Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 24 - Ilay Hafatry Ny Anjely Faharoa

    Tsy nandray ny hazavan’ilay hafatr’ilay anjely voalohany ireo fiangonana, ary satria nandà ilay hazavana avy any an-danitra izy ireo dia nanary koa ny fahasoavan’Andriamanitra. Nitoky tamin’ny heriny manokana izy ireo nametraka ny tenan’izy ireo avy tamin’ny alalan’ny faharetan’ilay hafatra voalohany tamin’ny toerana izay tsy nahafahany nahita ilay hazavan’ilay hafatry ny anjely faharoa. Fa ireo malalan’Andriamanitra kosa izay nampahoriana, nanaiky ilay hafatra, “Rava I Babylona” ka dia nandao ireo fiangonana lavo izy ireo.HM58 54.1

    Tamin’ ny fotoana nanakaiky indrindra ny fiafaran’ilay hafatry ny anjely faharoa , dia nahita fahazavana lehibe avy any an-danitra aho , namirapiratra teo amin’ireo vahoakan’Andriamanitra. Ireo taratr’ izany fahazavana izany dia niseho ho mamirapiratra kokoa noho ny an’ ny masoandro. Ary naheno feon’ ireo anjely niantsoantso hoe aho:“Indry ny mpampakatra , mivoaka mba hitsena Azy.”HM58 54.2

    Izany no ilay antson’ny mamatonalina izay nomena mba hanome hery ny hafatr’ilay anjely faharoa. Nirahina ireo anjely avy any an-danitra mba hamoha ireo olo-masina kivy sy mba hanomana azy ireo ny amin’ny ilay ora lehibe izay nanoloana azy ireo. Tsy ireo olo-manam-pahaizana indrindra no nandray voalohany ilay hafatra. Nirahina tamin’ireo izay tia fivavahana manetri-tena ireo anjely ary nanery azy ireo mba hampanakoako ilay antso: “Indry ny mpampakatra , mivoaka mba hitsena Azy”.HM58 54.3

    Ireo izay nampandraiketina ilay antso dia dodona tokoa , ary tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, nampiely ilay antso, sy namoha ireo namany kivy. Tsy avy tamin’ny fahendrena sy ny fahalalan’ny olombelona ity antso ity, fa tamin’ny herin’Andriamanitra, ka dia tsy afa-nanohitra ireo olo-masiny izay nandre izany. Ireo izay tia fivavahana indrindra no nandray ilay hafatra voalohany ary ireo izay nitarika ilay asa teo aloha no farany tamin’ny fandresena sy fanamafisana ilay antso “Indry ny mpampakatra ; mivoaka mba hitsena Azy”.HM58 54.4

    Amin’ ny faritra rehetra maneran-tany , dia nomena teo amin’ilay hafatrin’ny anjely faharoa ny hazavana ary nanaitra ireo olona an’arivony maro izany antso izany. Niely isan-tanan-dehibe , isam-banivohitra izany , ambaram-pifoha tanteraka ireo vahoakan’Andriamanitra izay teo am-piandrasana. Maro ireo tsy namela ilay hafatra hiditra tao amin’ireo fiangonana ka dia maro ireo vondron’olona izay nanome ilay vavolombelona velona tao anatiny nandao ireo fiangonana lavo. Notanterahina tamin’ny alalan’ilay , antson’ny mamatonalina ilay asa mahery. Mampihetsim-po ilay hafatra, ary nitarika ireo mpino mba hikaroka famindram-po marina ho an’ny tenan’izy ireo manokana. Fantatr’izy ireo fa tsy azon’izy ireo atao ny mifampiankina.HM58 54.5

    Niandry ny Tompo tamim-pitebitebena niaraka tamin’ny fifadian-kanina izy ireo, sy fiareta-tory ary tamin’ny fivavahana saika tsy tapaka ireo masina. Nisy koa aza ireo mpanota sasany izay niandry tamintahotra ny ho avy, nefa, vahoaka betsaka no naneho ny fisainan’ i Satana tamin’ ny fanoherana ny hafatra. Ireo vahoaka ireo nananihany ny fahamarinana, namadika an’ izany ho fihomehezana, ary namerimberina ny toy izany hatraiza hatraiza: “Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala”. Nihobim-pandresena noho ny amin’izy ireo ireo anjely ratsy ary nanporisika azy ireo mba hanamafy ny fony, sy tsy hanaiky ireo tara-pahazavana rehetra avy any an-danitra, amin’izay dia azony tazonina amin’ilay haratony izy ireo. Maro tamin’ireo izay nihambo ho niandry ny fiavian’ ny Tompo no tsy nandray anjara akory na dia kely aza tamin’ny fitoriana ny hafatra. Ilay voninahitr’Andriamanitra izay hitan’izy ireo maso, ilay fanoloran-tena lalina sy feno fanetren-tenan’ireo sasany tamin’ireo izay niandry ny Tompony, ary ireo porofo lehibe izay nandresy lahatra no nanosika azy ireo hanambara fa nanaiky ny fahamarinana izy ireo. Nefa, raha ny tena marina dia tsy niova fo akory izy ireo. Tsy vonona ho amin’ ny fiavian’ ny Tompo izy ireo.HM58 54.6

    Hatraiza hatraiza , dia ny fanaraha-dalàna masina sy vavaka mafana no tsapan’ireo olo-masina. Nitoetra tamin’izy ireo ny fankatoavana masina. Nijery tamim-pitiavana lalina indrindra ny vokany ireo anjely ary nampiakatra ireo izay nandray ilay hafatry ny lanitra , sy nitarika azy ireo mba hiala amin’ireo zavatry ny tany mba handraisan’ izy ireo fahasohavana lehibe avy amin’ilay loharanom-pamonjena. Nanaiky ny hiaraka Aminy ireo vahoakan’ Andriamanitra ka dia , nijery azy ireo tamim-pifaliana Andriamanitra. Ary finaritra Jesosy nahita ny endriny hita taratra teo amin’ izy ireo. Nanao sorona feno, sy fanokanan-tena tanteraka izy ireo ary niandry ny fanafiana azy ireo ny tsi-fahafatesana. Kanefa dia mbola voatarika ho diso fanantenana tamin’alahelo indray izy ireo. Lasa ilay fotoana izay niandrasan’izy ireo androm-panafahana, ary dia mbola teto amboniny tany ihany izy ireo, ary dia tsy mbola niharihary lehibe noho izao ny vokatr’ireo ozona. Nametraka ny fitiavany tamin’ ny zavatry ny lanitra izy ireo ary tamin’ny fanaovana alohan’ny fotoana mamy no nanandraman’izy ireo ilay fanafahana tsy mety maty ; nefa tsy tanteraka ny fanantenan’ ireo.HM58 54.7

    Tsy voafafa tao anatin’ ny indray andro ilay tahotra izay nipetraka tao amin’ireo vahoaka maro ireo. Tsy afaka naneho fifaliana fatratra niaraka tamin’ izay ireo noho ny fahitany an’ ireo kristianina diso fanantenana. Ary satria nahatsapa izy ireo fa tsy nisy ny famantarana an’ ilay fahatezeran’Andriamanitra hita maso, dia niverina nanala nyHM58 55.1

    tahotra izay tsapany izy ireo ka nanomboka ny fanadalany, ny fanarabiany sy fihomelezany an’ ireo zanak’ Andriamanitra. Notsapaina sy nosedraina indray ireo vahoakan’Andriamanitra. Nihomehy sy nanaratsy ary nanakiana azy ireo izao tontolo izao; ary ireo izay voataona nino tsy amim-pisalasalana fa iny Jesosy iny dia ho avy ary hanangana ny maty, ary hanova sy hamindra ireo olo-masina velona mba handray ny fanjakana ka handova ny mandrakizay, dia nanao toy ireo nataon’ireo mpianatr’I Kristy fahizay : “Nalain’olona ny Tompoko , ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.”HM58 55.2

    Jereo Matio 24:36 ; 25:6 ; Jaona 20:13 ; Apokalypsy 14:8.HM58 55.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents