Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Anjara Asan’ny Fiangonana Tsirairay

    Misy hafatra mikasika ny fanavaozana ara-pahasalamana izay tokony hoentina isaky ny fiangonana tsirairay - TFC, b. 6, t. 370.FK 191.1

    Ny asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana dia tokony ho tafiditra ho anisan’asa tanterahin’fiangonana eto amin’tanintsika. - TFC, b. 6, t. 289.FK 191.2

    Tonga ny vanim-potoana izay tokony handraisan’mambran’fiangonana tsirairay anjara amin’asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana. - TFC, b. 7, t. 62.FK 191.3

    Ny asan’fanavaozana ara-pahasalamana no fomba entin’Tompo mampihena ny fahoriana eto amin’izao tontolo izao misy antsika hanadiovana ny fiangonany. Ampianaro ny olona fa azony atao ny miasa amin’maha-tanankavanan’Andriamanitra amin’alalan’fiaraha-miasa amin’Ilay Tompon’asa mba hamerina amin’laoniny ny fahasalamana ara-batana sy ara-panahy. Izany asa izany dia mitondra ny sonian’lanitra ary hanokatra varavarana maro hidiran’ireo fahamarinana sarobidy. Amin’izany dia misy toerana ho an’ireo rehetra te handray anjara amin’izany asa izany amim-pisainana. - TFC, b. 9, tt. 112,113.FK 191.4

    Misy vanim-potoana mikotroka miandry antsika, kanefa aoka isika tsy hanonona na iray aza teny maneho tsy finoana na fahakiviana. Aoka hotsaroantsika fa isika dia mitondra hafa-panasitranana ho an’izao tontolo izao izay feno fanahy mararin’fahotana. - SpT, B, lah. 8, t. 24.FK 191.5

    Raha tontosaina araka ny tokony ho izy izany asa izany dia hamonjy fanahy mpanota mahantra maro izay tsy noraharahain‘ireo fiangonana. Maro amin’ireo tsy mpiray finoana amintsika no miandrandra ny famonjena izay adidin‘ny Kristianina ny hizara azy. Raha tena maneho fiheverana marina ny mpiara-monina aminy ny vahoakan‘Andriamanitra dia ho maro no ho tonga amin‘ny fahamarinana manokana ho an‘izao vaninandro izao. Tsy hisy mihitsy zavatra hanome lanja kokoa ny asa noho ny olona manampy ny hafa eo amin‘ny toerana misy azy. An‘arivony ankehitriny ireo afaka ny hifaly noho ny hafatra raha toa ka miasa tahaka ny niasan’i Kristy ireo izay manambara fa tia an‘Andriamanitra sy mitandrina ny didiny.FK 191.6

    Rehefa mambabo olona toy izany ho amin’fahalalana mahavonjy an‘i Kristy sy ny fahamarinany ny asa fitoriana amin’alalan‘ny fitsaboana dia ho azo atao ny mampiasa amim-pitokiana vola sy ezaka mavitrika; satria izany asa izany dia haharitra. - TFC, b. 6, t. 280.FK 192.1

    Ny olontsika dia tokony haneho fahalianana miredareda ny amin‘ny asa fitoriana amin‘ny alalan‘ny fitsaboana. Aoka izy ireo hanoman-tena ho olona ilaina amin’alalan‘ny fianarana ireo boky voasoratra ho fampianarana antsika momba izany Mendrika fifantohana sy fandraisana be lavitra noho izay efa nomena azy ireny boky ireny. Be ireo efa voasoratra ho an‘ireo afaka mahatakatra noho ny tanjona manokana dia ny hampianatra ireo foto-kevitry ny fahasalamana. Ireo izay mandalina sy mampihatra izany foto-kevitra izany dia hotahina be ara-batana sy ara-panahy. Ny fahazoana ny filôzôfian‘ny fahasalamana dia ho arofanina miaro amin’ireo ratsy izay tsy mitsaha-mitombo. - TFC, b. 7, t. 63.FK 192.2

    Natoro ahy fa ny asa fitoriana amin‘ny alalan‘ny fitsaboana dia hampipongatra ireo olona sasany izay, na dia efa nanolo-tena tamin‘ny tsy fahalalana onony sy fahazarana tsy mendrika aza, dia hamaly ny antso vokatry ny asa natao. Kanefa mila fankasitrahana sy fankaherezana izy ireo. Ezaka matotra, maharitra sy mavitrika no takina mba hampahatanjaka azy ireo. Tsy afaka manarina samirery ny tenany izy ireo. Mety handre ny antson’i Kristy izy ireo, kanefa ny sofiny dia mbola donto loatra ka tsy afaka hahazo ny hevitr‘izany; jamba loatra ny mason‘izy ireo ka tsy afaka hahita ny zava-tsoa izay efa voaomana ho azy ireo. Maty ao amin’fahadisoana sy fahotana izy ireo. Kanefa na izy ireo aza dia tsy voailika tsy handray anjara amin’firavoravoan’Filazantsara. Ho azy ireo ilay fanasana hoe: «Avia.» Na dia mahatsiaro tena ho tsy mendrika aza izy ireo dia hoy ny Tompo: «Tereo hiditra izy.» Aza mandray fialan-tsiny. Hazòny amin’alalan’fitiavana sy hatsaram-panahy izy ireo. - TFC, b. 6, tt. 279,280.FK 192.3

    Ireo izay mifidy izany lalan’asa [fampielezam-boky] izany dia tokony hiomana hanatanteraka asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana. Ireo marary sy mijaly dia tokony hampiana. Maro amin’ireo izay hanatanterahana izany asa izany no handre sy hanaiky ny teny fiainana. - TFC, b. 9, t. 34.FK 193.1

    Iza no miomana handray anjara amim-pisainana amin’asa fitoriana amin‘ny alalan’fitsaboana? (...) Ny mpiasa tsirairay dia tokony hahomby amim-pisainana. Amin’izany dia ho azony atao ny hanolotra ny fahamarinana ao amin’i Kristy amin’fomba avo sy mivelatra. - TFC, b. 7, t. 70.FK 193.2

    Aoka handroso ny asan’Tompo. Aoka handroso ny asa fitoriana amin’alalan’fitsaboana sy ny asa fanabeazana. Azoko antoka fa io no tsy ampy betsaka eo amintsika, - dia mpiasa mavitrika, maram-tsaina sy mahomby. - TFC, b. 9, tt. 168,169.FK 193.3

    Aoka izy ireo hizara ireo foto-kevitra velona momba ny fanavaozana ara-pivavahana amin’ireo fiarahamonina izay mbola tsy mahafantatra izany amin’ampahany betsaka. - TFC, b. 9, t. 118.FK 193.4

    Nankinina tamiko ny hilaza amin’ireo mpanabe momba ny fanavaozana hoe: mandrosoa. Ilain’izao tontolo izao ny hery miasa mangina rehetra azonao ampiasaina mba hanoherana ny onjan’faharatsiana ara-môraly. Aoka hijoro marina amin’fanevany ireo izay mampianatra ny hafatry ny anjely fahatelo. - TFC, b. 9, t. 113.FK 194.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents