Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Sahy Sy Marina

    Izay ilain’ny fiangonana amin’izao andro feno hotakotaka ankehitriny izao, dia ny hanana andiam-piasa mpitory ny filazantsara, tsara ofana tahaka an’i Paoly, mpiasa nanao fanandramana lalina ny amin’ Andriamanitra, ary miasa aminjoto sy hafanampo. Ilaina ny olona nohamasinina sy vonona handà tena, olona izay tsy mihemotra na eo anoloan’ny fitsapana, na eo anoloan’ny andraikitra ; olona sahy sy tso-po, manana an’i Kristy ao am-pony ho “ fanantenana ny voninahitra>>, manana molotra voakasiky ny “vain ‘afon ‘ ny alitara, ka vonona hitory ny Teny.”FK 343.2

    Mandringa ny asan’ Andriamanitra satria tsy misy ny olona toy izany. Toy ny poizina mahafaty ny fahadisoankevitra, manimba ny fanahin’ny olona, ka mampilofika ny fanantenan’ny ankamaroan’ny taranak’ olombelona. - VM, tt. 444, 445.FK 343.3

    Amin’ny alalan’ny ady mahery vaika, eo anivon’ny mpanohitra, loza, fahaverezana ary ny fijalian’ny olombelona no ampandrosoana ny asa famonjem-panahy. Ao anatin’ny tolona iray, rehefa maratran’ ny tafiky ny fahavalo ny iray amin’ireo antokon’ny miaramila manafika, dia midina ny faneva ka mihemotra ny tafika. Miantso mafy azy hitondra ny faneva hiverina ny kapiteny, kanefa ny valiny dia nanao hoe:, “ ento hanandratra ny faneva ny tafika!” Izany no asa ankinina amin’ny mpitondra faneva mahatoky, - dia ny hitondra ny tafika hanandratra ny faneva. Mitaky ny fanolorana ny fo manontolo ny Tompo. Fantatsika rehetra fa ny fahotan’ny mpino kristianina maro dia tsy fahampian’ny fahasahiana sy hery hitondra azy sy ireo mifandray aminy hanandratra ny faneva. - TFC, b. 9, tt. 45, 46.FK 343.4

    Andriamanitra dia tsy afaka hampiasa olona matahotra hijoro amin’ny marina eo amin’ny fotoana itrangan’ny loza, satria amin’izay indrindra no tena ilaina ny hery mendrika halaintahaka avy aminy, ny herim-pony mbamin’ny fahasahiany. Mitaky olona izay hiady amimpahatokiana amin’ny ratsy Izy, “ amin ‘ny fanapahana sy ny hery, amin ‘ny andrinan’fahamaizinana amin’izao tontolo izao, amin’fanahy ratsy eny amin’rivotra”. Amin’izy ireo no hitenenany indray andro any izao teny izao hoe: “ Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; (...) midira amin’fifalian’tomponao”. - MM, t. 114.FK 344.1

    Mitaky olona toa an-dry Elia sy Natana ary Jaona Mpanao batisa Andriamanitra, - dia olona izay hanambara ny hafatra nampitondraina azy amim-pahatokiana tanteraka ary tsy hatahotra izay mety ho setrin’izany, - olona izay hampiely aminkerim-po ny fahamarinana, na dia hitarika azy ho amin’ny famoizana izay rehetra ananany aza izany. — MM, t. 114.FK 344.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents