Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahaiza Miara-Monina Aman’olona

    Ho an‘ireo rehetra miasa ho an‘i Kristy dia izao no ambarako: na aiza na aiza ahafahanareo miantrano aman‘olona dia ampitomboy ny fahafaha-manaonareo. Raiso ny Baibolinareo ka velaro manoloana azy ireo ny fahamarinana lehibe raketiny. Ny fahombiazanao dia tsy hiankina loatra amin‘ny fahalalanao na ny asa vitanao fa amin‘ny fahafahanao mahita lalana mankamin’fo. Raha mahay miara-monina aman’olona ianao ka manakaiky ny olona dia ho azonao atao kokoa ny hanodina ny fironan‘ny sainy noho ny vokatry ny lahateny tsara indrindra. Ny fanehoana an‘i Kristy amin’fianakaviana ao antokantrano mandritra ireo fivoriana madinika dia mazàna mahomby kokoa eo amin‘ny fambaboana fanahy ho an’i Jesôsy noho ny toriteny ankalamanjana amin’ireo mpandalo, eny, na dia any amin’efitrano malalaka sy fiangonana aza. - GW, t. 193.FK 172.3

    Ny ohatra nomen’i Kristy tamin‘ny nanakambanany ny tenany tamin’tombontsoan’taranak’olombelona dia tokony harahin’izay rehetra mitory ny teniny, sy izay rehetra nandray ny filazantsaran‘ny fahasoavany. Tsy tokony hitokantokana tsy hiaraka amin’hafa isika. Mba hahazoantsika mahatratra ny sarangan’olona rehetra, dia tsy maintsy mihaona aminy eo amin‘izay misy azy isika. Raha izy tenany ihany dia mahalana vao hitady antsika izy. Tsy avy eny amin’polipitra ihany no hanohina ny fon‘ny olona ny fahamarinana avy amin‘Andriamanitra. Misy sahan’asa hafa koa, na dia ambany kokoa aza, izay feno sy mampanantena betsaka. Ao an-tokantranon’olon-tsotra no ahitana izany, sy ao amin’lapan‘ny olona ambony; eo amin’fiarahamisakafo iantsoana anao sy eo amin‘ny fivorian’mpiaramonina noho ny fifaliana madio. - IFM, tt, 146, 147.FK 173.1

    Tsy nanavakavaka Kristy, koa nanafintohina ny Fariseo tamin’ fomba manokana Izy raha niala ireo fitsipika henjana nataon’izy ireo momba izany Ny nahitany ny fiainana arapivavahana dia voaefitrefitry ny fefy avo mampisaratsaraka, toa masina loatra ka tsy azo ampiharina amin’fiainana andavanandro. Narodany ireny efitra fampisarahana ireny. Raha nifandray tamin‘ny olona Izy dia tsy nanontany hoe: Inona no finoanao? Fiangonana aiza ianao?FK 173.2

    Nampiasainy ho an’izay rehetra nila ny fanampiany ny heriny afaka nanampy. Tsy nitokana tao amin’efitra kely toy ny fanaon’mpitoka-monina Izy mba hanehoany ny toetra amam-panahiny avy any an-danitra, fa niasa mafy sy taminkafanam-po ho an’taranak’olombelona. Nampidiriny ny foto-kevitra milaza fa tsy ny fampijaliana ny vatana akory no atao hoe fivavahan’Baiboly. Nampianariny fa ny fivavahana madio sady tsy misy pentimpentina dia tsy natokana fotsiny ho amin’fotoana voafaritra sy ny toe-javatra manokana. Nampiseho fitiavana liana ny amin’olona hatrany Izy tamin’toerana rehetra, ka nanaparitaka manodidina Azy ny fahazavana avy amin’fitiavam-bavaka nitory hafaliana teo Aminy - IFM, t. 75.FK 173.3

    Teo anatrehan’ireo hevitra mibahana tao an-tsaina dia nanaiky ny hiantrano tao amin’ity vahoaka nohamavoina ity Izy Natory teo ambanin’tafon-tranony Izy, nihinana teo amin’latabany Izy, nandray anjara tamin’sakafo nomanina sy naroson’tanany, nampianatra teny amin’arabeny, ary nifandray tamin’izy ireo tamin’fahalemem-panahy sy ny fahalalam-pomba fatratra indrindra. - IFM, t. 191.FK 174.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents