Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 5 - Ny Asan’ I Kristy

    Rehefa nahatapitra ireo fakam-panahy izay nataony i Satana, dia nandao an’i Jesosy tao anatin’ny fotoana iray izy. Ary ny anjely dia nikarakara sakafo ho Azy tany an’efitra, sady nampahery Azy ary ny fitahian’ny Rainy dia nipetraka teo Aminy. Tsy nahomby i Satana tamin’ireo fakam-panahy mahery indrindra izay nataony. Nefa mbola niriny hatrany anefa nandritra ny fotoana izay nanaovan’i Jesosy ny asany, raha azony natao tao anatin-ireo fotoana isan-karazany ny hamerina indray ireo hafetseny mba hamandrihana Azy. Mbola nanantena ny handresy Azy izy amin’ny alalan’ny fitaomana ireo izay tsy nandray an’i Jesosy, mba hankahala sy hitady izay hahafaty Azy. Nampivory ny filan-kevitra manokana niaraka tamin’ny Anjely i Satana. Diso fanantenana sady misafoaka ireo satria tsy mahazo na inona na inona mba hanoherana an’ Ilay Zanak’ Andriamanitra. Dia nanapa-kevitra izy ireo fa tsy maintsy hampiasa hafetsena bebe kokoa ary hampiasa ny fara-herin’ izy ireo mba hampitsinoka ny tsy finoana ao anatin’ireo vahoakany ireo ihany, mba tsy haneken’ izy ireo fa Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ary hanakivy an’ i Jesosy amin ‘izany fomba fiasa izany mba tsy hahafahany manatanteraka ny asany. Tsy mampaninona akory raha ireo Jiosy mahatoky amin’ ireo fombafombam-pivavahany sy ny fanatiny; raha afaka hanakipy ny masony amin’ ny foto-kevitry ny faminaniana ary ny hinoan’ ireo koa fa ny Mesia dia hiseho ho mpanjaka mahery, dia ho voataona haneso sy handa an’ i Jesosy izy ireo. Ary naseho ahy rehefa avy teo fa Satana sy ireo anjeliny dia sahirana mihitsy nandritra ny fotoana izay niasan’I Jesosy , amin’ny alalan’ny famporisihina ny olona ho amin’ny tsy finoana, fankahalana ary ny fanarabiana. Matetika rehefa miantso ho amin’ny fahamarinana maranitra I Jesosy, izay manakiana ny fahotan’izy ireo, dia nanjary romotra izy ireo. Satana sy ireo anjeliny dia nandrisika azy ireo mba hanaisotra ny ain’ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy indray mandeha no naka vato izy ireo mba hitoraka Azy, saingy miaro Azy ireo anjely, ary nitondra Azy niala tamin’ireo toerana feno ny fahatezeran’ ny vahoaka ho an’ny amin’ny toerana milamina. Matetika, dia fahamarinana tsotra no nivoaka avy tao amin’ ny molony masina, dia norasin’ny vahoaka Izy, ary noentiny teny an-tampon-kavoana ary nieritreritra ny handatsaka Azy tany ambany any izy ireo. Indray andro ireo Jiosy dia nisy ady hevitra izay nifanaovan’izy ireo momba izay tokony hatao amin’i Jesosy, nefa nanafina Azy indray ny anjely mba tsy ho hitan’ny vahoaka, ary izy, nandalo teo afovoan’izy ireo, ary dia nandeha tamin’ny lalany Izy ka tsy hitany intsony.HM58 18.1

    Mbola maniry hatrany i Satana mba tsy hahatanterahan’io drafi-panavotana lehibe io. Nampiasa ny heriny rehetra izy mba hanamafisana ny fon’ny olona rehetra, ary koa mba hahatonga azy ireo hankahala mihitsy an’i Jesosy; niriny ny hahavitsy an’ isa ireo olona izay handray an’i Jesosy ho toy ny Zanak’Andriamanitra; amin’izay dia hihevitra i Jesosy fa lehibe loatra ny fahoriany sy ny fanatitra izay hataony raha oharina amin’ireto vondron’olona vitsy ireto. Nefa hitako fa raha misy olona roa fotsiny izay manaiky an’i Jesosy ho Zanak’andriamanitra ary mino Azy ho famonjena ny fanahin’ izy ireo dia ho tanterahiny io drafitra io.HM58 18.2

    Nanomboka ny asany tamin’ny fanapotehina ny herin’i Satana tamin’ ireo olona nijaly i Jesosy. Nanome fahasalamana indray ireo izay narary Izy. Nampahiratra ny mason’ ny jamba Izy, nanasitrana ireo voan’ ny paralysisa Izy izay nitsambikin-kafaliana mba hanome voninahitra an’ Andriamanitra. Nanome fahiratana ho an’ireo jamba Izy, namerina amin’ny laoniny ny fahasalamana tamin’ny alalan’ny heriny ho an’ireo izay nanan-kilema sy ireo izay voafatotrin’ny hery mahatsiravin’i Satana nandritra ny taona maro tamin’ny alalan’ny teny mamy no nampaherezany ireo izay malemy, sy ireo mangorohoro ary ireo izay tratran’ny hakiviana. Nanangana ny maty ho amin’ny fiainana Izy ary dia nidera an’ Andriamanitra izy ireo noho ny fampisehoan-kery lehibe izay nataony. Nandray an-tanana tamin-kery lehibe ireo izay nino azy Izy. Ary ireo izay mijaly mafy izay nanjakan’i Satana dia nafahan’I Jesosy tamin’ny fatorany ary nitondra ho azy ireo tamin’ny alalan’ny heriny tanjaka, fahasalamana ara-batana ary hafaliana lehibe sy haravoana, nanao tamin-kery ho an’ ireo rehetra izay nino Azy Izy.HM58 18.3

    Ny fiainan’i Kristy dia feno asam-pangoraham-po, fifanarahana ary fitiavana. Nihaino hatrany tamin’pahalianana, ary manamaivana ny alahelon’ireo izay nanatona Azy Izy. Ary maro ireo izay nanana porofo manokana ho an’ ny tenany, ny amin’ ny herin’ Andriamanitra tao Aminy. Kanefa taorian’ ny nahitan’ireo ny asany mahafinaritra ny ankamaroan’izy ireo no nahatsiaro menatra noho ity mpampianatra izay manetry tena ity, na dia manan-kery tokoa aza. Satria ny mpanapaka dia tsy mba mino Azy. Ny vahoaka tsy nanaiky Azy amim-pitiavana. Lehilahy ory izy sady zatra fahoriana. Tsy afaka handefitra hotarihin’ ny fiainany feno fandavan-tena ireo mpiara-belona taminy. Aleon izy ireo manana ny voninahitra atolotr’ izao tontolo izao azy ireo. Saingy maro no nanaraka ny Zanak’Andriamanitra, nihaino ny fampianarany, nankamany ireo teny mahasambatra izay nivoaka tamin-pahasoavana taminy vavany. Ny teny dia feno heviny lalina kanefa tsotra tokoa hany ka na dia ireo tsy ampy fahalalana aza dia hahatakatra izay tiany hambara.HM58 18.4

    Tena nisahirana mafy mihitsy i Satana sy ireo anjeliny. Nohajambainy ny mason’izy ireo ary nohamaiziny ny fahalalan’ireo Jisoy; ary dia namporisihin’i Satana ny lehiben’ny vahoaka ary ireo mpanapaka mba hanaisotra ny ain’i Mpamonjy. Naniraka ireo miaramila izy ireo mba hitondra an’i Jesosy eo anoloana; kanefa rehefa tonga teo anatrehany izy ireo, dia zendana tokoa. Nahita an’i Jesosy izay feno fitserana sy famindram-po, satria niaina ny fahorian-draolombelona izay nahita Azy niteny tamin-pitiavana sy taminpahalemen-panahy tamin’ ireo ory sy mijaly izy ireo. Ren’izy ireo koa Izy tamin’ny tamin’ny feo feno fahefana, nanintsiny ny herin’I Satana sy nandidy ireo izay voafatotrin’i Satana mba ho afaka. Nihaino ny tenim-pahendrena izay nivoaka avy teo amin’ ny molony izy ireo, ary dia talanjona dia talanjona izy ireo. Tsy sahin’izy ireo ny nisambotra Azy. Koa dia niverina tany amin’ireo mpisorona sy loholona tsy niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. Nahadihadian’izy ireo ny miaramila hoe, fa nahoana no tsy entinareo taty Izy? Ary dia nitantara ireo fijoroana vavolombelon’ny fahagagana isan-karazany izay hitany izy ireo, ary ny tenim-pahendrena masina, fitiavana ary fahalalana izay reny izy ireo, ary namarana ny teniny tamin’ny hoe: “tsy nisy mihitsy olona afaka miteny tahaka io lehilahy io”. Nanameloka azy ireo ny lohan’ny mpisorona fa voafitak’ io lehilahy io koa ry zareo. Nahatsiaro menatra ny vadintany fa tsy nitondra Azy. Nanontany tamin’ny fomba feno fanesoana ny lohan’ny mpisorona raha misy na iray amin’ny mpanapaka aza nino azy. Ary hitako fa maro tamin’ny ireo mpitsara sy ny loholona no nino an’I Jesosy. Saingy, nampirisika nihazona azy ireo foana i Satana mba tsy hanaiky izany. Natahotra ny faninian’ny olona noho ny faninian’Andriamanitra izy ireo.HM58 18.5

    Noho izany, ny hafetsena sy ny fankahalan’i Satana dia tsy nahafoana velively ny drafi-pamonjena. Rehefa nanakainy ny fotoana izay tsy maintsy hanatanterahan’ i Jesosy ny asany izay nahatongavany teto amin’ izao tontolo izao, dia nivory Satana sy ireo anjeliny, ary nanapa-kevitra ny hanolotra ny vahoaka an’i Kristy ihany mba hiantsoantso tamin-ketaheta tokoa ny rany, ary mba hamorona fampijaliana mahatsiravina ary fanarabiana izay hovelarina eo anatrehany. Niriny fa ny fitondrana an’ i Jesosy toy izany dia hahavery ny fanetren-tenany sy ny hamorany ( na ny halemem-panahiny) izany.HM58 19.1

    Raha mbola namorona ny tetik’ asany i Satana, Jesosy kosa nanambara tamim-pitandremana tamin’ ireo mpianany ireo fahoriana izay tsy maintsy handalovany. Fa tsy maintsy ho homboana amin’ ny hazo fijaliana Izy, ary tsy maintsy hitsangana indray amin’ny andro fahatelo. Kanefa toa nohamaizinina ny fahalalan’ ireo ary tsy tonga amin’ ny fahafantarana izay nolazaina taminy izy ireo.HM58 19.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents