Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 21 - Tokantrano, Sahan’Asa Fitoriana

    Atao Loha Laharana

    Ny tokantrano no sekolin’ny zaza voalohany indrindra, ary ao no tokony hametrahany ny fototry ny fiainana feno fanompoana. - TMF, 330 .FK 289.1

    Manomboka ao an-tokantrano ny famerenana indray ho amin’ny laoniny sy ny fanandratana ny olombelona. Fototry ny zavatra rehetra ny asan’ny ray aman-dreny. Fianakaviana no mahatonga ny fiaraha-monina, ary ny toetran’izany dia araka izay anaovan’ny loham-pianakaviana azy Avy ao amin’ny fo no «iavian ‘ny aina» (Ohab. 4 :23); ary ny fon’ny fiaraha-monina, ny fiangonana sy ny firenena dia ny ankohonana. - TMF, t. 283.FK 289.2

    Arakaraka ny fahafenoan’ny toe-tsain’ny tena fanompoana marina manenika ny tokantrano, arakaraka izany koa ny fahafenoan’ny fitomboan’izany ao amin’ny fiainan’ny ankizy. Hianatra ny hahita fifaliana eo amin’ny fanompoana sy ny fahafoizan-tena mba hahasoa ny hafa izy. - TMF, tt. 330, 331.FK 289.3

    Aza avela hisy ray aman-dreny hanadino ny iraka lehibe izay mipetraka eo anoloan’izy ireo. Isaky ny zaza iray natolotra ny reny, dia manana asa masina nomen’Andriamanitra azy izy. “ Raiso ity zaza ity” hoy ny Tompo “ ary tezao ho Ahy. Voleo toetra tsara toy ny lapa, mba hamirapiratany eo an-kianjan’Andriamanitra mandrakizay.” Ny famirapiratana sy ny voninahitra asehon’ny seza fiandrianan’Andriamanitra dia mipetraka amin’ny reny mahatoky amin’ny fitaizana tsara ny zaza, handresy ny fakampanahin’ny devoly. - TFC, b. 9, t. 37.FK 289.4

    Ny asantsika ho an’i Kristy dia ny manomboka eo amin’ny fianakaviana, ao an-tokantrano (...) Tsy misy tany famafazana tsara noho io. Amin’ny fitarihana sy ohatra asehony no ampianaran’ny ray aman-dreny ny zanany hitarika ireo tsy mpino. Tokony ho tsara anatra ny zaza ka ho tena mpanohana ny asa arakaraka ny fitomboany, ary hitady hampahamaivana ny fahorian’ny mahantra sy ny sahirana. Ampianaro ho ary saina amin’ny asa fanompoana izy, ary amin’ny fahazazany, dia ampianaro ny handà tena sy hanao fanompoana ho fanasoavana ny hafa, ary fanarahana ny dian’i Kristy, mba hahatongavany ho tena mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Kanefa raha mianatra ny hitory ny fahamarinana amin’ny hafa izy dia aoka hanomboka ao an-tokantrano, ao amin’ireo izay manana “Ilay Fitiavana” mampiray azy. - TFC, b. 6, t. 429 .FK 290.1

    Ny fandaminana ny tokantrano dia tokony ho ara-drariny, ny ezaka rehetra atao dia tokony hahaliana ny rehetra. Tokony hojerena akaiky izay hahazoana ny fitiavan’ny ankizy amin’ny fiasana amin’ireo tsy mpino mba hanaovany izay tsara sy hanehoany ny toetr’i Kristy amin’ny toerana rehetra alehany. - RH, 4 Jol. 1893.FK 290.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents