Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Vehivavy Misiônera

    Ny vehivavy, tahaka ny lehilahy, dia afaka mirotsaka antsehatra amin’asa fampahafantarana ny fahamarinana any amin’toerana izay handehan’izany ary haseho miharihary. Afaka mandray ny toerany eo amin’asa izy ireo amin’izao vanim-potoana sarotra izao, ary hiasa amin’alalan’izy ireo Andriamanitra. Raha vonton’fahatsapana ny adidin’izy ireo, ary hiasa eo ambany fitarihan’hery miasa manginan’Fanahin’Andriamanitra, dia hanana ny fifehezan-tena takina amin’izao fotoana izao, izy ireo. Hampamirapiratra amin’ireo vehivavy feno fanoloran-tena ireo ny fahazavan’Tavan’Tompo, ary izany no hanome azy ireo hery mihoatra noho ny an’lehilahy. Afaka manao asa izay tsy azon’lehilahy atao eo anivon’fianakaviana izy ireo, asa izay hahatratra ny fiainana anaty. Afaka hanatona akaiky kokoa ny fon’ireo izay mety tsy ho tratran’lehilahy izy ireo. llama ny asan’izy ireo. Afaka manao asa amin’fanazavana ny fahamarinana amin’olona ao an-tokantranony ny vehivavy tsy tia sehoseho sy manetry tena. Ny tenin’Andriamanitra hazavaina toy izany dia hiasa toy ny lalivay, ary fianakaviana manontolo no hiova fo noho ny hery miasa mangina avy aminy - TFC, b. 9, tt. 128,129 .FK 36.2

    Izay rehetra miasa ho an’Andriamanitra dia tokony hanana ny toetran’i Maria sy Marta mitambatra, - faniriana hanompo sy fitiavana amin-kitsim-po ny fahamarinana. Tsy maintsy hesorina tsy ho hitan’maso ny tena sy ny fitiavan-tena. Miantso vehivavy mpiasa mazoto Andriamanitra, mpiasa izay malina, mafana fo, malemy fanahy ary marina amin’ireo fitsipi-piainana. Miantso vehivavy feno fikirizana, izay hanala ny sainy amin’tenany sy izay mampahametimety azy, fa hampifantoka an’izany amin’i Kristy, hilaza ny tenin’fahamarinana, hivavaka miaraka amin’olona izay ahafahany manao izany, hiasa ho amin’fiovam-pon’fanahy - TFC, b. 6, t. 118.FK 37.1

    Afaka miasa amim-pahombiazana ny vehivavy amin’fahazoana olona misoratra anarana hividy ireo boky amangazetintsika, hitondra ny fahazavana amin’izany fomba izany eo anoloan’ireo saina marobe. - RH, 10 Jona 1880 .FK 37.2

    Misy vehivavy mendrika izay nanana fahasahiana ara-panahy ny hanapa-kevitra hiandany amin’fahamarinana noho ny lanjan’porofo miharihary. Nanaiky ny fahamarinana tamin’hitsim-po izy ireo. Manana fahaizana mifandray aman’olona izy, fahaiza-mandray hevitra, sy fahafaha-manao tsara, ary hahatonga azy ireo ho mpiasa feno fahombiazana ho an’Tompony izany. Nantsoina ho amin’izany ny vehivavy kristianina. - RH, 19 Des. 1878 .FK 37.3

    Afaka manompo ho toy ny mpiasa malina ireo rahavavintsika, amin’fanoratana sy ny fiezahana hanavaka ny tena fihetseham-pon’namana izay mandray ny taratasy sy ny trakta (...). Ny vehivavy manana fitsipi-piainana hentitra sy toetra mazava no ilaina, vehivavy izay mino fa miaina tokoa amin’andro farany isika, ary manana hafatra fampitandremana miezinezina omena an’izao tontolo izao isika (...). Ireo no ho olona izay azon’Andriamanitra ampiasaina amin’asa misiônera sy hizara trakta (...). Afaka hanao asa sarobidy ho an’Andriamanitra izy ireo amin’fanaparitahana ny trakta sy fizaràna azy amim-pitandremana ny gazetiboky Signs of the Times (famantarana ny fotoana). - RH, 19 Des. 1878.FK 37.4

    Tsy mampirisika ny fiezahan’vehivavy ho tonga mpifidy na mpiasa birao aho; fa ho toy ny misiônera, hampianatra ny fahamarinana amin’alalan’fifandraisana an-taratasy, fizaràna trakta sy fangatahana ny olona hisoratra anarana amin’ireo gazetiboky izay mirakitra ny fahamarinana miezinezina amin’izao fotoana izao, afaka manao asa lehibe tokoa izy amin’izany. - RH, 19 Des. 1878.FK 38.1

    Raha misy vehivavy roapolo any amin’toerana izay tsy misy afa-tsy anankiray ankehitriny, izay hanao izany iraka masina izany ho toy ny asa ankafiziny, dia hahita fiovam-po ho amin’fahamarinana bebe kokoa isika. - RH. 02 Jan. 1879.FK 38.2

    llama ankehitriny ny vehivavy afaka miasa, vehivavy izay tsy manambony tena, fa mora fanahy sy tsy miavona am-po, izay hiasa amin’halemem-panahin’i Kristy na aiza na aiza toerana mety hahitany asa hatao ho famonjena fanahy. - RH, 02 Jan. 1879.FK 38.3

    An-jatony ireo vehivavy izay tokony ho eo am-perin’asa ankehitriny raha tiany izany. Tokony hampitafy ny tenany sy ny zanany amin’fitafiana tsotra kanefa tsara, milamina sy madio ary mateza izy ireo, ho afaka amin’ireo firavaka, ary hanokana ny fotoana izay nolaniany tamin-javatra tsy misy ilàna azy amin’asa misiônera. Taratasy maro no tokony hosoratana amin’ireo namana any an-tany lavitra. Afaka mihaona ny rahavavintsika, mifampila hevitra ny amin’fomba tsara indrindra hiasana. Azo atao tahiry ny vola mba hatao fanatitra ho an’Andriamanitra, hampiasaina amin’taratasy sy trakta halefa any amin’ireo namany. Tokony handeha hiasa ireo izay tsy manao na inona na inona ankehitriny. Aoka ny rahavavy tsirairay izay milaza ho zanak’Andriamanitra hahatsapa tokoa ny andraikitra hanampy ireo rehetra izay mety ho tratrany. - RH, 12 Des. 1878 .FK 38.4

    Vonona ny hanala tsiny ny tenany ny rahavavy tsy hitondra ny andraikitra izay mitaky fisaintsainana sy fampiasantsaina ety kokoa; kanefa izany dia fifehezan-tena ilain’izy ireo ho fanatanterahana ny fanandramana kristianina. Mety ho mpiasa any amin’saha misiônera izy ireo, manana fahalianana manokana amin’fìzaràna trakta sy pejy voasoratra izay maneho araka ny tokony ho izy ny finoantsika. - RH, 12 Des. 1878.FK 39.1

    Ry rahavavy, aoka tsy hety ho sasatra amin’asa misiônera amim-pahalianana. Io no asa izay azon’rehetra hirotsahana amim-pahombiazana, raha toa ka miray amin’Andriamanitra ianao. Mialoha ny hanoratana ny taratasy famotopotorana, asandrato mandrakariva amin’Andriamanitra amin’alalan’vavaka ny fonao, mba hahatonga anao ho feno fahombiazana amin’fanangonana ireo sampana maniriniry ho azy izay mety hatao grefy amin’ilay tena voaloboka, ary hitondra vokatra ho voninahitr’Andriamanitra. Hanofana ny tenany mandrakariva ho toy ny mpiasa ao amin’tanimboaloboky ny Tompo ireo rehetra izay manana fo manetry tena handray anjara amin’izany asa izany. - RH, 10 Jona 1880 .FK 39.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents