Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nesorina Ny Fanahin’Andriamanitra Nihazona Ny Rivotra

    Ankehitriny dia nesorina hiala amin’izao tontolo izao ny Fanahin’Andriamanitra izay nihazona ny rivotra. Rivo-doza, tafio-drivotra, oram-batravatra, afo sy safo-drano, loza an-dranomasina sy an-tanety no mifanesisesy haingana. Miezaka ny hanazava izany ny siansa. Ny fitombon’ireo famantarana manodidina antsika, milaza ny fahantomoran’fahatongavan’Zanak’Andriamanitra dia lazaina fa noho ny anton-javatra maro samy hafa fa tsy noho ilay antony tena izy. Tsy hain’olona ny manavaka ireo anjely mpiambina mihazona ny rivotra efatra mba tsy hitsoka mandra-panisy tombo-kase ny Mpanompon’Andriamanitra; kanefa rehefa mandidy ny Anjeliny Andriamanitra mba hamela ny rivotra, dia hisy korontana tsy misy toy izany izay tsy hain’penina hotantaraina. - TFC, b. 6, t. 408.FK 72.1

    Manan-danja sy miezinezina ny andro izay ivelomantsika. Hoesorina miandalana kanefa azo antoka hiala amin’tany ny Fanahin’Andriamanitra. Loza sy fitsarana no efa mianjera eo amin’ireo mpanao tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra. Mahatsiravina ireo loza lehibe eny an-tanety sy an-dranomasina, ny fiaraha-monina tsy marintoerana, ny filazana ady Efa manambara mialoha ireny fa manatona ny toe-javatra goavana indrindra. Manambatra ny heriny ny masoivohon’ilay ratsy, ka manamafy izany. Mihamatanjaka ho amin’ilay fotoan-tsarotra lehibe farany izy ireo. Tsy ho ela dia hisy fiovana lehibe eto amin’ity tontolontsika ity, ary ho faingana tokoa ireo fihetsiketsehana farany — TFC, b. 9, t. 11.FK 72.2

    Antomotra ny andro izay ahitan’izao tontolo izao ny fangirifiriana izay tsy azon’iza na iza hohamaivanina. Hiala amin’tany ny Fanahy Masina. Hifanao tsy omby aloha sady hiovaova ny fikorontanana lehibe. Impiry impiry tokoa moa no andrenesantsika filazana horohoron-tany, ny rivo-doza, ny faharavana vokatry ny afo sy ny tondran-drano, ny famoizana ain’olona sesehena sy famoizana fananana betsaka! Amin’fijerin’olombelona dia vokatry ny fisafoahan’zavaboary tampoka izay mikorontana tsy mandeha amin’laoniny, fa votsotra tamin’fanaraha-mason’olombelona izany loza izany Kanefa dia fomba ampiasain’Andriamanitra hitadiavana hamohazana izay ao an-tsain’olona rehetra ny fahatsapana ny loza miandry azy izany. - MM, t. 232 .FK 72.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents