Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 11 - Asa Fitoriana Amin’ny Alalan’ny Fitsaboana

    Asa Tena Manan-Danja Indrindra

    Nandritra ireo taona niasany dia nandanian’i Jesosy fotoana bebe kokoa ny fanasitranana ny marary noho ny fitorian-teny. - TMF, t. 11.FK 186.1

    Hanokatra varavarana maro ho an’ireo mpanavao fivavahana marina ny asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana. — TFC, b. 7, t. 62. FK 186.2

    Ny asa fitoriana tena izy amin’alalan’fitsaboana dia ny fampiharana ny Filazantsara. - TFC, b. 8, t. 168.FK 186.3

    Ny asan’dokotera misionera dia asan’mpamaky lay eo amin’filazantsara. Eo amin’asa fitoriana ny teny sy eo amin’asan’dokotera misionera dia tokony hotorina sy hampiharina ny filazantsara. - TMF, t. 108.FK 186.4

    Ilay Mpamonjy izao tontolo izao dia nanokana fotoana betsaka kokoa sy nandany hery betsaka kokoa hanasitranana ireo marary noho ny hitory teny. Ny hafany farany ho an’ireo mpianany, izay mpisolotena azy teto an-tany, dia mikasika ny fametrahan-tanana amin’marary mba hahasitrana azy. Rehefa hiverina ny Tompo dia hidera ireo izay namangy ny marary sy nanampy ny ory. - TFC, b. 4, t. 225. FK 186.5

    Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahatonga ny asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana ho fitaovana hanomana ny fizaràna ilay fahamarinana mahavonjy ho an’izao vaninandro izao, dia ny fanambarana ny hafatry ny anjely fahatelo. Raha noheverina izany sitrapony izany dia tsy ho takontakona ny hafatra ary tsy ho voasembantsembana ny fandrosoany. - TFC, b. 2, t. 620.FK 186.6

    Katsaho aloha ny hanome izay ilain‘ireo sahirana, hamaivano ny fanaintainany sy ny fahoriany dia hahita lalana misokatra ianareo hamaboana ny fon‘izy ireo sy hametrahana ao ny voan‘ny tsara sy ny fivavahana. - TFC, b. 4, t. 227.FK 187.1

    Tsy misy zavatra afaka hampitombo ny hery ara-panahy noho izy, tsy misy mampitombo ny hafanam-po, ny fahatakarana sy ny hatsilon‘ny fihetseham-po noho ny mikarakara ireo marary sy ireo mamoy fo, manampy azy ireo hahita Ilay Fahazavana sy hametraka ny finoany amin‘i Jesôsy. - TFC, b. 1, t. 532.FK 187.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents