Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsara Hotadidiana

    Eo amin’ny fifandraisantsika rehetra, dia tsara hotadidiana fa misy toko maromaro eo amin’ny fanandraman’ny hafa izay voatahiry tsy ho hitan’ny mason’olombelona mety maty. Misy tantara mampalahelo maromaro eo amin’ireo pejin’ny fitadidiana ary voaaro tsara amin’ny fomba feno fahamasinana izany tsy ho hitan’ny maso tia karokaroka. Voarakitra ao ireo tolona maharitra sy henjana ao anatin’ny toejavatra feno fizahan-toetra, mety ho olana ao an-tokantrano izany, izay mandemy isan’andro isan’andro ny herim-po sy ny fatokiana ary ny finoana. Mety hampahery sy hamparisika ireo mitolona mafy dia mafy amin’ny adim-piainana ny fiheverana madinidinika vokatry ny ezaka kely monja ombampitiavana. Ho an’ireo, dia mihoatra lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy ny fihazonan’ny tanana mahery sady feno fanampian’ny tena namana iray. Soa indrindra toy ny tsikin’ anjely ny teny feno fahelemem-panahy.FK 266.3

    Aoka koa ireo vahoaka maro miady amin’ny fahantrana, voatery miasa mafy ahazoana karama varimasaka, ary zara raha mba mahazo izay farafahakeliny ilainy ivelomana. Ny asa mafy sy ny tsy fananana, tsy misy fihatsarana azo antenaina, dia mahatonga ny entany ho tena mavesatra. Rehefa tovonan’ny fanaintainana sy ny aretina dia mila tsy ho zaka mihitsy ny vesatry ny entana. Rotidrotiky ny ahiahy sy ny fahorian-tsaina izy ary tsy fantany izay itodihana hitadiavana fanamaivanana. Miraisa fo aminy eo amin’ny fitsapana entiny, amin’ny fahoriam-pony sy ny fahadisoam-panantenany. Hampidanadana lalana ho anao hanampianao azy izany Lazao azy ireo teny fikasan’Andriamanitra, mivavaha miaraka aminy sy ho azy. Ampitsirio ao aminy ny fanantenana. - TMF, t. 121.FK 267.1

    Endrey ny habetsahan’ireo miaritra ady mafy, izay mahatsiaro tena ho osa sy ory ary kely finoana; heveriny fa tsy mba naharay soa na inona na inona izy ka tsy manana izay hisaorana. Teny kely amim-pitiavana monja anefa, sy topy maso kely feno fangorahana, na fanehoam-pankasitrahana izay soa ataony - izany ihany dia ampy ho fampiononana azy amin’ny ady mafy atrehiny samirery, ary toy ny rano mangatsiaka iray kapoaka gohin’ny fanahy anan-ketaheta. Mitenena kely aminy ange ianao ho fiaraha-miory aminy, ary andramo asian-tsoa ange izy, raha tsy mikodia teo ilay enta-mavesatra manindry mafy ny sorony. Fa ny teny na asa rehetra enti-mamonjy ny sasany toy izany dia fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra eto amin’ity taranak’olombelona very ity. - S, t. 25FK 267.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents