Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Loza

    Tsy misy olona tandindomin-doza lehibe kokoa noho ireo izay mandà ny fisian’ny devoly sy ny anjeliny. Maro no mihaino ny sosokeviny nefa mihevitra ho manaraka ny fahendren’ny tenany. Raha iny fa manatona ny faran’izao tontolo izao isika, fotoana izay iasan’i Satana amin-kery lehibe indrindra mba hamitahana, dia aeliny hatraiza hatraiza ny finoana fa tsy misy izy. Tetika ampiasainy ny fanafenana ny tenany sy ny fomba fiasany izany.IFL 20.3

    Matahotra ilay mpamitaka lehibe andrao fantatsika ny fitaka ataony. Mba hahazoany manarona tsara ny tena toetrany, dia nataony izay hanehoana ny tenany amin’ny fomba izay hiteraka fanesoesoana na fanarabiana azy. Mahafaly azy fatratra ny hanehoana azy amin’ny sary mahatsikaiky, hafahafa bika, toa biby, toa olona. Mahafinaritra azy ny mandre ny anarany ampiasaina amin’ny vazivazy sy ny fanarabiana. Noho izy nahay nanafin-tena tamim-pahakingana tanteraka no andrenesana hatraiza hatraiza ny fanontaniana manao hoe: «Misy tokoa ve izy izany e?» Koa satria azon’i Satana atao tsotra izao ny mifehy ny sain’ireo izay tsy mahatsapa ny hery miasa mangina avy aminy, dia izany no antony analan’ny Tenin’Andriamanitra sarona eo imasontsika ny heriny miafina mba ho fampitandremana antsika.IFL 20.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents