Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanabeazana Arak’Asa

    Misy fianakaviana mahantra marobe izay tsy misy asa misionera tsara kokoa hatao ho azy mihoatra ny fanampiana azy hipetraka hiasa tany, sy ny fampianarana azy hahatonga izany ho antom-pivelomana.FK 181.3

    Tsy voafaritra ao amin’tanàn-dehibe ihany ny ilana fanampiana sy fampianarana toy izany Na dia any ambanivohitra aza, izay misy zavatra maro mahatsara ny fiainana kokoa, dia misy mahantra marobe sahirana tokoa. Fokonolona manontolo no tsy ampy fanabeazana eo amin’lafin’taozavatra sy ny fitandremam-pahasalamana. Fianakaviana maro no mipetraka ao amin’trano fisoko, tsy ampy fanaka sy fitafiana, tsy misy fitaovana hoenti-miasa, tsy misy boky, sady tsy manana izay hampiadana azy no tsy manana izay hahamora ny fiainany ary tsy manana izay hoenti-manolokolo ny sainy. Ireo fanahy donto, ireo vatana marefo sy saozanina dia mampiseho ny vokatry ny ratsy nolovana sy ireo fahazaran-dratsy. Ireny olona ireny dia tsy maintsy beazina hatrany amin’ fotony mihitsy. Tsy mba tia karokaroka izy teo amin’ fiainany, kamo, ratsy toetra ka mila fitaizana eo amin’ fahazarana tsara. - TMF, t. 153.FK 182.1

    Tsy maintsy karakaraina ny fananganana taozavatra samihafa mba hahitan’ fianakaviana mahantra asa. Ny mpandrafitra, ny mpanefy vy, ary izay rehetra manana fahalalana momba ny lafiny sasany amin’asa mahasoa, dia tokony hahatsapa fa manana andraikitra ny hampianatra sy hanampy ny tsy manana fahalalana sy ny tsy manana asa. - TMF, t. 154.FK 182.2

    Ny mpamboly kristiana dia afaka manao asa misionera marina amin’ fanampiana ny mahantra hanorim-ponenana any ambanivohitra sy hampianatra azy hiasa ny tany sy hahatonga azy hamokatra be. Ampianaro azy ny fomba fampiasa ireo fitaovana fambolena, ny fikarakarana ny voly samihafa, ny famboly sy ny fijojakojana ny hazo fihinam-boa. - TMF, t. 154.FK 182.3

    Eo amin’asa fanampiana ny mahantra dia misy saha midadasika hanaovan’vehivavy asa toy ny ataon’lehilahy ihany. Ny mpahandro mahay, ny mpikarakara tokantrano, ny mpanjaitra, ny mpitsabo, ilaina avokoa ny fanampian‘izy rehetra. Aoka hampianarina hahandro sakafo ny mambran‘ny tokantrano mahantra, hanjaitra sy hanosoka ny fitafiany, hikarakara ny marary, hitandrina tsara ny tokantranony. Aoka hampianarina asa mahasoa na antom-pivelomana ny zazalahy sy ny zazavavy. - TMF 154, 155.FK 183.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents