Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 12 - Fitoriana Ny Filazantsara Amin’ny Alalan’ny Baiboly

    Hevitra Teraka Avy Any An-Danitra

    Ny planina momba ny fampianarana Baiboly dia hevitra teraka avy any an-danitra. Maro ireo lehilahy sy vehivavy izay afaka mirotsaka an-tsehatra amin‘io endrika asa fitoriana io. Amin‘izany dia azo atao ny manofana mpiasa mba ho olo-maherin‘Andriamanitra. Tamin‘ny alalan‘izany fomba fiasa izany no nahafahana nizara ny Tenin‘Andriamanitra tamin‘olona an‘arivony; ary ny mpiasa dia mifandray mivantana amin‘olona samihafa firenena sy fiteny. Tonga any amin’ireo fianakaviana maro ny Baiboly, ary ireo fahamarinana masina raketiny dia mahatratra ny feon‘ny fieritreretana. Voataona ny olona mba hamaky, handinika sy hitsara, ary tsy maintsy mandray andraikitra izy ireo na handray na handà ny fahazavana avy amin‘Andriamanitra. Tsy avelan‘Andriamanitra ho tsy andraisam-balisoa izany asa sarobidy izany. Hotolorany ny satroboninahitry ny fandresena ny ezaka rehetra natao tamin‘ny Anarany. - GW, t. 192.FK 198.1

    Ilay Raintsika any an-danitra no nanendry ny asantsika. Tokony horaisintsika ny Baibolintsika ka handeha isika hampitandrina izao tontolo izao. Tokony ho isika no tanankavanan‘Andriamanitra amin‘ny asa famonjem-panahy sy fantsona hitobahan‘ny fitiavany isan‘andro amin‘ireo efa ho faty. - TFC, b. 9, t. 150.FK 198.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents