Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fampiarahana Ny Fifohazana Ara-Panahy Sy Ny Asa Isam-Batan’olona

    Ny fiangonana no mifoha dia noho ny fisian‘ny olona mikatsaka mafy ny fitahian’Andriamanitra. Olona izay noana sy mangetaheta an’ Andriamanitra ary mangataka amimpinoana ka mandray izay mifanaraka amin‘ izany. Miasa mafy izy, miaraka amin‘ny fahatsapany ny fiankinan-dohany amin‘ny Tompo, izany dia mitaona ireo fanahy hafa hikatsaka fitahiana toy izany ary dia mirotsaka ao am-pon‘ny olona ny vanim-potoana famelombelomana. Tsy hatao ambanin-javatra ny fanitarana ny asa. Amin‘ny fotoana maha-mety azy dia hotanterahina ireo drafitr‘asa mivelatra kokoa; kanefa ny ezaka isam-batan’olona sy fahalianan’tsirairay ho an‘ny mpiaramonina sy ny namana dia hahatontosa asa be lavitra noho izay azo tombantombanana. Ny tsy fahampian’asa toy izany no mahatonga ireo fanahy ho very, fanahy izay nanoloran’i Kristy ny ainy. Tsy hay lazaina ny tombam-bidin’fanahy iray; satria i Kalvary no manambara fa mendrika izy. Ny fanahy iray izay babo ho an’fahamarinana dia ho fitaovana hambaboana hafa indray, ka dia tsy hanam-pahataperana ny fitomboan’vokatry ny fitahiana sy ny famonjena. Ny asa ataonao dia mety hahavita soa azo tsapain-tanana mihoatra izay ataon’fitoriana mahafaobe midadasika indrindra, raha toa ka tsy ampy ezaky ny tsirairay izany. Rehefa ampiarahina izy roa ireo, miaraka amin’fitahian’Andriamanitra, dia asa lavorary sy voakaly kokoa no ho tanteraka; kanefa raha toa ka ny iray amin’ireo ihany no azy tanterahina dia aoka ho ny asa isam-batan’olona izany amin’famakiana ny Soratra Masina isan-tokantrano, ny fanaovana antso isam-batan’olona ary ny firesahana akaiky amin’ireo mambran’fianakaviana, tsy mikasika zavatra tsy misy dikany, fa momba ireo lohahevitra lehiben’fananganana indray. Aoka ho hitan’izy ireo fa ny fonao dia tambesaran’faniriana hamonjy fanahy. - RH, 13 Mar. 1888.FK 170.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents