Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mikarakara Toy Ny Mpiandry Ondry

    Ny mpiandry ondry izay mahita fa tsy ao ny ondriny iray, dia tsy hijery ny andian’ondriny izay tonga soa aman-tsara ao am-bala ka tsy hiraharaha, fa hilaza hoe: “mbola manana sivy amby sivifolo aho, ary hanahirana be ahy ny handeha hitady ny iray izay nania. Avelao izy hody irery, ary hovohako ny vavahadin’ny vala hidirany.” Tsia, tsy ela akory aorian’ny mahadiso lalana ilay ondry dia feno alahelo sy tebiteby ilay mpiandry ondry. Isainy ary averiny isaina hatrany ny andian’ondry. Rehefa azony antoka fa very ny ondry iray, dia tsy tafandry izy. Ilaozany ny sivy amby sivifolo ao ambala; ka mandeha mitady ilay ondry nania izy. Arakaraka ny nahamaizina sy nampangatsiaka ny alina, ary mampidi-doza ny lalana, ary nahabetsaka ny tebitebin’ilay mpiandry ondry, no vao mainka niezahany hitady. Nataony avokoa ny ezaka rehetra hahitana ilay ondry iray very.FK 344.3

    Maivamaivana ery izy mandre any lavitra any, feo malemy voalohany. Arahiny iny feo iny, mianika tendrombohitra avo sy faran’izay mideza izy, eny amoron-tevana mihitsy no lalany, eny, na dia hihatra amin’ny ainy aza izany. Indro izy fa mitady ihany, raha mihamalemy hatrany ny feo mitarina, dia milaza aminy izany fa efa ho faty ny ondriny. Amin’ny farany dia voavaly ny fiezahany; hita ilay very. Ary amin’izay tsy mandevilevy azy izy satria nanome fahasahiranana azy be toy izao. Tsy atositosiny amin’ny karavasy izy. Tsy nandramany akory ny hitarika an’izy io any an-trano, fa noho ny fifaliany dia ataony eny an-tsorony ilay biby toran-kovitra. Raha torotoro sy maratra izy io, dia raisiny eny an-tsandriny ka fihininy eo an-tratrany, mba hanome aina azy ny hafanana avy ao amin’ny fony. Faly indrindra izy raha mitondra azy io miverina any ambala, satria tsy very maina ny fikarohana nataony. - HF, t. 156 .FK 345.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents