Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 26 - Fahombiazana Azo Antoka

    Manome Antoka Andriamanitra

    Hataon’Andriamanitra ny asa raha manome azy fitaovana isika. — TFC, b. 9, t. 107.FK 360.1

    (...) Eken’Andriamanitra ny fanompoana atao amin’ny fo manontolo, ary Izy mihitsy no hameno ny banga. — TMF, t. 113.FK 360.2

    Haharitra mandrakizay ny fihetsika rehetra maneho fahamarinana na dia tsy fantatry ny mpanao azy aza ny zavatra manandanja nataony. — TFC, b. 2, t. 683.FK 360.3

    Raha manolo-tena tanteraka ianao, dia hotanhin’Andriamanitra ho eo amin’ny fahamarinana, amin’ny alalan’ny fandraisanao anjara, ny olona hafa izay azony ampiasaina ho toy ny fantsona mitondra fahazavana ho an’ny olona maro mbola mitoetra ao anaty haizina. - TFC, b. 7, t. 63.FK 360.4

    Handresy amim-boninahitra faingana ny fahamarinana, ary handresy hiaraka aminy koa izay rehetra misafidy ny ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra ankehitriny. — TFC, b. 9, t. 135.FK 360.5

    Omena hery ho amin’ny fahatanterahan’ny vokatra tsy hay lazaina izay rehetra manolotra ny tenany ho amin’ny fanompoana ny Tompo, ka tsy manafina na inona na inona. - TFC, b. 7, t. 30 .FK 360.6

    Rehefa mikely aina miasa amim-pahazotoana ho famonjena ny namantsika isika, dia hampitombo ny ezaka lehibe ataontsika Andriamanitra. — TFC, b. 9, t. 86.FK 360.7

    Manana toerana ho an’ny olona tsirairay Andriamanitra ao amin’ilay drafitra lehibe nomaniny. Raha misy talenta tsy ilaina, dia tsy nomena izany Ndeha hataontsika hoe kely ny talenta iray Manana toerana ho an’izany Andriamanitra, ary izany talenta izany, raha ampiasaina amim-pahatokiana, dia hanao ny tena ventin’asa izay notendren’Andriamanitra hataony — TFC, b. 9, t. 37.FK 361.1

    Ny mpiasa tsotra indrindra, miara-miasa amin’i Kristy, dia afaka mikitika tadim-baliha izay hamoaka feo hanakoako hatrany amin’ny faran’ny tany sy feo izay hitambatra ho feonkira mandritra ny mandrakizay. — TMF, t. 121.FK 361.2

    Ny fahombiazana marina eo amin’ny lafin’ny asa rehetra akory tsy vokatry ny fananam-bintana, na ny sendrasendra, na ny lahatra. Fa vokatry ny fitahiana avy amin’Andriamanitra sy valisoan’ny finoana ary ny fahendrena mbamin’ny fahatsaram-panahy sy ny faharetana izany. Tsy mba avy amin’ny kisendrasendra ny toe-tsaina mamirapiratra sy ny fahamboniam-panahy. Andriamanitra no manome fotoana ka miankina amin’ny fampiasana izany no hananana fahombiazana. — PM, t. 395.FK 361.3

    Ireo izay maniry ny hirotsaka ho amin’izany asa izany, na eo amin’ny saha eo an-toerana, na any amin’ny faritra hafa, dia handeha amin’ny anaran’i Jehôvah. Hahomby izy raha miankina amin’Andriamanitra, amin’ny fahasoavana sy ny hery. Mety ho kely ihany ny asa amin’ny voalohany, fa hitatra kosa izany raha manaraka ny drafitry ny Tompo izy. Velona Andriamanitra. Hiasa ho an’izay mpiasa tsy tia tena fa mahafoy ny tenany ho an’Andriamanitra, na iza izany olona izany, ary na aiza na aiza mety hisy azy. - SW, 09 Apr. 1903.FK 361.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents