Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fahatokiana

    Halan’ny Tompo ny tsy firaihana sy ny tsy fahatokiana aseho eo amin’ny fahasahiranana andalovan’ny asan-tanany. Miray fo amin’ny ady lehibe miseho farany ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy amin’ny fomba tsy hay lazaina izao rehetra izao. Efa mby eo amin’ilay izao tontolo izao mahantra mandrakizay ny vahoakan’Andriamanitra, ka inona indray no zava-dehibe kokoa aminy mihoatra noho ny hitoetra ho mahatoky amin’Ilay Avo Indrindra? Nanana ny olo-malazany ara-panahy tamin’ny andro rehetra ny Tompo, ary mbola manana ihany Izy ankehitriny — dia olo-malaza toa an-dry Josefa sy Elia ary Daniela, izay tsy matahotra ny hanambara fa anisan’ny vahoaka voafidy izy ireo. Ny fitahiany manokana omena ny olona masina izay tsy mivily amin’ny lala-mahitsin’ny adidy sy izay miantso amin’ny hery araka an’Andriamanitra manao hoe: “Izay rehetra an’i Jehovah mankanesa ety amiko!” Tsy afa-po amin’ny fanambarana izany teny izany ireo olona ireo, fa manery koa an’ireo izay te hiray hevitra amin’ny vahoakan’Andriamanitra mba handroso tsy amimpisalasalana, ka haneho mazava tsara ny firaiketam-pony amin’ny Mpanjakan’ny mpanjaka sy amin’ny Tompon’ny Tompo. Mampifanaraka ny sitrapony sy ny fikasany amin’ny lalàn’Andriamanitra ny olona toy izany. Ataony tsinontsinona ny fiainan’izy ireo noho ny fitiavany ny Tompo. Ny asany dia ny hihazona ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny hampamirapiratra izany eo amin’izao tontolo izao. Mahatoky amin’Andriamanitra, izany no tarigetrany. - MM, tt. 117,118.FK 332.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents