Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 5 - Fanantenana Sandoka

    Ny foto-pinoana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy, izay nindramina tamin’ny voalohany tamin’ny filôzôfian’ny mpanompo sampy, ary natsofoka tao amin’ny foto-pinoana kristianina nandritra ny haizina nanjaka tamin ‘ny andron’ny fihemorana lehibe, dia nasolo ilay fahamarinana manao hoe «ny maty (...) tsy mba mahalala na inona na inona»Mpit.T. 9:5. Marobe ny olona no mino fa ireo fanahin’ny maty ireo dia «fanahy manompo, (...) nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova famonjena» - Heb. 1:14.IFL 42.1

    Ny foto-pinoana milaza fa miverina manompo ny velona ny fanahin’ireo maty, dia manoka-dalana ho amin’ny filalaovana angatra amin’izao fotoana izao. Raha tahiny ka manana tombontsoa hahalala be lavitra noho izay fantany teo aloha ny maty, nahoana àry moa no tsy miverina etý an-tàny izy ireo mba hampianatra ny velona? Raha ohatra ka mieloelo manodidina ny sakaizany etý an-tany ny fanahin’ny maty, nahoana àry no tsy mifandray aminy izy ireo? Fomba ahoana no ahazoan’ireo izay mino fa mahatsiaro ny maty no hitsipaka izay fahazavan’Andriamanitra tonga eo aminy amin’ny alalan’ireo fanahy efa nomem-boninahitra? Misy fantsona heverina ho masina eto izay ampiasain’i Satana. Ireo anjely lavo dia miseho ho mpitondra hafatra avy any amin’ny fonenan’ny fanahy.IFL 42.2

    Manan-kery hampiseho ny havana aman-tsakaizany efa maty eo anetrahan’ny olona ilay andrian’ny haizina. Tonga lafatra ny halatahaka, voaverina amin’ny fomba miavaka tsara sy mahagaga. Maro no mahita fiononana amin’ny fahazoana toky fa miriaria amin’ny fahasambaran’ny lanitra ny olon-tiany, ary tsy maodimaody velively ny amin’ny loza mitatao izy ireo raha manongilan-tsofina hihaino «fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia» - 1 Tim. 4:1.IFL 42.3

    Mihambo ho sambatra any an-danitra ary mitana toerana ambony any mihitsy aza ireo izay tsy vita fiomanana akory raha nidina tany am-pasana. Indraindray ireo mpamangy milaza fa avy any an-koatra dia manao fananarana sy fampitandremana izay voaporofo fa marina. Koa rehefa babony ny fitokisana, dia mampiseho foto-pinoana izay mampirodana hatrany amin’ny fotony ny finoana ny Soratra Masina izy ireny. Noho izy manambara fahamarinana sasantsasany, sy indraindray afaka milaza toe-javatra mbola ho avy dia toa azo inoana ny zavatra lazainy; ka ekena ny fampianaran-diso arosony. Tsy raharahaina ny lalàn’Andriamanitra, tsiratsiraina ny Fanahin’ny fahasoavana. Mandà ny mahaAndriamanitra an’i Kristy ireo fanahy ireo, ary mampietry mihitsy ny Mpamorona hitovy saranga aminy aza.IFL 42.4

    Marina fa matetika dia nolazaina ho tena fisehoana marina tokoa ny vokatry ny hakingan-tanana fotsiny, nefa nisy koa ny tena avy amin’ny fiasan’ny hery ambony noho ny an’ny olombelona, tena asa mivantana ataon’ireo anjely ratsy. Maro no mino fa fitaka ataon’ny olombelona fotsiny ny filalaovana angatra. Rehefa manatrika fisehoan-javatra tsy maintsy ekena fa avy amin’ny hery ambonin’ny an’ny olombelona izy ireo, dia ho voafitaka ary hanaiky izany hery lehibe izany ho avy amin’Andriamanitra.IFL 43.1

    Ny fanampian’i Satana no nahazoan’ireo mpanao sikidin’i Farao naka tahaka ny asan’Andriamanitra. Jereo ny Eks. 7:10-12. Lazain’i Paoly marimarina fa ny fiavian’ny Tompo dia tsy maintsy ialohavan’ny «fiasan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra» - 2 Tes. 2:9,10. Ary izao no ambaran’i Jaona: «Ary manao famantarana lehibe izy, ka dia mampidina afo avy any an-danitra eo imason’ny olona aza. Ary mamitaka izay monina ambonin’ny tany izy amin’ny famantarana izay nomena azy hatao» - Apôk. 13:13,14. Tsy fitaka tsotra tsy akory no ambara mialoha eto. Ho voafitaky ny fahagagana izay azon’ireo fiasan’i Satana atao tokoa ny olona, fa tsy izay ihamboany fa vitany tsy akory.IFL 43.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents