Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fitiavana Mandresy - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ala-sarona

    Na toy inona na toy inona firazanana na toeram-boninahitra misy ny olona anankiray, dia voasintona amin’ ny fomba tsy hay tohaina izy hikatsaka ny metimety kokoa hatrany. Ilay Andriamanitra feno hatsarana mihitsy no nametraka izany hetaheta izany tao am-pontsika mba tsy ho mora mionona isika, ka tsy hisy amin’ ireo zavatra mety ho azontsika, na ratsy na tsara na tena tsara mihitsy aza, hitondra fahafaham-po tanteraka ho antsika. Irin’ Andriamanitra mantsy ny hikatsahantsika ny harena tsaratsara kokoa ary ao amin’ izany no hahitantsika ny fahasambarana mandrakizay.IFM 7.1

    Ny zava-kendren’ ity boky ity dia ny hampiseho fa tsy misy afa-tsy Jesosy Kristy ihany Ilay tena Ilain’ ny firenena no afaka hanome vahaolana ny amin’ ny faniriantsika rehetra. Efa maro dia maro tokoa ireo boky navoaka mirakitra ny «Fiainan’ i Kristy». Kanto dia kanto tokoa izy ireny ary tsara tohana avy amin’ ireo fanaporofoana matanjaka isan-karazany. Mirindra sy lalina aok’ izany ny lahatsoratra hita ao, mamelabelatra ny fizotran’ ny tantaran’ i Jesosy araka ny fotoana nisehoany avy, ny zava-niseho sy ny fomba amam-panao tumin’ izany fotoana izany, ny toerana nisehoan’ ny tantara sy ny fampianarany ary ny lafiny maro isankarazany hita teo amin’ ny fiainan’ i Jesosy avy any Nazareta. Na dia izany aza anefa dia tsy maintsy miaiky isika, fa tsy voalaza avokoa izay tokony holazaina ary mbola maro ny zavatra tokony hianarantsiAka.IFM 7.2

    Aoka holazaintsika koa anefa manarakaraka izany, fa tsy ny hanolotra antsika ny firindran’ ny filazantsara na hametraka eo amin’ izay tena fotoana marina nisehoan’ ireo zava-dehibe nitranga, sy ny lesona mahafinaritra azo tsoahina avy amin’ ny fiainan’ i Kristy no zava-kendren ‘ ity boky ity. Haneho ny fitiavan ‘ Andriamanitra naseho tao amin’ ny Zanany sy ny hatsaran’ ny fiainan’ ny lanitra niainan’ i Kristy, izay ahazoan’ ny rehetra mandray anjara no marika kendrena, fa tsy fanomezand fahafahampo fotsiny ny fahalianana te hahalala zavatra na famaliana ihany koa ireo fanoherana avy amin’ ny fanakianana. Tamin’ ny alalan’ ny halemem-panahiny, dia nitarika ny mpianany ho eo Aminy Jesosy; tamin’ ny alalan’ ny fanatrehany sy ny fiarahany miory taminy noho ny kilema sy ny fahantrana nianjady tamin’ izy ireo, dia nosintoniny hiala teto an-tany ny toetrany mba hanatratra ny mariky ny lanitra. Ka avy eo amin’ ny fitiavan-tena dia hifindra hankeo amin’ ny fandavan-tena, avy eo amin’ ny fahateren’ ny fo izay vokatry ny tsy fahalalana sy ny fitsaratsarana ivelany, ho eo amin’ ny fisokafana sy ny fihavanana izay manosika azy ireo hahalala sy ho tia bebe kokoa ny olondrehetra, na avy aiza na avy aiza tany niaviany ary na toy inona na toy inona firazanany. Noho izany fomba fijery izany,dia kendren’ ity boky ity ny hanorina fifandraisana mivantana amin’ Ilay Andriamanitra Mpamonjy sy ny mpamaky. Vitan’ i Jesosy, Ilay mahery, ny mamonjy sy manova ireo izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany ho araka ny endriny. Kanefa sarotra dia sarotra ny mitantara ny fiainan ‘ i Kristy ! Toy ny manandrana handoko ny avana eo amin’ ny lamba fanaovana hosodoko iray. ny fanandramana hanao izany, na manandrana hamerina eo amin’ ny taratasy feon-java-maneno manga mahafinaritra iray.IFM 7.3

    Habaribarin’ ny mpanoratra, izay vehivavy nahatsapa fanandramana lalina ny amin’ ny zavatry ny lanitra, amin’ireo takelaka maromaro amin’ ity boky ity, ny hatsarana izay mbola tsy nisy toy izany raketin’ ny fiainan’ i Jesosy. Vatosoa sarobidy vitsivitsy ihany no avoakan’ ny mpanoratra avy ao amin’ ny vata fitehirizana azy. Avy ao amin’ io fitehirizana tsy hita fetra io no anovozany ho an’ ny mpamaky, haren-tsarobidy azo antoka tokoa. Maro ireo andininy izay toa efa nahazatra antsika ny hevitra ambarany no mbola nampitosaka tara-pahazavana be voninahitra. Aseho ao amin’ ity boky ity ho toy ny fahatanterahan’ ny faniriana sy ny fanantenana ho an’ ny taonjato rehetra mifandimby Jesosy Kristy Ilay Mpamonjy be indrafo, Ilay Zanaky ny Fahamarinana, Ilay Mpisoronabe miantra sy mamindra fo, Ilay manasitrana ny aretin’ ny taramk’ olombelona, Ilay Namana mangora-po sy vonona hanampy amin ‘ ny fotoana rehetra.IFM 8.1

    Enga anie ka ho tonga teny fiainana ho an’ ireo mpamaky marobe izay mbola tsy nahazo valim-bavaka teo amin’ ny faniriany sy ny hetahetam-pony ity boky ity.IFM 8.2

    Ny Mpandraharaha

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents