Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ivon-Toerana Mahomby Ireo Trano Fanontam-Boky

    Nofidin’Andriamanitra ho vahoaka manokana, miavaka amin’izao tontolo izao ny mambra Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito. Nosarahiny tamin’izao tontolo izao izy ireo tamin’alalan’antsy maranitry ny fahamarinana, ary nataony ho anisan’tenany Nataony tonga solontenany izy ireo, ary nantsoiny mba ho ambasadaoro ho Azy eo amin’asa famonjem-panahy. Ilay fahamarinana lehibe indrindra sy mbola nankinina tamin’olombelona, ilay fampitandremana miezinezina sy mampatahotra indrindra ataon’ Andriamanitra amin’olombelona no nankinina tamin’izy ireo mba hozarainy amin’izao tontolo izao. Ary amin’fanatanterahana izany asa izany dia anisan’ivontoerana mahomby indrindra ireo trano fanontam-bokintsika. - TFC, b. 7, t. 138.FK 207.4

    Ny asa fanontam-bokintsika dia niorina araka ny taridalan’Andriamanitra sy teo ambanin’fanarahany maso manokana. - TFC, b. 7, t. 138.FK 208.1

    Amin’ampahany betsaka dia amin’alalan’ireo trano fanontam-bokintsika no hahatanteraka ny asan’ilay anjely izay midina avy any an-danitra amin-kery lehibe, ary manazava ny tany amin’voninahiny. - TFC, b. 7, t. 140.FK 208.2

    Nomena ahy ny andraikitra hilaza amin’ireo trano fanontambokintsika hoe: «Asandrato avo ny faneva; asandrato avo kokoa izany. Ambarao ho ren’izao tontolo izao ny hafatry ny anjely fahatelo. Aoka ho hita fa indreo ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesôsy» - Apôk. 14:12. Aoka ny asasoratsika hanambara ny hafatra mba ho vavolombelona amin’izao tontolo izao. - TFC, b. 9, t. 61.FK 208.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents