Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fiderana Sy Fankasitrahana

    (...) Ny midera an’Andriamanitra amin’ny fahafenoana sy ny fahatsoran’ny fo dia sady adidy no fivavahana. Tokony haneho amin’izao tontolo izao isika sy amin’ny mponina any an-danitra rehetra fa mankasitraka ny fitiavan’ Andriamanitra mahagaga ho an’ny olombelona lavo, sady manantena fitahiana bebe kokoa hatrany avy amin’ny fahafenoana tsy hita lany (...) Aorian’ny firotsahan’ny Fanahy Masina amin’ny fomba manokana, ny fifaliantsika ao amin’ny Tompo sy eo amin’ny fahombiazantsika eo amin’ny asany, dia hitombo be dia be amin’ny fitantarana indray ny fahatsarany sy ny asa mahagaga ataony ho an’ny zanany.FK 299.1

    Manosika ny herin’i Satana hiala ny fanazaran-tena hiresaka toy izany, manaisotra ny toe-tsaina mpimonomonona sy mpitaraina izany, ary mampihemotra ilay mpaka fanahy. Manolokolo kosa ireo lafin-toetra izay hahatonga ny mponin’ny tany ho mendrika ny tranon’ ny lanitra izy.FK 299.2

    Ny filazalazana toy izany dia hanana hery miasa amin’ny hafa. Tsy misy fiasana mahomby noho izany azo ampiasaina hahazoana fanahy ho an’i Kristy. - HF, tt. 259, 560 FK 299.3

    Irin’ny Tompo isika hanao filazana ny hatsarany sy hitantara ny momba ny heriny. Omem-boninahitra noho ny amin’ny fankasitrahana sy fisaorantsika Azy Izy. Hoy Izy: “ izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy” - Sal. 50:23. Ny vahoakan’Isiraely raha nandeha namakivaky ny efitra, dia nidera an’Andriamanitra tamin’ny hira masina. Nasiana feony ny lalàna sy ny teny fikasan’ny Tompo ary teny am-pandehanana teny dia nohirain’ireo mpivahiny ireo izany. Ary tany Kanana rehefa nihaona teo amin’ireo fotoam-piravoaravoana masina izy, dia naverina notantaraina ny asan’Andriamanitra mahagaga, ka nisy fisaorampankasitrahana natolotra ny anarany. Irin’Andriamanitra ho tonga fiainam-piderana manontolo ny fiainan’ny vahoakany. - HF, tt. 258, 259 .FK 300.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents