Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanavaozana Ara-Pahalalana Onony

    Amin’ireo rehetra milaza ho anisan’ny sakaizan’ny fahalalana onony, dia ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito no tokony ho voalohan-daharana. - GW, t. 384.FK 307.1

    Manoloana ny olan’ny fahalalana onony, tapaho ny hevitrao ka aoka ho hentitra. Aoka ho mafy tahaka ny vatolampy. - GW, t. 394.FK 307.2

    Manana asa hatao miaraka amin’ny fahalalana onony isika ankoatra ny firesahana azy eny an-kavoriana. Tsy maintsy asehontsika amin’ny boky sy ny taratasy ny foto-kevitsika. Tsy maintsy ampiasaintsika ny fitaovana mety rehetra hanairana ny olontsika ho amin’ny asany hifandray amin’ireo tsy mahalala ny fahamarinana. Ny fahombiazana azontsika teo amin’ny asa misiônera dia nifanaraka tanteraka tamin’ny ezaka misy fandavan-tena sy fahafoizan-tena nataontsika. Ny Tompo irery ihany no mahalala hoe hatraiza no vitantsika raha amin’ny maha-olombelona ka nanetry ny tenantsika teo anatrehany isika, sy nanambara ny fahamarinan’ny fahalalana onony tamin’ny fomba mazava sy mahitsy. - GW, t. 385.FK 307.3

    Atao hotohanan’ny olon’Andriamanitra amin’ny fomba hentitra ny fahalalana onony Miezaka mafy hifehy ny tsy fahalalana onony; mitombo ny fanomezana fahafaham-po ny tena, ka tena ilaina tokoa ny fampahafantarana mikasika ny fanavaozana ara-pahasalamana. Ny literatiora mirotsaka eo amin’io lafiny io no tanana manampy ny filazantsara, mitarika ny fanahy hitady ny Baiboly hahafantarana bebe kokoa ny fahamarinana. Tokony hampanakoakoana ny pejy voasoratra mampitandrina ny amin’ny faharatsian’ny tsy fahalalana onony; ka tokony hotanterahina izany, tokony hianatra sy hanatanteraka ny tari-dalana voarakitra eo amin’ny takelaka sy ny bokintsika ara-pahasalamana ny mpitandrina ny Sabata tsirairay. Ary tokony hanao mihoatra noho izao izy: tokony hanao ezaka mafy indrindra hanapariahana ireo pejy voasoratra ireo amin’ny manodidina azy izy. - SW, 20 Nôv. 1902.FK 307.4

    (...) Asehoy azy ny soa mety ho vitany amin’ny vola izay laniany ankehitriny amin’izay manimba azy fotsiny. Ataovy eo anatrehany ny fanekena momba ny fifadian-java-pisotro, ny sigara, na fanaranampo tahaka izany mba hatokana hanamaivanana ny mahantra, ny marary, na hitaizana ny zaza sy ny tanora mba hahavita soa eto amin’izao tontolo izao. — TMF, tt. 172, 173 .FK 308.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents