Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Asa Voafaritra

    Maro ireo hantsoina ho ao amin‘ny saha mba hiasa isambaravarana, hizara fampianarana Baiboly ary hivavaka ho an‘ireo izay liana. - TFC, b. 9, t. 172.FK 199.1

    Mpiasa maro no tokony hanatanteraka ny anjarany amin‘ny fiasana isan-tokantrano sy mitarika fandinihana ny Baiboly isam-pianakaviana. - TFC, b. 9, t. 141.FK 199.2

    Tokony hisy vehivavy manolo-tena hirotsaka amin‘ny asa isan-tokantrano. - TFC, b. 9, tt. 120, 121.FK 199.3

    Raha manaraka ny dian‘i Kristy isika dia tsy maintsy manakaiky ireo izay mila ny asantsika. Tsy maintsy ataontsika ny mizara ny Baiboly amin‘ny manan-tsaina rehetra, maneho ny fitakian‘ny lalàna, mamaky ireo teny fikasana amin‘izay misalasala, mampahaliana ny tsy mireharaha, mampahatanjaka ny malemy. - GW, t. 336.FK 199.4

    Ny asa iantsoan‘ny Tompo ny vahoakany dia asehon‘ilay tantaran‘i Filipo sy ilay Etiôpianina. Ilay Etiôpianina dia maneho sarangan’olona midadasika izay mila mpitory toa an‘i Filipo, mpitory izay handre ny feon’Andriamanitra ka handeha any amin‘izay hanirahany azy. Eo amin‘izao tontolo izao dia misy ireo izay mamaky ny Soratra Masina nefa tsy afa-mahatakatra ny heviny. Ilaina ireo lehilahy sy vehivavy izay manana fahalalana an‘Andriamanitra mba hanazava ny Teny amin‘ireny fanahy ireny - TFC, b. 8, tt. 58,59.FK 199.5

    Amin‘ireo mambran‘ny fiangonantsika dia tokony hihamaro kokoa ireo mpitarika fianarana Baiboly isan-tokantrano. - TFC, b. 9, t. 127.FK 199.6

    Aoka handeha hitety trano ireo mpiasa ka hanokatra ny Baiboly ho an‘ny olona. - TFC, b. 9, t. 123.FK 199.7

    Any amin’firenena maro dia misy andian’olona maro, mpamboly sy mpiompy mazoto miasa sy manan-katao, izay tsy mbola nandray na oviana na oviana ny fahamarinana ankehitriny Tokony hiasana ny faritra toy ireny. Aoka ny mambra laìkantsika hirotsaka amin’izany sehatr’asa izany Afaka manao asa betsaka ireo mambra laìkantsika amin’alalan’fampindramana na fivarotana boky, fizaràna takelaka sy fitarihana fandinihana Baiboly. Raha feno fitiavana ireo fanahy izy ireo dia ho afaka hitory ny hafatra amin-kery ka hampiova fo olona maro. - TFC, b. 9, t. 35.FK 200.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents