Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Andraikitra Hampiofana

    Rehefa nisy olona niova fo nanana ho avy mamirapiratra sy talenta be tahaka an’i Timoty, dia niezahan’i Paoly sy Barnabasy ny haneho aminy ny maha-ilaina ny hiasana eo amin‘ny tanimboaloboky ny Tompo. Ary rehefa nifindra ho amin‘ny toeran-kafa ny apostoly, dia tsy maty akory ny finoan’ireo olona ireo, fa vao mainka mitombo aza. Nampianarina tsara teo amin’lalan‘ny Tompo izy, ary notarihina teo amin‘ny fomba fiasa tsy misy fitiavan-tena, fa amin-kafanam-po, amim-pikirizana, ho famonjena ny mpiara-belona aminy. Zava-dehibe teo amin’fahombiazana mahagaga teo amin‘i Paoly sy Barnabasy io fanazarana sy fikarakarana fatratra ny olona vao niova fo io, raha nitory ny filazantsara tany amin‘ny tany jentilisa izy. - VM, tt. 164, 165 .FK 84.2

    Rehefa miorina ny fiangonana, dia tokony hapetraka eo anoloan‘izy ireo fa ny sasany amin‘izy ireo dia tsy maintsy halaina hitondra ny fahamarinana any amin’hafa, ary hanangana fiangonana vaovao; noho izany izy rehetra dia tsy maintsy miasa sy mikolokolo hatramin’faran‘izay tratrany ny talenta izay nomen’Andriamanitra azy ireo, ary hanofana ny sainy mba hirotsaka an-tsehatra amin’fanompoana ny Tompony. - TFC, b. 3, t. 205 .FK 85.1

    Sahiran-tsaina mandrakariva ny sahan‘asa misiônera noho ny tsy fahampian‘ny mpiasa manana toe-tsaina araka ny tokony ho izy, - mpiasa manana fanoloran-tena manokana sy toepanahy araka an’Andriamanitra izay haneho araka ny tokony ho izy ny finoantsika. Maro ireo te ho tonga Misiônera kanefa tsy ho tafiditra any amin‘ny saha mihitsy satria ireo izay miaraka aminy dia tsy nahatsapa fa adidiny ny miasa miaraka amin’izy ireo, hanokatra eo anoloany ny fitakian’Andriamanitra ny heriny rehetra, ary tsy mivavaka miaraka amin’izy ireo sy ho azy ireo. - CTFC, tt. 500, 501.FK 85.2

    Ireo izay manana andraikitra amin’fanaraha-maso arapanahy eo amin‘ny fiangonana dia tokony hamolavola fomba sy fitaovana maro mba hanomezana tombontsoa ny mambra rehetra ao amin‘ny fiangonana, handray anjara amin’asan’Andriamanitra. Matetika loatra no nanaovana izany tamin‘ny lasa. Tsy nisy drafitra mazava tsara napetraka sy notanterahina, izay nahafahana nampiasa ny talentan‘ny rehetra tamin’asa fanompoana mavitrika. Nisy, kanefa vitsy, ireo izay nahatsapa ny habetsaky ny fatiantoka noho izany toe-javatra izany. - TFC, k 9, t. 116.FK 85.3

    Ao amin’fiangonana rehetra, ny mambra dia tokony hofanina mba hanokanany fotoana amin’famonjempanahy ho an’i Kristy. Amin’fomba ahoana no ahafahana milaza amin’fiangonana fa «Hianareo no fahazavan’izao tontoh izao» raha tsy ny mambran’fiangonana rehetra no tena mizara tokoa ny fahamarinana? Aoka ireo izay manana andraikitra amin’andian’ondrin’i Kristy hifoha amin’adidin’izy ireo, ary hametraka fanahy maro mba hiasa. - TFC; b. 6, t. 436.FK 86.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents