Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahazo Filamatra Ambony

    Maro ireo afaka manao asa miezinezina no asa kely no vitany satria kely ny ezaka nataony. An’arivony no mivelona toy ny hoe tsy manana tanjona lehibe hahavelomana, sy filamatra ambony hotratrarina. Ny antony iray amin’izany ny tombambidy ambany omeny ny tenany. Nandoa vidy tsy voafetra i Kristy, ka arakaraka ny vidy naloany no aniriany antsika hanome tombambidy ny tenantsika. - GW, t. 291.FK 334.4

    Nandritra ny fiainany teto an-tany dia mpiasa mazoto sy tsy miato tamin’ny asany i Jesosy Efa nanam-po izany Izy; noho izany dia nanao zavatra betsaka. - IFM, t. 60.2.FK 334.5

    Mila fanandramana avo sy lalina ary mivelatra mihoatra noho izay ananan’ny maro na heveriny hananany ireo miditra amin’ny fanompoana ny Tompo. Maro amin’ireo efa mambran’ny fianakaviamben’Andriamanitra no tsy mahalala afa-tsy kely ny hevitry ny hoe mpiray amin’ny voninahiny, ka ovaina avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra. Maro no mandray amin’ny fomba manjavozavo ny famirapiratan’i Kristy, ka dibo-kafaliana ny fony. Maniry fatratra hahafantatra ny hevitra lalina sy feno ny fitiavan’ny Mpamonjy izy. Aoka ireo no hanaitra ny fanirian’ny fanahy an’Andriamanitra. - GW, t. 274.FK 334.6

    Manana hafatra hoentina ho an’ireo mpitory, mpitsabo, mpanabe, ary ireo hafa rehetra ao anatin’ny seha-panompoana ho an’ny Tompo aho. Mibaiko anao mba hiakatra ambony kokoa ny Tompo, hanatratra filamatra masina kokoa. Tsy maintsy manana fanandramana lalina noho izay anananao na izay heverinao hananana ianao. Maro amin’ireo efa mambran’ny fianakaviamben’ Andriamanitra no tsy mahalala afa-tsy kely ny hevitry ny hoe mpiray amin’ny voninahiny, ka ovaina avy amin’ny voninahitra ho amin’ny voninahitra. Maro aminareo no mandray amin’ny fomba manjavozavo ny famirapiratan’i Kristy, ka dibo-kafaliana ny fony. Maniry fatratra hahafantatra ny hevitra lalina sy feno ny fitiavan’ny Mpamonjy izy. Tsy afa-po ianao kanefa aza kivy. Omeo an’i Jesôsy ny fitiavana tsara indrindra sy masina indrindra avy amin’ny fonao. Tehirizo ny tara-pahazavana tsirairay. Kolokoloy ny fanirian’ny fanahy tsirairay an’Andriamanitra. Omeo fahaizana mikolokolo ny fisainana ara-panahy sy fiombonana masina ny tenanao. Efa hitanao tamin’ny alalan’ireo taratra voalohan’ny fiposahan’ny voninahiny. Rehefa mampitombo ny fahalalanao an’Andriamanitra ianao, dia ho fantatrao fa ny famirapiratany dia voavoatra tahaka ny maraina. “Ny làlan’ny marina dia tahaka ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava ambara-pitataovovonan’ny andro.” Rehefa nibebaka ny amin’ny otantsika isika ka niaiky ireny, ka nahazo famelan-keloka, dia hianatra hatrany ny amin’I Kristy, am-bara-pahatongantsika eo amin’ny finoana feno sy tanteraka ny filazantsara. - TFC, b. 8, t. 318.FK 335.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents