Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hevitra Iray Mampidi-Doza

    Ny olona sasany, izay matahotra fa ho very ny hareny aranofo, dia manadino ny vavaka sy ny fiarahan’izy ireo mivory ho fiderana an’Andriamanitra, mba hananany fotoana bebe kokoa hatokana ho an’ny fiompiany sy ny famboleny na ny raharahany. Asehony amin’ny alalan’ny asany izay tontolo ametrahany ny fanantenana ambony indrindra ho azy. Ataony sorona ny tombontsoa ara-pivavahana izay zavadehibe indrindra ho an’ny fandrosoany ara-panahy, noho ny zavatr’izao fiainana izao, ka tsy azony ny fahalalana ny sitrapon’ Andriamanitra. Mihena ny fahafahany manatratra ny fahatanterahan’ ny toetra kristianina, ka tsy tsapany ny fandrefesan’Andriamanitra. Ataony lohalaharana ny tombontsoany araka izao tontolo izao amin’izao fotoana izao, ka robainy Andriamanitra amin’ny fotoana izay tokony hatokany ho amin’ny fanompoana Azy. Asian’Andriamanitra marika ny olona toy izany, ka handray ozona izy ireo fa tsy fitahiana. - TFC, b. 2, t. 654 .FK 300.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents