Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Anjara miandry anankiroa

    «Fa fahafatesana no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika» - Rôm. 6:23. Raha lova ho an’ny olomarina ny fiainana, dia fahafatesana kosa no anjaran’ny ratsy fanahy. Ny «fahafatesana faharoa» no mifanohitra amin’ny fiainana mandrakizay. (Jereo ny Apôk. 20:14).IFL 38.1

    Noho ny fahotana nataon’i Adama, dia mihatra amin’ny taranak’olombelona rehetra ny fahafatesana. Samy midina ho any am-pasana avokoa izy rehetra. Ary noho ny drafi-panavotana, dia samy avoaka avy ao am-pasany avy izy rehetra: «Fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka». «Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy” - Asa. 24:14; 1 Kôr. 15:22. Misy fahasamihafana anefa amin’ireo antokon’olona roa hitsangana ireo. «Avy ny andro izay handrehesan ‘ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy; izay nanao ny tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana; fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ny fitsanganana ho fahamelohana” - Jao. 5:28,29.IFL 38.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents