Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanatonana mivantana an’Andriamanitra

    Ny dingana tsirairay ataon’ny finoana sy ny fankatoavana dia mampiray ny fanahy akaiky kokoa amin’Ilay Fahazavan’izao tontolo izao. Mamirapiratra eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra ireo tara-pahazavana manjelanjelatry ny Masoandron’ny Fahamarinana, ary tokony hitaratra izany izy. Tahaka ireo kintana milaza amintsika fa misy fahazavana lehibe any an-danitra mampamirapiratra azy amin’ny voninahiny, dia toy izany koa ny Kristianina: mampiseho izy fa misy Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianana izay manana toetra mendri-piderana sy mendrika halain-tahaka. Ny fahamasinan’ny toetrany dia hiseho eo amin’ireo vavolombelony.IFL 60.1

    Amin’ny alalan’ny fahamendrehan’i Kristy dia afaka manatona ny seza fiandrianan’ny Hery tsy hita fetra isika. «lzay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra? ” - Rôm. 8:32. Hoy i Jesôsy: «Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” - Lio. 11:13. «Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany». «Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo” - Jao. 14:14; 16:24.IFL 60.2

    Tombontsoa ho an’ny tsirairay ny hanana fiainana ankasitrahan’Andriamanitra sy hotahiny. Tsy sitrapon’ny Raintsika izay any an-danitra ny itoerantsika mandrakariva eo ambanin’ny fanamelohana sy ny haizina. Tsy fanehoana ny fanetren-tena marina ny mandeha mitanondrika, nefa ny fo feno fiheverana ny tena. Azontsika atao ny mankeo amin’i Jesôsy ka hodioviny, ary hijoro eo anatrehan’ny lalana, tsy ho menatra sy tsy hokikisan’ny nenina.IFL 60.3

    Amin’ny alalan’i Jesôsy dia tonga «zanak’Andriamanitra» ireo zanak’i Adama lavo. «Koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe ‘rahalahy’” - Heb. 2:11. Tokony ho fiainam-pinoana, fiainam-pandresena, sy fiainam-pifaliana ao amin’Andriamanitra ny fiainan’ny Kristianina. «Fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo” - Neh. 8. 10. «Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo” -1 Tes. 5:16-18.IFL 61.1

    Izany no vokatry ny fiovam-po sy ny fanamasinana araka ny Baiboly; ary ny antony tsy ahitana afa-tsy mahalana dia mahalana ireo vokatra ireo dia satria tsy mampiraika indrindra ny mpivavaka kristianina ireo foto-kevitra lehiben’ny fahamarinana asehon’ny lalàn’Andriamanitra. Izany no mahakely fiseho an’io asa lalina sy mitoetra ataon’ny Fanahy io, izay nampiavaka ny fifohazana tamin’ny fotoana tany aloha.IFL 61.2

    Ny fibanjinana no mampiova antsika ary rehefa ireo foto-kevitra masina, izay namelaran’Andriamanitra teo imason’ny olona ny fahatanterahana sy ny fahamasinan’ny toetrany no atao antsirambina, ka voatarika ho amin’ny fampianarana sy ny laha-kevitr’olombelona ny fisainan’ny olona, dia tsy mahagaga raha misy fihemoran’ny fitiavam-bavaka velona ao amin’ny fiangonana manaraka izany. Raha tsy tafaverina eo amin’ny tena toerany ny lalàn’Andriamanitra dia tsy mety hisy fifohazan’ny finoana sy ny toepanahy araka an’Andriamanitra toy ny tany am-piandohana eo anivon’ny vahoaka izay milaza fa Azy.IFL 61.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents