Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Fanompoana Kristianina - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 8 - Fandaminana Atao Amin’ireo Herin’ny Kristianina

    Tena Ilaina Ny Fandaminanana

    Fohy ny fotoana, ka tsy maintsy alamina ny herintsika mba hanaovana asa lehibe kokoa. - TFC, b. 9, t.27 .FK 101.1

    Nasehon’Ilay Anankiray tsy mety diso tamiko fa ny famoronana tarika madinika no fototry ny ezaka kristianina. - TFC b. 7, tt. 21, 22.FK 101.2

    Aoka hisy vondrona mpiasa voalamina tsara ao amin’fiangonana tsirairay mba hiasa eo amin’manodidina. - RH, 29 Sept. 1891.FK 101.3

    Tokony hisy tarika mpiasa voalamina sy voafehy tsara ao amin’tanàna tsirairay; tsy ho iray na roa fotsiny fa androapolony no tokony hapetraka hiasa. - GCB, 1893, t. 21 .FK 101.4

    Aoka hisy tarika haorina ho amin’fanompoana ao amin‘ny fiangonantsika. Aoka ireo olona samihafa hitambatra ho mpanarato olona. Aoka izy ireo hikatsaka ny hanangona fanahy hiala amin‘ny fahalotoan‘izao tontolo izao ho any amin‘ny fahadiovana mamonjin’fitiavan‘i Kristy. - TFC, b.7, t. 21 .FK 101.5

    Nalamina ho amin’asa misiônera no nikendrena ny fiangonan‘i Kristy eto an-tany, ary irin‘ny Tompo ny hahita ny fiangonana manontolo mamolavola fomba sy fitaovana izay hahatonga ny ambony sy ny ambany, ny manan-karena sy ny mahantra handre ny hafatry ny fahamarinana. - TFC, b. 6, t. 29.FK 101.6

    Raha marobe ny isan’mambra dia aoka ny mambra hatao tarika madinika, izay hiasa tsy ho an’mambran’fiangonana fotsiny ihany, fa ho an’tsy mpino koa. Raha ao amin’toerana anankiray, tsy misy afa-tsy roa na telo no mahafantatra ny fahamarinana, aoka izy ireo hikambana toy ny tarika mpiasa anankiray. - TFC, b. 7, t. 22.FK 102.1

    Raha ilaina ho amin’asa feno fahombiazana eo an-tany fiadina ny fifehezana sy ny filaminana, dia mitovy amin’izany, eny, mihoatra lavitra aza, ny ilàna izany amin’adidy izay hirotsahantsika an-tsehatra satria manan-danja lehibe kokoa sy ambony kokoa ny endriky ny zavatra izay halaintsika noho ny zavatra izay hiadian’ireo hery mifanandrina maro eo amin’saha fiadiana. Ny tombontsoa mandrakizay no kendrena ho loka eo amin’fifanandrinana izay handraisantsika anjara. - TFC, b. 1, t. 649.FK 102.2

    Andriamanitry ny filaminana Andriamanitra. Mifandrindra tanteraka izay zavatra rehetra atao any an-danitra. Manatontosa ny anjara asany amin’fanarahan-dalàna fatratra ny tafik’anjely. Tsy misy raharaha kasaina hatao ho vita foana raha tsy atao amim-pilaminana sy ifanarahana. Tsy latsa-danja noho ny tamin’andron’Isiraely fahiny, no itakian’Andriamanitra fandaminana sy tetik’asa eo amin’asany ankehitriny Tokony hiasa amim-pahendrena izay rehetra manao ny asan’Andriamanitra, fa tsy hanao mosalahy na rainazy amin’asa. Ny asa vita amim-pinoana sy ara-potoana no ahazoana ny tombon-kasen’fanekena. - PM, t. 387 .FK 102.3

    Asa voalamina tsara no tsy maintsy atao ao amin’fiangonana, mba hahatonga ny mambra hahafantatra ny fomba hizaràna ny fahazavana amin’hafa, ary amin’izany no hampahatanjaka ny finoan’tenany sy hampitombo ny fahalalany. Raha mizara izay noraisiny avy tamin’Andriamanitra izy ireo, dia hihamafy orina ao amin‘ny finoana izy. Fiangonana velona ny fiangonana miasa. Manorina eo ambony vato velona isika, koa ny vato tsirairay avy dia tokony handefa fahazavana. Ny Kristianina tsirairay avy dia oharina amin’vato sarobidy izay mandray ny voninahitr’Andriamanitra ary mitaratra izany. - TFC, b. 6, t. 435.FK 102.4

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents