Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 23 - Andalan-Teny Isan-Karazany Mikasika Ny Asa Misiônera

    Mikarakara Ny Jamba

    Iraky ny lanitra hikarakara ny zanak’Andriamanitra jamba ara-batana ny anjely Ny anjely no miambina ny diany sy mamonjy azy amin’ny loza an’arivony izay tsy fantany kanefa mampanano sarotra ny lalany. - TFC, b. 3, t. 516 .FK 302.1

    Tsy hihaino ny vavaky ny olony Izy raha (...) manao tsinontsinona ny jamba sy ny marary ireo. - TFC, b. 3, t. 518 .FK 302.2

    Raha misy ao amin’ny fiangonana manafintohina ny jamba, dia tokony hoentina eo amin’ny fitsarana; satria isika dia nataon’Andriamanitra ho mpiaro sy mpikarakara ny jamba, ny malemy, ny mpitondratena ary ny tsy manan-dray. Ny sakana mahatafintohina ambara ao amin’ny tenin’Andriamanitra dia tsy midika ho vatan-kazo apetraka eo anoloan’ny tongotry ny jamba hahatafintohina azy; fa misy dikany lavitra noho izany. Maneho ny fomba rehetra mety hatao hanimba ny hery miasa manginan’ny rahalahiny jamba, hanao asa tsy ahazoany tombontsoa, na hisakana ny fandrosoany. - TFC, b. 3, t. 519 .FK 302.3

    Mifanehatra amin’ny olana maro eny an-dalana rehetra eny ny jamba noho ny tsy fahitany. Ny fo izay tsy miantra sy tsy mangoraka eo am-pahitana jamba iray mitsapatsapa lalana ao anatin’ny tontolo, izay ho azy dia voasaron’ny haizina, dia tena mafy tokoa, ary tsy maintsy halefahan’ny fahasoavan’Andriamanitra. - TFC, b. 3, t. 521.FK 302.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents