Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampifandraisana Ny FilazantsaraSy Ny Asa Fitoriana Amin’ny Alalan’ny Fitsaboana

    Tokony hifanindran-dalana ny fitoriana ny Filazantsara sy ny asa fitoriana amin’alalan‘ny Baiboly Ny Filazantsara dia tokony hiray amin‘ireo foto-kevitry ny fanavaozana marina ara-pahasalamana. Tokony hiseho amin‘ny lafim-piainana andavanandro ny maha-kristianina. Misy fanavaozana mahitsy sy lalina tokony hotanterahina. (...) Tokony hatolotsika ny olona ireo fotokevitry ny fanavaozana ara-pahasalamana, ary hataontsika izay rehetra azontsika atao mba hitaomana lehilahy sy vehivavy maro hahatakatra ny maha-ilana ireo fotokevitra ireo sy hampihatra izany. - TFC, b. 6, t. 379.FK 188.2

    Drafitra avy amin’Andriamanitra ny hiasantsika tahaka ny niasan’ireo mpianatra. Ny fanasitranana ara-nofo dia mifamatotra amin’iraka momba ny filazantsara. Eo amin‘ny asan‘ny filazantsara dia tsy tokony hosarahina na oviana na oviana ny fampianarana sy ny fitsaboana. - TMF, t. 104.FK 188.3

    Ny asa fitoriana amin‘ny alalan‘ny fitsaboana sy ny fitoriana mivantana ny Filazantsara no fantsona irin’Andriamanitra hanapariahana ny harena maharitry ny hatsarany. Ireo dia tokony ho toy ny onin‘aina manondraka ny Fiangonany. - BE, 12 Aog. 1901.FK 188.4

    Ireo mpitoriteny izay efa nahazo traikefa amin’fitoriana ny Filazantsara dia aoka hianatra hanatanteraka fitsaboana tsotra sy hiasa amim-pahendrena ho mpitory ny Filazantsara amin’maha-mpitory ny Filazantsara amin’alalan’asa fitsaboana azy - TFC, b. 3, tt. 440,441.FK 188.5

    Rehefa mandeha eny tontolo eny ny mpampiely boky dia mihaona amin’olona marary maro. Tokony hananany ny fahalalana azo ampiharina momba ny anton’aretina sy hahay fomba fitsabo tsotra mba hanampiana ireo mijaly. Ambonin’izany dia tokony hivavaka amim-pinoana sy fahatsorana ho an’ireo marary izy sady mampitodika azy ireo amin’Ilay Mpitsabo lehibe. Eo am-pandehanana sy eo am-piasana ho an’Andriamanitra dia mahazo ny fanampian’ireo anjely izy, izany no ahafahany mahita ny lalana mankamin’fo. Akory ny fidadasiky ny sahan’asa ho an’asa fitoriana izay mivelatra manoloana ny mpampiely boky mahatoky sy manolo-tena; ary akory ireo fitahiana horaisiny rehefa nahatontosa amim-pahavitrihana ny asany izy. - SW, 20 Nôv. 1902.FK 189.1

    Ny mpiasan’filazantsara tsirairay dia tokony hahatsapa fa ny fanaovana fampianarana momba ny foto-kevitry ny fiainana salama dia ao anatin’asa voafaritra hataony. Ilaina tokoa io asa io, ary midanadana ny varavarana hatraiza hatraiza handray izany. - TMF, t. 110.FK 189.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents