Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Misintona ireo ambony fahalalana

    Ny olona nandia fianarana sy ambony fari-piainana dia anehoan’ilay mpanjakan’ny fahamaizinana ny filalaovana angatra amin’ny endrika mihaja sy ara-tsaina kokoa. Mamalifaly ny saina tia nofinofy amin’ny toe-javatra mahasondriana sy amin’ny fanehoana fitiavana sy fanaovan-tsoa izy. Mitarika ny olona hirehareha fatratra ny amin’ ny fahendren’ny tenany izy mba hitaomana azy hanivaiva llay Maharitra mandrakizay ao am-pony.IFL 43.3

    Mamitaka ny olona ankehitriny i Satana tahaka ny namitahany an’i Eva tany Edena amin’ny fanairana ny hambom-pony hanandratena. «Ho tahaka an’Andriamanitra hianareo”, hoy izy, «hahalala ny tsara sy ny ratsy» - Gen: 3:5. Ny fiantsoana avelo dia mampianatra fa «zavaboary mandroso ny olombelona (...) hanakatra an’Andriamanitra». Ary izao koa: «Ho ara-drariny ny fitsarana, satria fitsarana ataon’ny tena (...) Ao anatinao ny seza fiandrianana». Misy iray hafa manao hoe: «Na iza na iza marina sy tanteraka dia samy Kristy avokoa».IFL 44.1

    Toy izany no nametrahan’i Satana ny maha-olombelona feno fahotana ho hany fitsipika hoenti-mitsara. Fandrosoana izany, nefa tsy mihasolanga fa mihajoko. Ny olona dia tsy hisandratra na oviana na oviana ho ambony kokoa noho ny filamatra ara-pahadiovana sy fahatsarana nofidiny. Raha ny tenany no nataony ho tarigetra ambony indrindra hotratrarina, dia tsy hahatratra na oviana na oviana izay ambony noho izany mihitsy izy. Ny fahasoavan’ Andriamanitra irery ihany no manan-kery hanandratra ny olona. Raha avela samirery izy, dia tsy maintsy hitsontsori-midina ny lalany.IFL 44.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents