Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Teny Mialoha

    Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona: raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izany izy , dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina. Isaia 8:20HM58 4.1

    Amin’izao fiandohan’ny taonjato faha-21 izao, dia ohatry ny lasa mpaminany daholo ny olona rehetra. Misy koa aza, ireo adiresy maro mety hijerena ny momba ny faminaniana ao anatin’ireo tranon-kalan’ny fifandraisana (site web). Nefa ny ankamaroan’izy ireny dia ohatry ny milaza zava-mahagaga kely fotsiny ihany.HM58 4.2

    Ahoana no ahafantarantsika marina na mitombona na tsia ireny? Ary ireo izay milaza fa misy izany, raha nampitondrain’ Andriamanitra marina ny teniny? Avy amin’ny fampitoviana izay nolazainy amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona. Tsy misy isalasalana fa ilay Andriamanitra tsy niova izay nanome ny teniny tamin’ny andro taloha ho an’ny vahoaka , ary ireo izay nanoratra azy ireo (izay taty aoriana dia lasa boky maro ao anatin’ny Baiboly) , dia tsy misy mifanohitra vehivehy!HM58 4.3

    Jesosy dia naminany mivantana momba an’izy ity, nahafantatra fa ny fivoahan’ny faminamana dia ho fisedrana goavana ho an’ireo izay miaina amin’ny andro farany : “Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.” Matio 24:11HM58 4.4

    Mba ho fanamafisana izany, dia nomen’Andriamanitra an’i Jaona ity teny ity: “Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.” 1 Jaona 4:1.HM58 4.5

    Mazava ho azy fa i Ellen White koa dia tafiditra ao anatin’izany (tsy voavaka amin’izany).HM58 4.6

    Raiso ity boky ity dia ampitahao amin’ny Soratra Masina; nandalo fisedrana ve izy sa tsia?HM58 4.7

    Mivavaha amin’ilay Andriamaintsika be indrafo izay any an-danitra , ary Izy handefa ny fanahiny mba hanoro antsika ho amin’ny fahamarinana rehetra.HM58 4.8

    Toa ohatry ny tsy hampino ankehitriny, fa hatramin’ny fitohizan’ireo taona farany tao anatin’ny taonjato faha-20, ny ankamaroan’ireo izay misora-tena ho “kristianina” dia nanohitra an-karihary ireo izay milaza ho nahazo fanambarana tamin’Andriamanitra.HM58 4.9

    Matetika dia ity teny ao amin’ny Apokalipsy 22:18,19 ity no raisin’izy ireo mba hanamarinany ny fomba fijeriny: “Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra ato anatin’ity boky ity ho azy; ary raha misy manaisotra amin’ny teny amin’ity bokin’ny faminaniana ity, dia hesorin’Andriamanitra ny anjarany amin’ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina dia izay zavatra voasoratra ato anatin’ity boky ity.”HM58 4.10

    Nefa , izany foto-kevitra izany ve, taorian’ny nahafatesan’i Jaona dia milaza fa tsy hisy mpaminany avy amin’Andriamanitra intsony?HM58 4.11

    Raha izany ary, dia nahoana i Jesosy no nampitandrina antsika fa misy ny mpaninany “Sandoka”?HM58 4.12

    Nahoana ny Fanahy Masina no nilaza tamin’ny alalan’i Jaona mba hizaha toetra ny fanahy?HM58 4.13

    Tsy vao mainka ve mora fantarina be ireo rehetra ireo raha tsy nahafantatra afa tsy ny hoe isika: aza raisina, lavo izay rehetra taorian’i Jaona, izay nilaza fa nahazo teny avy tamin’Andriamanitra ?HM58 4.14

    Tsy izany anefa ny planin’Andriamanitra. Omeny ny fahamarinana vaovao raha ilaina izany, ary mamela ny sitrapony ho fantatra Izy, ary ny marina ao am-po dia hanamarina mba hahita fa marina izany, ary avy eo dia hanaiky sy hanaraka izany amin-kafaliana. Tsy isalasalana koa anefa, fa i Satana dia havela hiasa koa.HM58 4.15

    Raha tsy navela nanao ny asany mantsy izy, dia hiampanga an’Andriamanitra ho tsy marina.HM58 4.16

    Tamin’ny alalan’i Paoly ny Fanahy Masina dia nametraka fanontaniana mavesan-danja ary matetika tsinotsinoavina, ao amin’ny 1Kor 12.HM58 4.17

    Apostoly va izy rehetra? Mpaminany va izy rehetra? Manao fahagagana va izy rehetra ? Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra va izy rehetra ? Ary rehefa avy eo dia nolazainy fa hatorony antsika ny “lalana tsara indrindra”, ny filazana ny fanomezam-pahasoavana dia tsy mahasoa raha tsy manana fitiavana isika.HM58 4.18

    Ao amin’ny toko faha 14 , dia manao dingana lavidavitra kokoa izy amin’ny fitenenana antsika hoe : “Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany”. “Koa amin’izany ry rahalahiko, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara tsy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra.” “Aza manono ny Fanahy. Aza manao tsinontsinona ny faminaniana? Fantaro ny zavatra rehetra; hazony mafy izay tsara.” 1 Tesaloniana 5:19-21HM58 4.19

    Nomena an’i Ellen White ny fahitana momba ny “Ady lehibe” ou “Hery mifanandrina” tamin’ny lohataona* 1858, tao Lovett’s Grove, Ohio, Etazonia. Ny ankamaroany dia fahitana hitany 11 taona lasa, nefa io fotoana io no nandidiana azy mba hanoratany izany, na dia niezaka mafy aza i Satana hanakana azy amin’izany.HM58 5.1

    Ny sasany, tsongaina amin’izany ny toko faha 30, dia natonta tamin’ny 1847 “Little Flock”, 1851 “Ny fanandramana sy ny fahitana kristianina”, ary 1854 ireo boky kely “Fanampiny”.HM58 5.2

    Voatsindrimandrin’ny Fanahy Masina daholo ireo rehetra ireo, nosoratana tamin’ny penina marefo, vehivavy tia fivavahana nefa dia tafavoaka voalohany ilay Boky “tamin’ny 1858. Satana izay nanandrana ny hanafoana ny Baiboly ary hanolo an’izany amin’ny alalan’ny fanapariahana ireo dikan-teny nosimbaina, dia nanao ny asany koa ; nanandrana nanapotika sy nanova ity boky ity koa izy, satria ity boky ity dia boky faharoa farany sarobidy indrindra maneran-tany ho an’ny zanak’Andriamanitra. Niaro ny teniny anefa Andriamanitra.HM58 5.3

    Misy ny sasany manontany hoe : fa dia nahoana loatra ary no feno olana marobe toy izao manerana izao tontolontsika izao, eo ny ady, ny habibiana, ny fahavetavetana, ( ny fijangajangana) ary eny, fa na dia ireo finoan’ireo mpivavaka aza.HM58 5.4

    Ny valinteny fototra ho an’ireo fanontaniana ireo dia hita avy amin’ny alalan’ny fahafantarana ilay ady lehibe izay ifanandrianan’i Kristy sy Satana izay efa nisy ela, talohan’ny nisian’ny olona voalohany teto ambony tany.HM58 5.5

    Andriamanitra anie hanome anareo ny fanomezany tsara indrindra! Ry mpamaky, “hamarino ny zavatra rehetra”, izay rehetra voasoratra ato anatin’ity boky ity , amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny BAIBOLY.HM58 5.6

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents