenany ny olona ; mety hivelona sy hihevitra ary hanao drafitra ho an’ ny tenany izy ; nefa mandalo ny fiainany, ary tsy manana na inona na inona izy. Ny lalàn’ ny fitiavan-tena dia lalàn’ ny famonoana ny tena.IFM 668.3

    «Raha misy olona manompo Ahy, hoy Jesosy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko ; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray». Izay rehetra niara-nitondra ny hazo fijalian’ ny fandavan-tena tamin’ i Jesosy, dia hiara-mandray anjara amin’ ny voninahiny. Fifaliana ho an’ i Kristy tao anatin’ ny fanalana baraka Azy sy ny fijaliany ny hanomezam-boninahitra ny mpianany miaraka Aminy. Vokatry ny fandavan-tenany ireo. Ny fanatanterahana ao amin’ izy ireo ny toetra amam-panahy sy ny toe-tsain’ ny tenany, no valisoa ho Azy, ka ho fifaliany mandritra ny mandrakizay. Io fifaliana io no hozarain’ izy ireo Aminy, rehefa hita eo amin’ ny fon’ ny hafa sy ny fiainany ny vokatry ny asa mafy sy ny fandavan-tena nataony. Mpiara-miasa amin’ i Kristy izy ireo, ary hanome voninahitra azy ny Ray toy ny hanomezany voninahitra ny Zanany.IFM 668.4

    Ny hafatry ny Grika, izay tandindon’ ny famoriana mialoha ny jentilisa, dia namerina tao an-tsain’ i Jesosy ny asa manontolo nanirahana Azy. Nandalo teo anatrehany ny asa fanavotana, hatramin’ ny fotoana namolavolana drafitra tany an-danitra, ka mandra-pahafatiny izay efa akaiky tokoa izao. Toa nisy rahona mifono zavamiafina nanarona ny Zanak’ Andriamanitra. Tsapan’ izay akaiky Azy ny aloka izay vokatr’ izany. Nipetraka Izy, variana tao amin’ ny eritreriny. Farany dia nanapaka ny fahanginana ny feony novesaran’ alahelo nanao hoe : «Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko : Ray Ò, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity !» Tamin’ ny eritreriny nandeha mialoha dia efa nisetra sahady ilay kapoaka mangidy Kristy. Nitakemotra ny maha-olombelona Azy tsy ho eo amin’ ny ora handaozana Azy, rehefa toa hahafoy Azy na dia Andriamanitra aza araka ny fisehoan-javatra rehetra, rehefa ho hitan’ ny rehetra fa nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahoriana Izy. Nitakemotra Izy tsy hahanjahanja eo anatrehan’ ny besinimaro, tsy hoentina sahala amin’ ny mpanao heloka bevava ratsy indrindra, tsy ho eo amin’ ny fahafatesana mahamenatra sy manala-baraka. Ny fahatsapany mialoha ny ady hatrehiny amin’ ny herin’ ny maizina, ny fahatsapany ny enta-mavesatra sy mahatahotry ny fandikan-dalàna nataon’ ny olombelona sy ny fahatezeran’ ny Ray amin’ ny fahotana, dia nandreraka ny sain’ i Jesosy, ka nanenika ny endriny ny loko hatsatry ny fahafatesana.IFM 669.1

    Fahatsiarovana hankato ny sitrapon’ ny Rainy no nahery lanja tao an-tsainy tamin’ ny farany. «Nefa izao no hiaviako, hoy Izy, ho amin’ ity ora ity ; Ray ò, mankalazà ny anaranao». Amin’ ny alalan’ ny fahafatesan’ i Kristy ihany no ahazoana mandrodana ny fanjakan’ i Satana. Amin’ izany fomba izany ihany no hahazoana manavotra ny olona, sy hankalazana an’ Andriamanitra. Neken’ i Jesosy ny ady mihatra aman’ aina, noraisiny ny fanaovana sorona ny ainy. Nanaiky an-tsitrapo hitondra ny fahotantsika Ilay Andrianan’ ny lanitra. «Ray ò, mankalazà ny anaranao», hoy Izy. Raha nanao ireo teny ireo Kristy, dia nisy valin-teny avy tao amin’ ny rahona izay teo amboniny nanao hoe : «Efa nankalaza Azy Aho ary hankalaza azy indray». Ny fiainan’ i Kristy manontolo, hatreo amin’ ny fihinanam-bilona ka hatramin’ ny fotoana nanaovana ireo teny ireo dia efa nankalaza an’ Andriamanitra ; ary amin’ ny fitsapana ho avy dia hankalaza ny anaran’ ny Rainy tokoa ny fijaliany eo amin’ ny maha-Andriamanitra sy olona Azy.IFM 669.2

    Tamin’ ny nandrenesana ilay feo, dia nisy fahazavana nitselika avy tao amin’ ny rahona, ary nanodidina an’ i Kristy, mova tsy ny sandrin’ Ilay hery tsy manam-petra maniry hambomba Azy amin’ ny rindrin’ afo. Tora-kovitra sy gaga ny vahoaka nahita io toe-javatra io. Tsy nisy sahy niteny. Nifantoka tamin’ i Jesosy ny mason’ izay rehetra nijoro teo sady nangina no nitana ny fofon’ ainy. Rehefa nomena ny teny vavolombelona avy tamin’ ny Ray. dia nisandratra ilay rahona ka niparitaka teny amin’ ny lanitra. Nifarana teo aloha ny firaisana hita maso tamin’ ny Ray sy ny Zanaka.IFM 670.1

    «Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe : Kotrokorana izany. Hoy ny sasany : Anjely no niteny taminy». Ireo Grika tonga nanontany kosa dia nahita ny rahona, nandre ny feo, nahazo ny dikany, ary nahafantatra mazava an’ i Kristy ; tamin’ izy ireo dia naseho ho Ilay nirahin’ Andriamanitra Izy.IFM 670.2

    Tamin’ ny batisan’ i Jesosy, teo amin’ ny fiantombohan’ ny asany no nandrenesana ny feon’ Andriamanitra, ary re indray izany tamin’ ny niovany tarehy teo an-tendrombohitra. Ankehitriny, amin’ ny fiafaran’ ny asany, dia re fanintelony izany, maro kokoa no nandre, ary nisy toe-javatra manokana nanaovana azy. Vao avy nanambara ny fahamarinana miezinezina indrindra mikasika ny toerana misy ny Jiosy Jesosy. Nanao ny antsony farany ho azy Izy, ka nanambara ny fiafarany mahatsiravina. Ankehitriny Andriamanitra dia nanisy tombo-kase ny asa nanirahana ny Zanany. Nekeny Ilay nolavin’ Isiraely. «Tsy noho izaho, hoy Jesosy, no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho hianareo». Fara-tampon’ ny porofon’ ny maha-Mesia Azy izany, famantarana avy amin’ ny Ray fa ny marina no nolazain’ i Jesosy, ary Zanak’ Andriamanitra Izy.IFM 670.3

    «Tonga ankehitriny, hoy Kristy nanohy, ny fitsarana izao tontolo izao ; ankehitriny ny andriamanitr’ izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha hasandratra hiala amin’ ny tany dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany». Io no zava-tsarotra eo amin’ izao tontolo izao. Raha hanjary fanavotana noho ny fahotan’ ny olona Aho, dia hazava izao tontolo izao. Ho tapaka ny famikiran’ i Satana ny fanahin’ ny olona. Ho tafaverina eo amin’ ny maha-olombelona ny endrik’ Andriamanitra efa nosimbaina, ary hisy fianakavian’ ny olo-masina mino handova ny tokantrano any an-danitra amin’ ny farany. Izany no ho vokatry ny fahafatesan’ i Kristy. Variana ny Mpamonjy nandinika ny fandresena naseho teo anatrehany. Hitany ny hazo fijaliana, dia ilay hazo fijaliana mihoson-dra sy mahafabaraka manjelanjelatry ny voninahitra na dia eo aza ny endriny mampihorohoro.IFM 670.4

    Tsy ny asa fanavotana ny olombelona ihany anefa no vokatra avy amin’ ny hazo fijaliana. Aseho amin’ izao rehetra izao ny fitiavan’ Andriamanitra. Roahina ny andrianan’ ity izao tontolo izao ity. Nolavina ny fiampangana nataon’ i Satana momba an’ Andriamanitra. Ny fanomezan-tsiny izay nataony tamin’ ny lanitra dia nesorina ho mandrakizay. Voatarika ho eo amin’ ny Mpanavotra na ny anjely na ny olona. «Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, hoy Izy, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy».IFM 671.1

    Betsaka ny olona nanodidina an’ i Kristy raha nanao ireo teny ireo Izy, koa nisy iray niteny hoe : «Efa renay tamin’ ny lalana fa Kristy haharitra mandrakizay ; koa ahoana no ilazanao hoe : Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona ? Iza moa izany Zanak’ olona izany ? Dia hoy Jesosy taminy : Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava hianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina, fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany. Raha mbola manana ny mazava hianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava».IFM 671.2

    «Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo». Tonga nanontany ny Mpamonjy izy indray mandeha hoe : Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao?» 5Jao. 6 : 30. Famantarana tsy hita isa no efa nomena ; nefa nanakimpy ny masony izy sy nanamafy ny fony. Ankehitriny, rehefa ny Ray mihitsy no niteny, ka tsy afaka nangataka famantarana hafa intsony izy, dia mbola nikiribiby tsy hino ihany.IFM 671.3

    «Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy ; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga». Naleony ny fiderana nataon’ ny olona toy izay ny fankasitrahan’ Andriamanitra. Mba hamonjena ny tenany tsy hahazo fanomezan-tsiny sy henatra, dia nolaviny Kristy, ary notsipahiny ny fiainana mandrakizay natolotra azy. Firy koa, mandritra ny taonjato rehetra nifandimby no nanao toy izany. Mihatra amin’ izy rehetra ny fampitandremana nataon’ ny Mpamonjy hoe : «Izay tia ny ainy dia hahavery azy». «Izay mandà Ahy, hoy Jesosy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy» ; «ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany»6Jao. 12 : 48.IFM 672.1

    Indrisy ! Mahonena ireo izay tsy nahalala ny andro namangiana azy. Nandeha moramora Kristy sady nalahelo nandao ho mandrakizay ny manodidina ny tempoly.IFM 672.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents