Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahamoram-Panahy

    (...) Koa ny fanahy izay mahatahiry halemem-panahy na dia misy fihaikana azy aza no hahay hampiaiky ny fahamarinana noho izay fonjan-kevitra manan-kery indrindra. - IFM, t. 372.FK 338.3

    Tahaka ny ando sy ny ranonorana milatsaka moramora amin’ny zava-maniry mangentana, dia aoka hatao moramora toy izany ny fiteny rehefa miezaka ny hahazo olona ho afaka amin’ny fahadisoan-kevitra. Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hahavoatohina ny fo aloha. Tokony hilaza ny fahamarinana amim-pitiavana isika sy hatoky Ilay hanome hery ka hanova ny fiainana. Hampiharin’ny Fanahy Masina amin’ny fanahy ny teny izay lazaina amin’ny fitiavana. - TMF, t. 120.FK 338.4

    Ny fanahy mora, sy ny fihetsika malemy fanahy sy mambabo fo, dia mety hamonjy ny mania, sy hanarona fahotana maro. Ny fanambarana an’i Kristy eo amin’ny toetra dia hanana hery manova eo amin’ny olona rehetra izay mifampikasoka aminao. Aoka Kristy no ho hita isan’andro eo aminao, dia hasehony avy aminao ny hery mahaforona ananan’ny Teniny, dia toetra malemy fanahy, mahataona, nefa hery matanjaka koa hamorona fanahy hafa indray haka ny fahatsaran-tarehin’ny Tompo Andriamanitra. - S, t. 114.FK 338.5

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents