Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fitantanam-Panana

    Eo amin’ny fandaniantsika ny fananantsika, dia hiezaka isika hanatanteraka ny tanjon’ilay Fiandohana sy Fiafaran’ny ezaka kristianina amin’ny fahafenoany. - TFC, b. 9 t. 49.FK 309.1

    Be vidy ny vola satria mety hahavita soa betsaka. Eo ampelatanan’ny zanak’Andriamanitra dia sakafo ho an’ny noana izany, rano ho an’ny mangetaheta, ary fitafiana ho an’ny mitanjaka; fiarovana ho an’ny ampahorina, ary hoentimanampy ny sahirana. Nefa tsy ambony vidy noho ny fasika ny vola raha tsy ampiasaintsika hahazoana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy hofitahiana ny hafa ary ho fampandrosoana ny asan’i Kristy. - HF, t. 306. FK 309.2

    Andriamanitra mihitsy no efa namorona drafitra hatrany am-piandohana hampandrosoana ny asany, ary efa nomeny tombom-pananana ny olony, ka rehefa miantso fanampiana Izy, dia hamaly ireo ka hilaza hoe: “Tompoko, nahazoana tombony ny talentanao ” - TFC, b. 9 t. 58.FK 309.3

    Tsy azo atao ny hitondra ny vola any amin’ny fiainana ho avy; tsy ilaina any izany. Fa ny asa tsara natao kosa teo amin’ny fahazoana fanahy ho an’i Kristy no hanaraka antsika any amin’ny lapa any an-danitra. Fa ireo izay nandany ny fanomezan’ny Tompo tamin’ny fifaliana ho an’ny tenany fotsiny, ka mamela ny namany ho sahirana tsy hahazo fanampiana ary tsy manao na inona na inona hampandroso ny asan’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao, dia manala baraka ny Mpanao azy. Mpandroba an’Andriamanitra, izany no voasoratra manatrika ny anarany ao amin’ny bokin’ny lanitra. - HF, tt. 226, 227.FK 309.4

    Inona no tombambidin’ny vola amin’izao fotoana izao, raha ampitahaina amin’ny tombambidin’ny fanahy? Ny dôlara tsirairay eo amintsika dia tokony hoheverina ho toy ny an’ny Tompo fa tsy antsika; ary satria fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ho antsika izy; dia tsy natao holaniana ho amin’ny faniriana tsy mahasoa, fa hampisaina amimpitandremana amin’ny asan’Andriamanitra, eo amin’ny asa famonjena lehilahy sy vehivavy amin’ny tsy fananana. - LS, t. 214 .FK 310.1

    Moa tsy atao hifehy ny hery miasa mangina avy amintsika sy ny fanohanantsika ny asa misiônera izay hatao eto amin’ny tontolon’ny fahampiana misy antsika ity? Moa tsy tokony hanala ny tenantsika amin’ny filibalibana rehetra isika, ka hametraka ny fanomezam-pahasoavana rehetra ananantsika eo amin’ny tahirin-karena izay an’Andriamanitra, mba ho tonga any amin’ny firenena hafa ny fahamarinana, sy ho voatohana ny fitoriana eo amin’ny firenentsika? Moa tsy ankasitrahan’ny lanitra izany asa izany? Tsy mbola notohanana tamin’ny harem-be, na nampandrosoina tamin’ny alalan’ny hery miasa araka izao tontolo izao ny asa ho amin’izao andro farany izao. Fanomezana vokatry ny fandavan-tena, sy fanahin’ny fanolorana no nanohanana azy hatramin’izay. Nomen’Andriamanitra antsika ny tombontsoa ho mpiombom-pahoriana amin’i Kristy ety, sy efa natolony fa hanana anarana amin’ny lova ao amin’ny tany vaovao isika. - RH, 2 Des. 1890 .FK 310.2

    Naseho ahy fa manao tatitra amim-pahatokiana ny fanatitra rehetra nomena an’Andriamanitra sy ny vokatra farany avy amin’ireo fananana natolotra ny anjely mpanao tatitra, ary mametraka azy ao amin’ny famorian-karena. Mijery ny vola rehetra atokana ho amin’ny asany sy ny finiavana na ny fisalasan’ny mpanome ny mason’Andriamanitra. Tantaraina ihany koa ny antony manosika hanome. Ireo manolotena sy manokana ny tenany sy mamerina amin’Andriamanitra ny zavatra izay Azy, araka izay takiny aminy, dia hovaliana soa araka ny asany. Na dia tsy ampiasaina amin’izay nikendrena azy aza izay nangonina, ka tsy mahatanteraka ny tanjona noheverin’ilay mpanolotra — dia ny voninahitr’Andriamanitra sy famonjena ny fanahy, - ireo nahafoy tamim-pahatsoram-panahy, omban’ny maso mifantoka eo amin’ny voninahitr’ Andriamanitra, dia tsy hamoy ny valisoany. - TFC, b. 2, tt. 518, 519.FK 310.3

    Ny tombontsoa hanampy rahalahy iray tra-pahasahiranana, na hanampy ny asan’Andriamanitra amin’ny fanapariahana ny fahamarinana, dia perila izay azonao alefa mialoha, sy apetraka ao amin’ny bankin’ny lanitra ho voatahiry tsara. Misedra sy mizaha toetra anao Andriamanitra. Efa nanome ny fitahiany rehetra ho anao tamin’ny tanany mahatalanjona Izy, ary ankehitriny dia mitazana izay ampiasana azy ireny, hahitany raha hanampy ireo mila fanampiana ianao, sy raha hahatsapa ny tombambidin’ny fanahy, sy hanao izay azonao atao amin’ny alalan’ireo nankininy taminao. Manampy ny harena any an-danitra ny fahafaha-manao lavorary toy izany. - TFC, b. 3, tt. 249, 250.FK 311.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents