Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 20 - Ny Fanavaozana

    Na dia teo aza ireo fananjehana rehetra sy ny fanamelohana ho faty ireo olo-masina dia nisy ihany ireo vavolombelona mahatokin’ ny fahamarinana velona nirahina teny rehetra teny. Nanao ny asa izay nampiandraiketina azy ireo anjelin’Andriamanitra. Nitady tao amin’ireo toerana farany izay maizina indrindra izy ireo ary nisafidy ireo olona izay mahatoky tao am-po ka nanala azy ireo tamin’ny fahamaizinana. Rakotry ny fahadisoana izy ireo kanefa Andriamanitra nifidy azy ireo toy ny nataony tamin’I Saoly, izay nataony fanaka voafidy mba hitondra ny fahamarinany , ka dia hampiakatra ny feony izy ireo mba hanohitra ny fahotan’ireo mihevi-tena ho vahoakany. Nohetsehin’ireo anjelin’Andriamanitra ny fon’i Martin Luther sy i Mélanethon, ary ny sasany tamin’ny toerana hafa isan-karazany; mba handrehitra tao amin’ izy ireo ny faniriana fatratra ny hijoro ho vavolombelona velon’ ny Tenin’ Andriamanitra. Tonga mitosaka tahaka ny tondran-drano ho amin’ ny fiangonana ilay fahavalo, ary dia tsy maintsy nampiakarina mba ho fanoherana azy ny faneva. Nofidian’ i Lotera Andriamanitra mba hifanehatra amin’ny hatezeran’ilay fiangonana niongana , ary hampahery ireo olombitsy izay nahatoky tamin’ny fanekena ampahibemaso masina izay nataon’ izy ireo. Natahotra mandrakariva ny hanao izay nampalahelo an’Andriamanitra i Lotera. Ka dia niezaka tamin’ny alalan’ireo asa maro isankarazany mba hahazoany sitraka avy tamin’Andriamanitra, kinanjo tsy nety afa-po izy tamin’izany ambarapisehoan’ilay tara-pahazavana avy tany an-danitra nanaisotra ilay fahamaizinana tao an-tsainy, ary nanome azy fahatokiana fa tsy avy amin’ny alalan’ ny asa, fa avy amin’ny fahamendrehan’Ilay ràn’I Kristy. Ary dia manatona an’Andriamanitra ho an’ny tenany manokana izy, fa tsy avy amin’ny alalan’ireo papa na ireo mpifona , fa amin’ny alalan’I Jesosy Kristy irery ihany.HM58 47.1

    O! sarobidy loatra manao ahoana re ity fahalalana ity ho an’I Lotera e! Izay nanagorobaka ireo haizina tao antsainy. Nomeny lanja lehibe tokoa ity fahazavana vaovao sady sarobidy izay niforona teo ambonin’ilay haizin’ny tsy fahalalany, ary nandroaka ny finoanoam-poana izay nananany , ambony lavitra kokoa noho ny harena izay tsara lavitra indrindra ambonin’ny tany izany. Lasa vaovao ny Tenin’Andriamanitra. Niova daholo ny zava-drehetra. Ilay boky izay nampisalasala azy teo aloha satria tsy afaka nanavaka ny fahatsarana tao anatiny izy, ary ankehitriny dia lasa fiainana ho azy, fiainana mandrakizay. Fifaliana ho azy , fiononany ary mpampianatra voatahy ho azy ilay izy. Tsy nisy na inona na inona no nisarika azy hiala amin’ny fampianarany. Natahotra ny fahafatesana izy; kanefa nony namaky ilay Tenin’Andriamanitra izy dia foana ireo tahony rehetra ka dia talanjona izy tamin’ny toetran’Andriamanitra ary nitia Azy izy. Nandinika ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny tenany manokana izy. Nifaly tamin’ny ilay harena miafina sarobidy izay nisy tao anatin’ilay boky izy, ary rehefa avy eo dia nikatsaha izay mba ho an’ny fiangonana koa. Tafintohina izy tamin’ireo fahotan’ireo izay ninoany fa hitondra famonjena ho azy. Maro be tokoa ireo izay hitany fa rakotrin’ny fahamaizinana mitovy tamin’ny ilay nanaronana azy. Nanao izay fara-heviny tokoa izy mba hitondrana azy ireo ho amin’ny Ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.HM58 47.2

    Nanandratra ny feony izy mba hanoherana ireo fahadisoan-kevitra sy ireo fahotan’ny fiangonana papaly , ary nangetaheta tamin-kafanam-po tokoa izy mba handrava ilay rojon’ny fahamaizinana izay managadrana olona an’anarivony, izay mihevitra sy mino fa avy amin’ny alalan’ny asa no ahazoana famonjena. Nikely aina fatratra izy mba hahazoany manokatra ny sain’izy ireo ho amin’ ilay harena marin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ary ny fahatanterahan’ilay famonjena azo avy amin’ny alalan’I Jesosy Kristy. Nanandratra ny feony tamin’ny fahasarotam-piaro tokoa izy, ary tamin’ny herin’ny Fanahy Masina no nanambarany ireo fahotana misy izay ataon’ireo mpitondra ny fiangonana ka dia nisedra ny oram-baratry ny fanoheran’ireo pretra izy, fa tsy namono ny risi-pony izany, satria natoky tanteraka ilay sandrin’Andriamanitra mahery izy, ary nino Azy tamimpahatokiana mba hahazoany fandresena. Satria nohamafisiny hatrany ny tolona izay nataony dia nirehitra taminy ny haromotan’ireo pretra. Tsy nirian’izy ireo mantsy ny hiroso amin’ny fanavaozana. Nifidy ny havela hiadana izy ireo, amin’ny fahafinaretan’ny fanaranam-po sy ny haratsiam-panahy. Nirian’ ireo ny hihazona ny fiangonana ao anatin’ny haizina.HM58 47.3

    Hitako fa nafana sy feno zotom-po tokoa I Lotera , tsy nanan-tahotra sady feno fahasahiana tamin’ny fanamelohana ny fahotana sy fiarovana ny fahamarinana. Tsy natahotra ireo olona ratsy fanahy sy ireo devoly koa izy. Fantany fa ilay Iray miaraka aminy dia mahery lavitra kokoa noho ny rehetra. Nanana afo, zotom-po, faharisihana ary fahasahiana I Lotera , ary indraindray aza dia toa nandeha lavitra amin’ ny tendrony izy, kanefa nanangana an’i Melancthon Andriamanitra , izay nanana toetra izay nifanohitra indrindra taminy , mba hanampy an’I Lotera ary hanohy ny asan’ny fanavaozana. Saro-kenatra I Melancthon, saro-tahotra , malina, ary manana faharetana lehibe. Malalan’Andriamanitra tokoa izy. Nanana fahalalana lehibe ny Soratra Masina izy ary tonga lafatra ny fitsarany sy ny fahendreny. Ny fitiavany ny raharahan’Andriamanitra dia nitovy ny an’i Lotera. Nampiraisin’Andriamanitra miaraka ireo fo ireo. Tonga mpinamana izay tsy hisaraka na oviana na oviana izy ireo. Mpanampy lehibe ho an’i Melancthon i Lotera raha nisedra loza nohon’ny toetrany izay feno tahotra sy miadana izy, ary Melancthon kosa no mpanampy lehibe an’i Lotera mba hiaro azy amin’ny fihetsehany haingana loatra. Ny fahamalinan’i Melancthon amin’ny fahitany lavitra dia nahazoan’izy ireo nisoroka ny olana izay nety nitranga tamin’izay raha toa ka navela irery tamin’i Lotera ilay asa ; ary matetika dia mety tsy nandroso ny asa , raha toa ka navela tamin’i Melancthon irery fotsiny. Naseho ahy ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny nifidianany an’ireo olona roa ireo , izay nanana toetra samy hafa mba hanantanteraka ilay asan’ny fanavaozana.HM58 48.1

    Dia nentina indray niverina tany amin’ireo andron’ireo Apostoly aho, ary nahita fa Andriamanitra dia nifidy mba ho mpinamana an’i Petera izay nafana fo sy feno zotom-po tokoa sy i Jaona izay tsotra sy manampaharetana ary malemy fanahy. Indraindray nirehidrehitra i Petera. Ary matetika ilay mpianatra malala no nampitony an’i Petera, raha nitondra azy lavitra loatra ny hafanam-pony sy ny zotom-pony. Kanefa tsy nampiova azy akory izany. Fa taorian’ny nandavan’i Petera ny Tompony , no nibebahany sy nampiova fo azy. Ary amin’ izany, izay rehetra nilainy mba hamerana ny faharisihany sy ny zotom-pony, dia ny fananarana feno halemen-panahin’ i Jaona. Nefa tsy maintsy hiaritra ny mafy ny raharahan’ i Jesosy raha napetraka tamin’ i Jaona samirery ny fitamdremana azy. Nilaina ny zotom-pon’i Petera. Nanala azy ireo tamin’ny olana matetika ny heriny sy ny fahasahiany ary nampangina ireo fahavalon’izy ireo. Mora fanahy i Jaona. Nandresy ny maro ny amin’ny momba an’I Kristy izy tamin’ny alalan’ny fananany faharetana be sy tamin’ny fikelezan’ainy lalina.HM58 48.2

    Naniraka olona maro Andriamanitra mba hanohitra ny fahotana izay misy ao amin’ireo fiangonana papaly, ka dia nampandresy ny fanavaozana. Nikendry ny hanapotika ireo vavolombelona mahatoky ireo I Satana ; kanefa nanao fefy ho azy ireo Andriamanitra. Ny sasany , mba ho voninahitry ny Anarany dia navela mba hanao fitondrana ilay fijoroana vavolombelona izay nentiny notombohana tamin’ny ràn’izy ireo; fa nisy kosa ireo olo-mahery hafa toa an-dry Lotera sy I Melancthon , izay nanome voninahitra bebe kokoa an’Andriamanitra tamin’ny fahavelomany sy ny fiantsoantsoany tamin’ny feo avo mba ho fanoherana ny fahotan’ireo papa, pretra sy ireo mpanjaka. Nangovitra izy ireo teo anatrehan’ny feon’I Lotera sy ireo namany. Tamin’ny alalan’ireo olom-boafidy ireo dia nanomboka nanala ny haizina ireo tara-pahazavana , ary maro be tokoa ireo izay nandray tamim-pifaliana ilay hazavana ka nandeha tao anatin’izany. Ary raha novonoina ny iray tamin’ny ireo vavolombelona dia olona roa na mihoatra aza no atsangana hisolo ny toerany.HM58 48.3

    Tsy afa-po tamin’ny izay anefa I Satana. Tsy nanana fahefana afa-tsy tamin’ny vatana irery ihany mantsy izy. Tsy azony natao ny nanao an-keriny nanala tamin’ny ireo mpino ny finoany sy ny fanantenany. Eny fa na dia tamin’ny fahafatesana aza dia nandresy izy ireo avy amin’ny alalan’ilay fanantenana mamirapiratry ny tsy fahafatesana intsony amin’ny fananganana amin’ny maty ireo olo-marina. Nanana herim-po mihoatra noho ny herin’ny fahafatesana izy ireo. Tsy sahin’izy ireo ny natory na dia tamin’ny fotoana kely monja aza. Nohazonin’ireo hatrany ireo fiadiana fiarovan-tena Kristianina izay notafian’izy ireo, izay vonona ny hiady, tsy amin’ny ilay fahavalo ara-panahy fotsiny ihany, fa ao koa ny ady amin’ny Satana izay maka ny endrik’ireo olombelona izay , tsy mitsahatra ny milaza hoe: “Ilaozy ny finoanao raha tsy izay dia ho faty ianao”. Ireo Kristianina vitsivitsy dia nahery tao amin’ Andriamanitra, ary saro-bidy mihoatra noho ny antsasak’izao tontolo izao ity izay mitondra ny anaran’I Kristy, kanefa osa eo amin’ny fanarahana Azy. Tamin’ny ireo fotoana izay nanenjehana ny fiangonana, dia niray sy nifankatia izy ireo. Nahery izy ireo tao amin’Andriamanitra. Ireo mpanota dia tsy navela hikambana tao anatin’izany , na koa ireo mpamitaka sy ireo voafitaka. Tsy nisy afa-tsy ireo izay nahafoy na nandao ny zava-drehetra mba hanaraka an’I Kristy irery ihany no ho tonga mpianany. Tian’izy ire ny tonga mahantra , nanetry tena ary maniry ny hanam-pitoviana tamin’I Kristy.HM58 48.4

    Jereo Lioka 22:61-62; Jaona 18:10; Asan’ny Apostoly toko faha 3 sy 4;HM58 48.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents