Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fifandraisana Akaiky Isam-Batan’olona

    Ilaina ny hanatonana akaiky ny olona amin‘ny alalan’fiezahana ataon‘ny tena mihitsy. Ho bebe kokoa ny vokatra azo raha ekena ny fotoana laniana amin‘ny fitorian-teny fa ampitomboina kosa ny fotoana atokana hanaovana asa mivantana. - TMF, t. 107.FK 166.1

    Irin‘ny Tompo ny hitondra amin‘ny fanahy tsirairay avy ny tenimpahasoavana. Ny asan’tena manokana no tsy maintsy hanatanterahana izany asan‘ny tsirairay izany. Io no fomba fiasan‘i Kristy. - HF, t. 196. FK 166.2

    Ireo izay tena nahomby tamin‘ny famaboana fanahy dia ireo lehilahy sy vehivavy izay tsy nirehareha tamin‘ny fahaizany fa tamim-panetren-tena sy finoana no nikatsahany izay hanampiana ny manodidina azy. Izany indrindra no asa nataon‘i Jesôsy. Nanakaiky ireo izay tiany hotratrarina Izy - GW, t. 194.FK 166.3

    Tokony hanatona ny olona tsirairay isika amin’fanahin’firaisam-po mitovy amin‘ny an‘i Kristy, ka hiezaka hanaitra azy ho liana amin’zavatra lehibe eo amin‘ny fiainana mandrakizay. Mety ho mafy tahaka ny lalana voahitsakitsaka ny fony, ary toa ho fiezahana very maina ny maneho azy ny Mpamonjy; nefa rehefa tsy afa-mampihetsika ny fandaharankevitra, ary tsy misy hery handresy lahatra ny fonjan-kevitra entina, ny fitiavan’i Kristy kosa, asehon‘ny fanompoan‘ny tena manokana, dia matetika manalefaka ny fo vato, ka afaka hamaka ny voan‘ny fahamarinana. - HF, tt. 38-39.FK 166.4

    Tratraro amin‘ny alalan’asa isam-batan‘olona ireo manodidina anao. Akekezo izy ireo. Tsy hahatanteraka ny asa tokony hatao ny toriteny fotsiny. Miandry anao any amin‘ny fonenan‘ireo izay tokony hovanginao ny anjelin’ Andriamanitra. Tsy azo afindra amin‘ny hafa izany asa izany. Tsy ny vola nampindramina na nomena no hahatontosa izany. Tsy ny toriteny no hanao izany. Amin‘ny alalan‘ny famangiana olona, firesahana, fivavahana, fiombonam-po aminy dia hambabo fo ianao. Io no asa fitoriana avo indrindra izay azonao atao. Mba hanaovana izany dia ilainao ny finoana tapa-kevitra sy maharitra, fahalemem-panahy tsy mety reraka sy fitiavana lalina ho an’ireo fanahy - TFC, b. 9, t. 41.FK 166.5

    Tamin‘ny niantsoana an‘i Jaona, Andrea, Simona ary Filipo sy Natanaela no nanombohana ny fanorenana ny fiangonana kristiana. Nandefa ny roa tamin‘ny mpianany ho an‘i Kristy i Jaona. Ny iray amin‘izy ireo indray, dia Andrea, nahita ny rahalahiny ka niantso azy ho eo amin‘ny Mpamonjy. Nantsoina indray i Filipo, ary izy nandeha niantso an‘i Natanaela. Tokony hampianatra antsika ny maha-zavadehibe ny ezaka ataon‘ny tsirairay ireo ohatra ireo, eo amin‘ny fanaovana antso mivantana amin‘ny havana aman-tsakaiza sy ny mpifanolobodirindrina amintsika. Misy ireo izay milaza fa nifandray tamin‘i Kristy nandritra ny fiainany manontolo, nefa tsy mbola nanao ezaka manokana mihitsy hitondra na dia fanahy iray aza ho eo amin’Mpamonjy. Navelany ho andraikitry ny mpitandrina ny asa rehetra. Mety hanana ny toetra ilaina ho amin‘ny niantsoana azy izany mpitandrina izany, nefa tsy vitan‘izy irery izay navelan’Andriamanitra ho an’mambran’fiangonana. - IFM, t. 1331,2.FK 167.1

    Iray amin’ireo fomba mahomby indrindra hampitana fahazavana ny ezaka isam-batan’olona. Ao an‘ivon‘ny tokantrano, any an-tranon‘ny mpifanolo-bodirindrina aminao, ao an-tongo-pandrian’marary na eny an-dalana mangina dia azonao atao ny mamaky ny Soratra Masina ka manambara teny momba an‘i Jesôsy sy ny fahamarinana. Amin‘izany dia misy voa sarobidy azonao afafy ka hamelana sy hitondra vokatra any aoriana any. - TFC, b. 6, tt. 428,429.FK 167.2

    Tsy maintsy haroina amin’izay zavatra asiana azy ny sira; tsy maintsy miditra sy mipariaka izany mba hiasan’heriny mitahiry. Toy izany ny fifampikasohana sy fifandraisana isam-batan’olona izay mahatonga olona ho tratry ny hery mahavonjin’Filazantsara. Tsy faobe no hamonjena azy ireo fa isam-batan’olona. Mahery ny hery miasa mangina. Tsy maintsy akaikezintsika ireo izay tiantsika hasian-tsoa. - TFMB, t. 36.FK 168.1

    Teo amin’fanahy tsirairay avy dia nahitan’i Jesosy olona tsy maintsy handefasana ny antso ho amin’fanjakany. Nahatratra ny fon’ vahoaka Izy satria nandeha teo anivony toy ny olona izay maniry ny soa ho azy ireo. Notadiaviny teny an-dalambe Izy, tany an-tranon’ tsirairay, teny ambonin’sambo, tao amin’synagoga, teny amoron’farihy sy tao amin’fanasana fampakaram-bady. Nihaona taminy teo amin’asa niantsoana azy andavanandro Izy, ka nasehony fa nahaliana Azy ny asa aman-draharahany ara-nofo. Nentiny tao amin’ ankohonana ny fampianarany ka tao ambanin’ hery miasa mangina avy tamin’fampianarany - Izy Andriamanitra - ireo fianakaviana tao amin’ankohonany avy. Nanampy tamin’ fahazoana ny fo ny firaisam-po matanjaka tao Aminy. - IFM, tt. 145, 146.FK 168.2

    Ny fomba fiasan’i Kristy ihany no hanome fahombiazana marina hahatrarana ny vahoaka. Nifangaro tamin’olona ny Mpamonjy toy ny anankiray izay nitady ny hanasoa azy ireo. Naneho ny fangoraham-pony nanompo teo amin’izay nilain’izy ireo Izy, ka nahazo ny fitokisany. Rehefa izany dia nibaiko azy Izy hoe: «Manaraba ahy.» - TMF, t. 107.FK 168.3

    Tokony hilaza an’i Kristy amin’ireo izay tsy mahalala Azy isika. Na taiza na taiza nisy Azy, na tao amin’synagoga, na teny amorondalana, na teny amin’sambokely nahantsona lavidavitry ny tany, na teo amin’fanasan’ny Fariseo na teo amin‘ny latabatry ny mpamory hetra, dia niteny tamin‘ny olona ny amin‘ny zavatra momba ny fiainana any ambony Izy. Ny lalàna mifehy ny zava-boahary, ny toe-javatra nitranga teo amin‘ny fiainana andavanandro dia nampifandraisiny tamin‘ny tenin‘ny fahamarinana. Ny fon‘ny mpihaino Azy dia voasintona teo Aminy, satria efa nanasitrana ny marary sy nampionona ny malahelo Izy ary nandray ny zaza teo an-trotroany ka nitahy azy. Rehefa nanoka-bava hiteny Izy, dia nifantoka teo Aminy ny sain‘izy ireny, ka ny teniny rehetra dia hanitry ny fiainana ho amin‘ny fiainana ho an‘ny fanahy. - HF, t. 293FK 168.4

    Nitondra rivo-piainana madio kokoa tao an-tokantranony ny fanatrehany, ary zary masirasira tsara niasa teo amin’fiarahamonina ny fiainany. Tsy nanao ratsy Izy sady tsy voaloto raha nifanerasera tamin‘ny olona tsy miraika, mahery setra sy tsy mahay manaja, raha nandeha teo anivon’mpamory hetra tsy marina, ny mpandanilany vola foana, ny Samaritana tsy marina, ny miaramila jentilisa, ny tantsaha mahery fihetsika sy ny vahoaka marobe mifangaro. Nilaza teny mitory fangorahana tetsy sy teroa Izy, raha nahita ny olona trotraky ny havizanana, nefa voatery hitondra entamavesatra. Niara-nitondra ny entany mavesatra Izy, ka naveriny taminy ireo lesona nianarany tamin’zava-boahary, dia lesona momba ny fitiavana ny fahalemem-panahy ary ny fahatsaran’Andriamanitra.FK 169.1

    Nampianariny ny rehetra hihevitra fa nomena talenta sarobidy ny isam-batan‘ olona, izay raha ampiasaina tsara dia hahazo harena maharitra mandrakizay ho azy. Nongotany toy ny ahi-dratsy hiala amin’fiainany izay rehetra fireharehana ary nampianariny tamin‘ny ohatra nomeny fa samy mitondra vokatra ho amin‘ny mandrakizay ny fotoana rehetra; fa tokony hankamamiana toy ny haren-tsarobidy ny fotoana rehetra ary ampiasaina ho amin‘ny fikasana masina. Tsy nisy olombelona noheveriny ho tsy misy vidiny, fa niezaka kosa Izy hampiasa ny fanafody antonona ny fanahy tsirairay Na iza na iza niarahany dia nampisehoany lesona izay nifanaraka tamin‘ny fotoana sy ny toe-javatra nitranga. Niezaka Izy hampitsiry fanantenana tao amin‘izay mahery fihetsika sy tsy misy antenaina indrindra, ka nasehony teo anatrehany ny toky, fa mety ho tonga olona tsy manan-tsiny sy malemy fanahy izy, ka hahatratra toetra amam-panahy izay mitory ny mahaZanak’Andriamanitra azy. Matetika Jesosy no nifanehatra tamin’ireo izay tafiditra tao ambany fahefan‘i Satana, ary tsy nanan-kery hialana amin‘ny fandrika novelariny. Ny olona kivy, marary, tratry ny fakam-panahy sy lavo toy ireny dia nilazan‘i Jesosy teny feno fangorahana tena mamy, teny nilaina sy nety ho azo ny heviny. Nisy hafa koa nifanehatra taminy izay teo am-pitolomana mivantana tamin‘ilay fahavalon‘ny fanahy Nampahereziny haharitra ireny, ary nomeny toky fa handresy; eo anilany mantsy ny anjelin‘Andriamanitra ka hanome azy ny fandresena. - IFM, tt. 80,81. FK 169.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents