Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ampaherezo Ny Tanan’ny Mpiasa

    Ho faly tokoa Andriamanitra asa vita maro kokoa ataon’ny vahoakany, mihoatra noho ny taloha lasa rehetra, amin’ny fanehoana ny fahamarinana ankehitriny amin’ny vahiny eto Amerika. Andeha hampahatanjahina ny tanan’ny loholona Olsen (Ny Loholona Olsen no Tonia An-kapoben’ny Sampan-draharahan’ny Asa Ivelany any Amerika Avaratra ao amin’ny Fiombonambe Maneran-tany) sy ny an’ny mpiaramiasa aminy. Andeha tsy havela hiady irery izy ireo, amin’ny fanomezana bitika ho an’ny fisedrany asa goavana. - RH, 29 Okt. 1914.FK 282.5

    Nambaran’ny loholona Olsen tamintsika ny fanombohana mahavelom-bolo tamin’ireo Italianina, Serba, Romanianina, Rosianina, sy ny firenen-tsamihafa. Miara-paly aminy isika ny amin’izay rehetra vita, kanefa dia malahelo fatratra ny fontsika noho ny fahalalana fa ho be lavitra no navela noho ny tsy fahampian’ny enti-manana.FK 283.1

    Mino isika fa izay vao voaangona manokana avy any amin’ny fiangonana rehetra eto Amerika, dia hanampy ireo rahalahy miandraikitra io sampan-draharaha io hanafika kokoa any amin’ny tanàn-dehibe. Koa dia tokony ho betsaka no ho azo ao amin’ny laharana, ary avy amin’ireo no hampiroboroboan’ny mpiasa ho afaka mitory ny hafatra amin’ny iray firenena aminy eto amin’ny tanintsika sy any amin’ny firenena hafa eto ambonin’ny tany. - RH, 29 Okt. 1914.FK 283.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents