Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
«Hery Mifanandrina» - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 7 - Ny Namadihana An’i Kristy

    Ary dia nentina tany amin’ny fotoana nihinan’i Jesosy ny sakafo ny Paska niaraka tamin’ny mpianany aho. Nofitahan’i Satana i Jodasy, ary nitaona azy hieritreritra fa izy dia iray tamin’ireo tena mpianatra marina; nefa ny fony dia mbola nijanona amin’ ny nofo be ihany. Nahita ireo asa feno hery sy fahagagana izay nataon’ i Jesosy izy ary niaraka taminy nandritra ny fotoana niasany ary dia nanana ny porofo feno izy fa Izy no Mesia, fa nihirina-belona izy ary ny fitsiriritana no nanjaka tao am-po. Tia vola izy. Nitaraina tamim-pahatezerana izy tamin’ilay menaka lafo vidy izay nanosorana an’i Jesosy. Tian’i Maria ny Tompony. Namela ny fahotany Izy izay tena maro dia maro tokoa, ary nanangana tamin’ny maty ilay anadahiny malalany indrindra, ary nahatsapa izy fa tsy misy na inona na inona zavatra lafo loatra mba homena an’I Jesosy. Izay farany lafo indrindra sy sarobidy indrindra tamin’ny menaka, ilay farany tsara izay azon’i Maria natao, mba hampisehoany ny fankasitrahany ny Mpamonjiny, tamin’ny alalan’ny fanomezana izany ho Azy. Ary Jodasy, mba ho fialantsininy amin’ny fitsiriritany dia nisandoka izy nilaza fa “azo natao ny nivarotra ny menaka dia omena ny malahelo ny vola. Kanefa tsy nohon’ny fitiavany nikarakara ny malahelo no nanaovany izany, fa noho ny fitiavan-tenany, ary matetika dia nalainy ho an’ny tenany manokana ireo zavatra izay nankinina taminy mba ho zaraina amin’ny malahelo. Jodasy dia tsy mba nieritreritra izay hahasoa an’I Jesosy mihitsy na izay zavatra mba nilainy; ary mba hanalany tsiny ny fitsiritany dia matetika izy no milaza amin’ny malahelo. Ary io fihetsika feno fahalalahan-tanana avy tamin’i Maria io dia tena fanakianana lehibe ho an’ny fitsiriritany.HM58 22.1

    Ny làlana dia efa voamboatra ho an’ny fakam-panahin’I Satana mba tsy hampananosarotra ny fitaomana an’ i Jodasy. Ireo mpisorona sy ireo mpitsara teo amin’ i jiosy dia nankahala an’i Jesosy; kanefa maro ny vahoaka izay dobona mba hihaino ny tenin-pahendreny, sy hijery ny asa lehibe mahatalanjona izay nataony. Izany dia nitondra ny eritreritr’ ireto vahoaka ireto hatramin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny loholona satria ny vahoaka dia liana dia liana, ary teo am-pitebitebena no nanarahan’izy ireo an’I Jesosy, ary nihainoan’ny fampianaran’ity Mpampianatra mahagaga, tsy misy toa Azy ity . Maro tamin’ireo lehiben’ny mpanapaka no nino an’I Jesosy, fa natahotra ny hitsotra amin’ izany, izy ireo fandrao dia ho roahina hila ny Synagoga izy ireo. Ny mpisorona sy ny loholona dia nanapakevitra fa tsy maintsy hanao zavatra mba hitarihana ny sain’ireto vahoaka ireto hiala amin’i Jesosy. Natahotra izy ireo sao dia hino Azy avokoa ny vahoaka iray manontolo. Tsy hahita toky ho azy ireo manokana mantsy izy ireo. Na izy ireo tsy maintsy mamoy ny toerany, na nanao izay hahafaty an’ i Jesosy. Ary na dia aorian’ ny famonoany Azy aza, hisy ihany ireo sisa velona ho vavolombelon’ ny heriny. Nanangana an’I Lazarosy tamin’ny maty I Jesosy Ary natahotra izy ireo fa raha mamono ny Mpamonjy izy ireo, Lazarosy dia vavolombelon’ ny heriny izay lehibe tokoa. Nihazakazaka ny vahoaka mba hijery an’ ilay natsangana tamin’ ny maty, dia nanapa-kevitra ireo mpanampaka ny vahoaka ny hanao izay hahafaty an’ I Lazarosy ary mba hitsaharan’ ny fihetsiketsehana. Ary rehefa avy eo dia hampiverina sain’ ny vahoaka ho amin’ny lovan-tsofina, izay natolotry ny razana sy ny fampianaran’olombelona izy ireo, amin’ny ampahafolon’ny solila sy ny komina, ary dia hampiasa indray ny hery miasa manginany eo amin’ ny vahoaka. Nanapa-kevitra ary izy ireo fa hisambotra an’I Jesosy raha irery Izy; satria raha nanandrana ny hampiato azy ao anatin’ny vahoaka mantsy izy ireo, rehefa mifantoka amin’ izay lazainy aminy avokoa ny vahoaka rehetra dia ho voatora-bato izy ireo.HM58 22.2

    Jodasy dia nahalala fa nitebileby fatratra izy ireo ny amin’izay fomba ahazoana an’I Jesosy, nanolotra ny tenany ary izy mba hamadika an’I Jesosy ho an’ireto lehiben’ny mpisorona sy loholona tamin’ny alalan’ny volafotsy vitsivitsy. Ny fitiavam-bolany no nitarika azy, hamadika ny Tompony ho eo an-tanan’ireto fahavalony ratsy indrindra. Satana izay niasa nivantana tamin’ny alalan’I Jodasy, nandritry ny sakafon’ ny Paska nampihetsipo, ilay mpamadika dia nanao drafitra mba hamadihany ny Tompony. Tamin’alahelo lehibe no nilazan’I Jesosy tamin’ireto mpianany ireto fa izy rehetra dia ho tafintohina noho ny Aminy amin’ity alina ity. Fa Petera kosa namaly tamin-kafanam-po fa na dia hotafintohina ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba ho tafintohina mandrakizay. Niteny tamin’I Petera I Jesosy fa Satana dia efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary, nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao, ary rehefa miova fo ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao.” Lioka 22:31,32HM58 22.3

    Dia nijery an’I Jesosy tao an-tsahan’i Getsemane miaraka tamin’ny mpianany aho dia tamin’ny alahelo lehibe no nangatahany azy ireo mba hiaritory sy hivavaka mba tsy hidiran’izy ireo amin’ny fakam-panahy. Jesosy nahalala fa ny finoan’izy ireo dia tsy maintsy ho sedraina, ary ny fanantenan’izy ireo dia ho diso, amin’izany ary dia ilain’izy ireo ny hery rehetra izay azo avy amin’ny fiaretantory tsara sy vavaka mafana. Nivavaka I Jesosy sady nitaraina mafy sy nitomany: “Ray ó! Raha sitrakao, dia esory Amiko ity kapoaka ity nefa, tsy ny sitrapoko anie no hialao fa ny Anao.” Tao anatin’ny fahoriana tanteraka no nivavahan’Ilay Zanak’Andriamanitra. Hatsembohana mitete lehibe tahaka ny rà no nivoaka ny tavany, ary nilatsaka teo ambonin’ny tany. Tamin’izay fotoana izay ireo anjely dia naniditsidina teo an-jaridaina, nijoro vavolombelon’ilay zava-misy, ary nandritra izay fotoana izay dia iray ihany no nirahina hampahery ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny fahoriany. Ny anjely tany an-danitra nanipy ny satroboninahitr’izy ireo sy ny valihany, ary tamim-pahahanana tanteraka sy tamim-pahanginana no nijeren’izy ireo an’I Jesosy. Tsy nisy fifaliana mihitsy tany an-danitra. Nirian’izy ireo ny hanodidina ilay Zanak’Andriamanitra, nefa ny mpibaiko ny anjely tsy namela azy ireo, atahorana mantsy, raha mijery ny famadihana Azy ireo dia tsy maintsy hanafaka Azy. Satria ny drafi-pamonjena efa voavolavola ary tsy maintsy tantarahina anefa izany.HM58 22.4

    Taorian’ ny vavaka nataon’ i Jesosy, dia nanatona ny mpianany Izy mba hizaha azy ireo. Natory anefa izy ireo. Tsy nisy ny fampaherezana na vavaka eny fa na dia avy tamin’ireo mpianany azo tao anatin’ity ora mahatahotra ity. Petera izay nafana fo be vao tsy ela akory izay, dia izao vesaran’ny torimaso izao. Nampahatsihivin’I Jesosy azy ny fanambaranana izay nataony, ary Izy nilaza taminy hoe: “Ahoana! Tsy afaka miari-tory miaraka amiko ve ianareo na dia ora iray akory aza? Intelo ilay Zanak’Andriamanitra no nivavaka tao anaty fahoriana tanteraka, tamin’ izay efa nanakaiky ny fiavian’I Jodasy sy ireo andian’olony mirongo fiadiana. Nihaona tamin’I Jesosy ireo ary toy ny mahazatra dia niarahaba Azy. Nanodidina an’I Jesosy ireo vondron’olona ; kanjo tamin’izay dia nampiseho ny herin’Andriamanitra Izy, ka nilaza hoe: Iza no tadiavinareo?” Izaho no Izy. Dia nikarapoka tamin’ny tany izy rehetra. Nanao io fanadihadihana io Jesosy mba hahatsapan’izy ireo ny heriny ary hananan’ izy ireo porofo fa afaka mamonjy ny tenany samirery amin’ny tanan’izy ireo Izy raha iriny izany.HM58 23.1

    Nanomboka ny nanantena ireo mpianatra raha nahita ireo marobe miaraka tamin’ny tsimpika sy sabatra ary langilangy lavo tampoka teo. Kanefa dia mbola niarina izy ireo, ary nanodidina indray Ilay Zanak’Andriamanitra, noraisin’I Petera ny sabany ary notapahiny ny sofina anakiray an’ ilay mpanompon’ ny mpisoronabe. Nodidian’I Jesosy izy mba hampiditra ny sabany ary nolazainy taminy hoe: “Mieritreritra ve ianao, fa tsy afaka miantso ny Raiko Aho ankehitriny, ary Izy hanome Ahy izao dia izao ihany anjely mihoatra lavitra ny legiona roambinifolo? Ary hitako fa rehefa voalaza izany teny izany, dia nandray fanantenana ny endrikin’ny anjely. Nirian’izy ireo mantsy tamin’izany, ny nanodidina ilay filohan’izy ireo, ary hanaparitaka ireto vahoaka vinitra ireto. Kanjo niverina tamin’ireo indray ny alahelo raha nanpian’I Jesosy hoe: “Nefa manao ahoana ary hahatanteraka ny Soratra, noho izany dia tsy maintsy ho toy izao”. Nihamaloka indray ny fon’ireto mpianatra noho ny fahadisoam-panantenana sy mangidin’ny hakiaviana tanteraka, nony nahita an’ i Jesosy navela ho entin’ ny fahavalony.HM58 23.2

    Natahotra momba ny ainy nanokana ny mpianatra, ary dia samy nandao Azy izy ireo ka nilefa tamin’ny izay nandehanany avy, ary dia tavela irery I Jesosy. Fandresen’ i Satana manao ahoana! Ary alahelo sy tebiteby manao ahoana re ny an’ny anjelin’Andriamanitra! Maro tamin’ireo vondron’anjely izay samy niaraka tamin’ny anjely mpibaiko lehibe iray avy teo anoloany, no nirahina mba ho vavolombelon’ ilay zava-miseho. Tsy maintsy raisin’ izy ireo an-tsoratra daholo ny fihetsika rehetra ny fitenena-dratsy tsirairay ary ny habibiana tsirairay avy izay namaizany an’ Ilay Zanak’Andriamanitra; tahaka ny iray halaina an-tsoratra amin’ ireo tebitebintsain’ny fanaintainana tsirairay avy izay tsy maintsy hiaretan’I Jesosy; satria ireo olona izay nandray anjara tamin’ izany toe-javatra mahatahotra izany dia tsy maintsy haveri-aminy indray ho hitany, indray andro any iray izay soratra velona nosoratan’ ny anjely ny aminy.HM58 23.3

    Jereo Matio 26:1-56; Marka 14:1-52; Hosea 22:1-46, Jaona toko 11, 12:1-14, 18:1-12.HM58 23.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents