Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 10 - Fomba Fiasa

    Fitetezan-Trano

    Mitovy lanja amin‘ny ezaka manokana ho an‘ny daholo be ny asa fitetezana ny trano fonenan‘ny olona. Any amin‘ireo tanàna lehibe dia misy sokajin‘olona izay tsy azo tratrarina amin‘ny alalan‘ny fivoriana ho an‘ny daholo be. Izy ireny dia tokony hozahana toy ny fizahan‘ny mpiandry ondry ny ondriny very. Tokony hanaovana ezaka matotra avy amin‘ny tsirairay izy ireny. Rehefa atao ambanin-javatra ny ezaka ataon‘ny tsirairay dia hirika sarobidy maro no very, izay raha nampiasaina, dia ho nampandroso tokoa ny asa. - TFC, b. 9, t. 111.FK 160.1

    Ilaina ny asa sy tenim-piombonam-po. I Kristy dia nisantatra ny fanambarana ny hafany tamin‘ny alalan‘ny asan‘ny fitiavana sy fanaovan-tsoa. Aoka ireo mpiasa ireo handeha isan-trano, hanampy rehefa ilaina izany araka izay fahafaha-manao miseho, hanambara ny tantaran‘ny hazo fijaliana. I Kristy no tokony ho fototry ny asan‘izy ireo. Tsy tokony hitarazoka eo amin‘ireo foto-pinoana ny resaka; aoka izy ireo hanambara ny asan‘ny sorona nataon‘i Kristy. Aoka izy ireo hanandratra ny fahamarinany eo amin‘ny fiainan‘izy ireo izay ahitana ny fahadiovan‘i Kristy - TFC, b. 7, t. 228.FK 160.2

    Andriamanitra dia tsy manavakavaka olona. Hampiasa ireo Kristianina manetry tena sy mahafoy tena Izy, na dia tsy nandray fanabeazana mafonja toy ny sasany aza izy ireo. Aoka ny olona toy izany hirotsaka amin‘ny fanompoana Azy amin‘ny alalan‘ny fanaovana asa isan-tokantrano. Eo ampitafatafana - raha toa izy ka manetry tena, tsy tia sehoseho sy tia vavaka - dia ho azon‘izy ireo atao ny hamaly kokoa izay ilain‘ireo fianakaviana noho ny ataon‘ny mpitandrina aza. - TFC, b. 7, t. 21.FK 160.3

    Amin‘ireo mambran’fiangonantsika dia tokony hihamaro kokoa ireo mpitarika fianarana Baiboly isan-tokantrano. - TFC, b. 9, t. 127.FK 161.1

    Ireo izay mirotsaka amin’asa isan-tokantrano dia hahita hirika hiasana amin‘ny fomba maro samy hafa. Tokony hivavaka ho an‘ny marary izy ireo ary tokony hanao izay rehetra tratry ny heriny hanalana azy ireo amin’fahoriana. Tokony hiasa eny an’ivon’ireo ambany, mahantra sy ampahorina izy ireo. Tokony hivavaka ho azy sy hiaramivavaka amin‘ireo tsy mana-mpanampy izay tsy manana herin-tsitrapo hifehezana ny filana ka nosimbain’fanaranam-po. Tokony hotanterahina ny ezaka mavitrika sy mitozo ho famonjena ireo izay misy fahalianana mifoha ao am-pony. Maro ireo izay ho tratra amin’alalan’asa ankatsaram-panahy tsy mitady tambiny fotsiny ihany. Tokony hokarakaraina voalohany indrindra izay zavatra ilain’izy ireo ara-batana. Rehefa hitan’izy ireo ny porofon’fitiavantsika tsy misy fitiavan-tena, dia ho mora kokoa ho azy ireo ny hino ny fitiavan’i Kristy - TFC, b. 6, tt. 83,84.FK 161.2

    Aoka handeha isam-baravarana ireo mpiasa ka hanokatra ny Baiboly amin’olona, hampiely ireo asasoratra, hanambara amin’hafa ny fahazavana izay nandraisan’tenany fitahiana - TFC, b. 9, t. 123.FK 161.3

    Nandeha isan-tokantrano ny Mpamonjintsika, nanasitrana ny marary, nampahery ny mitomany, nampitony ny mijaly, nanonona fiadanana sy fampiononana. Notrotroiny ny ankizy ka notahiny ary nilaza tenim-panantenana sy fankaherezana izy ho an‘ireo reny trotraka. Tamin-katsaram-panahy sy halemem-panahy tsy niovaova no matrehany ny fahonana sy ny fijalian‘olombelona rehetra. Tsy ho an‘ny tenany fa ho an‘ny hafa no nanaovany ny asany. Nanompo ny rehetra Izy. Ny haniny sy ny fisotrony dia ny hitondra fanantenana sy hery ho an’ireo rehetra nifandraisany. - GW, t. 188.FK 161.4

    Ny fanolorana ny fahamarinana amim-pitiavana sy fahatsorana isan-tokantrano dia mifandrindra amin’toromarika izay nomen’i Kristy ny mpianany raha nandefa azy ireo hanatanteraka ny irany voalohany Izy. Amin‘ny alalan’hira fiderana sy amin‘ny alalan‘ny vavaka manetry tena sy miloatra avy ao am-po dia ho maro no ho tratra. Ilay Andriamanitra Miasa dia hanatrika ka handefa faharesendahatra ao amin’ireo fo. Teny fikasana nomeny ny hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva.” Amim-pahatokiana ny fanatrehana maharitry ny mpanampy toy izany dia azontsika atao ny hiasa amim-pinona sy fanantenana ary herim-po - TFC; b. 9, t. 34.FK 162.1

    Ilaina ireo mpiasa isan-tokantrano. Miantso ezaka tsy miverindalana ny Tompo mba hampiasaina ho an‘ireo tsy mahalala na inona na inona momba ny fahamarinana raketin’Baiboly. Ilaina any an-tokantranon‘ny olona ny hira sy ny vavaka ary ny fandinihana Baiboly. Ankehitriny dia ankehitriny no fotoana hankatoavana ny iraka hoe: “ Mampianara azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Ireo izay manao izany asa izany dia tokony hanana fahavononana avy amin’fahalalana ny Soratra Masina. Ny “ Voasoratra hoe” no tokony ho fitaovampiadiana hoenti-miaro tena. - CT, t. 540.FK 162.2

    Ry anadahy sy rahavaviko isany, vangio ireo izay monina manodidina anao, ary amim-piombonam-po sy hatsarampanahy dia katsaho izay hahatrarana ny fon‘izy ireo. Ataovy azo antoka fa ny asa ataonao dia mitondra voka-tsoa fa tsy miteraka fahavoazana. Ary tsarovy fa ireo izay mahafantatra ny fahamarinana ankehitriny nefa mihazona ny ezany tsy ho an‘ny fiangonany sy mandà ny hiasa ho an‘ireo manodidina azy dia hadinina noho ny adidy tsy vitany - TFC, b. 9, t. 34.FK 162.3

    «Tamin‘io diany voalohany io no nandeha tany amin‘izay efa nialohavan‘i Jesosy azy ny mpianatra, ka dia efa nisy sakaiza fantany sahady, ary nanomana indrindra ny fiomanany ho amin‘ny diany izany. Tsy misy na inona na inona navelany hampihataka ny sainy tamin‘ny asany lehibe, na hanetsika fanoherana azy tsy ahoan-tsy ahoana ka hanidy ny varavarana ho amin‘ny asany manaraka. Tsy tokony hitondra ny fitafian‘ireo mpampianatra ara-pivavahana izy, na hanao fitafy izay hampiavaka azy amin‘ny tantsaha tsotra. Tsy hiditra ao amin‘ny synagoga izy ka hiantso ny vahoaka hanatrika fanompoam-pivavahana ho an‘ny besinimaro; ny ezaka izay hataony dia eo amin’asa fitetezana tokantrano. Tsy handany fotoana amin‘ny fiarahabana tsy misy antony izy, na hitety tokantrano hiantranoana fotsiny. Fa amin‘ny toerana rehetra izay halehany no handraisan‘ny olona azy amin‘ny fony tokoa tahaka ny mampiantrano an‘i Kristy mihitsy. Hiditra ao an-tokantrano izy ary hitondra ny fiarahabana kanto hoe: «Fiadanana ho amin’ity trano ity” - Lio. 10:5. Handray fitahiana amin‘ny fivavahany sy amin‘ny hira fiderana hataony, ary amin‘ny fanokafany ny Soratra Masina eo amin‘ny fivorian‘ny fianakaviana io tokantrano io. - IFM, t. 370.FK 163.1

    Vangio araka ny fomban‘ny mpinamana ny mpiara-monina aminao ka mifandraisa aminy (...). Ireo izay tsy manatanteraka izany asa izany ka maneho tsy firaihana toy ny sasany dia hanary tsy ho ela ny fitiavany voalohany ary hanomboka hanavakavaka sy hitsikera ary hanameloka ny rahalahy sy anabaviny. - RH, 13 May 1902.FK 163.2

    «Tsy voafetra tamin‘ny fitoriana ampahibemaso ny ezaka nataon‘ny apôstôly; betsaka no tsy nety ho tratra tamin‘ny alalan‘izany fomba izany. Nandany fotoana maro tamin‘ny asa fitsidihana isan-tokantrano izy, ka nahita tombony ho an’tenany teo amin’fifandraisana tamin’fianakaviana tao an-tokantrano. Namangy ny marary sy ny malahelo izy, nampahery ny tra-pahoriana, ary namelombelona ny ampahorina. Ary tamin’izay rehetra nolazainy sy nataony dia nanome voninahitra ny anaran’i Jesôsy izy Tamin’izany izy dia niasa tao amin’« fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be» - 1 Kôr. 2:3-7. Nangovitra izy sao maneho ny dian-tanan’olombelona fa tsy ny an’Andriamanitra ny fampianarany.FK 163.3

    Mandehana any amin’ireo mpiara-monina aminao tsirairay ka akaikezo izy ambara-pahafanan’fon’izy ireo noho ny fiheveranao azy tsy mila tambiny sy ny fitiavanao. Miraisa fo aminy, mivavaha miaraka aminy, mizahava hirika hanaovantsoa ho azy, ary araka izay azonao atao dia mivoria vetivety miaraka aminy ka sokafy ho an’sain’izy ireo mbola maizina ny Tenin’Andriamanitra. Miambena hatrany, tahaka izay mbola hadinina ny amin’fanahin’hafa, ary ampiasao hiarahanao miasa amin’Andriamanitra ao amin’tanimboalobony ny tombontsoa izay nomeny anao. Aza atao tsinontsinona ny firesahana amin’mpiara-monina aminao, ataovy aminy izay hatsaram-panahy rehetra tratry ny herinao mba «hisy voavonjinao ny sasany amin’izy ireo.” Ilaintsika ny mikatsaka ny fanahy izay nanery ny apôstôly Paoly handeha isam-baravarana handresy lahatra an-dranomaso sy hampianatra ny «fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an‘i Jesôsy Kristy Tompontsika.» - RH, 13 Mar. 1888.FK 164.1

    Nasehon’Tompo ahy ny asa tokony hotanterahina any amin’ireo tanàn-dehibentsika. Ireo mpino any amin’ireny tanàna ireny dia tokony hiasa ho an’Andriamanitra amin’ireo mpifanolo-bodirindrina aminy. Tokony hiasa amimpahatoniana sy amim-panetren-tena izy ireo, mitondra miaraka aminy, na aiza na aiza alehany, ny rivo-piainan‘ny lanitra. - TFC, b. 9, t. 128.FK 164.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents