Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Ilay Fanantenana Lehibe - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny fonenantsika farany

    «Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa Iasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany ” - Apôk. 21:1. Manadio ny tany ny afo izay mandevona ny ratsy fanahy. Voafafa ny ozona rehetra. Tsy hisy helo mirehitra afo mandrakizay eo anatrehan’ny voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny vokatra mahatsiravina avy amin’ny fahotana.IFL 107.6

    Fampahatsiahivana tokana ihany no hitoetra; hitondra mandrakariva ny holatry ny nanomboana Azy tamin’ny hazo fijaliana Ilay Mpanavotra antsika. Ireo no hany soritry ny asa mahatsiravina nataon’ny fahotana. Koa ny mariky ny fanetrentenany no voninahiny ambony indrindra; mandritra ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr’i Kalvary.IFL 107.7

    Nanome toky ny mpianany i Kristy fa handeha hamboatra fitoerana ho azy any amin’ny tranon’ny Ray. Tsy ampy hahalaza ny momba ny valisoan’ny marina ny fitenin’olombelona. Izay hahita azy ihany no hahafantatra azy. Tsy misy saina voafetra afaka ahahatakatra ny voninahitry ny Paradisan’Andriamanitra!IFL 108.1

    Ao amin’ny Baiboly ny lovan’ny voavonjy dia atao hoe: «taniny» - Heb. 11:14-16. Any llay Mpiandry ondrin’ny lanitra no mitarika ny andian’ondry ho eo amin’ny loharanon’ny ranon’aina. Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin’ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an’ny navotan’i Jehôvah. Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr’Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin’ireo lohasaha mandry fahizay ireo, eny amoron’ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan’Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy.IFL 108.2

    «Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa (...) Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin ‘ny asan’ny tànany.» « Ravoravo ny efitra sy ny tany karakaina ary ny tany hay dia ho faly sy hamony tahaka ny lilia.” ” Ny hazo kypreso haniry ho solon ‘ny tsilo, ary ny rotra ho solon’ny sampivato.” ” Ary ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry, ny leoparda hiara-mandry amin’ny zanak’osy; (...) ary ny zazakely no hiraoka azy.” «Ary tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy» - Isa. 65:21,22; 35:1; 11:6,9.IFL 108.3

    Tsy mety hisy fanaintainana ao amin’ny rivo-piainan’ny lanitra. Tsy hisy intsony ny ranomaso, tsy hisy mpandevina mitanjozotra, tsy hisy mariky ny fisaonana. «Ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha ». «Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka” - Apôk. 21:4; Isa. 33:24.IFL 108.4

    Jerosalema voavao no renivohitry ny tany vaovao be voninahitra «Ny famirapiratany dia ho tahaka ny vatosoa indrindra, dia ho tahaka ny vato jaspy, manganohano tahaka ny vato kristaly.» «Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany; ary ny mpanjakan’ny tany dia mitondra ny voninahiny ho ao anatiny». «Indro, ny tabernakelin’A ndriamanitra dia eo amin’ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy dia ho Andriamaniny” - Apôk. 21:11,24,3.IFL 109.1

    «Tsy hisy alina intsony» (Apôk. 22:5) any amin’ny tanànan’Andriamanitra. Tsy misy hahatsiaro vizana. Ny fahazavan’ny masoandro dia hihoaran’ny famirapiratana izay tsy hampanjambena, nefa hamirapiratra mihoatra noho ny amin’ny mitataovovonana.IFL 109.2

    «Ary tsy nahita tempoly aho teo aloha, fa ny Tompo Andriamanitra, dia ny Tsitoha sy ny Zanak’ondry no tempoliny» - Apôk. 21:22. Mahazo tombontsoa amin’ny firaisana mivantana amin’ny Ray sy Zanaka ny vahoakan’Andriamanitra. «Fa ankehitriny isika mizaha amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina” - 1 Kôr. 13:12. Mijery ny taratry ny endrik’Andriamanitra isika, tahaka ny amin’ny fitaratra eo amin’ny asan’ny zavaboary sy eo amin’ny fifandraisan’Andriamanitra amin’ny olombelona; fa amin’izay kosa hahita Azy mifanatrika isika, tsy hisy hanakona sy hanembantsembana intsony.IFL 109.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents