Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manjavozavo Ny Fahaiza-Manavaka Ara-Panahy

    Ary tsy eo amin’izao tontolo izao ihany no ahitantsika ny vokatry ny antsirambina ataon’fiangonana amin’asa eo amin’laharan’i Kristy. Izany antsirambina izany no nahatonga tao am-piangonana ny toe-javatra izay nanakona ny fahalianana ambony sy masina amin’asan’ Andriamanitra. Tonga ao am-piangonana ny toe-tsain’fitsikerana sy ny fahangidiam-panahy, ary maihamanjavona ny fahaiza-manavaka ara-panahin’maro ao amin’fiangonana. Niaritra fatiantoka be vokatr’izany ny asan’i Kristy. - TFC, b. 6, t. 297 .FK 52.1

    Feno alahelo aho rehefa mieritreritra ny toerana misy antsika amin’maha-vahoaka antsika. Tsy nanakatona ny lanitra tamintsika ny Tompo, fa ny fitondran-tenantsika tamin’fihemorana mitohy no nampisaraka antsika tamin’ Andrimanitra. Avonavona, fitsiriritana, sy fitiavana an’izao tontolo izao no mitoetra ao am-po ary tsy matahotra ny horoahina sy hohelohina. Mitoetra eo anivontsika ny fahotana ratsy loatra noho ny avonavona. Kanefa ny maro dia mihevitra fa miroborobo ny fiangonana, ary fiadanana sy fanambinana ara-panahy avokoa ny manodidina azy. Niodina tamin’fanarahana an’i Kristy mpitarika azy ny fiangonana, ary tapa-kevitra ny hiverina any Egipta. Kanefa dia vitsy no manahy sy talanjona amin’tsy fahampian’heriny ara-panahy. Fisalasalana sy tsy finoana ny fanambaran’ny Fanahin’Andriamanitra no hita ombieny ombieny ao amin’fiangonana, ary izany no sitrak’i Satana. - TFC, b. 5, t. 217.FK 52.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents